Fankalazana ny faha 5 Taona Namana (Fisaorana)

1. fyjl ( 19/12/2004 05:08)
Ny fifanampiana sy ny fifanomezan-tanana, ny fitiavana ary ny fianiavana no antoka lehibe nahafahana nanatotosa iny lanonana fankalazana ny faha-5 taona ny Namana serasera iny.
Tsy hay noho izany ny tsy hisaotra ireo angady nanànana sy vy nahitana, nitoto nahafotsy ary nahandro nahamasaka io fankalazana io.
Isaorana manokana eto :
- Ny namana rehetra tonga niara-paly ny asabotsy hariva.
- Ny namana vaovao ary efa tsy mahafoy sahady ny fiarahana.
- Ny namana nikasa ny ho tonga nefa tsy afaka noho ny antony maro.
- Ny namana tsy eto an-toerana nefa ny fony dia nanatrika sy niara-paly tamintsika.
- Ny tompon\'andraikitry ny INTH nanaiky ny hifampiraharaha ary nanome ny efitrano.
- Ny namana nanampy t@ fanamafisam-peo.
- Ny namana namboatra ny mofomamy.
- Ny namana nifanaiky fa hitondra izay zakany sy izay takatry ny tanany mba ahafahana manatotosa ny lanonana. Nahafoy aina, vola sy fotoana. Singaniko amizany : Ravatorano, Glou, Naritsimba, Herylo, Voahirana, Mimich, Six, Roxan, Bainah, Capitou, Blackman, Manjamanja, sns... (ialako tsiny raha misy adino fa mbola te-hatory be za manoratra an\'ity, mbola tsy misinda ny fety! hihihihihi).
- Ny namana avy any ampitan-dranomasina tonga eto an-toerana ary nivatsy vola 250.000fmg nentina nanampy t@ fandaniana.
- Ny namana mpianatra sy mpikabary ao @ Hanitra nentin-Drazana.
- Ireo namana rehetra izay mety tsy ho voatonona eto nefa nanampy t@ fo mba hahatotosa izao fety izao.
- Ny tranokala sy ny takelaka serasera nahafahantsika nifankalala.
- Ilay tsy farany fa voalohany dia ANDRIAMANITRA tompon\'izao rehetra izao, nanome fotoana, aina, harena ary fanahy mampifankatia ary tompon\'ny lanonana rahateo.

Miroso ho amin\'ny tsaratsara hatrany isika satria Isika ihany no Ianareo ary Ianareo ihany no Izahay e!
MISAOTRA ANTSIKA ISIKA EEEEE!
novalian'i fijo ny 28/12/2004 22:36
2. fanja1 ( 19/12/2004 08:38)
Dia misaotra anareo rehetra nahavita soamantsara e! izaho koa faly fa vita soamantsara! dia maro² ny fihaonana tahik\'ireny
bizzzzzzzzzzz daholo
3. naritsimba ( 20/12/2004 05:06)
Miarahaba antsika namana rehetra.
Amin\'ny anaran\'ny Sampana Mpikabary sy mpanao vako-drazana HANITRA NENTIN-DRAZANA, no hamaliako ny fisaorana feno antsika namana izay mpikambana na tsy mpikambana ato @ Namana serasera ka nandray anay 45 mianadahy mianaka izay tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny Fankalazana ny faha-5 taonan\'ny namana serasera.org. izay natao tao @ INTH Ampefiloha ny 18/12/2004 faly tokoa izahay satria noraisinareo tamin-kafaliana sy tamim-pitsikitsikiana tanteraka, tsy mba nataonareo ho olon-kafa izahay na dia tao aza ny fahagagana sy ny tsy fanampoizan\'ny namana sasany ny fahatongavanay tao. Ny irariana anie dia ny hitohizan\'izany fiaraha-miasa izany eo @ sehatra fampisehoana ny maha Malagasy antsika, Malagasy mifankatia, mifanaja, miray hina tanteraka ka izahay dia maneho etoana sahady ny hoe:
HO ELA VELONA ANIE NY FIKAMBANANA NAMANA SERASERA.ORG.
Izao no hafatra apetrakay Andriamanitra anie hamaly fitia anareo, ka hampitombo avo zato heny, arivo heny, ka tsy hanam-pahatamperana ny zavatra izay nataonareo ho anay.
Mankasitraka mankatelina antsika namana rehetra
NARITSIMBA

4. ravatorano ( 20/12/2004 06:06)
:D :D :D Misaotra an i fyjl aloha nanao ilay fisaorana fa d fanatitraterana fotsiny sisa no ataoko eto ary fanamasana izany.
Masaka iny lanonana iny ary d tena nisy tokoa ny fiarahana ary efa nanomboka tamininy izany ny fety amin ity faran ny taoana ity.
Mbola mamerina ny fisaorana an ireo namana maro tonga nanatrika tao , isika rehetra no nahavita an iny d ohon ny maha mpinamana ao amin ny serasera ary farany dia misaotra manokana an dry Naritsimba 45 mianadahy nanafana ny lanonana fa tena tao mihitsy fa na ny orana aza tsy nahasakana anareo ,
Sitraka enti matory ranama ka ho valaina raha mahatsiaro ah (l) (l) (l)
5. mimich ( 20/12/2004 06:33)
anay aby zany
6. tsiperifery ( 20/12/2004 08:38)
Tsy misy fisaorana, hoy le namana tsy any an-toerana ô ! Mangasihasy tsy mba afa-nanatrika saingy miara-paly aminareo hatrany !
7. mimich ( 20/12/2004 08:53)
tsiperifery> ndryyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyyy
8. poupounesana ( 20/12/2004 09:43)
d misaotra anareo koa eh!
ny hany mba alaheloko d ny gateau-ko tsy nisy frézy!
9. six ( 20/12/2004 10:12)
d misaotra antsika tsika ono e! nafinaritra mintsy, soa ihany fa ts tavela!!! lol
fa za lou efa :roll: ihany e! hihi

poupounesana kosa tsy niteny tamiko d nomeko frezy be mintsy , nefa nenà nisy betsaka ! aleo fa am 2005 anie mbola hisy e, sady am volana mars!

misaotsa aby antsika zhé tonga e! ze nanamashaka rehetra
10. roxan ( 20/12/2004 10:19)
fisaorana sy fankatelemana ho an\'ny nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ary misaotra ny rehetra tany .ARAHABA E
Dia samy ho tratry ny 5 TAONA manaraka indray e!
11. roxan ( 20/12/2004 10:20)
fisaorana sy fankatelemana ho an\'ny nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ary misaotra ny rehetra tany .ARAHABA E
Dia samy ho tratry ny 5 TAONA manaraka indray e!
12. hery ( 20/12/2004 10:54)
Miarahaba antsika rehetra,

Sarotra ihany ny hangina ary mihetsika tokoa ny fo amin\'ny fankalazana ny faha 5 taon\'ny serasera.org izay nataonareo namana rehetra any Dago. Namana tena namana tokoa ianareo ka mifanohana raha maloka ary mifampitaona rehefa sariaka. Tsiky dia ampy hatrany.
Izahay rehetra mikarakara ny takelaka dia misaotra anareo fa ianareo no mampikambana antsika. Samihafa toerana hipetrahana izahay, samihafa situation, samihafa fomba, samihafa fihaviana, samihafa toetsaina, kanefa nandritra ny fanomanana sy fikarakaranareo ireny fety ireny dia tany aminareo daholo ny saina sy ny eritreritra... ary naniry avokoa mba ho eo akaikinareo. Misaotra anareo fa ianareo no mampiseho ampahibemaso ny maha izy ny namana izay asehonay virtoaly. Ianareo no endriky ny fifankatiavan\'ny namana ato amin\'ity serasera ity e.
Isaorana ny mpikarakara, isaorana ny nanatrika, na namana na ho namana... namana daholo e. Isaorana sahady amin\'ny fampiroboroboana izay mbola hiarahana ao aoriana ao.
Manohana anareo hatrany izahay.

Hery
13. mimich ( 20/12/2004 13:12)
poupounesana> :-D :-D , so an-dry izany ilay frezy latsaka teo @ tohtra iny :lol: :lol:
14. rajn ( 20/12/2004 17:05)
na dia tsy tany ary izahay dia henonay ny lazany ,ka dia misaotra anareo any antoerana fa tsy tokony asiana fankalazana koa ve ho anay aty am-pitandranomasina aty sady ny asaramanitra koa ity ho avy, hevitra ihany io e! dia ho vitasoa ny fety isika rehetra. :D :D :D
15. gasitiako ( 21/12/2004 07:41)
Faly miarahaba ny namana tratry ny faha-5 taonany
Misaotra era-po eran-tsaina indrindra ara-panahy an\\\'i Hery fondateur
Misaotra an\\\'ireo namana rehetra na ny efa niala na mbola ao sy ny vao hiditra
Ary indrindra indrindra izay Lehibe indrindra de ny Tompo Mpandahatra sy Tompon\\\'ny Voary rehetra, ho azy anie ny Dera sy ny Laza ary ny Voninahitra zay efa azy h@ taloha, ankehitriny ary ho mandrakizay, fa raha tsy sitrapony na teo aza ny fikasana de zava-poana sy tsinontsinona ihany.
Samy ho tratry ny 5 taona manaraka indray
NB : mba andefaso sombin-tsary t@ lanonana ô
16. booboo ( 21/12/2004 08:37)
tsy sombin-tsary fa ny sary retraretra mitsy manko alefa ô
17. naritsimba ( 21/12/2004 08:49)
Tsy nisy mpaka sary(photographe) tao fa cameraman no tonga tao ary nisy mirahalahy izy tao.
Fa mbola hifandinihan\'ny mpikambana ny fomba amoahana azy fa izaho aloha efa nahita.
NARITSIMBA :D
18. mimich ( 21/12/2004 09:19)
naritsimba> mba omeo ana hojereko eeeee!!!!!!!!!!!!!
19. dio ( 21/12/2004 10:12)
Tokony mba haverina kely ndray alo fe faha 5 taoana é
20. glou ( 21/12/2004 11:43)
dia mbola faly miarahaba antsika indrayary mbola miarahaba antsika tratry ny faha 5 taona io eh! t@ iny fotoana iny de mbola tsy tena afapo tsara daolo ny rehetra fa ny fotoana moa manam-petra ka dia haverintsika indray izy iny ka ny daty dia 30 decembre @7 ora hariva any @ 67 ha ao @ capitou ka izay mbola sahy de tongava fa mitohy foana ny fety eh! ny programme de mbola ho lazaina eto ihany fa contacteo fotsiny izay namana fantatrareo glou_
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3393