Fifohazana

1. jantina ( 04/09/2004 07:37)
Misy afaka manome ahy fanazavana na tantaran'ny fifohazana ve azafady? Raha misy fifohazana eto vo maika tsara raha mba manazava kely. Miankina amin'ny fiangonana inona ry zareo sa sekta? Misaotra anareo o.
novalian'i rafali ny 11/11/2005 19:30
2. jantina ( 04/09/2004 07:39)
fanontaniana fanampiny : misy fifohazana ve aty andafy?
3. fijo ( 04/09/2004 20:02)
i pasitera daniel rajacoba dia manao tarika fifoazana eto vitrolles.
amiko dia karazana secta io marihiko fa hevitro io.
4. ikaretsaka ( 05/09/2004 00:29)
porofoy hoe .. dia azavao misimisy fa zahay koa tsy mahay
5. tsimibolisatra ( 05/09/2004 04:53)
Tadidio fa ny sekta dia ny zarazao an-jakana no mibahana ao. Ary izany no efa tantara niainana hatrany am-boalohany. Mety hanampy anao ny tantaran
6. chipie1 ( 06/09/2004 11:54)
jantina >ny ao aminy fiangonana FPVM (fiangonana protestanta vaovao ny madagasikara) ao Aulnay sous bois kou de manao anio asampifohazana io hoe:Andravoangy fivavahana talou fa taninanandrano zao.
Manao fanasitranana aminy alalany vavaka, de manala devoly sns...
7. xxx ( 06/09/2004 12:29)
Ny eglizy reformée malagasy tafo Aix-Marseille dia manomana alahady 1 isam-bolana tantanin'ny sampana fifohazana. Io lazain'i Chipie1 io HONO ny zavatra ataony !. Hono satria tsy mbola nazoto nanatrika izany za na indray mande aza ka tsy afaka hijoro vavolombelon'ny efficacité-ny! Tsy mbola misy sitranina angamba na tsy mbola te handroaka ireo devolikely mialokaloka ato amiko ! hihihi
Samoina
8. kitjo ( 06/09/2004 13:12)
Tsy azoko ilay hoe secte!
Za aloha mpamonjy fotoam-pifohazana fa amiko dia sampana iray anatin' ny fiangonana io.

@ fiangonana protestanta no misy azy na FLM na FJKM, ny mahasamihafa azy fts dia misy katolika mpiandry koa.

Ao @ FLM Ambatovinaky isa-maraina @6 aho no mandeha aloha refa any Dago fa znay Tanin'ny anandrano znay tsy haiko akory hoe aiza. Andravoahangy fivavahana, ilay nisy olana t@ ilay pasitera, izay mpiandry koa raha tsy diso aho, no nampalaza azy ka heno matetika ny hoe fifohazana. Fa tsy hoe akory hoe tanin'anandrano ihany no fifohazana fa matetika di amisy an'io dol refa fiangonana protestanta. Misy fts misingana ny sasany, izay vitsy, fa misy pasitera tsy mankasitraka an' io. Misy ilay sampana ao am-piangonana satria efa anatin' ny rafitra, fa ilay pasitena no tsy manao mpiandry ary tsy manatrika fotoana.

Raha ny zavatra atao aloha dia oh fotoana rehetra ihany:
-vavaka, toriteny, fijoroana vavolombelona
- mamaky ny teny hoe fanorenana ny asa masina ao Baiboly.,
- manomboka miasa ny mpiandry:mivavaka, mandroaka devoly, mametra-tanana na olon-tsotra na marary na olona mangataka fankaherezana manokana,......

Dia tsy azoko amin' izay ny mahatonga ilay hoe secte?

Marihako eto aloha fa misy mahasorena ireo mpiandry sasany e. Ireo antitrantitra inddra....Miala tsiny!
Misy raha hoe manao lokomena ianao d lazainy fa jejo hono tsy mety znay sns.....lasa fanatisme be ilay izy....
Tsy ny rht anefa no manao an' io.

Ary tsy izy koa no aleha any fa Andriamanitra sady ny devoly miasa foana koa manakatsakana.

Tsy dia tiako lotra ny miady hevitra be @ resaka finoana satria miankina @ olona tsirairay ka sao lasa ho toy ny fideraderana na miady ho tsara noho Andriamanitra ny hiafaran' ny resaka.
9. fijo ( 06/09/2004 20:15)
za moa tsy mba mino sy mamonjy an'ireny ka tsy dia hitako loatra izay lazaina.ny nahitako an'io an'i rajacoba io dia nisy fikarakarana sakafo izay tao dia mba tonga koa aho fa nandefasany fanasana izay nandoavam bola.
10. zamahery ( 07/09/2004 04:57)
Io ry Kitjo mitovy amin'ilay hoe :

Mihevitra an'i Laborde tsy ho vazaha na hoe mihevitra ho Katolika alohan'i Pape hatrany am-boalohany tany.

Ny fifohazana dia miasa fa tsy manao kabary ary ireo manao kabary dia ireo manatsikera foana fa tsy ireo miasa ... Ny olana hatramin'izay dia tena specialité-tsika gasy ilay fitsikerana (critique). Tsy vitan'ny hoe critique fotsiny fa tena critique destructive fa tsy mab constructive ... Sa ahoana akia ry Kit ?
11. kitjo ( 07/09/2004 11:37)
Eny e, Fantatro izay inoako hoy ny Soratra....dia izay koa no mba raisiko.....dia ahy ireny izay ary manaja ny hafa koa aho @ zay zvt inoany.

Fa manan-jo koa tsy hino izay tsy te hino sady na samy mankao aza ange...samy mino fa mety samihafa ny zvt inoana e....

Za zao t@ voalohany dia resaka curiosite fts nandehanako tany hoe inona ny amzany....misy ndray ny olona mande mivavaka miandry fahagagana (fahasitranana, harena, vahaolana an-tokantrano sns...)

Araka2 ilay olona io ary tsy tokony ifampitsarana ny finoana fa raha mizara fts ianao dia tsy maninona sy mampahafantatra....fa ny mitsara ny finoan' ny hafa tsy d voako loatra fa lasa mampiady kanefa fivavahana no resahina. ( Dia iza no ho voavonjy?)
12. jantina ( 08/09/2004 07:48)
Misaotra be dia be tamin'ny valinteninareo.
Izany hoe izaho dia ao amin'ny FLM kanefa misy havako maro fifohazana dia liana aho sao mba misy zavatra soa ho ahy.
Sady misy namako koa te hahalala ny mombamomba an'io. Dia misaotra anareo be dia be.
13. chipie1 ( 08/09/2004 08:15)
jantina> io alou de araka ny finoanao iany, misy milaza oe sitrana refa marary misy milaza ny mifanohitra... Asaivo mankao aulnay sous bois izy raha eto france, mou raha any dago de ao aminy taninanandrano.
14. booboo ( 28/09/2004 06:32)
jantina>ny tantaran-dry Nenilava, Baba Rajaofera, rakotozandry, ny 8 mai ( tsy haiko oe 1900 firy ) tao Anosivavaka A/manarina tadiavina fa t@ reny no niandohan\'i fifohazana vôlahany isaka ny faritra.
15. fijo ( 29/09/2004 21:34)
maraina ny andro ary ka mifohaza daholo e
16. chipie1 ( 30/09/2004 11:44)
fijo> mbola kamokamo daolo :-P kamo hifou :-D
17. fijo ( 30/09/2004 19:39)
ndao hiazakazaka dia mazoto tsara avy eo ka
18. fijo ( 04/10/2004 20:30)
manala toaka io ka.
fanaonay taloha teny andohalo dia midina eo mahamasina mirevy dia miazakazaka miakatra ilay tohatra be iny manintsana azy.fa misinda tonga ery ambony ery.
19. kabatritra ( 08/10/2004 12:19)
Ny zavatra tsy azon\'ny zanak\'ati-dohako kely dia ity : mahafantatra fifohazana malaza amin\'ny fanasitranana olona aho. Ao an-tokan-tranony no anaovany ny opération. Tabataba sy kiakiaka izao ! \"Mialà! Mialà ! \" tsy misy farany. Lazain\'ny olona fa mahasitrana tokoa Ralehilahy, ary filaharana toy ny mankany amin-dRadoko ireny no ataon\'ireo mila vonjy. Ny mahagaga anefa dia io Rangahy io dia fantam-poko fantam-pirenena amin\'ny fahaizany misoloky sy miteny ratsy olona. Ireo mpifanolo-bodi-rindrina aminy dia saika efa lasa fahavalony avokoa. Mahitahita any amin\'ny Tribonaly koa hono izy io.
Ny fanontaniako dia ny hoe : \"ny finoan\'ireo mila vonjy ve no mahasitrana azy ireo na dia mpisoloky aza Rafifohazana mpitsabo sa ndrô dia ny Dévoly ihany no mody manasitrana mba ahazoana kil ?\"
20. booboo ( 08/10/2004 12:47)
misy ange ny oul sasany hainy tsara oe aiza ny point faible anao dé any no asiany dé oe asam-pifohazana e ! bla bla bla e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3763