manelingelina tokoa ve ny fivavahana kristiana

21. chipie1 ( 02/12/2004 15:57)
de ny eo iany no eo!!
22. bichette ( 02/12/2004 16:01)
ka ianao anie tsy voatery hanaraka ny fanaon\'ny sasany fa izay maharesy lahatra anao s fa ny tena tanjona dia hoe ny fifandraisanao manokana, MANOKANA hoy aho amin\'Andriamanitra. Raha manao zavatra mifanohitra amin\'ny conviction dia lasa fahotana indray avy eo.

Ny olona avelao any fa nenao sy ny fifandraisanao amin\'Atra no ataovy mety. :-* :wink:
23. fijo ( 02/12/2004 21:30)
sdia ahoana izany izahay tsy mpino azy nefa koa mba manao ny mety ihany amin\'ny fiainana?
24. moi ( 06/12/2004 08:43)
fijo > tsy probleme zany zao, fa raha vao mitady hanolo-tena ho an\'Atra eo ianao, dia hikorontana be indray, ary ny namanao ihany aza no hiteny voalohany hoe inona ary ity ry fijo a !
= satria manelingelina (ny sasany) ny fivavahana kristiana !
25. bichette ( 06/12/2004 13:18)
io resaka personnel be, ny olona tsy maintsy miteny foana fa fiainanao manokana io
tsy azonao ahilikilika amin\'olona, ny olona tsy ho afaka hisolo ny toeranao, ny olona tsy ho azonao omena tsiny any aoriana any hoe tsy niteny sns .
26. ikaretsaka ( 07/12/2004 06:10)
ka io ilay hoe aza raisina ara bakiteny ny ao anaty baiboly
de raha misy resaka homosexuelle sy tsy fihinanana kisoa ve ao de hanao koa ianao?
27. bichette ( 07/12/2004 07:42)
io wa arakaraky ny fandresend-dahatra io. Raha resy lahatra mafy ny olona iray hoe tsy hihinana kisoa dia zony tanteraka izany ary tsy anjarantsika ny hanamavo azy. Olombelona ohatrantsika ihany izy, miteny, miresaka, matory, misakafo sns. ohatran\'y olona mifoka sy tsy mifoka sigara. Misy olona tena manao fanahiniana mihitsy ny mifoka satria SNOB hono, misy ny sasany tena tsy tia an\'izy io satria maimbo hono, misy ny sasany te hijanona mafy satria resy lahatra izy fa tsy tsara io sns. Tsy manakana an\'izy ireo hifandray anefa izany.
28. moi ( 08/12/2004 13:26)
Voasoratra hoe : \"Ny zavatra rehetra dia azoko atao, fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa\"
Ny dikan\'izay, tsy manelingelina izany ny fivavahana kristiana.
Hoy ilay evanjelistra iray izay tamina mpifoka sigara : Izahay mahazo mifoka sigara fa tsy mifoka, mahazo misotro toaka izahay fa tsy misotro, fa ianareo no tsy mahazo mifoka, fa tsy maintsy mifoka, ary tsy mahazo misotro fa tsy maintsy misotro ... sns ...
29. ikaretsaka ( 08/12/2004 13:52)
moi> mahay mandoka tena be zany \"vanja lisitra\" anareo zany
30. fijo ( 08/12/2004 23:14)
moi,sao dia mpivarotra izany evanjelista izany le
31. ikaretsaka ( 09/12/2004 05:08)
na hoe ataovy rakitra ny vola tokony amidinareo sigara... hividianany sigara ho anazy
32. bichette ( 09/12/2004 07:33)
aza miteniteny foana eo ry reto sao dia mba hanenenana any aoriana any anie e
33. moi ( 09/12/2004 08:13)
sady maneho aminareo fotsiny aho hoe manelingelina ity fivavahana ity, dia te hanaporofo koa fa tsara izy ity, malalaka fa arakaraka ny niveau-nao io ; rehefa miroso ao dia tena miroso, fa raha mitsingalamboangidina hoy ny fiteny, dia eo ianao, tsy an-tany, tsy am-parafara. Indrisy fa izay no be an\'isa !
Ilay evanjelistra aloha te hilaza fotsiny hoe voafatotra ny mpifoka ; tsy mitoriteny ange izy amin\'io fa dia miresaka samy tafaraka e ...
34. yonikafopl ( 09/12/2004 19:11)
fa maninn mou ny fivavahana kristianina ihany no manelingelina, izay rehetra fivavahana dia manelingelina ny tsy mino.
Tsy tokony hisy hanelingelina anefa raha toa ianao ka mahatoky izay ataonao fa marina, tsy hanelingelina anao mihintsy ny fitenenan\'ny hafa . Fa .matoa ianao mahatsiaro voahelingelina dia tsy manana finoana matanjaka ianao izany, na finoana inona io na finoana inona.
35. fijo ( 09/12/2004 22:04)
yonika
36. tandanitra ( 11/12/2004 08:01)
na i Jesoa aza anie tena \"mpanelingelina\" mihitsy no nandraisan\'ny fariseo sy ny mpanoradalàna azy satria miaraka miresadresaka sy misakafo @ ireo olona nankahalain\'ny jiosy t@ izany fotoana izany: izay nolazaina hoe mpanota : ny mpivarotena, ny mpamory hetra nefa dia ireny aza no tena nandray ny Tompo t@ finoana ka lasa olombaovao teo @ fiarahamonina, izay ilay tenin\'i Kristy hoe : \" tsy miantso ny marina aho fa ny mpanota hibebaka\".Matoa lazaina fa manelingelina ny olona ny fivavahana kristiana dia misy fahazarandratsy sy toetra \"tsy mazava \"tiantsika mbola hofikirina ao..
37. fijo ( 13/12/2004 23:52)
fa i jesosy koa aloha mpanakorontana e.izay no nanombohana azy.
38. moi ( 14/12/2004 07:32)
tena nisy ve zany zavatra resahan\'i fijo zany e ?
39. yonikafopl ( 15/12/2004 21:32)
fijo tsy nitovy ny tiantsika lazaina ka!!
ny ahy izao manelingelina ahy nytsy finoan\'i fijo , mandainga i fijo raha milaza ho tsy mivavaka @ izay hinoan\'i fijo.
Ka manelingelina ahy izany finoana sy fivavahan\'i fijo izany raha toa ka ambaranao sy lazainao eto.
Nefa na izany aza tsy hanimba ny finoako ny finoanao.
40. annie ( 16/12/2004 10:24)
Miarahaba ny rehetra!
Fa maninn ry reto no de sahy manimbazimba an\' Aa a!
Rehefa tsy mino ianao de mangina fotsiny fa tsy Aa no zimbazimbaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1906