ampy ve ny mivavaka ao an-trano?

1. korotamby ( 22/11/2004 11:13)
ampy ve ny mivavaka ao an-trano, fa tsy mankany am-piangonana?
novalian'i tsaragasy ny 18/03/2005 23:01
2. iriniaina ( 22/11/2004 11:22)
de atao inn fotsiny ny reny fiangonana reny? jerijerena fotsiny ve?
3. korotamby ( 22/11/2004 11:26)
ka ny mankany am-piangonana anie mazana resaka sosialy fotsine ;-)
4. angie ( 22/11/2004 11:57)
Ny fanantonana ny tranon\'Andriamanitra dia hafa mihintsy kah, ary izay no mahatonga ny hoe andro sabata, mety ho sabotsy io na alahady araky ny finoana fa tokony ho natokana hanantonana an\'Andrimanitra. na izany aza tsara be ny mivavaka ao antrano ary tokony ho tohizana hatrany. Mahereza e. :)
5. korotamby ( 22/11/2004 12:55)
misaotra anky ry angi a
6. fanja1 ( 22/11/2004 14:06)
amiko zay toerana misy ahy hivavahako foana :-D
7. booboo ( 22/11/2004 14:42)
lé mankany am-pengo amiko dia oe andro iraika iarahako @ olombelona zava-boahary ohatra ahy midera ilay inoako.
8. kally ( 22/11/2004 14:58)
Ny finoana dia toy ny afo ka raha avela irery mitsilopilopy ho azy,ilaina ny mivavaka ao an-trano nefa mba hampiredareda azy dia ilaina koa ny fandehanana any am-piangonana fa any misy fampianarana hampitombo ny finoanao foana.
9. bichette ( 22/11/2004 15:59)
ilaina ny fiaraha-mivavaka amin\'ny hafa . voalazan\'ny baiboly koa hoe :aza mahafoy ny fiarahana mivavaka ...\"
10. chipie1 ( 22/11/2004 16:26)
mitovy hevitra any iriniaina sy kally kou za eto, ilaina hanamafy ny finoanao kou.
11. pitchou ( 22/11/2004 18:01)
ny fiarah-mivavaka tsy voatery hoe any @ \"fiangonana\", fa rehefa toerana azo iarahana dia efa \"fiangonana\" daholo amiko! d amiko koa ny fiaraha-mivavaka tsy ilay hoe miangona ao anaty toerana iray fotsiny, fiangonana, olona miombona vavaka no miara-mivavaka! matetika manko otran\'ny mahita hoe \"mandeha miangona\" nefa misy tsy mifampiarahaba tsy mifampiresaka akory!!!! sanatrian\'izany ny sasany mangataka ny hanovana ny prezidà ny sasany mangataka ny hiazonana ny prezidà: izay d efa tsy miombom-bavaka amiko!
ny hitako tena mafana izao dia rehefa misy hoe \"hivavaka isika ho an\'ny firenena ohatra, na sahala @zany: eo dia tena miangona miombom-bavaka ny rehetra
12. jhouhlambout ( 22/11/2004 18:36)
ié 8)
13. fijo ( 22/11/2004 20:07)
raha ao anaty korontamby aloha no mivavaka irery toa tay be e.fa raha tian\'ialahy dia miaraka amiko ialahy dia mandray foana isika ka.
14. kantomitsiky ( 23/11/2004 08:13)
Tsy ampy mihintsy ny mivavaka any an-trano fotsiny; ilaina izany fa tsy ampy.
Any am-piangonana ianao afaka mizara ny fahasoavana azonao @ hafa, afaka mapitombo ny talenta nomen\'Andriamanitra anao @ alalan\'ny fampianarana( ohatra: hira , soratra masina, na zava-maneno sns ... e )
15. korotamby ( 23/11/2004 09:07)
ok misaotra amin\'ny sosok-hevitra rehetra fa ny mankany am-piangonana izany dia tsara mihitsy fa tsy mivavaka irery ao anaty korotamby :^) :{ :-o :-D :-D :-D
16. fijo ( 23/11/2004 22:02)
tsy aleo ve mirevy ny alahady e?andany andro any fotsiny.
17. booboo ( 25/11/2004 12:50)
ka samy manana ny \" fandaniana andro \"-ny kosa io kouh
18. ikaretsaka ( 25/11/2004 20:22)
zay mihitsy bobooo a
19. fijo ( 25/11/2004 22:47)
ny fandraisana izany no hitovizana?za koa mantsy mandrairay izay ny alahady
20. ikaretsaka ( 25/11/2004 23:20)
arakarak\'ilay raisina io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2359