rakotovahiny.

1. fijo ( 19/10/2004 20:10)
mbola tao anaty gazety ihany no nahitako androany ny resaka nataon\'ingahy rakotovahiny.izay nitsikera ny \"club des 17\" ary namely koa ny fitondrana.misy mitombina ny zavatra voalazany fa ity no tsy voako.nilaza izy fa io resaka solika io dia vokatry ny tsy fahaizan\'ny fitondrana mitantana.io dia tena famitahambahoaka,satria na aty frantsa aza izao dia mikaikaika momba io.ary raha ny vidiny any mada amin\'izao dia tsy mbola ny tokony ho tena vidiny akory no hita.ka izao e.mitsikera lazao ny marina hitanareo fa aza fitahina koa ny vahoaka.
novalian'i fijo ny 26/10/2004 22:07
2. xxx ( 19/10/2004 20:19)
OK Fijo an
Ampiko kely hoe, ny fiakaran\'ny vidin\'ny solika dia vokatry ny fandrosoana lehibe mitranga any Sina, miampy ny ny ady any Iraka ary ny fitokonana any Nizeria sy Chilli
3. kally ( 19/10/2004 20:27)
fa na izany,misy azo anamboarana kely ihany ny vidin\'ny solika eto M/car raha anesoran\'ny fanjakana ny hetra alainy @ solika .
4. ravatorano ( 20/10/2004 07:33)
fijo>chilli>marina tokoa fa vokatry ny fiakaran ny vidin ny brebt era izao tontolo izao no mahatonga ny fiakaran ny vidin ny solika .
Kally>marina ihany koa fa raha asian ny fanjakana fiheverana ny mampihena ny hetra amin io fanafarana solika io sy ny manodidina azay dia mety hisy fidinany ihany koa izany.
Ingahy rakotovahiny defa teo izy no niala ary ny namany aza no nanala azy teo nohon ny politika ka izany no anisan ny itsikerany ny club d 17 aloha s izay misy ampahany marina ihany satria lasa resak fitsikerana sy fanenjehana club anakiray eto Madagasikara le izy :?: :?: :?: .
Ny tena mahagaga d izao inn marina moa no antony tsy hijeren ny fanjakana akaiky ny momba an io hetra alaina amin ny solika io??
Hita b izao fa ny fiakaran io dia miteraka inflation directe ho an ny vahoaka manontolo ka na ry zareo d anisany na dia tsy miatraika mivantana amin ny kitapom-bolan dry zareo izany. :idea: Raha misy fanovana kely fotsiny io dia afafka misento kely indray ny vahoaka satria misy karazany marobe anie ny taxes miaraka sa alaina amin io solika io ka mampitombo b ihany kou ny vidiny :twisted: eh :twisted:
5. tafita ( 20/10/2004 09:14)
:Dde mampihomehy sady mampalaheloraha ny resaka poloitika eto amintsika no jerena marina e. Izany tokoa no tonga aminìilay tenin\'ny vazaha iray izay hoe . Maro ny Malagasy no mahay , fa vitsy no tena manan-tsaina........ fa heverin-dry zalahy fa miankiana amin\'ny mpitondra moa ny vidin\'ny solika io ? Tsy fantany fa vokatry ny fahaiza-manaon\'ny Americain , ka potehiny ny any Iraka izay tany be petrol mba hahafahany manondrotra ny azy , ka @\'zay dia miakatra ny dollard ary rehefa miakatra ny dollard dia mazava fa hidina ny sandan\'ny ariary , dia io ny vahoaka madinika no tena iharan\'ny lalàna amin\'ny vokatry fisondro-bidin\'ny petrol .... Nataoko fanahy iniana mba tsy dia hazava loatra ny resaka mba hahafahanareo mandinika azy lalina... Merci ra xxxxxxxxxxx sy ra fijo nanipy ny hevitra
6. zandrinifijo ( 20/10/2004 09:54)
aleo za himé ra-tafita fa mba manaraka iany fa tsy maita dolara miakatra zany za le. sa i Solo ty Dolara dolara resaana ty?

aza ména tsiny Koto fa Vahiny rey olona ô. fa ra resaka momba ny 7mbenan omby alo tsika resiny satria izy vetarinera.
7. fijo ( 20/10/2004 21:47)
ravato sy kally.aty frantsa izao vao nanao resaka momba io fampidinana ny hetra momba ny solika io i sarkox.loza anefa fa tsikera be satria.voalohany dia tsy ho minisitra intsony lery amin\'io fotoana lazainy tokony hampidinana azy io.
faharoa dia sarotra be satria misy fiantraikany be amin\'ny volampanjakana ilay izy.
karaha ny aty aza ve matahotra ny hanena an\'io isika ve amin\'ity hetra kely mba miditra dia hafaka hanena izany?hatraiza.
8. xxx ( 21/10/2004 10:26)
sarkox ary mba te ho prezida ko .... iza koa no mba te ho prezida malagasy amin\'ireo minisitra gasy ireo ?ary iza amin\'ireo mpanohitra no te ho prezida koa ?......
9. fijo ( 21/10/2004 21:06)
samy te ho izy aby ireo.
10. xxx ( 22/10/2004 17:36)
Fa raha izay no resahina. Mitovy ve ny vidin\' ny solika eran\' izao tontolo izao?
Misy ambany no misy ambony. Ny vidin\'ny solika aloha dia tsy hamapanaintaina ahy satria izaho tsy dia hivaky loha amin\'izany fa izao kosa. Azo ampitahaina ve ny vidin\'ny solika
any Frantsa sy eto madagasikara? Ny any na ho lafo be toa inona aza ny vidin\'ny solika dia zakan-dry zalahy tsara satria ambony ny fahefa mividin\'izy ireo. Ny aty na ny sakafo aza mila tsy ho hita dia mbola mitotongana ihany ny vidin-java-drehetra.
Raha tsy hafaka hampidina ny vidin-tsolika ny mpitondra dia tokony hanao zavatra hafa mba ahazakan\' ny sarababem-bahoaka ny fidangan\'ny vidim-piainana.
Fa raha hoe fampanantenana no mipoapoaka nefa tsy mahomby akory dia tsara raha atao ny mahazatra: Ahongana izy dia mifidy hafa.
\"Tsy lany mamy ny Gasy\" izay no hamaliako ny teny notaterin\'ny namana teo hoe: \"maro ny malagasy mahay fa vitsy no manan-tsaina. \"Mba teny taterina hono izany, ny tenin\' ny vazaha hoe tenin\'ny vazaha. Fa inona moa ny vazaha? Hitsentsitra sy hananihany fotsiny no mba vitany.
11. kally ( 23/10/2004 07:11)
Tsy rariny kosa ange ry Fijo ,aiza ve dia atao mitovy vidy @ any ivelany ny vidin\'ny solika eto M/kara nefa ny fahefa-mividy mifanalavitra be.Ary raha hoe ny frantsay aza matahotra ny hampihena an\'io,ry zareo anie mandoa allocations isan-karazany e,fa ny fanjakana malagasy inona no mba tena andaniany betsaka ankoatry ny 4x4 ry zalahy nahazo seza?
12. zandrinifijo ( 23/10/2004 09:54)
voalohany alo dia tsy mitovy amy aty ny vidiny any madagasikara fa aty lafo lavitra ary tsy azo apitoviana akory.

faroa: refa tsy takatra aza miaingitraingitra fa mandana bus. na mitangena bisikilety mitandro ny totolo iainana

fatelo: ny taxe azo amy solika tsy mankany amy zany \"allocations\" zany na aty andafy na any madagasikara, fa anamboarandalana. ny allocations teneninao dia vola avy amy hetra aloan\'ny piasa tsirairay
13. fijo ( 26/10/2004 22:07)
ilay X ery ambony.tsy hitanao marina ny fiainana aty ka milaza ianao fa mahatakatra foana ry zalahy.
kaly,ka tsy hafaka hanao varotra hamono antoka kosa anie ny mpivarotra solika e.tsy izy no manao an\'io fa any ampotony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9727