inona no antony mahatonga ny olona tsy ho mpino an\'Andriamanitra ?

1. felampaiso ( 28/12/2004 10:17)
Tafaresaka t@ dokotera W.A mianakavy izahay dia tonga tany @ finoana ny resakay.Izao no nolazain\'i dokotera hoe : \" Izaho tsy mino an\'Andriamanitra satria navelany ho faty ny zanako \"
Izany ve dia lojika hoy izahay , tsy mino ny fisiany ianao nefa milaza fa Aa no responsable t@ fahafatesan\'ny zanakao ?=== dia nihomehy fotsiny izy ===
Ramatoa vadiny indray milaza hoe : \" Ny antony tsy inoako an\'Aa dia ianareo kristiana gasy ireo indrindra no tena nanao zavatra manafintohina anay tany MDG ka nahatonga anay hamoy fo hipetraka aty an-dafy, d\'ailleurs je ne crois qu\'en une seule créature :l\'homme ! \"
Dia lasa ny eritreritra hoe :nahoana tokoa no ny mpino ihany no sahy milaza ny antony inoany an\' Aa fa na dia eto @ forum aza dia vitsy ( mba tsy ilazana hoe tsisy ) ireo izay sahy milaza mazava ny antony maha-tsy mpino azy.Matahotra ve sa tsy manan-kavaly sa mieloelo eo ihany ilay finoana fa menatra satria mbola misy antony tsy mazava ?
2. sechat ( 28/12/2004 10:34)
tsy de haiko loatra satria za mino an\'Atra, fa ny ankabeazan\'ny hitako alou de le ol nagataka na tena niandry zavatra ka tsy nahazo. oh hoe ol narary nitady fahasitranana nefa voa maika narary, na ol nitady harena nefa tsy nahazo sns samihafa ... :cry:

ankoatran\'io de ao kou ireo zay tsy notaizana t@ finoana an\'Atra. ohatra hoe efa ol tsy mino ny RAD-ny de tsy nanisy lanjany an\'izany Atra zany. ny ankizy moa ankizy ihany de ny lehibe eo @ manodidina azy no réf. voalohany.
:^)

de ny fahatelo ireo le malemy finoana ka tafajery (na tafihaino) na misetrasetra mijerijery an\'ireny le démonstration siantifika ny tsy fisian\'Atra, na ny niforonan\'ny ol avy @ atoma sns reny...de eo de resy lahatra ery :twisted:

ary ny farany hitako de le tsy de manana hevitra manokana hoe mino sa tsy mino fa arakaraka ilay ol mifanerasera aminy. miaraka @ mpivavaka izy de miangona, miaraka @ tsy mino de mba milaza kou hoe tsy mino. io le pb @ le henamaso. :oops:
3. ikaretsaka ( 29/12/2004 02:29)
misy tena tsy mahalala mihitsy .. ary maro sia maro tokoa ary sarotra aminy ny mino sy mahalala izany..
na porofoinao araka ny tsy voazavan\'ny scianca aza dia ny azy ny destins sy ny anjara sy ny vintana no mikoty
4. ranini ( 29/12/2004 10:33)
Tsotra kely ny valin\'izany! de zao ! ny olona de tototry ny hevitra rehetra toy ny philosophie sy ny théorie isan\'karazany de mifangaro daholo ny zvt rehetra .Eo ihany koa ny tsy fahalalany moba an\'Aa .1) tsy avy @ Aa ny fahafatesana, 2)diso ny fampianarana noraisiny tany am-piangonana sasany:donc mazava hoazy raha tsy mino izy ireny.3)Satan koa miezaka mafy manodina ny olona @ fomba rehetra.(sexe, matérialisme corruption etc...) ok!
5. 1kd100 ( 03/01/2005 13:12)
izaho mieritreritra hoe ireo TSY MPINO an\'Andriamanitra no anisan\'ny TENA TOKONY HAHAY MAMALY IZANY FANONTANIANA IZANY...
6. xxx ( 03/01/2005 17:19)
Ny mahatonga ny olona tsy mino alo de tsy mbola tonga le fotoana hanehony voninahitra ,fa tenin\'A/tra miteny fa tsy maintsy toriana erany zao tontolo zao tenin\'A/tr zay vao tapitra ny farany de dikany zay zany de tsy maintsy hino izy na tsia fa ho any olona nino iany iza fa ninia tsy mino de an\'A/tra sy izy zany miady
7. pitchou ( 03/01/2005 18:53)
euh!!!! sao dia kosa tsy mba nandinika sy nandefa fisainana lalina ny manodidina azy rizareo, tsy niezaka ni-méditer fa dia manao valy boribory? satria ny fahalalako azy, dia ireo siantifika tena manana ny fahaizana tsy takatry ny ankamaroan\'ny olona no tena resy lahatra ny fisian\'Andriamanitra! rizareo manko tsy manao afatsy ny mandinika izay nihaviana na nahatonga an\'itsy na iroa dia midona @ ilay postulat foana hoe misy hery hafa ambony noho ny hery rehetra , dia Andriamanitra izany!
8. ikaretsaka ( 03/01/2005 21:53)
misy 3 ny tsy mino an\'andriamanitra..
-misy ireo tena tsy mahalala mihitsy heo iza iznay andriamanitra izany
-Misy ireno nino taloha va nisy sedra teo @ fiainany ka diso fanantenana dia tsy nino intsony
-nisy ny mampiasa ny fahaiozany sy ny sainy mba handinika ireo tranga manodidina azy ary miezaka manazava izany ara tsiantifika
9. pitchou ( 04/01/2005 18:30)
ary misy ireo tsy mino satria izay no firehana eo @ manodidina azy
10. chipie1 ( 05/01/2005 17:05)
ary misy le tsy mino satria voadona mafy eo aminy fiainana de manome tsiny sy tsy mino anandriamanitra
11. xxx ( 05/01/2005 17:40)
ny olona koa refa diso fanatenan de lasa tsy mino avy eo; fa ny olona tsy mino ko matetika reny manapahaizana b reny satri manjary lasa miankina ny fahalalana \"tahaka Jodasy io\" izy manapahaizana indrindra t @mpianany nefa izy lasa tsy nino tsony .
12. pitchou ( 06/01/2005 17:37)
ny tena manam-pahaizana dia mpino be mihitsy satria mahafantatra ny fetran\'ny fahalalana, fa ny mbola vao miseho ho manam-pahaizana no tsy mino!
fa tsy mino koa ny olona satria tsy tanteraka ny sitrapony, izay indraindray filam-boatsiary!
13. ikaretsaka ( 06/01/2005 19:24)
iza no niteny fa tsy nino i jodasy?
14. chipie1 ( 06/01/2005 19:57)
i xxxx ka!
15. tandanitra ( 07/01/2005 12:50)
- marina mihitsy ny tenin\'i pitchou hoe : ny olona tena manampahaizana no mino an\'Andriamanitra, nisy nitantara mantsy t@ boky fa raha nanontaniana i Albert Einstein hoe :\" quelle est votre plus grande découverte ?\"
dia izao no namalian\'i Einstein azy : \"Ma plus grande découverte ? Je suis un pécheur et Jésus et mort pour moi \" !
16. pitchou ( 07/01/2005 13:56)
karetsaka> nino ange jodasy fa solafaka fotsiny nahita le vola niraviravy e! d nanenina be izy avy teo!
17. sangojy ( 08/01/2005 11:50)
Tonga eo amin\'ny etape handalinana ny hoe avy \"aiza ny ratsy sy ny fijaliana\" ilay adinevitra: lohahevitra lalina be io, ary samy manana ny valin-teniny ny mpino sy ny tsy mpino. Hifandresy lahatra ve? Fanomezan\'Andriamanitra amiko ny finoana, fa isika olona nomety tsy handray. Amiko de tsy misy tsy mpino izany, fa hoe samy manana ny andriamaniny. Ireo milaza hoe tsy mino, ohatra, de efa mino fa ny Andriamanitry ny mpino mamela ny olona hijaly sy ho faty!!! De lasa maro koa ny olona manao ho andrianitra ny fahaizana sy ny ny zavatra hita maso ihany.
Ilay trangan\'ilay dokotera maty zanaka dia nijaly, tsy dia azo tsotsorina le izy, mbola misy sombim-pinoana ao, azo ampiana izy hanaiky ny realité, tsy hanome tsiny an\'Andriamanitra, tsy amin\'ny resabe fa mety fomba hafa, fa raha vao resaka fotsiny io, enao indray no very finoana eo.
LA FOI N\'EST PAS UNE CONNAISSANCE THEORIQUE à ETALER, C\'EST PLUTOT UNE EXPERIENCE à PARTAGER ET à TEMOIGNER.
samy tratran\'ny taona eh
18. xxx ( 08/01/2005 12:19)
ka tsy azonareo le izy ko aiza moa nareo manao zay eritreritra fotsiny fa jodasy ange nino fa avy eo izy lasa tsy nino tsony ,ny olona mino de zao ,refa mino enao de lasa matahotra ,oatra zany ange ny olona @zao fotoan zao é,ny zaza kely ary efa mahalala oe misy A/tra ,fa eo @le fahadisoam- panatena miitsy no lasa tsy mino de toraki zany ange Joda é
19. pitchou ( 08/01/2005 18:24)
amiko ny finoana miorina @ tahotra dia tsy finoana fa miala tsiny raha hi-choquer anareo! fitadiavana intérêt io raha vao misy tahotra ao! matahotra sao lasa any @ helo KA DIA MINO! matahotra sao tsy ho vonjena KA DIA MINO! matahotra an\'itsy, matahotra an\'iroa!
Fa raha tena mino amiko dia miaina ny finoana @ hafaliana an-tsitrapo tsy mitady valiny (tsy mila tambiny re e!), tsy misy zavatra manery tsy misy tahotra .... tsy manavaka (dray!dray!dray! rehefa azon\'ny \"mpino\" izay hilaza izay hoe nareo tahaka an\'itsy fa izahay tahaka an\'iroa ....)
SATRIA Andriamanitra tsy mpamorona helo (fa ireo milaza ho mino no mamorona izany), Andriamanitra tsy biby fampitahorana fa be indrafo sy fitiavana sns e!
20. xxx ( 09/01/2005 13:23)
pitchou
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1125