Resaka fanorenana trano

21. ravatorano ( 02/11/2004 07:16)
raha mbola ny eto amin ny tqanana aloha dia za sahy milaza fa mbola vitsy no maka permis de construire izany eh fa d mifanamboatra eny fotsiny io ilay resaka sosy nolazain i zandrinifiji izay b sossy d afaka manao izany.
Izao koa ralay ah raha manamboatra an ireo mpanome permis ireny ianao dia na radem aza dia mivoaka ny nimerau nao.
Mbola misy aloha izany hatramin izao fa ilay hoe manara penitra indray dia vitsy ny manao izany koa eto eh>Izao ary misy cité ireny izao vao vita dia amidy amin ny manambola , avy eo dia samy mampiakatra ilay trano amin izay tiany hatao ah ny sasany voriloha ny sasany tafotsotra marindrano ny an ny hafa indray atao avo be ka manakona ny hafa dia mba jereo ilay fanaraha penitra dia na sovazy fa tena tsisy jerena intsony ny endrik ilay toerana avy eo.
Io tokony hoe izay mividy an ireny cité ireny dia tsy mahazo mikitika azy ireny intsony fa manimba ny endriky ny tanana :^)
22. ralay ( 02/11/2004 10:37)
Io tokoa no nahagaga ahy tany Ravatorano mahita an\'ireny cité ankarina ireny. Dia mba inona tokoa ny réaction\'ny mpitondra @ izy ireny fa marina tokoa ny voalazanao fa manimba ny endrik\'ilay toerana sy manakona ny sasany tsy afaka mampiakatra. Ary moa ve mba efa prévu @ zany koa ny fondation sy ny murs porteurs @ ireny trano iva nampiakarina ireny sa hiandrasana hisy ny accident vao hi-réagir ny fitondrana?.
23. sambatra73 ( 02/11/2004 12:38)
lalana sy normes: nisy foana na @zao fotona zao na t@ andron\'ny ntaolo aza tsy nanaonao trano foana fa nisy fenitra tsy maitsy naraina Fa tsy fananana na famaikana na tsy fanaraana lalana na ireo rehetra ireo (trano hazo atsangana anatin\'ny alina 1 fotsiny, trano atsangana ataotao fôna) no lasa hita naazatra atsika Gasy.
ralay, ravatorano: zà kalou d gaga iany naita ireo cité des profs eny akaiky mausolée lasa najary fananan\'ny profs mitsy. D nisy naavita modifications b mitsy, ka reo manapaaizana reo ange no mapianatra ny vahoaka, sa???
D mba aiza no ipetraan\'ireo pampianatra manaraka?
24. ikaretsaka ( 02/11/2004 13:21)
ka io iay koziko hoe ny ordre ny architectes sy ny urbanisme no amboarina tsara dia any no maka permis fa tsy mitsolotra a gauche a droite
25. tsilan ( 02/11/2004 21:12)
Marina io ry karetsaka an
Fa ampiana kely hoe tokony manana drafitra fandaminana tanana koa ny isaky ny kaominina.
Nahavariana mantsy fa ny tanana malagasy fahiny dia misy fandaminana, saingy izao tsy misy intsony io.
Ny mety olana kely fotsiny dia rehefa mivoaka ny fanadihadiana ny amin\'ny fametrahana fenitra dia mety maro ireo toerana tsy azo anorenana trano intsony noho izy mikosilasila be, honahona snsns.
Ramaso an.
Tsy ny aty amintsika irery no ela vao tafarina amin;ireny loza ireny eh. Ny eto amintsika aza hitako hoe malaky ny mponina amin\'ny fanamboarana ny tranony. Ny any Florida izao mbola eo amin\'ny faharavana tanteraka. Fa tsy misy izany vetivety izany.
26. fijo ( 02/11/2004 23:09)
ravato>ilay trano mankeny iavoloha ve io resahandravato io?ilay miala ny baragy?
dia tena nahagaga ahy tokoa ny mahita ireo trano iva,nanjary misy rihana 2.mahazaka tokoa ary ve ny fototra sa izay alehany any aloha fa trano avo io?
27. tsilan ( 03/11/2004 22:25)
Nga tsy hitan\'i Fijo ireny site lasa bildinina ireny. Ao Analamahitsy ohatra dia misy iray lasa misy rihana 5 be izao. mahagaga an
28. fatsoraly ( 03/11/2004 22:27)
tsilan> shhhhhut!
29. fijo ( 03/11/2004 23:33)
izany ve hitazona kle
30. fijo ( 03/11/2004 23:35)
izay marina ngamba ko
31. ikaretsaka ( 04/11/2004 04:00)
ka izay le izy.. tsy fantany akory (sy le olona nanome permis azy) hoe mety izy ihany no ho faty ao raha tany ka mirodana ilay trano fa tsy mahazaka satria diso conceprion ny structure sy ny fondations..
32. fatsoraly ( 04/11/2004 08:48)
Mba nandia fianarana ihany ireo mpanome permis ireo ry ikaretsaka ah. Mpikambana ao @ FNOIM avokoa izy ireo ary injenieran\'ny asa vaventy (farafahakeliny) sy ampy traik\'efa.
Mino aho fa raha resaka CDS sy fondations izany dia tena hainy tokoa, na omenao solosaina izy na asianao manao kajy @ taratasy.
Fa angamba kosa ilay olona tompon-trano no....?
33. fijo ( 04/11/2004 20:38)
tsy misy manda fa mahay ry zalahy.fa ny oalana dia efa vita ny trano mbola homena ihany ny fahazoandalana.
34. tsilan ( 04/11/2004 20:51)
Ndao ary ahorina ny fenitra, saingy tokony :
- miala amin\'ny fitaovana misy eto amintsika
- misy ireo fitiliana ny tany fanorenana ny trano
- Jerena hoe tokony trano firy isaky ny ha no aorina amin\'ny toerana iray
- Tsy maintsy misy arabe fivoahana ny rehetra (fa tsy hoe elakelatrano antsasametatra no omena ny ao ambadika dia rehefa misy fahavoazana dia arodana aloha ny tanimboho)
sns
Ny mba mahavariana ahy fotsiny ry zareo dia ny FNOIM mihintsy aza no tena mandreraka be satria tsy voahaja akory ilay fitsipika ao anatiny hany ka izay te hanao entreprise dia manao. Na tsy misy injeniera aza ao anatiny.
Ny VPM injeniera ihany, saingy indrisy hoy ilay tapa-tsosisy, fa nataony telomoka ka avy hatrany dia nipoka.
35. ikaretsaka ( 04/11/2004 22:11)
Fatsoraly> nosoratan-dramaso tary ambony tary ny momban\'io:
Mpandefa : ramaso
02/11/2004 20:24:33
Lohateny : Val : Resaka fanorenana trano
ny olona manome ilay permis de construire ao @ fivondronana anie tsy architecte na urbaniste akory fa gegeniera e.. ny mikoty (ny vola miditra aminy )ny hainy fa tsy ny mandahatra sy mandrindra ilay tanana!

Samihafa ny ingenieur sy ny urbaniste ary ny architecte aloha ( na ny anaran\'ilay titre aza de samihafa)
fa any amintsika ny ingenieur no manao urbaniste.
ny olona mpanao lalana (asa vaventy) no ampanaovina tetik\'asa fanajariana ny tanana.
any mihitsy ange no tsy mety e! any no tokony ovaina.
36. fatsoraly ( 05/11/2004 02:16)
diniho tsara fa nianatra momba ny batiments daholo ireo mpanome permis ireo. Ary raha CDS sy fondations angamba ny nanao batiments niditra lalindalina kokoa noho ny architects. Ny urbaniste indray dia tsy hitako ny hidirany @ CDS sy fondations fa izaho angamba no tsy mahay.
Na architects koa dia arakaraky ilay fiofanany satria maro karazana ohatra hoe misy ny paysagiste misy ny interne sy externe sy ny sisa e!
37. fatsoraly ( 05/11/2004 06:48)
tsilan> tena efa hatry ny ela ny FNOIM no miady an\'io resaka fananganana entreprise io @ fitondram-panjakana saingy ny politika moa eto an-toerana iaraha-mahita e. Mitovy @ ireo mpampianatra sasany eny Ankatso mikatsaka ny hanatsarana ny fampianarana sy fikarohana ihany io fa ...hehehe...ny politika ihany aloha no mitondra ny baolina.
38. fijo ( 08/11/2004 21:53)
milamina ao anaty korontana aloha isika izany e.
39. tsilan ( 08/11/2004 22:17)
Ilay izy anie ry fatsoraly, @ maha federation azy tokony mba mihetsika ohatran\'ny dokotera ohatra rehefa misy tsy tiany dia mitokona tsotra izao izy rehetra dia vita. Misy firaisan-kina.
Fa ny injeniera eh eh, samy maka hoa azy. Misy aza milaza hoe raha mitokona eo ialahy dia izahay indray no maka ny toeran\'ialahy, na roahina ialahy fa ty ialahy irery no injeniera eto.
Dia izao izao ny VPM injeniera, mpanao politika avo lenta koa maninona raha asandratra avo amin\'izay ny FNOIM.
40. fijo ( 08/11/2004 23:01)
ka efa tonga ami\'izay hoe samy maka hoazy izay ko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.423