Tana in love
1. fatsoraly
(
10/11/2004 01:59)
ahoana ity Tana in love @ zoma ity toa tsy mba misy artista mpanao kalon\'ny fahiny sahaza anay efa zokinjokiny mihitsy? Izaho anefa mba te andeha!
novalian'i fijo ny 16/11/2004 21:59
2. loockx
(
10/11/2004 03:25)
Nga mbola tsy ren\'zokilahy ry Luc, Mahery, Nini, Goth, Nanie, Bodo manao kalon\'ny fahiny? tsy mahasosotra miitsy ny anaovandry zareo azy ka.
6. angie
(
10/11/2004 09:20)
Enga anie mba ho azo enregistrer-na @ zay mba mety hahita kou zahay. Sa pirate zany :?:
7. tandanitra
(
10/11/2004 10:57)
ny nanaovan-drizareo ilay \" matokia ....mbola ho avy ny maraina \" dia tena tiako tokoa t@ herintaona SAINGY ny fomba nihiran-drizareo ny hiran\'ny tarika Mahaleo sy Lolo sy ny tariny kosa dia tsy mety mihitsy satria tsy voahaja ilay aingam-panahy nanaovan\'i Dadah ny hirany hoe \" andro ririnina\" , i Francis turbo moa dia TENA NANIMBA TANTERAKA ny hira hoe \" tablie manga \".Tokony mba omena hasina ny mpamorona fa tsy izao style rehetra izao dia atao daholo ....
9. ramoul
(
10/11/2004 21:17)
akrotany ny lohan\' i fatsoraly éééééééééééééé! :lol:
zah kounkou ande hijery ze tsy hanaraka anah fa tsy tongako any? :-D
zah kounkou ande hijery ze tsy hanaraka anah fa tsy tongako any? :-D
10. watafon
(
11/11/2004 06:47)
miray hevitra @ tandanitra mitsy aho am le hoe simba le hira indrindra le hanaovan(i francis turbo azy e!! na ovaina aza ange le hira de tokony hotazomina ihany ny fakany e!!! fa ho anao tia kalon\'ny fahiny alou de mino aho fa afaka mihira an\'izany tsara ny ankamaroan\'ireo e !!!
11. randianina
(
11/11/2004 08:33)
nena ny tena tsy tiako am\'izao dia ity hoe lamaody ndray zao no mampiaraka mpihira bdb dia mamerina hiran\'olon-kafa io. mankaleo be le formule sady tsy mba misy zava-baovao fa ny tonta foana no havadibadika. na dia zany, maztou nareo zay ho any dai mazahoa fafinaretana e
12. fijo
(
11/11/2004 20:42)
randianina>ilay izy aloha marina fa mahakamo satria dia toa lasa mirona manao an\'io aby,saingy io koa anefa no mba fomba iray ahafahana mampatsiahy ny hira taloha.
14. fijo
(
16/11/2004 21:59)
eny tokoa wa.mba hitako tamin\'ny gazety ihany fa toa milay hono izy io.
