Nanahoana ny tany @ 67?

21. kally ( 02/08/2004 17:53)
tena mba tsy mety angaha ry reto raha io Alahady 29/08 io no anaovana azy?Alohan'io izahay tsy afaka,aorian'io koa tsy afaka intsony,nefa moa izay mahamety ny namana rehetra e!
22. kitjo ( 03/08/2004 04:51)
Eee. Mirary soa anao rht dia ataovy tsara be ny fety e!
Nisy fiovana ny fandaharam-potoana ka tsy lasa @ 28 ndray e :cry: :cry:

Andefaso tatitra sy sary bdbeeeeeeeeeee
23. bokona ( 03/08/2004 06:15)
Miala tsiny ny tenanay fa na dia eto akaiky eto aza de tsy afaka noho ny fotoana nifanindry eh, vive le am 29.08
Mazotoa daolo
24. fyjl ( 03/08/2004 08:52)
Fanamarihana : Ny 14 na 15 Août raha tanteraka dia fanomanana ilay daty manaraka sy ny toerana ary ny fomba hanaovana ny sortie koa tsara ny hatongavana maro mbahisian'ny hevitra samihafa haravontsika. Efa azo atao tsara anefa toy izay efa nataon'ny namana sasany tetsy ambony ny manome soso-kevitra dieny izao satria mila haingana ny fanapahan-kevitra raha ny fijeriko azy
25. hendry ( 03/08/2004 12:09)
Tsara aloha ilay hihaonan´izay afaka @ na 14 na 15 hanomanana ilay sortie. Ho ahy tsy afaka @ 14 na 15 aloha dia alefako eto ny soso-kevitro.
Daty: mba ataovy @ ilay 29 ilay sortie raha mety satria toa misimisy ihany ny afaka @ io alahady 29.08 io.
Toerana: Antongona (mahafinaritra be any)
Fitanterana: Ny taxi-brousse mpampitohy an´i Imerintsiatosika sy centre ville ihany no resahana mba hahamora azy.
Mila fantarina dieny mialoha ny isan´zay tena ho avy mora hamandrihana ny fiara. Ho an´izay ho avy @ 14 na 15 dia tokony tonga dia misoratra anarana any zay handeha, zay tsy afaka @ io (toa ahy) nefa sur fa handeha @ ilay sortie dia tokony asiana liste ho @ zany eto.

Soso-kevitra ihany ny ahy ireo.
26. raclark ( 03/08/2004 15:06)
Salut daoli ny akama,fantatro de fantatro tokoa le t@ sabotsy 31 iny fa tena miala tsiny fa tena tsy teto @ tanana fa nanao vacance kely e,fa enoko we nilay be hono ny tany,fa ny mba tiako mariana fotsiny de zao e,misy zany resaka we eo @ paositra hono ny fotoana nefa mba nisy nmana sasany hono zany tonga teny nefa tsy nahita ankizy mintsy e,marihako eto alou fa mbola betsaka ny ankizy no tsy mahita an'ilay toerana ka mba tokony asiana organisation kely ny @ zay ,marina tokoa fa tsy mora ny manao zavtra fa mba asiana tompon'nadraikitra ny @ zay mba ahatsara zavtra e,manarak'izay ho avy @ zay ny tenako @ manaraka fa mba manontany fotsiny za we rahovina ny fihaonana manaraka e,misy milaza manko ato we 29Aout ,tena sur ve io sa mbola tsy fantatra!mba hamarino kely fa zay manko no hitako ato @ forum sasany ato e,mino aho fa ho tsara kokoa no izay ny manaraka e,sady vacance zao tokonyasiana maromaro mintsy,sa tsy zany!na de tsy teto ary za de misotra an'ny mpikarakara e,milay hono tany ,misimisy ny otran'izany ary ho ,avyeo,NY TIAKO MARIHINA FARANY ANGAMBA DIA LAY TENIKO TERY AMBONY E MOMBAN4ILAY FOTOANA OTRANY IRENY MISY MAKO NY ANKIZY DE MIANDRY EO @ POSTE FOTSINY EO TSY MBA MISY MITARIKA?KA EO @ ZAY INDRINDRA NO MBA HAMAFISIKO ETO FANA DIA IZAHO AZA MBOLA TSY MAHITA an'ilay TOERANA KA MBA ASIVO FIJERENA KELY ny @ zay e?ZAY ARY ALOU FA MINO AHO FA HO AVY @ MANARAKA eo e!
27. damedepic ( 04/08/2004 06:26)
Zay kosa tena malahelo fa tsy mba nampafantarinareo an'iny fihaonana iny e!
Mba hilazao ihany ny bandy rehefa mba misy toa ireny e!

Sure !
28. fyjl ( 04/08/2004 07:06)
Misaotra antsika rehetra fa tsara daholo ny hevitra
Ny tiako ho marihina fotsiny dia AOKA ISIKA MBA HANAJA FOTOANA satria t@ 14h45 no nifanomezana t@ Sabotsy 31 juillet 2004. Efa t@ 15h30 anefa mbola nisy niverina tany nijery saombola misy namana ao nefa tsy nahita. Efa nilazana ihany koa isika fa azo atao ny manontay olona ny logt 255 fa tsy tao an-tsaina angamba izany t@ io andro io.
Ny filazana sy ny fanentanana rehetra dia tokonty ho hitantsika eto @ FORUM na ao @ KARAJIA ka mahereza ry namana mijery vaovao fa miova isan'andro izy ity a!
Raha tsy diso aho dia samy nahazo fanasana isika fa mety ho tsy voajery izany.
Koa aza mandrimandry manan-draharaha fa ny fahombiazana hatrany no tanjotsika.
Koa mampahery ny namana rehetra e!
29. ravatorano ( 04/08/2004 09:29)
izao ihany eh
ny fivoriana hanapahana an ilay sortie dia atao na ny 14 na ny 15 aout ho avy izao .Koa ny toerana hanaovana an io fivoriana io sisa no tiana hofantatra satria raha ny fahafantarako anazy dia ny Birao mihitsy no hanao an io hetsika io :D :D :D
Any amin io fivorian io no hahafahana manapaka indray ny daty sy ny toerana ary ny tompon andraikitra mivantana amin nny hetsika rhtr io.Noho izany dia entanina izany ny namana rehtra ho tonga amin io fotoana io ary mba iangaviana ny birao hilaza dieny izao ny toerana hanaovana ilay fivoriana :wink:
30. mimich ( 04/08/2004 11:03)
damedepic, ianao kosa angmaba tsy niditra tato @ serasera mihitsy e! nalefa tany @ hafatra ho an'ny mpikambana rehetra mihitsy io resaka fihaonana io ka ; sady ilay tsy maty vonoina fa oh mess non lu foana no nanaovan'ny mpikarakara ilay izy.
31. miangola ( 04/08/2004 12:50)
salut daholo an! izaho ihany e! tena nahafinaritra be tokoa ny teny @ 67 ha e! na dia tsy araka ny niheverina azy aza hoe tena ho be ankizy .Dia tongony mba ho tonga daholo isika rehatra mba ahitana hoe ity no .....ilay solonanarana e!
32. mozart ( 04/08/2004 17:32)
miangola!!!!.....le hoe solon'anarana oh: mozart ve? zany hoe nifankahita tao daholo aloha ze nifanala tany anaty tchat rehetra tany e! de tao koa ny nahazo tombony be, nifandray ho mpinamana tsy nifankafoy :lol:
33. idealy ( 05/08/2004 07:22)
bonjour daholo
izaho moa dia eo akaiky kelin'ny 255 eo no mipetraka ary mandalo eo isan'andro nikasa ho avy tokoa fa saingy nanavy be tsy afa-nitsangana ka @ manaraka indray eh
enga anie ho samy salama
34. ravatorano ( 05/08/2004 09:02)
mozart>eny ho aho eh
marina letsy zany zandry ah fa d mahatoky ny fahavononanareo amin ny fihaonana manaraka d entano ny namana sy izay killl akama ao aminao ao eh
35. cathicia ( 05/08/2004 09:50)
Eny e! Tsara ihany aloa araka ny nambaran'ny ankizy sasany. Saingy oe za tsy afaka nande tany . Tena miexcuse an'izay niandry ahy tany satri nisy iany ny rendez-vous tany.
Zay fa a+ de enga anie mba ho afaka @ manaraka e! :D :D
36. hendry ( 05/08/2004 13:43)
Manantena hatrany ny haharaikitra ny 29.08.
37. kally ( 05/08/2004 16:07)
Mbola manantena koa,maninona raha raiketina e?Toa mifampiandriandry be? Izaho anie ry reto tsy afaka mandrindra n'inon'inona fa lavitra be e!
38. hery ( 06/08/2004 05:51)
------- TATITRA AN-TSARY ----------
Misy sary vitsivitsy nomen'ireo namana nanatrika tany @ 67 ao amin'ny tahirintsarin'ny Serasera (jereo ao @ namana dia eo @ Fanoroam-pejy - Samihafa - Tahirintsary)

Tsy dia mazava loatra ny sary noho ny tsy fahampian'ny fitaovana kanefa isaorana be dia be ireo izay nahafoy tena tamin'izany.
39. fyjl ( 06/08/2004 06:22)
Fanampiny kely ho an'izay sahirana nefa te-hijery ny sary :
jereo ao @ namana - Fanoriam-pejy - Samihafa - Takelaka hafa - Tahirintsary.
Somary tsy dia mazava tokoa ilay sary nefa mampanantena fa mbola hisy fanampiny izay mazava kokoa fa somary manahirana kely ny famoahana azy noho ilay fitaovana nampiasaina.
Momba ilay fihaonana manaraka dia mino aho fa ho fantatsika tsy ho ela ny daty sy ny toerana satria hiaona @ mcz (solotenan'ny birao) aho ary mino sy manantena fa hanana ambara mikasika izany izy. Mino koa aho fa tsy dia hisy fihovana firy ireo daty voalaza izao
Mbola manentana antsika ihany anefa hanome hatrany ny soso-kevitra toy ny nataon'ireo namana tetsy ambony mba ahafahana mametraka tsara izay mety sy tokony hatao
"Izay tia mifanampy no tena Mpinamana ary tsy mifankafoy"
40. hendry ( 06/08/2004 08:14)
Zay zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1229