Mety misy fihatrakainy eo @ toe-karena any Dago ve ny fijanonan\'ireo gasy manapahaiza aty an-dafy

1. tanala ( 07/01/2005 16:31)
Satria Ra8 ra vao nitondra de ny gasy taty an-dafy no nantsoiny voalohany ho ministra fa vitsy no namaly. Fa maninona ra gasy tany Dago. Ary inona moa no tena nahatonga ny Ratsimamanga nody tany Dago e nefa anie tsy olona niraharaha azy akory tany, toa privé nyMASY ra tsy diso a.
novalian'i ramaso ny 21/01/2005 05:13
2. paingotra ( 07/01/2005 17:51)
Gaga ihany aho mahare izany satria raha ny fahalalako dia toa misimisy ihany ireo olona efa tany antoerana no nantsoina ka misahana ministera amin\'izao fotoana, ireo tsy namaly indray, inona moa no antony tsy namaliany, matahotra ny hiverina any dago fa efa lasa vazaha zatra revy na dia mbola ho ra Malagasy foana aza no mikoriana ao anatiny. Sady aleo koa izy tsy miverina any satria olona mahalala ny fomba fiainana any Dago no ilaina any fa tsy olona zatra mandray ny vonona.
3. paingotra ( 07/01/2005 17:54)
inona aloha ilay tianao tenenina amin\'ilay hoe manampahaizana e?
4. pitchou ( 07/01/2005 20:48)
misy marina ny tenin\'i paingotra alou e! mety tsy sahy hiatrika ady sarotra loatra tokoa angamba ny gasy sasany aty an-dafy? betsaka tokoa ny manam-pahaizana eto an-toerana no nantsoina nefa nisy zesta kely ihany ni souzy ny teto an-toerana dia avy eo vao nipenopenona!
5. ( 07/01/2005 22:30)
ambany dia ambany ny nationalisme @ élite gasy
6. watafon ( 08/01/2005 06:18)
zay de marina satria tsy misy mitsy ny fitiavan-tanindrazana e! raha marina tokoa aloha fa nisy nantsoina ka tsy nanoina ny antso de tsy milay zany e! fa tsy maninona ...kah , aleo vitain\'izay eto antoerana e!
7. xxx ( 08/01/2005 11:58)
ka mety mahazo vola kounkou de ze mahasoa no ataony e?
8. xxx ( 08/01/2005 12:23)
tsy misy effet zany io fa refa lasa ny olonade samy mitady ny azy é,fa inn moa rarahiny zareo any dago refa mahazo vola izyé ,
9. kitjo ( 08/01/2005 12:59)
ko ngah d vola foana e
10. watafon ( 08/01/2005 17:26)
tsy misy fiatraikany zany raha ny hevitro e! ezaka goavana no mbola atao eto amintsika raha io toekarena io !
11. pitchou ( 08/01/2005 18:34)
ny hitako olana alou d le sady tsy mety mandray andraikitra aty no be kritika avy any lavitra e!
12. xxx ( 09/01/2005 13:41)
Io ange refa miditra tsy maintsy misy resa bola fa nareo ko ange tsy kopy é,na fihavanana io de efa resambola alo tsy maintsy miditra indray.
13. watafon ( 10/01/2005 08:03)
pitchou/ zay mihitsy e! refa tsy hanao de mijanona fa tsy lôzana manao kritika tsy ahitam-bokatsoa akory !
14. tsiperifery ( 10/01/2005 08:52)
Ny fitondrana any Dago koa anie de rizalà avara-pi foana no takarina fa adinony izahay badobado e ! Izahay anefa dimy amby fitopolo isan-jaton\'ny gasy mijanona aty ivelany raha tena atao ny fandinihina !! :lol:
15. ravatorano ( 10/01/2005 09:18)
ny fahalalako azy aloha dia raha manampahaizana mikasika ny teny na langues aleo mijanona any ihany fa raha ara tekinika na siantifika mbola ilaina eto izany raha toa koa ka tena vonona ny hihafy eto ry zareo satria tsy hitovy mihitsy ny sosy azo any ivelany sy ny eto antanindrazana .
Marina ilay teny hoe tsy ampy ny fitiava tanindrazana satria raha tena ny tanindrazanao no jerenao dia niverina taty avokoa ianareo.Isika samy isika aza dia mahita fa raha efa lasalasa kely dia hadino ilay nipoirana ohatra raha avy any Mahajanga na Androy na Arivonimamo na Moramanga zao za ka tafatafa dia eto Antananarivo aho no manorina trano no mampiasa vola fa tsy hidina any amin ilay tanana niaviko mihitsy mba hampiasa vola na hampivoatra ilay toerana.Io dia isika rehetra mihitsy no voan io faf tsy ny avy any andafy ihany fa na eto aza dia misy io :twisted: :twisted: .
fa natao amin ny akapobeany moa ilay izy d izay tratra d tratra fa raha tena tianao ny tanindrazanao dia velomy maso ny any ambanivohitra rehetra any .Manontania tena hoe inn no efa nataoko ary rhaha tsy afaka manao izany ianao dia todika ambongadiny ary i Madagasikara ka alao hery eh fa atsika rehetra ity tanindrazana iombonana ity
16. julien ( 10/01/2005 11:04)
Manahona daholo ny mpandray anjara sy ireo Malagasy tia an\\\'i Madagasikara.
Momba alay lohateny eo ambony dia misy mihitsy ny fahamarinany io lohahevitra io satria raha misy ireo Malagasy mipetraka sy monina any andafin\\\'ny riaka ireo sendra tonga aty Madagasikara dia manao zinona ireo mpiray tanindrazana aminy na inona na inona zavatra ataony any andafy any.Misy ihany anefa ireo mahafinaritra ny toetrany,mifam-pizara fahaizana amireo mpiray tanindrazana .Noho izany
ry zareo aoka isika samy mba hieritreritra ny hoavin\\\'ity firenen-tsika ity fa dia tena mahatra loatra ka mahonena na dia miheritreritra ny vahoaka aty azy.Aoka isika mba samy hieritreritra ny vahaolana maharitra mba ho tafavoaka amin\\\'izao.
Izay no izy fa mazotoa daholo.
17. julien ( 10/01/2005 11:05)
Manahona daholo ny mpandray anjara sy ireo Malagasy tia an\'i Madagasikara.
Momba alay lohateny eo ambony dia misy mihitsy ny fahamarinany io lohahevitra io satria raha misy ireo Malagasy mipetraka sy monina any andafin\'ny riaka ireo sendra tonga aty Madagasikara dia manao zinona ireo mpiray tanindrazana aminy na inona na inona zavatra ataony any andafy any.Misy ihany anefa ireo mahafinaritra ny toetrany,mifam-pizara fahaizana amireo mpiray tanindrazana .Noho izany
ry zareo aoka isika samy mba hieritreritra ny hoavin\'ity firenen-tsika ity fa dia tena mahatra loatra ka mahonena na dia miheritreritra ny vahoaka aty azy.Aoka isika mba samy hieritreritra ny vahaolana maharitra mba ho tafavoaka amin\'izao.
Izay no izy fa mazotoa daholo.
18. tanala ( 12/01/2005 12:08)
Za mahita fa misy fihatraikany io. Araky ny fahalalako dia mila olona avy @ faritra maro ao Dago ny Gouvernement. Tokony hiheritreritra tsara ny faritra 1x1 ho iza no elita no aminy.
Ary mikasika ireo izay nahazo bourse ka mihiringirina tsy mody tokony hisy lalana hentitra mikasika azy reo.
Soso-kevitra: Raha nahazo visa 10 ans izy na nationalité de tsy mahazo mody any Dago mandritra ny 10 farafahakeliny. Tsy mahazo mifandray @ fianakaviny tsy ho afaka mandefa vola na harena any Dago. Ary tsy milevina any akory ra maty.
Tokony hentitra ny sazy hoan\'ny olona tsy tia tanindrazana na mitapi-maso, tadidio ty teniny Ratsimamanga ty hoe vola ny gasy ny bourse na tany Dago na aty an-dafy tsosa.
Ny tena mampalahelo anie de satriny ny gasy sasany aza mahatra ny gasy manodidina azy mba hampisehony ny hareny. Ny pire de any am-piangonana no ampisehony azy mahatsiravina. Io no antony hanaovany vacance.
Tadidio fa ny fodian\'ny japonais tany amin\'ny tany no nandaozany antsika 30 taona any aorina.
Sarotra fa fitiavana tanindrazana mihoatra noho ny natao t@ fitakina fahaleovan-tena io. Fa ilana mba tsy hisiny ny fanomezan-tsiny.
Raha ny mijanona aty an-dafy no safidinao de tadidio hoe mankasitraka ny fanjanahatany enao ary hananany gasy halaheo enao.
19. fijo ( 12/01/2005 23:37)
amiko manokana aloha na samy manampahaizana aza,dia aleo izay efa zatra sy mahay ny fiainana ao no antsoina hitondra fa tsy ny avy aty.ny antony efa nisy nilaza teo ambony.
ary za koa dia mino fa misy vokany amin\'ny hoavin\'ny mada ny tsy fodian\'ny manampahaizana any.
saingy .ny olana dia izao.manahy ny manampahaizana hody satria ,raha ny afahitana azy izao ,na hatramin\'izao dia tsy dia misy firaharahiana loatra ireo izay mody.
ary matahotra koa satria toa bahanana izay tena te hanao zavatra.
farany aty izy tsy dia mijaly loatra .
20. pitchou ( 13/01/2005 01:03)
fijo> any tsy d mijaly lotra ahoana? nefa toa betsaka no mi-clandy any?????
za zao nody d naninona? raha ohatra kosa alou enao hoe hody d hizesta hoe satria tany \"an-dafy\" no nianatra ka noho izany mahay avy 1000 eny noho ny nianatra taty noho izany d tokony ho karamaina avo 1000 eny koa d mila vaniny izany! tadidiko manko nisy bandy zay vao tsy ela nody lery d hoe hiasa hono d nitaky karama par jour mihoatra noho ny karama isam-bolana raisin\'ilay manam-pahaizana noho izy nianatra teto fa satria hono izy nianatra tany an-dafy .... nefa au fond bulle le bandy !!!!
ary ny mahasosotra @ sasany koa, fony tanora tsy te-hierika ny fireneny fa ny hampandroso ny tanin\'ny hafa no imasoany d rehefa antitra tsy mahavita na inn na inn intsony vao hody a hody! maninn tsy mijanona milevina any fa mameno toerana aty fotsiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1085