Tsy misy miafina aminao

1. hery ( 20/08/2004 17:32)
Niresaka tamin'ny namako iray efa manambady aho dia sendra niteny taminy hoe misy zavatra na hevitra aminao tsy fantatry ny vadinao... fa nandà mafy izy. Raha mifankatia hono dia tokony secret zany mihitsy na dia kely aza. Tokony ho fantatry ny vadiny daholo ny zavatra rehetra madinidinika rehetra.
novalian'i fijo ny 09/11/2004 21:44
2. ramoul ( 20/08/2004 17:43)
Ra zavatra tsy tokony ho fantatry ny vady aloha dia tsy lazaina azy é!
Amiko manokana aloha tsy dia milaza secret betsaka amin' ny vady zany zah ra tsy hoe efa mazefatra amiko.
3. jhouhlambout ( 20/08/2004 18:23)
Aleo aloha afenina ny zavatra tsy tokony ho fantatra fa sao misy anenenana eo kouuu :(
4. lanto ( 20/08/2004 18:48)
humm humm
5. methode ( 20/08/2004 23:15)
Andraso aloha hanambady aho de lazaiko anareo avy eo!! Hihihihi
6. sipagasy ( 21/08/2004 06:43)
amiko aloha dia tsy ny zavatra rehetra no filaza é! mba misy ihany ilay"jardin secret" ho ahy manokana! dia io koa tonga @ ilay fitenenana hoe ny marina rehetra tsy mba filaza.
7. ille ( 21/08/2004 06:44)
Ny marina rehetra ry zareo tsy tsara ho lazaina daholo ah.
Mety ho ny filazanao ny marina momba ny zavatra iray dia mety haharava ny fifankatiananareo!!!
Ny tsy fahafantaran'ny vadinao ny zava-mitranga anakiray koa anefa mety hahamafiorina indray ny fitiavana!!
Fa misy koa y tokony ho fantany avy hatrany!
8. nykanto ( 21/08/2004 07:18)
Na ny tsy fantatrao momba azy, na ny tsy fantany mikasika anao, raha toa ireny ka mety hampihena ny hafanan'ny fitia dia tsara raha totofana fahanginana, azo atao ny milaza izany fa misy fotoanany ny zavatra rehetra, anjaran'ny tsirairay ny mandanjalanja hoe ity ilay fotoana mety ahafahany tsara mihaino (comprendre) ahy.
Misy teny ao amin'ny Baiboly hoe : aza atao fantatry ny "tananao havia izay ataon'ny tannaoa havanana" ... toa endrika iray maneho ve izany fa misy mihintsy ny natao tsy ho fantatry ny tena akaiky anao???
Ny Kanto
9. poupounesana ( 21/08/2004 07:52)
raha @ko manokana aloha d tte vérité n'est pas bonne à dire! zany tsy resaka nanao ratsy akory fa hoe misy zvt ohatra mety hampalahelo ny vady d tsy lazaina azy mihitsy, pour le protéger en qq sorte, pour ne pas le blesser! sady lay jardin secret mba tazomina ihany koa satria @zay koa tsy d prévisible b enao eo anatrehan'ny vadianao!!manjary mankaleo b koa anie rah fantatrao daolo ny momba azy eh!tsisy surprise ntsony ary lasa monotone b ny fiainana sy ny fiarahana! nefa kosa atao kely2 ihany le jardin secret manjary manimba le couple indray!
10. lanto ( 21/08/2004 08:54)
tokony hafenina izany hoe manafinjavatra aminao aho
11. lema ( 21/08/2004 09:25)
tsy maintsy misy zavatra kely ihany afenina alou fa ny olona tsirairay samy mba manana ny secret daholo,misy manararaotra ra mahakobo ny fika rehetra
12. nikopol ( 21/08/2004 09:47)
Miakina ny fivelarantsaina eo amin'ny mpivady na mpifankatia io, ary ny lentam-pahatokisana eo amin'izy roa.
Matetika ny zava-misy dia nohon'ny fahaterena ara-tsaina eo amin'ny tsirairay dia na zava-madinika aza dia tsy voatelin'ireo "mpifankatia", hany ka mijanona ho "niveau" ambany foana ny relation hita.
Raha ny tokony ho izy dia tsy mipetraka akory ny fanontaniana, fa mifapi-kôpy fotsiny ary samy maha-kôpy fa misy zavatra tsy hiniana hafenina fa mbola tsy voalaza na tsy ho voalaza. :lol:
13. poupounesana ( 21/08/2004 09:57)
ampiako kely ny zvt noteneniko tery ambony : misy fiteny toy izao any ivelany any hoe ce qu'on réussit à mettre en cage, on s'en désinteresse aussitôt! ary zao koa, reste désirable celui qu'on ne peut connaître par coeur, celui qu'on ne peut cerner complètement! c'est pourkoi il faut cultiver les distances intérieures en protégeant notre part de mystère, donc ne pas tt dire à l'être qu'on aime!
14. yonikafopl ( 21/08/2004 10:30)
marina fa ny marina rehetra tsy filaza
nefa ange ka ny mpivady dia efa natambatra ho iray e!!!! ka tokony tsy hisy hiafina mihintsy izany kou!!!
fa ny fifampitokisana sy ny fitiavana no manan-danja bebe kokoa satria raha misy ireo dia samy matoky fa tsy misy miafina sy afenina eo @ tsirairay fa izay manana arriere pensee no enjehin'ny eritreriny eo.
15. donemaskit ( 21/08/2004 10:41)
inona moa no handeha hafenina ? normaly be amiko raha ny mpivady no tsy mifanafina zavatra...
16. lanto ( 21/08/2004 10:42)
inona tokoa moa no ndeha hafenina ? :roll:
17. donemaskit ( 21/08/2004 11:04)
nampirafy ohatra ? :roll: tsy aleo tsy nanambady ?!
18. lanto ( 21/08/2004 18:22)
ary ahoana indray ny hoe "aza matoky fitiavana ka "mitanjaka" eo imasom-bady" ?
19. yonikafopl ( 21/08/2004 20:54)
fomba fiteny fotsiny iny amiko ry lanto a!!!!
sa sao de matahotra ve le vady raha vao mahita ny bikabikany eo hihihihihihihihihihihi :lol: :-P
20. lanto ( 22/08/2004 20:05)
tsy voatery horaisina ara-bakiteny io yonika :-D le mitanjaka eto hoe hita dôly ny lafy tsara sy ratsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2432