Rapasy sy ny firaisana

21. booboo ( 25/01/2005 10:35)
fa maninn ? ilay @ oe izy \" pasitera \" ve dé tsy tokony hitovy @ be sy ny bobaka ? Tsy mananihany zà na maneso fa tena tsy azoko mitsy tsinn :oops:
22. zakilinina ( 25/01/2005 12:39)
Tsy azo antoka ny mahamarim-pototra ny fanamarihan\'i Maso.Mahafantatra pasitera maro aho fa 2 ka h@ 4 ny zanany.
23. cutie ( 25/01/2005 12:53)
ka maninona kou raha atao we ramompera sy ny firaisana .lolllllllllllllllllllllllll
24. booboo ( 25/01/2005 13:27)
dé maninn ôa raha zany ny isan\'ny zanany. Kony ?
25. maditra ( 25/01/2005 13:47)
ramaso> rehefa te hiresaka fiainana pasitera sy ny mmpitondra fivavahana kristianina ianao dia ataovy ao an-tsainao aloha (raha mba manana ianao ao) ny Baiboly. Raha tsy izany, inona foana ny maha pasitera azy eo?
zanaka roa na efatra ve lesy dia lazainao fa maro? Sa efa nivadika ati-doha amin\'ny hoe PLUSIEURS ianao ao.
2 ny masonla izao( 8O ), hilaza ve ela fa tena bobaka be izany?
tena hoe te hikritika fiainan-drapasitera bete fotsiny izao izany ianao raha azoko tsara!
26. maditra ( 25/01/2005 18:32)
Tsy mpandresy lahatra momba ny fanabeazana aizana ny pasitera. Raha ohatra ka miteny ela hoe, maninona ireo izay mpitarika vahoaka amin\'ny fanabeazana aizana no manana anaka maro dia mety mba ao tsara ny hevitra tohananao. Pasitera resahina, inona no idirany amin\'ny fanabeazana aizana. Araky ny Baiboly, Andriamanitra no manome ny zaza(raha tsy mino Baiboly ela dia efa tsy miady hevitra amin\'la mikasika Baiboly sy ny fiainan\'ny mpitondra fiangonana aho).
Zaho aloha tsy protestanta fa baina protestanta,mbola tsy nahaino an\'ny Baininay nitaraina fa tsy misy place aho satria lasan\'ny zanak\'i Pasitera doly ny toerana rehetra.
izay izy fa manabataba ahy mijery baolina ity betizin-dramaso ity.
27. narilala ( 25/01/2005 19:37)
fa maninona hay rehefa ny fiainan\'ireny mpitondra fivavahana ireny no resahina dia mazàna tsy mahita afa tsy lafiny ratsy foana ny olona. Mba jereo fa aza odiana tsy hita ny fahafoizan-tenan\'izy ireny sy ny soa vitany Olombelona anie no nantsoin\'i Kristy hitondra Fiangonana fa tsy anjely e.
Nefa mba fantatra @ fandraisantsika anjara eto fa ny ankamaroany amintsika dia Kristianina no sady Malagasy rahateo mahay manaja olona indrindra fa ny ray aman-dreny. Nefa dia toa fanivaivana ray aman-dreny no ataon\'ny sasany eto, sady izay indray dia ray aman-dreny am-panahy.
Nisy lohateny nataoko teto vao tsy ela manao hoe: \"mba avadika kely idray ny resaka\"; izay natao mba hitarafana ny soa sy ny zava-bitan\'ny Fiangonana mbamin\'ireo mpitondra sy mpivavaka ao aminy, fa hita fa tsy nahasarika olona firy. Aiza moa isika no handroso satria tsy mba mahita lafitsaram-piainana mihitsy fa difotra ao anatin\'ny tsikera lava izao.
Mba ampiakaro ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana, fa aza alefa any ambany any foana e. Dia hiboretaka any ambany any koa no hiafaranao!
28. mihanta ( 25/01/2005 22:39)
avelao rapasy mba hiteraka maro refa zay no tiany,refa mahazaka izany izy mivady
29. ikaretsaka ( 25/01/2005 23:00)
narilala> efa nalefa teto ny firesahana ny momba ny soa ataon-dry zalahy ireny.. ary ialahy az ano nitarika izany.. saingy tsy nisy namaly loatra fa rehefa zavatra ratsy de betsaka ny namaly...
mahagaga fa zay zany ko!
30. xxx ( 26/01/2005 00:07)
Fa misy fatiantoka ho anareo sa misy tombotsoa ho anareo na maro na vitsy ny zanaky ny pasitera e!!, za zanaka pasitera ary dimy mifankatia sy mifanampy izahay, et je suis fiere am zany. Fa tsy anjaranareo ny mitsara we tia firaisana e! tsy tia mampiasa contraception e sns.
ramaso, izany mba fitsaranao e!! laviko ary tsy ekeko izay voalazanao @ le resaka famenoana dabilio sy ny fampitomboana rakitra satria dia zavatra nifanohitra teo @ fiainanay, zahay tsy mba nipetraka teny aloha teny zany, tsy ny rakitra no zava dehibe fa ny fo izay manaiky sy atolotra ny Tompo, ka ny fifalianay tsy vola aman-karena fa mahita ny vahoakan\\\'Atra faly miaraka @ Tompo, raha vola na drala, tsy izany no antony nanaovana pasteur, ka na misy io na tsy misy, na kely na be, tsy mba niadiana varotra
ramaso nga tsy tia manao? izay tia manao rehetra izany dia pasitera? ary matoa izy tsy mampiasa kapoty dia matoky ny tenany ary matoky ny vadiny.
ramaso fa firy kay ianareo ny mpiray tampo? vitsy sa maro, de mba velom-panontaniana ve ramaso we fa maninn ry dada sy neny no tsy zao ny isanay ? tsy tia manao firaisana ve nareo sa nalefan\\\'i dada aiza daholo izay tokony anjaran\\\'i neny? lol :-P ,
Aza dia miditra ny vie intime be loatra, ny anao sy ny ataonao resahana fa aza mitsikera ny hafa.
Misaotra.
Sonia : Yonika
31. damaopa ( 26/01/2005 01:34)
ianareo koa rey olona variana miady hevitra amindrapasy fotsiny eto. Angaha izy ireny voararan\'ny lalana sy tsy manan-jo hiteraka maro?
Ny maopera aza betsaka no miteraka na ireo miala na ireo mbla am-perinasa. Ireo amperinasa no tena mamokatra satria maro ny vadikeliny.
Izaho izao mino fa misy zanaka maopera sy pasitera eto amin\'ny serasera dia aoka mba hajaina izy fa complexé e!

misitery izany rey anaka
32. cutie ( 26/01/2005 04:10)
avelao @ zay ny resaka pasitera fa ny resaka mopera njay atao lolllllllllllllllllllllllll.
33. bichette ( 26/01/2005 08:06)
pasitera anie olombelona tahakan\'ny rehetra ihany e ! tsy hoe satria pasitera dia tokony hahena ny firaisana ataony. m Raha manambady izy ka na isan\'andro aza izy no te hiray amin\'ny vadiny, inona no olana ? tsy fahotana izany satria efa vita mariazy.

amin\'izao vanimpotoana hiainantsika izao matetika (matetika wa) tsy dia manao ilay miteraka mifanarakaraka be intsony ny olona fa asiana elanelany kely foana ohatra hoe 3 na 4 taona. Manana namana izay aho,, nataony nisesisesy ny zanany 3. Tsy mbola nandeha akory ilay faharoa dia efa bevohoka izy dia hoy ny olona hoe \"encore ? \" \" DEJA 3 \"et ben didonc\"... dia tena ohatran\'ny hoe fahotana na hoe mahamenatra nefa mpivady ara dalana izy roa no choix ilay izy.
34. ranini ( 26/01/2005 14:56)
inona moa no blèm nareo @ izay aton\'i pastera sy izay aterany ee!
Olombelona toa anao ihany izy manana ny filana rehetratoa anao,donc tsynmisy oloanizany na 14 aza ny zanany; Safidy koa ny hieraka arak izay tiany,ary koa ny resaka firaisana izaany anie tsy ratsy mihitsy fa na ny baiboly aza anie miresaka anio tsara eee.miresaka ny tokony ataony mpivady momba anio aza izy ,tsy sujet taboo akory io na finoana aza noresahan fa nynsasany no tery sain no tsy mahay baiboly akory fa extremiste @ finoana kristiana.
35. narilala ( 26/01/2005 19:25)
tsy misy olana izany Ramaso na folo aza ny ankizy rehefa velona ara-dalana daholo. Izahay izao valo mianadahy velona tsara aby ary tafita @ fianarana daholo, ny telo mianatra aty am-pita, ny any Dago misy dokotera , ny iray aza efa nampianatra an-dRamaso. Tsy zanaka mpanankarena akory izahay fa noho ny filozohan\'ny ray aman-dreninay hampianatra anay na dia mafy ady aza izy ireo dia tafita izahay, ka ny fahaizana sy ny fanabeazana nomeny anay no mahatonga anay ho tafita.
Velona foana io na firy na firy rehefa nivononana, fa tsy hoe akory rehefa maro anaka dia tsy ho velona na hitsipozipozy ny ankizy.
36. vegas ( 26/01/2005 20:15)
sady mbola maditrakely daolo koa avy eo.
mety zanaky ny fanahy masina reny ry zareo an,fa tsy avy amin\'ny firaisana.
37. ikaretsaka ( 26/01/2005 22:37)
rehefa tsy atao motif ampiakarana ny rakitra mba hamelomana ilay izy letsy dia tsy asiako olona loatra a.
fa raha hoe \"ny sitrapon\'i pasitera no angaronana ny ao am-paosiko de tsisy io\"
38. fijo ( 27/01/2005 05:31)
mahagaga fa raha vao miresaka rapasy sy damaopa dia misy tery be avy hatrany ny sainy.fanontaniana ny antony no ilana valiny fa tsy hoe fitsikilovana ny asandzizin\'ny rapasy.ka mitombona io fanontaniana io .za etsy aloha etsy efa nametraka azy ity koa,ka tsy hitako izay mahasorena.
39. cutie ( 27/01/2005 15:54)
ikaretsaka hita mihitsy we tsy protestant. :-D :-D
40. ikaretsaka ( 27/01/2005 16:06)
ka inoan mo ano ho protesteko eo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2733