06 nOVAMBRA 2004

1. rrodin ( 07/11/2004 05:03)
forum 8O sendra hitako ary dia zaraiko eto fa misy hodinihina :-P
8) :!: :?:
AMBOHIMANGA

MITSINGERINA androany ilay andro nahalevonan\'ny Rova. Dia mba niezaka nikaro-baovao momba izany ny tena amin\'ny maha-mpanao Gazety, kanefa dia indrisy fa toa nangingina tanteraka izany... afa-tsy ny tsipalotry ny maso teny Ambohimanga io atoandro io, satria toa nisy fihetsiketsehana ihany teny... Raha ny horonam-peo naparitaky ny namana sasany dia izany Mamelomaso izany no nanao fihetsiketsehana teny.
Nitokana vavahady, tsetsatsetsa no ilazana fa hay tokoa tsy io vavahady vato mahazatra sy hitantsika amin\'ny carte postale io no maha-Ambohimanga an\'Ambohimanga fa mihoatra ny 10 ireo vavahady manodidina io Vohitra Masina io; ka ny sasany tamin\'ireo ihany (02) no notokanana sy naseho omaly io.
Somary tsy dia nahazatra ny mpanao gazety moa ny zava-nitranga rehetra satria dia tsorina fa somary mivoaka ny fitrandraham-baovao mahazatra ny niainana teny satria tena mifantoka lalina amin\'ny kolon-tsaina sy ny vakoka... hany ka toa sady fialam-boly ilay izy no fibeazana no asa rahateo (ny sasany aza dia loa-bava mihitsy hoe vita ny fanatanjahan-tena (satria somary nisy dia an-tongotra nandreraka ny hoza-pe sy nampisefosefo ihany).
Na dia niezaka nanatona ireo mpikarakara ity lanonana ity aza moa ny tena dia somary kivy ihany noho ny fihatakatahana nasehon’izy ireo (noho ny fikarakarana zavatra hafa) ka tsy nahafahana nanangona ny vaovao marim-pototra sy lalindalina; nefa inoako fa ny namana mpanao gzety maro nanatrika teny izay re siosio fa marobe tokoa dia manan-kambara atsy ho atsy ka tena hitondra izay zava-niseho teny marina sy izay mety ho dikan’izany.
Izany no mamapametra-panontaniana eny am-piandohana hoe “Inona marina no koloina?” no toa ohatra ny tsy re tsaika ny fidonan’izany Mamelomaso izany. Jos

AMBOHIMANGA OMALY

Tena nisy fihetsiketsehana tokoa omaly teny Ambohimanga ary maro dia maro izahay namana mpanao Gazety no tonga nanatrika izany fotoana izany. Fiara iray manokana mihitsy no nofain-drizareo ao amin’ny Mamelomaso hitaterana anay rehetra avy eto Antananarivo nankeny Ambohimanga mandroso sy miverina.
Ny natao teny: Fampisehoan-drizareo Mamelomaso ireo asa notanterahiny tao anatin’ny fotoana faramparany dia ny fanarenana ny vavahady Andranomatsatso sy Tsiombiomby.
Ankoatry ny Minisitry ny kolontsaina tonga nanome voninahitra ny fotoana dia marobe ireo olo-mana-kaja sy solotenan’ny fitondram-panjakana nanatrika io fotoana omaly io ary tsy hanonona afa-tsy I Rado (George Andriamanantena) izay nambara fa Ray mpiahy ny Mamelomaso aho satria tsy eto am-pelatànako ny lisitr’ireo olona ireo.
Voamarika nandritra ny kabary nifandimby fa dia natokana hahatsiarovana an’Andrianampoinimerina iny andro omaly iny ankoatry ny fahatsiarovana ny Rova sy maha andro nofidian’ny Mamelomaso azy.
Rehefa vita ny fitsidihana ireo vavahady roa sy ny kabary dia nisy ny fizarana hena (omby novoina teo ambohimanga ny maraina) ho an’ny vahoaka, ary fiaraha-miala hetaheta ho an’ny olona nasaina rehetra teo amin’ny restaurant teo akaiky teo… Mofo gasy, ramanonaka, koba, kitoza, sy zava-pisotro (tsy misy alkola) no niaraha-nitsakotsako sy niala hetaheta tao… §Dia niparitaka tsikelikely moa ny rehetra avy eo satria ny toerana nahavokisana tsy itoerana ela hoy ny fitenenana. Izay no zava-nisy teny. Di

Re:AMBOHIMANGA
;;; FA NY ADINO SA ODIANA FANINA ?
Ilay toetran’ny Mpanao gazety Malagasy manao rodobe rehefa misy fihetsiketsehana toy ireny… maimaika ery ary TSY MATOTRA mihitsy… sady na dia efa iantohana fiara mitatitra, sy sakafo dia hay mbola MITAKY VOLA amin’ireo mpikarakara fa raha tsy izany hono tsy handefa ny vaovao… Mahamenatra… Dia tena nisy teny Ambohimanga io toetra io. Na dia amin’ny maha-kolotsaina ilay fihetsiketsehana aza dia tsy nasiana fanajana mihitsy fa ilay toetra mamohehatra no aderadera sy asehoseho toy ireny... Mampalahelo... Efa hatry ny ela no nisian’ity toetra ity ary vokatry ny fampihantana sy fanambatambazana nataon’ny mpitondra nifanesy teto ka raiki-tampisaka ao amin’ny mpanao gazety MARO… Mila fiheverana… Aza andrasana hisafoaka sy ho tezitra ny ambanilanitra vao hiova amin’io toetra efa tsy izy intsony io sao anenenana… sady MISY FARANY ny ATAO. Raf
novalian'i fijo ny 16/11/2004 23:36
2. xxx ( 07/11/2004 05:10)
Azoko an-tsaina tokoa... ary iza no mahalala fa mho izay toetra izay no nandona an-drizareo Mamelomaso ka tsy nanekeny hiresaka tamin\'i Jos fa nihatakatahany satria mety noheveriny fa mbola mpitaky vola indray.
Tsy manome tsiny azy ireo ihany aho satria mety ho nanahirana ihany ny fikarakarana toy izany... Fa izaho aloha tsy nahafantatra koa ny fisian\'izany lanonana izany eh!
3. xxx ( 07/11/2004 05:39)
Fa iza aloha izany Mamelomaso izany eh??? Taranak\'Andriana te hiverina hanjaka ve sa olon-tsotra sa antoko pôlitika???
Tsy mbola naheno momba an\'izany aho??? fa mba itantarao!!!
4. zakilinina ( 07/11/2004 07:14)
xxxxxx > Ny Mamelomaso dia fikambanana ao La Réunion ao. Araka ny anarany dia miezaka mamelomaso an\'ireo vakoka sy \"monuments\" izy ireo. Vao omaly Ravalomanana no nilaza hoe ny firenena tsy manana tantara dia mahantra indrindra. Manana tranonkala ity fikambanana ity fa tadiavo.
rrodin > Faly tokoa aho mamaky fa misy mpanao gazety koa mandray anjara atoa amin\'ny serasera. Ny soratra mantsy no vokatra amidin\'izy ireo ka atao antom-pivelomana. Maimaimpoana anefa izany eto. Tsy fantatro avokoa ny asan\'ireo olona miafina ao amin\'ny solon\'anarana ato. Ny fantatro aloha dia maro ny tanora mpiala voly. Misy amin\'izy ireo no mandalim-pahaizana any an-dilam-bato.
Amiko manokana dia mila tandrovina ny teny malagasy, ny hasin\'ny Malagasy (amin\'ny tantarany ohatra).
Mankasitraka ny mpanoratra.
5. ikaretsaka ( 08/11/2004 00:25)
zay mihitsy
6. fijo ( 08/11/2004 21:19)
ity ary misy adresy ahazoana mifanakalo hevitra amin\'io fikambanana io.
Mamelo maso Iarivo
Lot II c19 Ampandrana andrefana
BP 8656
101 tana.
mamelomasoiarivo@wanadoo.mg

nitsangana taorian\'ny fandoran\'dry \"manampahaizana\" ny rova izy io ary dia mikajy ny vakoka malagasy indrindra ny ao imerina.manana tanjona tsara ry zareo saingy mbola tsy dia be mpahalala.
7. zakilinina ( 08/11/2004 21:25)
Ary isika ato amin\'ny serasera koa anie efa mamelo maso ny maha gasy ê :wink:
8. fijo ( 09/11/2004 23:52)
izay no hezaka atao ary tokony hotohizana hatrany.
9. booboo ( 10/11/2004 18:07)
tsy ampy ra lôtra dé sô gli :°)
10. booboo ( 10/11/2004 18:32)
:°) hihihi
11. fijo ( 10/11/2004 22:57)
an an,maninona i fijo???
12. booboo ( 13/11/2004 18:06)
mpanongo oun ingahy ouz ramaso
13. ikaretsaka ( 14/11/2004 13:41)
ramaso sy boboo... f\'anfaha? (l)
14. ikaretsaka ( 14/11/2004 13:41)
mifanongoa ao de aza adinony gateau anay rehefa raikitra
15. kitjo ( 15/11/2004 07:15)
mievonavona mitsy gato zao marina voatonotonina foana

aleo refa vita ny rova d miara-mividy gato b itambarana ny namana fa aleo lo tsika hiresaka serieux momba ny rova...hehe
16. ikaretsaka ( 16/11/2004 04:27)
booboo sy ramaso ihany io eee
17. dezy ( 16/11/2004 17:32)
ikaretsaka kounkou be takalaza an :-D :-D :-D :-D
18. fijo ( 16/11/2004 23:36)
za aza mba tenitenenina ato fa tsy tiako an.rehefa hikaly ihany aho vao antsoy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1227