momba ny fomba fihiran\'ny mpihira sasany ireo hira efa nipetraka taloha

1. eisy ( 20/12/2004 11:27)
manao ahoana o!
tokony mba jerena ihany ny fomba fihiran\'ny mpihira amin\'izao ny hiran\'ireo zokibe teo aloha fa misy tena simba tanteraka indrindra fa ireto ilay vao manomboka malazaireto tena manimbazavatra ihany a! ohatra hoe JOY K,Francia sy ilay PAZZAPA vao tonga iny mahay mihira ry zareo fa mahay mamotika hira koa
novalian'i fijo ny 11/01/2005 23:23
2. tsiperifery ( 20/12/2004 14:58)
eisy> mba omeo ohatra ilay hoe \" mamotika\" fa tsy mazava amiko loatra. Ahoana izany mahay mihira nefa mamotika izany ? ( ôtran\'ny hoe mahay miteny nefa moana !!!)
Fahazaran-tsofina io amiko e !
3. sechat ( 20/12/2004 15:52)
tsy fantako le francia sady za tsy nahita pazzapa :°)
4. ikaretsaka ( 20/12/2004 16:02)
ny ahy aloha ny hitako hoe reussi dia ilay RR majunga nataon-dry silo sy ny namany reprise iny e..
dia nisy anankiray koa taty afara fa e e e
5. pseudo ( 20/12/2004 16:54)
io njaay klongany de mitovy @ le we manao sitiringy sy manao salakabe taloha e! :-D :-D ka enao ihany no erany :!: rivotsa mitsoka io :-P
6. mihanta ( 20/12/2004 17:08)
samy manana ny tiany sy ny fomba fihainony io
7. fijo ( 22/12/2004 21:01)
ekeko izay ry mihanta,fa misy fototra kosa le hira,ary iny tokony hotanana foana.
8. 124 ( 23/12/2004 05:18)
Tena marina mihintsy ny any pseudo.
rivotra mitsoka io ka rehefa ratsy ny fidobony ve tsy mandrovitra ny sitiringiny ihany izy :?
9. fbi ( 24/12/2004 14:37)
ny ahy aloha mahafinaritra ahy daholo ieo hira nohavaozina satria misy @ireny mbola tsy henoko na taloha ary ,dia mba mahalala ny mpihira taloha koa @zay e.ka misy tsy dia tiako ary ny fihiran\'ny sasany dia tsy maninona fa hira hafa ndray no henoiko avancer ko e.
10. ikaretsaka ( 24/12/2004 14:53)
misy lafy tsarany tokao aloha ilay izy araka io voalazan\'i fbi io.. misy hira tsy tadidy intsony na hira mba sendra heno radoi ny 45 tours t@ sovaly de bois taloha be t@ mbola kely ireny ireny dia very any satria elabe tsy nandeha dia niverina indray izao. ireny vetson\'androy sy ry eliane sy emma ireny izoa nga tadidy intsony raha tsy nisy ireny nanao reprise ireny, na hafa aza ny nanaovany azy dia mbatadidy ilay feony sy tonony orizinaly e. sady misy @ ireny le hira taloha ireny ange dia niara maty t@ ilay artiste ny hirany satria tsy nahatafavoaka raki- peo izy taloha e
11. eisy ( 27/12/2004 05:40)
Ekeko fa tsara ny mamerina ireny hira ireny ary ankasitrahako saingy kosa raha ny fomba fihiran\'ny mpihrira sasantsasany azy ireny izao de tena hafa mihintsy e!. Raisiko ohatra manokana eto ary ny hiran\'ny Lolosy ny Tariny Tablier manga sy ny Andro ririnina hiran\'ny tarika Mahaleo (nohiraina tamin\'ny TANA in LOVE farany teo) nisy ihany koa Bemolanga izay tena niova tanteraka (tamin\'ny 40è ann Dadah tao amin\'ny HILTON nataon\'i Francia sy RIja RAMANANTOANINA). De ianareo ve mihevitra fa ho tinareo ireny hira ireny raha ireny no fomba nihirana azy tamin\'ny androny.Ny momba ilau RR Majunga kosa aloha de ekena fa tsara e!
12. fijo ( 27/12/2004 21:14)
ekeko tokoa fa mamerina ny hira efa somary nilentika izy ireo saingy tokony tsy hovaina be loatra ilay izy fa manjary mandiso ny sofin\'ny ankizy izay vao maheno azy.
13. andansonia ( 05/01/2005 13:19)
Tsara ilay hira raha velomina ohatran\'ny ataon\'ny Solika. Fa raha hovaina be ilay hira dia be ny olona no tezitra satria tsy izay no nahalalany ilay hira. Ka tokony hieritreritra tsara ny atistes izay efa na mieritreritra haka hiran\'olona
14. ikaretsaka ( 05/01/2005 19:35)
ka na solika aza ange mety nanova ihany hoe avy any @ valiha lasa piano ohatra e
fa misy kao aloha adaptena @ vanim-potoana
fa raha vao trp loatra ilay izy no tsy mety
15. fijo ( 06/01/2005 21:16)
ny ahy rehefa mbola ao le fototra nahalala le hira dia tsy koi.
16. eisy ( 07/01/2005 06:14)
fijo a!Mélodie,Parole, Rhytme ve no tinao ho lazaina?
17. mihanta ( 08/01/2005 12:31)
ny ahy kalou na novaina na natao inn refa manintona ny sofiko ny mihaino azy k ao le feeling d ok
18. fijo ( 10/01/2005 22:55)
eisy ny fototry ny feony ka.
19. eisy ( 11/01/2005 10:32)
ka ny olana anie de izao e! ireo fototra ireo mihintsy no misy manova misy manko ny mihevitra fa rehefa jazzijazzina ny hira de halaza izy. Eny mety halaza tokoa fa halaza ratsy ....
20. fijo ( 11/01/2005 23:23)
raha miala amin\'izay kosa dia tsy izy aho ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6479