NY GASY ETO PARIS

1. ludo ( 16/08/2004 23:50)
Indrisy fa zary toetra mampalahelo ny totran'ny Gasy sasany eto paris fa raha
ampitahaina ireo vahiny maro monina eto France ! Inona no mahatonga an'zany manana
vahaolana v ianao????D inona no tokony atao???
novalian'i nanahary ny 10/10/2004 04:12
2. tsiperifery ( 17/08/2004 07:05)
Izaho manokana tsy hiasa saina hitady vaha-olana ho an'ireo olona miavona aloha e ! Zo-ny izany ary safidiny raha izay no tsapany " ahasambatsambatra " azy :D
Aleoko miara dia @ mpiray tanindrazana mpitsikitsiky, mamaly arahaba sy mandala fihavanana e ! Soa fa mbola maro izy ireo ary izay no hamafisiko fa zà tsy manome hajany ireo mpiavona hiringiriny !
3. xxx ( 17/08/2004 07:22)

Marina mihitsy, sa rehefa wé avy ao Paris, capital dia mihevitra hoe ambony ? dia miavonavona ?
Misy antony irany kosa aloha no anisan'ny mampiavonavona, isika malagasy mantsy dia manana edrika maro samihafa, sinonoa, karandrana, tavany, sns, indraindray tsy fantatra tsara na tena gasy na sinoa na inona dia maka antoka tsara klongany dis lasa mifampijerijery maharitra eo aloha, tsy sahy. Ny sasany moa dia aleony mody tsy mahita mihitsy satria tsy manana antoka fa hoe tena gasy ireo olona mifanena aminy ireo. Ny afarany dia lasa miavonavona tsy fidiny.
Ragasy
;-)
4. rvoulah ( 17/08/2004 07:29)
za koa aloha de miremarqué ny gasy miavona ao paris.
soa ihany fa ny aty @ province de tsy de hoatrizay loatra.
za aty poitiers de aty amy toerana misy ahy , vitsivitsy ihany zahay no gasy de mifanaratsaina sy mifanampy daholo.
soa ihany tsy tao paris aloha e
be loatra koa ao de zay ngamba no antony
5. ludo ( 17/08/2004 07:43)
tsy zay v no mahatsra azy we betsaka fa ny toetsainy mitsy no misy fahavoazana fa na vitsy io na maro tsy iza akory ireo fa 1 tanindrazana aminy iany ! ny vazaha tsy fantatrao ery aza manao bnjr anao ko,!!!!
6. tsiperifery ( 17/08/2004 08:04)
Ragasy > zà na sinoanoa mitovitovy amiko aza ka hananako ahiahy dia hitsikiako ihany e ! Raha mamaly izy ka mitovy ny tadi-dokanga tia fihavanana dia miresaka kely na sendra sinoa fa tsy gasy aza ! Efa " jus naturel " ntsika ilay tsikitsiky hoy ilay namana iray izay ka asakasak'izay mototra miavona toy ny vody akoho ! hi hi hi
7. mira ( 17/08/2004 12:14)
raha otr'ahy ndray aloa tsy mba miavonavona zany aho fa ndraindray tsy haiko mintsy ry reto manavak gasy a misy otrany karana misy otrany sonoa zà zao tena tsy misy mahalala fa misy miteny hoe karana misy miteny hoe sinoa ka tsy hay mintsy raha sahala amiko doly ny gasy retra zaho aloa mahay raha lay avy ao tanà reny fa raha province d tena tsy haiko zà refa maita d miarahaba foana zay no mba hafaliko na d ny maita azy fotsiny aza
8. lema ( 17/08/2004 12:21)
lé izy kou alou tsy hoe avy aminy daholo no mahatonga azy iavona e!fa misy lafiny be dia be misy ny olona manana complexe fa ambonimbony ny toerany tany @ tanana dé rehefa tonga aty anefa de mitovy @ olona rehetra dé lasa manana complexe dé miavona,matetika kou tsika gasy rehefa mifanena dé resaka probleme foana no iafaran'ny resaka aiza nareo no mipetraka afaka mba mandray anah ve énao na de erinandro fotsiny aza tonga ny erinandro mba angatakely erinandro ndray za fa tena tsy nahita trano afaka dimy volana izy vao mandeha raha tsy zakany ny vadin'ialahy tena tsy fidiny ho azy anefa io toerana io fa raha samy anao anizany kosa alou rehefa mifankahita tsy alehon'ny sasany ve mody fanina foana
9. tsiperifery ( 17/08/2004 13:10)
lema > Ny tsy fiavonavonana anie tsy midika hoe be fandeferana e !
Izaho ohatra tsy miavona mihintsy saingy raha misy oul manana problema ka tsy ahitako vahaolana na tsy azoko ( na tsy tiako ) hampiantranoana dia tsoriko aminy izany . Tsy tokony aharatsy fihavanana ny tsy fahafahana mifanampy !
mira > tsy maintsy hita eo @ fijery sy fitsikin'i mira foana ny mahagasy an'i mira na karanarana endrika aza. Mifanenà amiko anie e ! :D
10. fijo ( 17/08/2004 19:24)
misy marina io lazan'i lema io fa ao koa ilay fiainana ao paris izay mijaly,dia menatra ry zalahy sao hita ny fiainany dia miavonaefa nataoko resabe teto io tany aloha tany..
11. ramoul ( 17/08/2004 21:10)
Ka efa lasa vazah ngambany ry zareo dia tsy te hahalala anao izay mpiray tan-drazana aminy tsony izy.
Izay no fahalalako azy aloa fa zah matsy efa tratra matoa miteny an' zany :x .
Mahamenatra mintsy io zavatra ray io ary efa noresahanay io tao amin' ny fiaraha-monina"maha malagasy".
12. joda ( 17/08/2004 21:25)
eny ekeko fa misy ny miavona fa aza miraharaha an'izany fa misy koa ny sympa e
izaho mahatsapa an'izany..

izay tia ahy tiako fa izay tsy tia ahy ariako e :-D
13. mcfy ( 17/08/2004 21:46)
lava d lava raha io resaka io fa betsaka ihany kosa nefa no miarahaba sy mitsiky an! Ny tanora entre 20 à 35 aloha tsy d miavona loatra e! ny latsaka sy mihoatra io taona io no matetika mody fanina. Ary tsy Paris ihany fa Lyon koa dia efa matetika toa an'io. Any ampiangonana aza enao no hitany ka mbola hiavonavonany ihany. Dia aiza ilay hoe tena fitiavana @ zany? Voalaza nefa fa hoe tiavo ny fahavalonao. Mbola tsy fahavalo aza ianao fa tsy fantatra le ol d hiavonavonana raha vao hoe manao basket enao mandeh mivavaka fa tsy mikata b! lol
14. jhouhlambout ( 17/08/2004 22:36)
15. xxx ( 18/08/2004 12:43)
tsy efa teto ve ty resaka ty no niala ?
16. xxx ( 18/08/2004 12:46)
fa aleoko ihany zala ny eto @ tanana a eto Anjanomanalina a... na samy kôfiboay sy sipa mahantra aza eto mbola mikôzy foana hoe: SALUT RAZOKY AN... Tsy aleonareo zala mody eto dago toy izay hianatra hiavonavona any paris??? Any tokoa moa hirahira vaza daholo ko... aiza no tsy ho hadino le hira gasy milay be hoe MIFANKATIAVA IHANY... RAHA MBOLA VELON AINA...!!! Zay alo fa gasy feno fahendrena daholo isika no miresaka de aoka izay efa tafita any an dafy any mba ho fitaratry ny gasy eto dago. OKAY
17. fijo ( 18/08/2004 20:37)
marina daholo izany ka mino aho fa tsy isika eto no hanao io toetra mahamenatra io.
18. tsilan ( 19/08/2004 01:22)
Efa hoe tapeno vori-damba ho aho ny maso rehefa mandalo ao Paris.
19. fatsoraly ( 19/08/2004 07:05)
tapeno koa ny orona rehefa eo @ "la seine"
20. xxx ( 19/08/2004 07:11)
xxx Anjanomanalina > Nisy zava-niseho nahazendana ahy t@ fandalovako tany an-tanàna volana jolay teo :
1) Teo Tanjombato, Nahita tovolahy nenjera sy nidaraboka mafy t@ knaka aho ary izaho irery no nanampy azy niarina sy nitsimpona ny entany latsaka fa ny manodidina miomehy sy miteny mafy hoe " Saika maty razandry marina !"
Noheveriko fa sendra mponina fôpl zà
2) Teo Isotry akaikin'ny BMH, nisy Ramamabe efa 60 taona raha kely tafintohana dia niakarapoka teo @ trottoir. " Tandremo izany Ramama ! " Izay fotsiny no hany "fanampiana" re fa tsy nisy nanarina ilay ramatoa fa ny tenanay mbola tery ampita no nanatona nitazona azy hamonjy fipetrahana . Nakana taxi izy hody fa nanaintaina be azy zara fa ahafahany mitsangana hono ny cheville-ny.

Fehiny: Na ao Parisy na ao Lyon na any @ tanàna, na aiza na aiza, tsy ilaozan'izay olona fositra sy fôpl e ! Anjarantsika tsirairay no mba miezaka ny ho mendrimendrika kokoa raha azo atao !
Samoina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1879