fitiavana marina sa tsia?

1. jhouhlambout ( 13/08/2004 00:33)
Moa ve misy ny fitiavana tena maharitra(eternel)?
Satria mantsy toa ohatran'ny resaka firaisana ara-nofo ihany no mampitazona azy? Hm?
2. kally ( 13/08/2004 06:43)
Izany fitiavana mifahatra @ nofo izany ry Jhoul no atao hoe fitiavana mirefarefa amin'ny tany a!
Misy ny fitiavana tsy mifahatra amin'ny nofo ary io no tena maharitra saingy raha mbola tsy nahita ianao moa ataonao ahoana no hino?
3. tequila ( 13/08/2004 10:40)
F'angah moa tsy hoe sambatra izay mino nefa tsy nahita? :lol:
4. nyna ( 13/08/2004 12:47)
misy ny fitiavana maharitra rehefa mahay maneho sy mandray fitiavana ilay olon-droa!!
5. poupounesana ( 13/08/2004 13:18)
jereo fotsiny ny razambenareo eh!
6. jhouhlambout ( 13/08/2004 13:31)
kally>Ka tsy misy fitiavana mitazona izany raha tsy misy contact mihintsy ny vatana. Andramo anie ny chambre à part e! dia jereo raha mbola mitazona ny fitiavana.
7. booboo ( 13/08/2004 13:54)
refa tena tianao lé oul a, dé ekenao dôl ny momba azy ( ny vatany, ny fombafombany, ny fiteniny, ny toetrany, ny inn kou ? etc e ! ) ary zay no hitiavanao azy sy hitiavany anao. Tena fitiavana marina izy @ zay ( au sens propre sy au sens figuré ).
8. xxx ( 13/08/2004 13:59)
Nijery spectacle " Fitiavana marina " zahay tany Dago fa tena nilay be .
( Mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny e ! :D Mifankatiava tsara daholo rankizy ary mahareta hatr@ farany na ara-nofo izany na arak'izay mampaharitra azy ela indrindra tianareo a ! )
Samoina .
9. kally ( 13/08/2004 16:03)
Misy ny olona misara-toerana ela be (aman-taonany) tsy misy fifampikasohan'ny vatana fa mifankatia foana ,fa izay nampifahatra ny fitiavany t@ nofo vao dila ny iray dia ndao,vita hatreo!
10. ludo ( 13/08/2004 22:32)
Io fitiavana ara-nofo io de lasa aretina ho
antsika leh sasany tsy miana-kendry aho
sanatria fa misy isika leh tsy manaiky
maneho fitiavana madio @ lay veh ,raha
tsy misy ny firaisana ara-nofo, nefa zany amiko
tsy fitiavana (lay fitiavana ao anaty)fa fitiavana
par intéret!!fa ra tena tianao lay olona d
tokony tsy ho hisy tambiny zany fa tokony ho
tia à fo madio nao ary adinoy ny we natao io ohabolana io fa tsy
tokony hiteny intsony raha tena ilay fitiavana
miredareda ao amponao no entinao.
Eny ra mpino ianao d ataovy tahakan'ny
itiavanao an'And\tra zay tsy itanao nefa tinao ary inoanao!!!!!
11. besoiiin ( 14/08/2004 05:29)
misy tokoa ny fitiavana marina! anjaran'ialahy no mitrandraka azy fa tena somary efa vitsy ihany ny mitazona ny fidelite izao! antony maro no mahatonga izany isan'izany ny fandrosoana! tsy voatery hanao rapport ny mpifankatia ! isan'ny fangaro iray ao anatin'ny fitiavana fotsiny io! ny oulana izao dia efa presque voafitaka daholo na ny lahy na ny vavy ka raha vao miaraka ny olondroa dia mitrandraka rapport ny lahy moa mitrandraka hanataka ny vavy! de hadino eo ilay fitiavana fa ny interet no manjaka!
12. lema ( 14/08/2004 09:42)
amiko alou ny fitiavana dé tsy maintsy misy zavatra mitazona azy e!mety ho firaisana ara nofo,zanaka,fombafomba maro samihafa?sns......zany hoe "l'amour est basé sur l'interet" et "l'amour a distance n'existe pas"
13. pitchou ( 14/08/2004 16:37)
ny fitiavana tena marina tsy voafafan'ny elanelan-tany izany mihitsy! mety mibirioka ny saina sy ny nofo fa ny fo tena tia tsy manetsa fitia an-tany hafa izany!
hevero fotsiny hoe misy oul manambady, noho ny antony maro samihafa saingy raha tsy le olona tiany no vadiany tsy maintsy mipoitra eny foana hoe iry no tena tiany e! karazana fitiavana tsy voagoma mihitsy!
14. kally ( 14/08/2004 19:12)
Mampalahelo i Jhoul sy lema raha izany!!!
Manohana ny voalazani Pitchou!
15. ramoul ( 14/08/2004 20:33)
Arakaraky ny fitiavana izay omenao an' 'lay olontianao ihany no faharatan' ny fitiavana, nefa raha tsy mahay mikolokolo koa ilay olona tiana dia toa tsy misy dikany fa misaraka hoaizy fotsiny fa tsy mahita ny mamimyizay tokony hitazona ny fitiavana haharitra intsony eo. 8)
16. pitchou ( 15/08/2004 14:05)
fa raha tena tia manam-paharetana sy mahay manitsy izay tsy mety @le tiany!
17. lema ( 16/08/2004 13:39)
bien pitchou
maintenant je sais que l'amour a distance existe
18. fijo ( 16/08/2004 20:22)
pitchou>raha mahazo mibirioka kosa aloha ny nofo tsy koi ilay fitiavana e.fa raha dia hoe tsy maintsy mifampiandry ela eo toa hanahirana ihany ka.tokoa moa e
19. lema ( 17/08/2004 11:37)
fijo:t'as raison
20. poupounesana ( 17/08/2004 17:54)
rehefa tena nandinikaaho d tsara b le fanontanina ary tena tokony apetraka!raha jerena ny isan'ny oll notiavin'ny oll iray durant tte une vie, sura fa d karazampitiavana re zao hita ao zao eh!misy oll maro2 d tena we tianao tokoa anie zany saingy tsy mitovy daolo ny itiavanao azy eh!asa raha azonareo ny tiako ambara !ka eo @zay ary le fanontaniana we iza t@reny ary no tena tiana @ le fitiavana tena izy sa mbola voa hotadiavina?ka marina mitsy le hoe tena misy v le fitiavana marina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2258