Resaka fanorenana trano

1. xxx ( 27/10/2004 20:00)
Izaho ihany no dondrona eh
Mba nijery gazety aho ho\'a dia gaga tamin\'ny fanambarana fa tsy manara-penitra ny an-kamaroan\'ny trano eto Madagasikara.
1 Mba firy amintsika no efa mahalala izany fenitra mikasika ny fanamboarana trano eto Madagasikara izany?
2 Nahoana izany no tsy mba nampahalalana ny olona hatramin\'izay, fa tsy navela nanorinorim-poana ny vahoaka dia rehefa avy eo lazaina fa tsy manara-penitra?
novalian'i fijo ny 10/11/2004 21:34
2. zandrinifijo ( 28/10/2004 06:46)
anga tsy \"norme\" ny dikany oe \"fenitra\"?
jusqu\'à présent je n\'ai entendu dire de l\'existence de la norme malgache, donc tout est normal chez nous!
3. bichette ( 28/10/2004 07:02)
bof !
4. ravatorano ( 28/10/2004 08:20)
marina ilay voalazan dramaso fa ny pokona kosa aza v tsy kozina hoe izao no manarapenitra d aona no hanaovany an izany.Taloha tany no nanao ireny trano avobe ireny ny plafond , d lasa avo koa ny trano , jerena raha mi pente tsara ny fanariandrano amin ny fanitso sao makany antokotanin olona fa izao tsy misy zany d mifampitory avy eo.
Izay ihany z mizy sosy no mahavoa
Aiza kah na ny fanorenana trano eny amoron dalana ireny asa anie d tena tsy izy eh , jereo ireo amin ny kihon dalana eo Ambohimanarina ireo d mahavalalanina, arabe no tokotain ilay olona raha missokatra izany ny varavarana avy aty ambany diny d sosan ny fiara hihihihihihih
5. zandrinifijo ( 28/10/2004 09:11)
io no teneniko oe le \"fenitra\" aza tsy misy. sa tsy manarapenitra frantsay no tina tenenina. maninona no tsimaitsy frantsay?
miandry ny ordre des ingénieurs tsika hametraka norme any amy tanana e.
6. ikaretsaka ( 28/10/2004 13:33)
ka tokony haampiseho aloha ny lalana @ zoning sy ny hoe mankaty mankary sy tsy maintsy misy an\'izao ny trano sns.. vao tenenina hoe manaraka na tsy manaraka ilay fenitra,, fa zao samy manao ny ataony dia avy eo rehefa voa mifampitory dia ry zalahy be sosy ihany no avotra sy mahazo rariny na farak\'izay tsy manara-penitra aza ny tranony e.
izany urbanisme iznay moa dia tsy any intsony.. izany ordren\'ny architects izany efa ela no tsy re intsony. fa dia samy manaonao plan fotsiny (ny sasnay aza eo ampanorenana vao manao plans an tsaina fotsiny) dia mahitahita any @ commune dia mahazo permis ...
7. fijo ( 28/10/2004 20:06)
ny fenitra dia misy tokoa any mada.ary raha ny tokony ho izy rehefa mangataka ilay fahazoandalana hanorina ianao dia tsy maintsy ampahafantarina anao io.
saingy araka io voalazan\'ika eo ambony io.misy ny efa mahavita ilay trano vao mivoaka ny fahazoandalana,ary ao koa moa nylavatanana any amin\'ny kominina ka mandeha hoazy.misy aza moa dia tsy manana mihintsy nefa dia trano be misy rihana telo(teo andravoahangy)no natao.
vita hoazy daholo anie irenny e,fa izao no ataovy an tsaina.rehefa tonga ny fotoana hilan\'ny rafanja (ndry ry fanja an)ny tany:(hanaovana lalana ohatra)dia mora aminy ny manala anao sy mandrodana ary tsy mila mandoha ninoninona izy.ka eo ianao vao kempoka.
8. fijo ( 28/10/2004 21:12)
izay koa ilay hoe sendra ny patsa iray tsy omby v.dy,na koa hoe miseo ho be vavavody ka mitelina taolana.
9. ralay ( 29/10/2004 05:50)
Marina tokoa fa tsy nisy norme sy tsy nisy permis de construire tokoa ny fanaovana trano taloha raha tranotrano hipetrahana kely eny no ahorina nefa ankehitriny dia vao tsy ela akory aho no nangataka permis de construire dia hitako fa tsy maintsy manaraka ny norme retraretra ka tsy maintsy dessinateur assermenté na architecte no manao ny plan vao ekendry zareo.anontaniana daholo ny matiere ampiasaina @ zany vato, vy , ciment,gorodina sa carrelagesa dalle sns... ary ny vola aloha izay somary lafolafo ihany dia misy reçu avokoa anefa. Elaela ihany koa anefa vao nivaly ny permis satria bdb ny mangataka ka mbola mi-traiter ny efa tonga taloha ny administration.
Ohatry ny @ pays rehetra ihany io e na dia misy norme tsy maintsy arahina izao aza dia tsy arahin\'ny entrepreneur izany rehefa manao ny construction izy satria misy ahodiny ny vola na ny materiel. Ohatra raha fer 10 na 12 no tokony hampiasaina dia fer 8 no ataony toa izany koa ny ciment raha 3sacs ohatra ny melange dia lasa 2 sacs sisa ka izay no tsy mampisy norme intsony azy avy eo. Jereo @ ireny toerana misy horohorotany ireny ny trano mirodana avy eo vao hita fa tsy au norme ilay trano.Ka anjaranao tompony no manaraka tsara ny fandehan\'ny asa raha te hanana trano au norme ianao.
10. xxx ( 29/10/2004 06:05)
ny norme aloha dia tsy manana isika eto an-toerana. NF (norme Française) no ampianarina any am-pianarana ary tsy voasoratra ao @ lalanantsika izany. Ny fanomezana permis de construction indray arak\'io dia tsy basée @ norme izay tsy misy fa @ tombatombana ataon\'ny ingénieur (fampitahana @ NF fotsiny)
11. fatsoraly ( 29/10/2004 06:44)
tohanako tokoa io hevitra io. Ny firenen-kafa dia manana ny fenitra ampiasainy. DIN ny an\'ny rainiboto, ISO ny an\'ny anglisy, NF (avoakan\'ny AFNOR isan-taona) ny frantsay sns... Izay tsy manana fenitra manokana dia soritany mazava ao @ fehezan-dalana hoe ny DIN laharana faha izao no manan-kery.
Eto Madagasikara sady tsy misy ilay fenitra no tsy voasoritra ao @ fehezan-dalana izay tokony asolo azy. Tsy voatery mety eto amintsika mantsy ny fenitra mety any @ firenena ivelany satria samihafa ny tranga miseho (ny toetr\'andro ohatra tsy misy ranomandry aty amintsika).

zandrinifijo> modia aty an-tanindrazana manampy ny ordre des ingenieurs hametraka norme fa aza be menomenone 8)
12. tsilan ( 29/10/2004 18:57)
Marina leitsy ry fatsoraly an

Ny fenitra eto amintsika tsy voatery hanaraka ny any ivelany satria na ny fitaovana ampiasaina na ny toetrandro dia tsy mitovy mihintsy.
Ny rafitry ny trano any Florida ohatra tsy mitovy mihintsy amin\'ny any Canada, noho ny toetany tsy mitovy.
Fa tsy hoe izay any an-dafy no atao eto. Eto tsy misy ranomandry akory. Tadidiko tsara nisy vazaha iray izay saika hametrka fenitra mikasika ny biriky fa tsy manara-penitra hono ny biriky eto amintsika. DIa fifanazavna be mihintsy tamin\'izany satria dia tsy nanaiky ny gasy. Ary dia nentina nijery iroe trano vita amin\'ny biriky gasy ny akama izay vao nino fa tsy voatery manaraka ny fenitra eraopeanina ny fanaovana fitaovana fanorenana trano eto.
13. ralay ( 30/10/2004 00:13)
Ka izay no maha injeniera azy anie le manao ilay tombatombana dia tsy nianje(nie)ra ny trano e :-D Izay koa no maha norme gasy azy na dia tsy ofisialy aza.Fa rehefa mitsangana tsara ny trano dia izay no izy fa raha maçon mahay no manao azy dia hainy tsara ny norme momban\'io.
14. kitjo ( 30/10/2004 16:27)
Inona ary zany no vahaolana fa eo no mimenomenona aby e?
Ny lalana angamba misy fa ny fampiharana azy no tsy ampy ve?
Ny olona zarany aza manao izay tiany....fa any @ tompon\' andraikitra mpandamina ngamba no mipetraka ve ny olana?
Tokony hoe tsy mahazo manorina mihitsy izay mbola tsy manana fahazoan-dalana ka raha misy tsy mety na efa nitsangana aza dia azo arodana.
Fa be aloha ny ho lasa adala amzany e, nefa tokony mianatra manara-dalana sy mampihatra lalana

:?: :?: :?: :roll: :roll:
15. ikaretsaka ( 30/10/2004 23:09)
ny hitako fa tokony atao dia atao mafimafy ny ordren\'ny architectes sy ny urbaniste ao madagasikara.
Raha mijery ny AIA (american Institute of architectshttp://www.aia.org/nav_atp)
na ny RIBA http://www.riba.org/go/RIBA/About/WhatWeDo_2364.html
Na ny SIA http://www.sia.org.sg/new/
na ny canadianina http://www.cip-icu.ca/
Dia tena mafy tokao ny lalanan-dry zareo sy ny organization . fa ny antsika dia misehoseho fotsiny dia manao plan de zay.
marina kao ilay norme hoe tsy voatery hanaraka ny an-dry zareo betement isika (io no efa nahavoa antsika hatr@ izay) fa azontsika atao ange na io resaka briky io az any manao norme amin\'ny composition dia saziana izay tsy manara-dalana e..
16. zandrinifijo ( 31/10/2004 10:41)
didiny be sandry iany oa. na didiny be sôsy
17. ikaretsaka ( 31/10/2004 22:14)
ka tsy tokony atao an\'izany intsony e
18. ralay ( 01/11/2004 06:00)
Mbola sarotra ho an\'ny ankamaroan\'ny malagasy izany hanorina trano izany satria volabe toko no lany na @ fangatahana PDC fotsiny aza fa aleony manorinorina trano kely eny dia izy sy ny fianakaviany ihany no manorina azy fa tsy mila manakarama olona izany.Na ny tany koa aza dia mbola tanin\'olona lavavolo na tanim-panjakana no anorenany trano fa tsy mahavidy tany ny ankamaroany ka hino ve isika hoe hanara-dalana daholo ireo ol hanorina trano. Ny etat no tokony hanorina logement locatif na vente location au norme maro mba ahafahan\'ireo madinika mba manana trano rehefa hatrizay.
19. tsilan ( 01/11/2004 18:48)
Karetsaka an
Dia aleo ary atao eto koa ny astm eh. Nefa jereo ny faharavana tany US vao nisy rivo-doza. Toa ny trano eto amintsika aza matanjaka noho ny tany an
20. fijo ( 01/11/2004 22:01)
ka ny vola tsy mitovy no mahatara an tsika.aza ampitovizina kosa izay.
ny tokony hatao dia ny manenjana kely ny lalana efa misy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2264