Hena : nilentika ry zalah fa tsy hita firy teny ambony akalana rehetra teny amin ny mpivarotra teny teto andrenivohitra.

1. ravatorano ( 10/01/2005 13:22)
Efa ho herinandro izay no vitsy ny hena na hen omby io na hena kisoa hita teny amin ireo mpivaro kena teto andrenivohitra>Raha nisy aza moa teny ho eny dia teo ami ny 5 000 ariary ny iray kilao amin izany.Taorian ny fety io dia ohatran ny we najavaona izany ny hena ka nanahirana ny nitady azy.
Ilaharana ny vary . saika nilaharana koa ny hena , soa ihany fa vitsy ny manam bola hividianana d tsy nilaharana .
Ny antony hono dia niakatra b ny vidin ny omby eny amin ny mpamongady na ny grossiste ary ry zareo ireo indray miolaza fa niakatra ny vidin ny omby velona eny Mahitsy izay tsenan omby akaiky indrindra an Antananarivo izany.
Dia tsy naka ny mpanjinjara na ny detaillant satria hiakatra ny vidiny ho an ireo mpihinana ka mataotra ry zareo sao hasiso eo ny henany satria ny olona mbola lany vola tamin ny fety teo sady mbola amin ny faran ny volana koa vao azo ilay fiakarana 12% ny karama ho an ny fokisionnera :-D :-D :-D :-P :-P :-P
2. tsiperifery ( 10/01/2005 13:46)
Tsy ho sômazy daholo ve izany ny mpivaro-maskita kle ! Mahatsiaro ny akamako eny ampefiloha mpivarotra za ! :cry:
3. lo ( 10/01/2005 15:57)
tô we b ny dahalo tratra d tsy misy mpamatsy ireo mpamongady lehibe mpandefa ny omby manao vacances amcamion aty amtanana d zay no tsy d mampisy azy any antsena. Mety ho marina v?
4. fanja1 ( 10/01/2005 17:54)
ary raha mihinana zvt hafa injay e oh: legumes! atody ! pommes de terre , katsaka mangahazo sns e........
5. ikaretsaka ( 10/01/2005 20:57)
fa ny hena ange hena ihany ry fanja e...
6. zakilinina ( 10/01/2005 23:32)
Voaporofo hono fa mahavoa ny homamiadana (cancer) ny hena (toy ny sigara).
Miombon-kevitra amin\'i Fanja aho. Mahasalama tokoa anie ny mihinana légumes ê ! Jereo ohatra fa ireo mpihinana henan-kisoa (biby maloto tsy mety tsemboka) dia mandefa rivotra matetika.
7. maditra ( 10/01/2005 23:34)
Eny fa ny tena marina, ankoatran\'ny mpivaro-masikita izany, dia aferan\'ny mpanam-bola ny hena! Na mpiasam-panjakana aza tsy dia mihinana an\'io matetika! Fa tsara mba misy ihany aloha!
8. ikaretsaka ( 11/01/2005 00:55)
matoa misy sy fihinana ny hena .. dia natao ho hanina
na ny rivotra hiainana aza mahavoan\'ny cancer fa io raharaha io hono dia ny aza voany ihany ny fanafodiny
9. fanja1 ( 11/01/2005 07:22)
Tsy ho faty akoury raha tsy mihinankena e!
10. chipie1 ( 11/01/2005 08:07)
fa ilaina ny mihinakena!
11. tsiperifery ( 11/01/2005 08:55)
fanja1) Ny atody lafo noho ny hena raha ho an\'ny gasy maro anaka. Sady hafa ihany izany hoe HENA izany e ! MMMmmm !! Ritina @ tongolo gasy...
Zakilinina > n\'inon\'inona leran\'i razaky tsy maintsy misy ny rivotra mivoaka . (Tsy mba fahotàna fa réglementn\'ny fahasalamana). Razaky no tsy mihinana kisoa ka ny hafa no endrikendrehina !!!!
12. tenio ( 11/01/2005 09:43)
Vegetarien tsy fidiny daholo zany.
13. ravatorano ( 11/01/2005 10:00)
izaho aloha dia tena tia hena tokoa indrindra fa kisoa ilay izy hummmm aoka fotsiny.Izay lazainareo any aloha anareo izay fa izao koa anie tsy misy olona afaka mihinakena isan andro isanandro izany tsony aty aminay eh.Izaho raha misy ihany ny vola hividianana mividy aho na dia atsasaky ny fefany aza , zany aza hoe hena kouh :D :D :D
Ny tsy mampisy firy ny hena dia nohon ny halafony any ampotony ka tsy sahy hampiakatra ny vidiny ny detaillant satria iza no hividy eo ka ho maimbo sy lo eo ny hena raha tsy lafo.
Marian fa azo atao ny mihinana katsaka legume sy ny sisa fa hafa ihany wa ny hena izay tsy hanina isan andro.Nenah zao dia efa manomboka leo a izany legioma zany za fa ry fanja ihany no be mpamporisika eo :-P :-P :-P
14. tsiperifery ( 11/01/2005 10:09)
Ravato > ary tsy misy kle miompy kisoa angaha eny @ elaisany eny e ! Sitrany ahay manatsatsika kisoakely 1 isak\'enimbolana ohatra ! MMMmmm! Laqué-na @ tantely. Azo asiana legumes manodidina azy de asaina koa ny vezetariana e ! :D
15. fanja1 ( 11/01/2005 10:15)
Ka refa tssy aza ny hena sy ny vola hividianana azy hanao inn? grevy tsy hisakafo daholo ve?
16. ikaretsaka ( 11/01/2005 14:26)
farany dia ny ao an-tanan-dehibe no hangalatra omby rehefa manina hena le
17. tsiperifery ( 11/01/2005 14:53)
Ravato> Ary ny vidin\'ny trondro izao manao ahoana ? Sa tsy dia misy koa ?
18. lo ( 11/01/2005 15:46)
tsiperifery > lafo zao ny trondro satria tsy mbola fotoana isokafan\'ny jono zao
19. jhouhlambout ( 11/01/2005 18:07)
20. zakilinina ( 11/01/2005 21:42)
Tsy manakivy an\'izay mpihinan-kena aho akory fa misy tanàna iray izay any Grèce betsaka olona lava andro iainana. Ny antony angaha dia noho izy ireo tsy mpihinan-kena sady tia mandeha tongotra betsaka.
Mahafantatra fianakaviana gasy iray izay koa aho mpihinana légumes. Asa na fifandrifian-javatra fa super doués avokoa ny ankizy any an-tsekoly.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6622