Ny fitiavana sy ny lainga ve mety miaraka?

1. xxx ( 03/11/2004 21:18)
Hono wa ry zareo? Raha misy olona miteny aminareo hoe tia anareo nefa mandainga aminareo. Ahoana ny eritreritrareo momba an\'izany?
novalian'i fijo ny 26/01/2005 22:42
2. wawawa ( 03/11/2004 21:32)
Fitiavana sy lainga???
3. wawawa ( 03/11/2004 21:52)
zany we tsara ve zany ny mandainga?
4. wawawa ( 03/11/2004 22:11)
ka raha mandratra olona de awona
5. fijo ( 03/11/2004 22:18)
ilaina tokoa ny lainga tsindraindray amin\'ny fitiavana.satria manimba zavatra raha dia lazaina daholo ny marina rehetra.
oh.hitany niresaka (fotsiny)tamin\'ny sipanao taloha ianao.raha lazainao fa namanao iny ,tsy koi,fa raha lazainao fa sipanao taloha iny miova ny fandraisany azy.eto dia ilayna sy manatsara zavatra ny lainga.
6. wawawa ( 03/11/2004 23:16)
Tena marina io aloha fa tsara ve zany wa ny lainga? Maninona nefa tsisy olona tia mpandainga @ fiainana?
7. ccool ( 04/11/2004 06:08)
raha fitiavana tiana aharitra dia tsy tsara ny lainga satria ny fifampatokisana mantsy no tena mampaharitra ny fitiavana,..fa raha fitia kidaladala eny fotsiny izy tsy eritreretina akory izay fiafarany dia azo leferina ihany aloha @ko ny lainga nefa tsy tsara anefa ny mandainga fa raha tsy maintsy moa d tsy maintsy.
Iza t@tsika mpamaky teto moa no mbola tsy mandainga.
Misy koa mantsy ny fitenenana we ny marina rehetra tsy tsara filaza...
8. ravatorano ( 04/11/2004 06:54)
le lainga lazain i fijo izany le atao hoe lainga masina eh hihihihihi izany hoe lainga hentina hanamboarana toetsain ilay olona handaingana mba tsy hitaran ny resaka.
Ilaina tokoa ny mandainga eo amin ny fitiavana fa io arakaraky ny fampiasanao azy ihany.
Efa toetra misy ao anatin ny olombelona io ka tsy maintsy mitoraka kely foana eh.
Raha amin itony resaka virtuel itony indray d mianga amin ny lainga foana aloha matetika izay vao mikodiadia mankany amin ny filazana ny marina ihany rehfa lasalasa ny resaka.
9. yonikafopl ( 04/11/2004 20:00)
ilaina ve ny lainga?? asa tsy mahita avaly an\'io za. ny tsy filazana ny marina aloha tsy midika mihintsy we mandainga e!!
fa raha eo @ resaka fitiavana , rehefa mandeha ny lainga dia tsy maintsy misy ny fampiesonana izay manimba zavatra be.
amiko raha tena fitiavana matotra dia tsy hisy mihintsy io lainga io, fa matoa misy lainga ao dia tsy ilay tena fitiavana zay fa fitia kilalao te hanandrakandrana toy ny eto @ virtuel :-P
10. fijo ( 04/11/2004 21:06)
amiko ilaina io fa tsy atao matetika ary atao koa mba handaminana zavatra.
11. dezy ( 05/11/2004 12:02)
misy tenin\'i ravatorano ery ambony ery ary marina ,fa le oul mandainga kosa tokony mande tsimoramora makany @ marina refa hita fa miamatotra lay fitiavana .Mety tsy natao zany fa zao vao hita :-P
12. tsondjo ( 05/11/2004 12:14)
tara tao izany i ra dezy?? :-o
13. ikaretsaka ( 06/11/2004 02:16)
arak\'ilay lainga io.. misy ilay ataon\'ny gasy hoe lainga masina
14. fijo ( 08/11/2004 23:25)
izay mihintsy.
na koa hoe ilaina ny lainga ahitana ny marina ,ary ilaina ny marina ahafahana mandainga.
15. ratiavao ( 11/11/2004 18:02)
Ny fiainana raha vao misy lainga indrindra fa ny fitiavana dia matetika tsy maharitra ela.
Satria heloka hibaboana mody rariny , noho izany dia aleo mitsotra.
16. fijo ( 11/11/2004 21:17)
gay gay gay.dia andeha hiteny ve hoe :\"o ry se a,azafady fa vao avy nanao kely tary aho androany fa tsy mahavita intsony an.\"tsy avy dia izay no vita a.mety tsy ny fitiavana ihany aza ngamba no tapaka fa ny an\'ialahy koa.aza hitako
17. dezy ( 12/11/2004 09:54)
tanjemo zany fa io fantsin-drano io mbola tsy misy plombier mahay manolo an!!!! zay no vita ny @ là .
18. fijo ( 16/11/2004 00:12)
izay indrindra.sa efa te hanapaka fantsondrano?
19. fijo ( 16/11/2004 22:20)
izay no handaingana kely indraindray matetika ka.
20. dezy ( 17/11/2004 10:03)
fijo> ndraindray sa matetika e??? sa izy 2 mifangaro??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.212