manelingelina tokoa ve ny fivavahana kristiana

1. 1kd100 ( 29/11/2004 10:06)
Satria mantsy manindrotsindrona ny fahazarandratsy mamatotra ny olona ny voalazan\'ny baiboly dia lazaina fa manelingelina izy.Tsy zakan\'ny olona ny ilazana mivantana aminy hoe mpanota ianao,mpangalatra ianao, mpijangajanga ianao,mpamono olona ianao,mpandainga ianao...Nefa tsy izany ihany no lazain\'ny baiboly fa mitondra famelankeloka ho an\'ny mpanota mibebaka izay,izany hoe lalam-baovao sy fiainambaovao @ finoana an\'i Jesoa Kristy HO AN\' IZAY TE-HINO SY HIOVA FOMBA.
novalian'i kinaoly ny 17/12/2004 17:43
2. moi ( 29/11/2004 13:35)
Ka ny zavatra fahita kosa rehefa atao fandementsaina ny fivavahana dia DIDY !
Dia manelingelina izany.
3. booboo ( 29/11/2004 13:48)
ny hitako koa dia efa hita ara fa ao anaty \" fahotana \" ilay oul dé misy, tsy menatra mitonona ny tenanany ho kristiana, mandetika ihany hoe ho very mandrakizay sy ny tariny fa hadino ilay tena atao hoe \" filazan-tsara \".
4. ikaretsaka ( 29/11/2004 14:13)
manelingelina izy raha ny olona no mi enterpreter dia miteny anao hoe izao sy zao ny tokony atao raha te ho izao
fa raha libre ianao manao azy.. ohatra hoe sitraponao no te ho izy fa tsy noterena dia tena tsara tokoa
5. fijo ( 29/11/2004 22:13)
izay voalazan\'ika izay.ilay teritery mihintsy no mahakamo aminy.
6. ravatorano ( 30/11/2004 09:00)
tsy manelingelina izy io satria amiko ny toetra anananao mendrika dia efa voalaza ao anatin ny baiboly avokoa , ny toetra ratsinao dia voateny ao avokoa fa anjaranao fotsiny no mandray na tsia izay voalaza sy voasoratra.
Minoa ihany ,minoa hatrany :-D
7. bichette ( 30/11/2004 10:26)
Ny fivavahana anie ka liberté e ! tsy azontsika adino ihany koa fa na dia kristianina faran\'izay \"masina\" aza dia nofo amandrà ihany ary manana ny fahalemeny na tiana na tsy tiana. koa isika raha mahita olona mitonon-tena ho kristianina nefa manao ny tsy mety dia tokony tsy hitsara satria tsy anjarantsika ny mitsara, fa miteny azy amin\'ny fitiavana. Anjarany amin\'izay ny hihaino sns fa efa vita ny adidintsika.
Raha misy olona ihany koa tsy mety mandray ny filazan-tsara dia anjarany ihany koa izany, io ilay hoe voa hafafy (matio 4 : 20)
Tsy miombon-kevitra amin\'i Moi aho amin\'ilay hoe DIDY satria tsy didy velively. Fitiavan\'Andriamanitra antsika no hananarany antsika, tsy hampatahoatra akory fa au contraire, hahasoa antsika. Ohatran\'ny RAD sy ny zanaka. Tsy tiana loatra rehefa bedy isika kanefa dia tsapa fa mahasoa izany ary fitiavan\'ny RAD no hitenenany antsika sy ny tsoran-kazo fony kely.
Tsy azo teriterena hitovy amin\'ny antsika ny fifandraisan\'ny hafa amin\'Atra satria samihafa daholo ary tsy misy mitovy na dia iray aza. Tsy hoe satria tsy mitovy amin\'ny an\'ny tena dia lazaina fa diso sns fa ny voa no hamantarana raha tena mitoetra amin\'ny Kristy na tsia.
raha tena kristianina koa isika ka mahita olona manao ny tsy mety dia mivavaka ho azy fa tsy mitsikera sns...

Izay aloha fa tsy masiaka akory aho milaza ireo an ! biz be daholo e :wink: :-* :-* :-*
8. sechat ( 30/11/2004 10:48)
Marina mitsy zay an\'i bichette zay.
9. bichette ( 30/11/2004 10:53)
1kd100 > tena tsy zakan\'ny olona tokoa ny hilazana azy mivantana ny tsy mety ataony.

Hatahoran\'ny olona ny fahamarinana ary aleon\'ny sasany aza tsy mamaky baiboly sy tsy mitopy maso ao amin\'ny ohabolana ao anaty baiboly satria lazainy fa direct sy mamely be hono. Marina izany ary tsy homena tsiny izy satria mbola misy hantsana be mampisaraka azy amin\'Andriamanitra, tsy meme coté e ! camps samihafa ; araky ny voalazan\'ny namana, misy ny famelankeloka ary il n\'est jamais trop tard. Efa maro ny filazantsara amin\'izao fotoana hiainantsika izao, na amin\'ny hira na fitoriana dia miverina indray amin\'ilay matio 4 : 20 aho. Lasa routine sy hoe \"lamaody\" ny hirampivavahana kanefa antso avokoa ireny. Maro ny manamafy ny fony...

Ny zavatra tsy fantatry ny olona anefa, na hadinon\'ny olona na tsy takatry ny olona dia Jesosy tamin\'ny teo amin\'ny hazo fijaliana dia nanao PONT hampiray ilay \"camps\" roa. Tsy ho takatry ny olona mihitsy ny ao anatin\'ny ati-panahin\'olona \"tena mivavaka\" na koa hoe tena manana an\'Atra ao ampony sy efa nanolotra ny ainy ho an\'Atra satria tsy mbola nandramany fa vinavinainy fotsiny ary dia tsarainy fa ambanin\'ny didy, mijaly , mahantra sns kanefa dia fifaliana be ary mahafinaritra be. LIBRE,. Ny fitiavana an\'Atra avy eo no mampirisika ilay olona hiala amin\'ny zao sy izao arakaraky ny maharesy lahatra azy sy ny fanentanin\'ny Fanahy masina azy. Ohatran\'ny hoe miaraka amin\'ny olona tiana ihany io, raha tsy tia kitakitaina ilay olona miaraka aminao, nohon\'ny fitiavanao azy ka tsy te handratra azy ianao dia mihezaka am-pitiavana tsy hanao izany, raha tsy tia loko mainty ilay olona, dia rehefa miaraka aminy ianao dia atsy manao loko mainty, tsy corvée na sacrifice fa fitiavana no manosika.
Io dia personnel ary tsy voatery hitovy ny an\'ny tsirairay.

Izay indray alonha e ! ahoana ny hevitrareo ?




10. bichette ( 30/11/2004 11:00)
ny baiboly dia ohatran\'ny fitaratra, hitanao ny mety ataonao sy ny tsy mety. Raha mijery fitaratra izao ianao dia hitanao fa misy mainty be io amin\'ny oronao dia hoy ianao hoe \"soa fa nijery fitaratra ka afaka manadio ny tarehy mba tsy hanafitohina sy hihomehezan\'ny olona sy mba ho mendrika rehefa mivoaka\" dia lasa ianao maka rano dia manasa tarehy.

ohatran\'izany koa ny baiboly , ahafahanao mahafantatra ny mety sy ny tsy mety ary ny rano hanasana dia ny ran\'i Jesosy. Ireo tsy mety ataonao anie mety manafitohina mafy ny miara belona aminao e

raha tsy mijery fitaratra izao dia tsy ho hitanao mihitsy hoe aiza no misy tsy mety amin\'ny fiakanjonao sns ka raha hiseho vahoaka dia ahoana re e ?
11. ikaretsaka ( 30/11/2004 13:58)
hozizy ny hiran\'i sareraka izay hoe ireny mpitory teny rehetra ireny ve garanti fa ho any an-danitra daholo?
Za zany manontany ohatran\'ny manontany rehetra!
12. bichette ( 30/11/2004 14:47)
sady fanontaniana ve io ry ikaretsaka ?
13. ikaretsaka ( 30/11/2004 14:58)
sady manao citation aho no manontany e
14. fijo ( 30/11/2004 21:42)
raha izay no hifandirana ,tsy aleo misotro hiarahana?sa
15. moi ( 01/12/2004 09:12)
ikaretsaka > na izay nahavoaka devoly amin\\\'ny anaran\\\'i Jeso aza mety tsy ho tafiditra any (voasoratra ao anaty baiboly izany)

Fa aleo ny lohahevitra no tohizako :
Ho an\\\'izay manao tazandavitra ny fivavahana dia manelingelina izy ;
Amin\\\'ny voalohany ny mpivavaka ohatry ny hoe tsy mahazo manao an\\\'izao e, tsy tokony izao e !

Dia tsy takatry ny saina hoe ahoana izy ity fa ny mpivavaka sasany misy miady mafy hiala amin\\\'ny sigara ohatra, nefa misy koa ny vao nahare ny Tenin\\\'Andriamanitra fotsiny izy dia na ny ambin-tsigara tany am-paosiny aza nariany nitsahana, dia izay dia afaka izy. Efa nahita aho.

Ka ny tiako lazaina dia tsy mitovy ny niveau spirituel ny mpino sy ny asan\\\'ny Fanahy Masina fa ao ny mbola tsy tena resy lahatra tsara, dia mavesatra ilay fivavahana, fa ao ny tena efa lasa fiainany ilay fivavahana, dia tsy misy fijaliana ho azy ny miaina ny sitrapon\\\'Atra. Ny gout-ny mihitsy no efa hafa.
Ny ohatra voalazako teo izao dia milaza fa raha samy tsy hifoka sigara no tanjona, ny iray miady amin\\\'ny herin\\\'ny tenany, fa ny iray tena ny fitiavany mihitsy no miova. Dia indrisy fa maro ny mpivavaka no mbola tsy nandalo ilay hoe \\\"efa lasa ny zavatra taloha, indro efa tonga vaovao ireo !\\\".

Dia arakarak\\\'izay zany ny hoe manelingelina na tsia ny fivavahana e !
16. fijo ( 01/12/2004 22:46)
asa aloha fa za mahita fa be teritery ilay izy e.
17. bichette ( 02/12/2004 10:21)
fijo > izany ve ? sao dia fahitanao aty ivelany izany ? àsa aloha e ! fa marina ny voalazanareo fa misy ny fanatik sy extemist sy be teritery be mihitsy ... de tt facon anie tsy ny fijery ivelany no jeren\'Atra fa ny ao anaty fo hoy ny samuel 16:7B \"l\"Eternel ne considère pas ce que l\'homme considère, l\'homme regarde à ce qui frappe aux yeux mais l\'Eternel regarde au coeur\"
18. moi ( 02/12/2004 13:13)
Dia efa voalazako anie fa be didy ilay izy arakarak\'ilay olona e !
Arakaraka ny niveau-nao ara-panahy ihany io !

Ity indray ary ohatra : Amin\'ny 6ora maraina hono ny fidirana, izay tara dia voasazy ...
Dia ho inona moa izany amin\'ny efa mpifoha maraina, sy ny mpanaja fotoana ... Fa ho an\'ny tsy mpifoha maraina, tsy mba marim-potoana, dia fahoriana mihitsy izany ! Dia tsy sahala amin\'izay ve ilay izy ? Inona moa ny didin\'Andriamanitra amin\'ny olona tena miaina ny fivavahana kristiana ? Izy aza dia nomena ny hery hahatandremany ny didy.
Fa ny kristiana anarany fotsiny no sahirana satria lalàna mifanohitra amin\'ny maha nofo no hezahana arahana.
Ny tena kristiana dia ny gout mihitsy no voaova ho vaovao. (manana ny vokatry ny Fanahy voasoratra ao anaty Baiboly)
19. kinaoly ( 02/12/2004 14:34)
fijo> za kou mahita we be teritery le izy fa zao fotsiny : tsy le kristiansime en soi ane no manelingelina e, fa ny fomba \"fampiasa\"na fandraisan\'ny olona azy
20. booboo ( 02/12/2004 15:26)
dé miverina any @ io lazain\'i moi io ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.39