Tsy misy miafina aminao

21. pitchou ( 23/08/2004 07:18)
angaha misy mahamenatra na manahiran-tsaina mila afenina? ny olana @ireny zavatra afenina ireny, raha sendra mipoitra tampoka nefa mahatezitra ilay ankilany dia tena gravy!
22. xxx ( 23/08/2004 10:00)
ny mpivady mifankafantatra toetra, mahafantatra ny mahaliana azy ireo avy Arak'izany tokony mba samy hanaja ny "zava-miafina " kely hananan'ny andaniny sy ny ankilany fa ilaina izany . Ohatra misy tiana sy tsy tiana holazaina mikasika ny asa, ny namana. Rehefa fantatra fa tsy tian'ny vadinao ohatra ny miresaka mombana namana mpiresaka be aminao sy mpihanihany aminao, tsy tokony tohizana tantaraina intsony fa mampisy disadisa fotsiny. Izany anefa tsy midika hoe adaboko ny namako satria tsy azoazon'ny vadiko ! Samy manana ny namany e ! :)
Samoina
23. pitchou ( 23/08/2004 10:46)
ie! saingy le tena tsy tantiny kosa tsy resaka intsony hoe tsy lazaina na tsy resahana fa tsy atao mihitsy any ambadika!!!! ohatra hoe manao sipa any ambadika any!
24. fijo ( 23/08/2004 20:08)
misy kosa tsy filaza na vady aza e.raha manao sipa ve za dia andeha holazaiko azy koa hoe tary za sy m.tsssss aleo milamina ihany ka
25. besoiiin ( 23/08/2004 21:03)
ny marina rehetra tsy mba filaza... eny na dia vadiko aza ianao...
26. pitchou ( 24/08/2004 10:26)
fijo> ary tianao v ilazana hoe mba ... koa e!
27. chipie1 ( 24/08/2004 12:45)
misy zvt azo tenenina de misy tsy fiteny kosa.
28. fafah ( 24/08/2004 13:57)
hmmmmmmm!
tohizo ny ezaka fa tsara e! :D hita mintsy ry hery fa vao mianatra ny hanambady. miala tsiny raha tsy afaka manome soso-kevitra fa tsy dé mbola tafiditra ao am io sehatr'io loatra e!! soa ihany anefa fa tena be eksperiansa tokoa ny namana. de any aminao ndray zany za ry hery no maka lesona refa tonga ny fotoanany an!!! tô hevitra mety mantsy le maka toro-hevitra am zay efa manana trai-kefa!!! mba efa matianina enao amzay kosa e! :wink:
tsiky dia ampy!
29. fijo ( 24/08/2004 19:31)
pitchou>na za aza dia manaiky fa misy zavatra tsy tokony lazaina ahy raha mikasika ny fiainana manokana.ary ekeko tsara izany fanafenana izany.
30. idealy ( 25/08/2004 06:56)
toute vérité n'est pas bonne à dire hoy ny vaza
ary ireo teny gasy betsaka mitovy @zany ary tadidio fa olombelona ihany ko ny vady fa tsy anjely akory karakarao tsara ny vady sy ny tokantrano ary ny zaza un point c'est tout
sao ny filazanao ny zava-drehetra no hampisaraka
31. fijo ( 25/08/2004 19:54)
idealy,>izay mihintsy no tena pratika.
32. lema ( 29/08/2004 18:59)
Amiko indray dia tokony dinihana tsara aloha izay mety tokony hiafina na tsia ao amin'ny tokantrano: raha entina hanatsara ny tokantrano moa, inona no maharatsy ny hilazana azy? raha toa kosa ka entina handravana dia vaut mieux ne pas le dire; car "toute vérité n'est pas bonne à dire" hoy ny oham-pitenenana izay.
Anjaran'ny tsirairay no mieritreritra e! :roll:
33. pitchou ( 30/08/2004 05:52)
ramaso> enao ity efa miha-lehibe mihitsy an! hihihihi!
dia ahoana indray ary raha tonga eo @ le stade hoe tsy tantin'ny iray intsony ny hitana le resaka ho azy samirery? iza no tokony ilazana azy: ny namana sa ny vady?
34. fijo ( 30/08/2004 22:06)
pitchou>ilay sipa ka.izy no nahatonga ny olana dia izy ilazana azy.
35. ikaretsaka ( 30/08/2004 23:23)
ary nitovy saina indray isika sy fijo @ io.. ny ahy koa ilay hoe izay nahatonga ny olana no ilazana ny olana raha ara lojika
36. pitchou ( 01/09/2004 11:49)
fijo sy Karetsaka> ngah kosa moa d voatery ho problema-na sipa foana? d raha sendra tonga any am-pototsofin'ny vady ary, indrindra hoe henony kou fa efa au courant le sipa d ahoana? tsy vao maika loza?
37. fijo ( 01/09/2004 20:13)
ka raha tsy mahita izy tsy tokony hino e.fa ilay sipa no tokony resahana ,hampilamina ny tantara.
38. fijo ( 02/09/2004 18:51)
izay indrindra fa tsy mila hampidirina eo ny vady fa manjary misavoritaka ilay korana.
39. rambofrau ( 07/09/2004 09:19)
Raha izaho aloha dia mila ny vadiko mitantara ny zavatra rehetra aho fa tsy misy afenimpenina izany.Tsy tantiko mantsy raha izaho no mahafantatra ny zavatra afeniny ahy amin'ny fomba hafa.Aleo tonga dia mitsotra fa ny heloka ibabohana mody rariny :o
40. kitjo ( 07/09/2004 11:26)
Kouklou....

Fa ngah moa ilay resaka oe zavatra ratsy foana e? Tsy hoe fanaovana sipa ihany ange fa na ny resaka tokantrano, ny namana, ny asa sns.....

Ilay hoe afenina lasa mi-sous entendre hoe zavatra ratsy=> mandainga, nefa tsy tokony izay ilay izy fa oe tsy miteny fts...Fa raha fantatrao fa ilain' ny vadinao ny mahalala azy ( asa, fikarakarana tokantrano.....) inddra raha misy idirany dia teneno fa sao efa miady vao hoe ..... vao saika hiteny aho sns

Raha zvt ratsy zany ka tsy tianao ho fantany d ajanony.....Ary regler-o hilamina mihitsy tsisy arakaraka @izay olona anton' ilay olana(Cf ikaretsaka) fa raha ilay vady no mahalala azy aveo na efa tsisy tsn aza mety anahirana .

Aza adino koa ilay heloka ibaboana ( Cf rambofrau)

Raha efa anontaniana indray ianao no mandainga dia hadalana!

D refa fantatra koa fa tsy tiany d mba ajanona fa tsy hoe atao ihany fa miafina.

Fa misy koa zavatra tsara mba tsy tenenina fa mba anaovana surprise ohatra :wink: :-P (misy limite io anefa inddra ho an'ny mpivady)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3055