Fifohazana

41. fijo ( 29/11/2004 22:25)
izay mihintsy.raha vao miditra ity resaka vavolombelona sy ny karazam pomba tsimaintsy harahana ity dia efa izy izay.
42. moi ( 30/11/2004 07:18)
booboo > 8 septambra ilay androm-pifohazana malaza ao Ambohimanarina Anosivavaka.Aleo manontany pasitera zokinjokiny avy eny fa hitantara aminao izy.
kabatritra > Voasoratra any ho any : \"Hamoaka demonia amin\'ny anarako izy ... (..) Nefa tsy fantatro akory ianareo !\" Izany hoe tsy manamarina ny maha kristiana ny fananana pouvoir de guerison, na exorciste.
rjk > tsara kosa ilay fanontaniana atao hamantarana hoe sekta ve ity. Fa ahoana kosa ny sekta tsara sy sekta ratsy, sa ratsy daholo ?

Ry zareo fifohazana dia tsy mba mitady vola izany rehefa hiasa, na any an-tokantranonao io, na any amin\'ny hopitaly, izay ahitana azy matetika.
Ny mpiandry no ahitana olana indraindray satria na samy izy ireo aza tsy mifanome lanja, misy ny hoe ny avy atsy tsy mba miantso ny avy ato mihitsy rehefa mihitsy asa (fampaherezana)! Mpiandry nivoaka avy atsy e, avy ary e !
Misy aza toerana iray izay, vao miditra ao ianao, dia natao ho mpiandry hono ianao, ary dia raha misy te ho mpiandry haingana dia haingana dia ao mandeha (Tsy tononiko ilay toerana). Ny fiangonan-dehibe dia ny miezaka mba ho lasa mpandray, na vita confirmation daholo ny mpiangona ao aminy, fa ny an\'izay fiangonana izay, dia izao lasa mpiandry izao no tanjona.

Dia ilàna fitandremana ihany ity hametrahan-tànana sy mametra-tànana ity ... fa be dia be ny mpiandry tokony handrasana !
43. andriambelo ( 30/11/2004 21:26)
1/Manaja ny mpiandry aho ary ananako \"estime\" ny ankabeazany (tsy haiko ny milaza azy @ teny gasy). Ka izay no mahalasa ny eritreritro hoe toa lasa \"phénomène de mode\" ilay izy indraindray fa toa manao mpiandry daholo izao be tsy adala izao.
2/ Tadidiko koa toa namoaka demonia tamin\'ny anarany rizareo t@ \"naka\" ministera t@ raharaha 2002 ireny. Ka tsy haiko raha tokony hiverina kely any rizareo mba hampandeha kokoa ny raharaham-pirenena.
44. fijo ( 30/11/2004 21:50)
hi,hi,hi,marina koa iny le
45. rjk ( 03/12/2004 13:29)
Ho an\'i moi,

izao ry Toi à :-D marina ilay hoe tokony mitandrina, misy ny tenin\'ny Soratra masina hoe \"ny voany ihany no hahafantarana azy\", tsy hoe rehefa voatokana mpiandry sy manao ankanjo fotsy dia masina tsy misy petimpetina, ny olona olona ihany ary mety lavo, ary tsy hoe rehefa mitonona kristianina dia kristianina

Ho an\'i Andriambelo,

Tsy mety ireny mpiandry mandehandeha mandroaka devoly @ minisitera ireny, tsy izany no asaina ataon\'ny kristianina fa ny mivavaka ho an\'ny firenena na any an-trano na any am-piangonana; Ity mampifangaro Fitondràna sy Fiangonana ity tsy mety, zavatra roa samy manana ny maha izy azy ireo. Hoy aho t@ hafatra tery am-boalohany hoe ny fivavahana izay mifono kiteritery dia tsy izy izay satria na Andriamanitra aza tsy manery ny olona hino azy. Ny malagasy rehetra tsy kristianina daholo ary tsy zon\'ny Filoha mihitsy no hanery ny olona ho tonga kristianina, mifono tetika politika hitazomana fitondrana fotsiny io miseho am-piangonana atsy sy eroa io. Ny atao anefa tsy mifanaraka @ fahamarinana sy fahamasinana lazaina, dia io isika dibokin\'ny fahoriana io. Andriamanitra tsy azo vazivazina
46. moi ( 09/12/2004 08:21)
asa aloha raha hatrany ny finoanao ramaso, fa amiko dia aretina ekonomia io, ka tsy mpiandry no ilaina, fa fiady ekonomika, controleurs de prix ohatra ; raha savaina daholo ve ny faktioran\'ny mpivarotra, tsy ho be no sarona hoe manao marge mihoampampana ?
47. fijo ( 09/12/2004 22:11)
fanontaniana nendramaso iny satria efa lalina loatra ny ranom bary.fa ity fitondrana manafangaro fivavahana sy fitondrana ity tena hitarika olana lehibe ao mada ao.
48. xxx ( 17/12/2004 10:32)
zAO RY ZAREO AH!
Ny dikany fifohazana de olona mifoha fa tsy oatrany taloha tsony fa ny hiaviany fifohazana ndray de tsy avy ety @olona fa avy Ambony ;fa ny fifohazana sasany tsy fantatro fa ny tsapako alo de Teneniny Jesosy fa matory ny fiangonana fa tokony hifoha @zay ,de ny atao sekta ndray de olona tao @fiangonana iany no niala ka lasa nanorina fiangonana hafa ka refa niala izy de lasa mamotika fiangonana ny hiaviany :zay no atao sekta .De io zany samy manan fanomezam-pahasoavana fa ny tsara de tsy manejika ny fiangonana ny hafa fa ny atao de mitory ralah sy anabavy.
49. rafali ( 11/11/2005 19:30)
^:^
jantina:

fanontaniana fanampiny : misy fifohazana ve aty andafy?


tena misy tokoa moa izany fa milaza @nao aho fa mety anahirana ihany ny miditra ao fa aotra ny secte izy reo .Mikambana @ FPMA hono ry zareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3405