Maninona kay ianareo lehilahy?

1. mandinika ( 26/01/2005 23:32)
Maninona kay ianareo lehilahy ato @ serasera raha vao mba sympa aminareo le sipa dia ny mikoty avy hatrany no ataonareo na tsy mbola hitanareo akory aza ny sariny. Tsy ny lehilahy rehetra ato akory an! fa ny sasantsasany!
novalian'i xxx ny 14/05/2005 14:57
2. mamybe ( 27/01/2005 05:37)
Tena marina io fanontanian\'i Mandinika io e! Sympa ange tsy midika akory hoe môla na mitady ho-kôtina e! Nefa dia dika vilana foana no andraisan\'ny sasany aza. Izay no mampalaina hiserasera indraindray. Tsy azo atao ve le hoe NAMANA fotsiny e? Sa kosa fitiavana te hampi-jabaka olona?
3. moi ( 27/01/2005 06:08)
Ahoana zany ry sasantsanany a !
Fa aza raisina hoe mikôty foana kosa aloha rehefa mba manjamanja ilay teny ampiasaina e ! Ny ahy izao dia mba tiako fotsiny ny mampiasa ilay fiteny mba hotran\'izay e, fa tsy mikôty mihitsy aho, ary namana no tadiaviko ato, fa za efa pris hozy ny filazan\'ny sasany zay.
4. jhouhlambout ( 27/01/2005 06:34)
Ka rehefa manao sympa ny vehivavy dia mba manao sympa koa zahay fa tsy voatery hoe mikoty zany!
5. poupounesana ( 27/01/2005 06:50)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
d samia sympa ao daolo eh!
hitady namana kosa v d le ratsy fanahy b reny kosa no tadiavina!
6. mandinika ( 27/01/2005 08:09)
Ny tiko tenenina @ le we mikoty tsy le we mampiasa teny manjamanja akory na le we sympa, tsy vao maika aza ve moa mahafinaritra ny fifandraisana eto raha samy sympa daholo, fa ny tiko tenenina le tena miteny mihitsy we \"tiko enao\"
7. mamyrafano ( 27/01/2005 08:16)
fa le mikoty koa ange mety hoe mikoty an\'le sipa le bandy fa tiany ho namany ilay sipa e, fa tsy voatery hoe...... sasy ny bandy koa nge tsy mikozy ra vo ts sipa simpa e! zany hoe refa mba misy mamaly na mikoty izany ianao di tsarovy fa mahafinaritra be ianao de kotina mba ho lasa namana de any vao mieritreritra hoe avadika ve ny film sa namana de namana
tsy aiko aloh e
8. mihanta ( 27/01/2005 08:30)
mandinika aza ovaina ny firesakao fa avelao zareo sy ny eritreriny ho any.
9. chuan ( 27/01/2005 10:01)
Tsy hitako alou izay mahadiso an`le mikoty akia Mandinika kou ! Am`zay owe sipa sympa hummm ! Efa point positif nge zany e ! Ny tsy mikoty aza no mampieritreritra kle !!! Fa na izany na tsy zany zonao mitsy koa ny mandà refa hitanao fa tsy masaka le resaka e ! Tolotra sy tinady io e ! hihihihi
10. kinaoly ( 27/01/2005 11:06)
za kou alou tsy mikôty fa mbô sympa fotsiny e, sady tsara ane le mba micomplimenter ol e, we tsara ny fomba firesakao etc... :-P
11. vegas ( 27/01/2005 12:08)
Sao dia mba diso eritreritra aza nareo? tsy oe refa miteny tiko enao nge de oe mikôty e! nareo no mieritreritra lalina fa amin\'ny fomba aona kosa mo no ikôtinay sipa tsy hitanay maso? tsisy mifampikôty zany eo fa resaka no atao ô.
12. ikaretsaka ( 27/01/2005 15:35)
io koa misy..
13. welie ( 27/01/2005 15:50)
Za indray ry reto nefa mba sympa ihany fa dia tsy misy mikoty mintsy a! :roll: :-P

mandinika... le hoe mikoty eto @ sera2 ve ilay hoe tonga dia manao rentre-dedans be sa hoe ahona ilay hoe kotin\'ny bandy eto? Mba misy hoe mba te hiresaka fotsiny kou anie satria hoe sympa be ilay sipa e! Tsy aiko alou e...
14. ikaretsaka ( 27/01/2005 15:54)
misy sipa tsy mahay manavaka ny ny manao sympa sy ny mikoty koa anie e
miresaka tsotra ary lazainy fa mikoty!
15. tsiperifery ( 27/01/2005 17:08)
mandinika > TTss ! tsy tokony ferana ho lehilahy fotsiny le valan-dresaka fa mety mba misy vaiavy manao toy izany koa e :)
Tsy azo ferana ny fikaotina satria lalanan\'ny fiainana, na mahita sary na tsia. Ary matoa le namana mamboraka zeutêm mety efa mba nisy famantarana t@ fihetsiky ny iray angamba. Raha tsy izay dia mba mivazivazy toy ny rehetra izy fa aza raisina lalina e ! Fitia tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana !
16. fijo ( 27/01/2005 22:36)
za moa tsy mahay io mikoty io ka tsy hitako izay lazaina.sao diso fandray marina kosa ary ianareo sipa e????
17. jhouhlambout ( 27/01/2005 22:55)
ié tena zay mihintsy angamba
18. spidherimanina ( 28/01/2005 08:39)
ny fomban\'ny lhl mantsy rehefa mahita resaka sympa ataon\'ny vhv dia maka sary an-tsaina hoe manjamanja izao ity vhv ity dia alaim-panahy hikôty azy na dia tsy hitany maso aza, ilay fitia matotra mantsy @ sasany tsy dia ny apparence physique no ilaina fa ilay tena ataontsika gasy hoe sila-panahy mifameno @ azy, mety hifameno tsara @ izay tadiaviny ny resaka ifaneraserana eo dia raiki-pitia eo dia..., izany akory tsy milaza hoe vadio daholo izao sipa na bandy ratsy tarehy rehetra izao é na koa hoe anaovy fantasmes daholo izao namana ifanoratana izao, dangereux izany sao diso fanantenana eo ....!
19. dezy ( 28/01/2005 09:43)
marina zany raspidherimanina,misy fomba fiteniny viavy tonga de manaitra ,manintona zany akory tsy miteny we tonga de tiko io fa tsy maintsy mba mifanoratra madinidinika eny e
20. mandinika ( 28/01/2005 12:36)
Dia misaotra anareo rehetra namoaka ny hevitrareo mikasika ny fanontaniako ary tena hitako fa samy marina daholo ny voalazanareo tsirairay avy, misy ho saintsainina tokoa ny hevitrareo .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1002