ny hevitrareo?

1. ( 20/01/2005 09:13)
voatery ve ny vehivavy hanaraka ny finoany vadiny refa manambady? mazava ho azy aloha hoe tsy mitovy finoana a!
novalian'i sonwin ny 11/04/2005 17:43
2. lo ( 20/01/2005 10:06)
tsy voatery alou e, fa tsaratsara kokoa rah manaraka, mba tsinjonvina iany le klonga aveo tsy hiova2 we ary anjoany, ary rapitso fa mba iray iany, d tsy miorina tsara aveo :)
3. mihanta ( 20/01/2005 10:20)
refa tsy tavaratra le vady d tsy voatery kosa ngamba k
4. xxx ( 20/01/2005 12:00)
Misy ny atao hoe fifanajana eo @ samy mpifankatia :* , ary tafiditra ao ny fanajana ny finoan\'ny an daniny sy an kilany. Raha mifampatoky izy roroa, dia afaka mifanaiky ny hitazona ny finoany avy. Tsy manakana an dralehilahy handresy lahatra anefa izany. Raha tsy mety resy lahatra rakalakely, dia tokony hanaja ny safidiny le bandy, raha sahy izy an :) !!! Rakalakely @ izay anefa dia tokony koa hanaja ny finon\'ilay bandy, ka tsy hanamavo izany :roll: , na inona disadisa any aoriana any.Ny kilonga, dia hifandinihina koa ny hitazaina azy, omena ny safidiny izy rehefa afaka manao izany. Fantaro, fa maro ny vehivavy kristiana izay manambady silamo, ary dia tokatrano mirindra tokoa an !!! Fa izay e ! rehefa mifankatia dia tonga ho azy ny fifanajana @ lafiny rehetra, tafiditra ao ny finoana.
5. booboo ( 20/01/2005 12:03)
Tsy voatery raha tsy hoe membre @ ireny secte extremiste ireny angaha ny vadiny :roll:
6. kinaoly ( 20/01/2005 12:29)
araky ny finoana ihany io, @ finoana sasany (ho an\'ny judaïsme oatsa raha tsy diso aho an)manko dia ny vhv no mitondra ny lova aram-pinoana, izany hoe ny finoan\'ny reny no arahi\'ny zanaka ka, raha samy hafa finoana @ vadiny ilay ramatoa, dia misy mitaky fiovam-pinoana ny fianakavin-dralhl
7. chipie1 ( 20/01/2005 13:26)
amiko kou tsy voatery !
8. yonikafopl ( 20/01/2005 13:57)
amiko koa tsy voatery .
Tsy ny antokom-pinoana no zava dehibe amiko fa ilay tena finoanao sy ny fiainanao ao anatin\'izay.Rehefa mino fa Jesosy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. ary Atra tokana no ivavahana, dia tsy hitako izay hifanerena hoe tsy maintsy hivadika. Ny ahy hidirako hivavahana daholo izay fiangonana rehetra hitako, fa raha protestanta ve aho ka any @ tany tsy misy protestanta dia tsy hiditra ao @ fiangonana na dia Katolika aza .
Ny zandriko lahy nanam-bady katolika, fa dia tsy nisy nifanerena we tsy maintsy mivadika na tsia, ary mba tsy nisian\'ny tombo sy hala dia niara nanamasina ny mariazy ny pasitera sy mopera.
Ny resaka zaza indray, tsy hitako ny olana , Ny basen\'ny finoana no ampahafantaro sy ampianaro azy. Fa amiko tsy dia mety loatra ilay hoe tsika protestanta na katolika dia izingizinina eo zany. Fa ilay tena tokony hiainana tsy ao mihintsy.Na protestanta ianao na katolika na anglikana sns, rehefa iray ny lalana hahatongavantsika any am-paradisa dia izay no zava dehibe, miray lalana ety an-tany ka hatrany an-danitra. :-*
9. kavitra ( 20/01/2005 14:34)
tokony tsy ho voatery
10. ikaretsaka ( 20/01/2005 16:07)
misy le kozin\'i paoly aloha hoe aoka ny vehivavy hanaraka ny vadiny satria ny lahy no lohan\'ny vavy bla bla bla.
fa efa lalanan\'ny ato mo ny tsy mampihatra ara-bakiteny ko
11. bichette ( 20/01/2005 16:54)
yonikafopl > ny olana koa anie dia misy miteny fa hoe ny finoany no tena marina dia lasa olana be koa
12. sechat ( 20/01/2005 17:05)
amiko koa tsy voatery.
ikaretsaka> raha any @ secte le lehilahy ve de andeha ho any koa ? :-D
13. ikaretsaka ( 20/01/2005 17:22)
asa ko! za mba miteny fotsiny
14. chipie1 ( 20/01/2005 19:58)
bichette> marina mihitsy zany !
15. ikaretsaka ( 20/01/2005 20:09)
bichette> ka raha vao izay de tsy mety ko.. hoe ny lahy manao hoe ny finoany ihany ny marina de ny vavy koa de avy ny zaza tsy hay intsony ny finoany.. mety aza hoe voatarik\'izay finoana sendra azy eo fotsiny izy..
fa tsara angamba amin\'io ny manao marimaritra iraisana e..
za mahafantatra olona 2 de ny 1 sady katolika no protestant zao ohatra.. protestant ny rainy de katolika ny reniny, dia sady vita batisa sns sns protestant lery no vita komonio voalohany sns katolika...
de ny 1 indray tena sady tsy niaina katolika no tsy niaina protestant de dendra namana mormons dia lasa mormons fotsiny le zaza zao!
16. pitchou ( 20/01/2005 20:28)
ka he izany izy hoe finoana! angaha izany misy an-tery? raha andriamanitra iray ny ivavahany tsy misy olana ze fombafomba arahina ! fa raha tena samihafa d efa sarotra alou ny hivadiana raha tsy afaka mihoatra le olana (ohatra hoe silamo manambady kristiana, na adventista manambady katolika na protestanta, na tsy mino an\'Andriamanitra manambady mpivavaka be)! d ngamba samy mitana ho azy no mety kokoa!
ny ankizy indray ho raharaha @zay fotoana izay satria ny vavy no tena mitaiza noho izany ny finoan\'ny vavy no ho azy, saingy raha be zesta le bandy d rehefa lehibe ny zaza tereny hanaraka ny finoany d ho sahirana
17. ikaretsaka ( 20/01/2005 20:30)
pitchou> fa na iznayna tsy izany.. aleo ihany ilay mahalala fomba araky ny ray aman-dreny toy izany ilay tratran\'ny hoe...
fomba avy aiza ity mitsongolobody ty ry zanako??
18. yonikafopl ( 20/01/2005 20:31)
bichette/ ny fivavahana marina amiko dia ny fivavahana mitandro ny filaminana, tsy mankahala ny hafa na manambony tena. Izay manetry tena no asandratra. Za zanaka mpitondra fivavahana fa na ny dadanay aza tsy mba nanery anay @ izay safidy hinoanay, nampianatra anay ny lalana marina tokony izoranay no nataony ho adidy lehibe, Fa na I Jesosy izay arahan\'ny kristiana aza anie tsy nanery ny olona hanaraka azy e!! Nitory sy nampahafantatra Izy ny amin\'ny fiainana sy ny finoana. anjaran\'ny tsirairay ny misafidy na ho any izy na tsia.
Amiko ny fanindraindranao ny finoanao fa marina tsy diso, fa ny fanambanianao ny finoan\'ny hafa disoako.
Ary dia izao koa, ny fitiavana manarona ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ka raha tena ao ilay hoe fitiavana @ maha fitiavana azy tsy tokony ho sakana ny resaka finoana.
19. ikaretsaka ( 20/01/2005 21:05)
rehefa tsy fitiavan-tena io de mety an!
20. xxx ( 21/01/2005 12:07)
dia aiza aza no entina le mariazy raha izany sa atao in2 any aminy lehilahy aloha de avy eo vehivavy? :lol: sa manaiky nareo lehilahy oe entina any aminy vehivavy le mariazy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3045