fivavahana iza noheken\'Andriamanitra amin\'izao fotoana izao?

21. xxx ( 04/01/2005 17:00)
ankasitrahana daolo io fa miankina tsirairay ,fa tsara alo andramana daolo ny fiangonana fa refa hitanareo fa tsy mety de tspanareo miandalana any zany
22. sahary ( 06/01/2005 11:15)
raniny/jereo hoe inona no fivavahan\'i jesosy tamin\'izy tety an-tany dia ho voavaly avy hatrany ny fanontanianao satria za mino fa tsy ny hanao touriste fotsiny no nidirany @-piangonana sy ny nivavahany tamin\'ireny fa ny fanehoana amintsika hoe tahaka izao no fiangonana sy ny fivavahana ankahasitrahany dia zay atao fa za koa mitovy hevitra aminao fa tsy ny fivavahana rehetra no ekeny.
23. xxx ( 11/01/2005 15:39)
De tsy haiko zalah fa @manaraka ndray mifanazava zany fa andraso alou aho hijery Baiboly de hitako eo iany oh!!
24. moi ( 31/01/2005 13:20)
Ny valiny hitako : rehefa mandà an\'i Jeso ho Mpamonjy aloha, dia izay no vita, alaviro satria mazava ny tenin\'Andriamanitra hoe \"Jeso no Làlana, Fahamarinana ary Fiainana\" ; \"Tsy misy mankany amin\'ny Ray raha tsy amin\'ny alàlako\" ; \"Izaho no Vavahady\" ... Be dia be ny teny milaza fa Jeso no hany Mpamonjy.
Ny fivavahana rehetra manaiky an\'i Jeso ho Mpamonjy izany dia sokajiako ho tsara. Fa manomboka misaraka ny hevitra raha vao ampidirina ny fombam-pivavahana, izany hoe resaka Sabata, batisa, fahafolon-karena, Masina Maria sy ny maro hafa.
Amiko dia fombam-pivavahana ireny ary tsy antoka mahavonjy. Betsaka ny fivavahana mandrirotra ireny fombam-pivavahana ireny, ka miteraka izao secte isan-karazany izao nefa Condition nécessaire et suffisante ny hoe : \"Raiso ho Fiainanao Jeso\" Noho izany no anomezako fehiny eto hoe : hisy ho voavonjy any amin\'ireny fiangonana samihafa ireny, na secte aza, dia ireo olona izay Andriamanitra tokoa no tadiaviny tao ka nandray an\'i Jeso, ary hisy ho very koa. Ampahatsiahy ny voalazan\'ny namana miarantsoa tetsy ambony aho ilay manao hoe ... tompoko tompoko nefa .... na dia efa nahavoaka demonia aza ...
Mazava izany fa hisy mpiandry ho very, tsy miankina amin\'izay fiangonana nisy azy izany.
Ny namana methode kosa no anomezako fanazavana kely hoe ireo izay velona talohan\'ny nahafatesan\'i Jeso teo amin\'ny Hazo Fijaliana dia ho tsaraina araka ny Lalàna, ary izay mihitsy anie no nahatongavan\'i Jeso e : sarotra be ny manaja ny Lalàna ; manao fanatitra foana ny olona noho ny otany, dia lasa ohatry ny vitan\'ny hoe rehefa manota dia manao fanatitra mifanandrify amin\'ilay ota fotsiny dia vita, dia toy izay foana. Dia leo fanatitra Andriamanitra nony farany. Ka ny Zanany mihitsy no nalefany mba ho fanatitra indray mandeha, ka izay manaiky fa Jeso efa maty nitondra ny fahotany dia hovonjena. Izay no mahatsotra ny Famonjena, tsy vidim-bola ary tsy mila ezaka avy amin\'olona, fa finoana fotsiny. \"Fahadalàna ho an\'izay ho very, fa Herin\'Andriamanitra kosa ho an\'izay mino\"
Ataovy toy ny voankazo an\'ala re, ka izay mamy atelomy, izay mangidy aloavy.
Fanehoan-kevitra eto, ary mbola averiko eto ny hetaheta te ahafantatra ireny fivavahana tsy kristiana ireny, satria voasoratra hoe \"Fantaro ny zavatra rehetra, azony mafy izay tsara\" ary koa hoe \"Ringana ny oloko noho ny tsy fisian\'ny fahalalàna\".
25. cutie ( 31/01/2005 14:08)
za aloha tonga de manda ny tenin\'i ranini ery ambony we tokony ho iray ihany ny fivavahana.
Samy manao zay fomba hivavahana Andriamanitra io.
Atra iray ihany fa ny fomba entina hiderana azy mety ho samihafa sy maro.
26. ( 31/01/2005 14:27)
nen\'i moi izany dia hoe kristianina vao eken\'andriamanitra?
27. moi ( 01/02/2005 12:59)
Raha ny kristianisma aloha, izay fivavahana resahako eto dia tsy maintsy kristiana vao eken'Andriamanitry ny kristiana (Iaveh na Jehovah), ary inoako koa fa izay Silamo no eken'Andriamanitry ny silamo.... sns... ary andriamanitra samy hafa daholo ireo satria tsy mitovy ny sitrapony sy ny fombany.
Aoka ny kristiana tsy ho diso hevitra amin'ny hoe efa hendry be, na pasitera be, na manao asa soa be, na mahay baiboly be, ... , dia ho eken'Andriamanitra.
28. ikaretsaka ( 02/02/2005 20:52)
nga moa samihafa ny andriamanitra?
29. fijo ( 02/02/2005 23:50)
izany taloha ka
30. ranini ( 03/02/2005 10:55)
misatra zalhy @ valinteny aa!Fa zao anie ny atao hoe mpivavaka de tsy mamono olona aloha nefa ny slamo mamono.Xana tsy miady nefa ny lazaina hoe XCana foan no mampisy ny oloa eto @ fiainana miady ,mamitaka,manadevo ,manambany olona sns...
ka any no mahatonga ahy hilaza hoe iza @ ireo no tena izy ....Ny sasany aza vao nifampitory eny @ tribonaly..nefa milaza fa Xana .Diso tanteraka eee!Setriny zany de hoe tsy misy fivavahana marina eto antany fa manao ze mety aminy
31. cutie ( 03/02/2005 14:51)
ze metimety @ finoanao arahina.
Tsy maintsy misy foana ao fa aza kivy e. :-*
32. moi ( 04/02/2005 07:53)
Amiko aloha dia samihafa ny andriamanitra satria samy manana ny boky manambara ny finoany, ary tsy mitovy koa ny zavatra lazainy. Baiboly sy ny coran, ny livre des mormons...

Ranini > Aleo atao hoe tsy misy mpivavaka marina eto an-tany (fa tsy hoe tsy misy fivavahana marina), ary izay no maha mpanota ny olona nefa tsy mety manaiky hoe mpanota. Tsy izay kasaiko no tanterako, hoy ny Apostoly Paoly izay. Ka raha olona no jerenao, dia tsy hahita ianao, satria Jeso irery ihany no tanteraka, nefa Izy aza nenjehina fatratra tamin'ny fahavelony tety. Nolazaina fa manao politika e, tsy manaja sabata e, miteny ratsy manao blaspheme ...
33. ikaretsaka ( 05/02/2005 00:49)
moi> de misy lanitra bedebe koa iznay..de hoe ity faritany...ooops faridanitry ny silamo de ity an'i masindahy piera, dia ity an'ny mormons, de ity an'ny jiosy...
34. daran ( 08/02/2005 11:34)
ny hevtr ry zareo de oe mifankatia ny tena mpivavaka donc, tsy mandray anjara @ ady, tsy voazarazara no antony ara-politika sy firazanana na socialy... Mandé @ lalana ety sy vitsy mpahita kou . hAlan'ny ol kou ry zareo. Tenin'i Jeso reo . Ka raha bol tsy miatra @ tena zany reo de bol tkn hitady zany!
35. sahary ( 11/02/2005 04:31)
ikaretsaka /Misy Atra maro ary ny baiboly dia milaza fa aza manana Atra hafa afa-tsy izaho.Fa amiko aloha dia iray ihany no tena Atra .
Ary iza koa no afaka hilaza fa i ALLAH = BOUDHA = JESOSY dia iray ihany ?
36. ikaretsaka ( 11/02/2005 04:33)
bouda aloha tsy haiko
fa allah sy andriamanitra Ray dia bedebe tokoa no mampitovy azy ka..
sady samy niteny heo aza manana andriamanitra afa tsy izaho
37. fijo ( 11/02/2005 06:03)
bouda anie tsy andriamanitra e.ary ny boudista tsy fivavahana fa filozofia.
38. moi ( 14/02/2005 13:53)
ikaretsaka> Aleoko ianao no milaza ny finoanao hoe tokana ve ny lanitra, sa dia hisy fizarazarana araka io filazanao io.
Fa sarotra izy ity raha tokana ny lanitra, satria dia diso izany ny iray amin'ny baiboly na coran. Samy mitantara paradisa anefa izy roa.
39. moi ( 14/02/2005 14:00)
ikaretsaka> Aleoko ianao no milaza ny finoanao hoe tokana ve ny lanitra, sa dia hisy fizarazarana araka io filazanao io.
Fa sarotra izy ity raha tokana ny lanitra, satria dia diso izany ny iray amin'ny baiboly na coran. Samy mitantara paradisa anefa izy roa.
40. moi ( 14/02/2005 14:03)
ikaretsaka> Aleoko ianao no milaza ny finoanao hoe tokana ve ny lanitra, sa dia hisy fizarazarana araka io filazanao io.
Fa sarotra izy ity raha tokana ny lanitra, satria dia diso izany ny iray amin'ny baiboly na coran. Samy mitantara paradisa anefa izy roa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3618