mahagaga an?

1. besoiiin ( 25/07/2004 06:57)
mahagaga ry zalahy fa mafy matanjaka sy mahery hono ny lehilahy! kanefa indrisy fa toa diso izany eo anatrehn'ny fitiavana! maninona no tsy mahatanty mihintsy ny lehilahy rehefa miodina ny vadiny na ny sipany? ny sipa anefa toa mahatanty ihany ! sa efa voajanahary ilay izy? sa ve ny gasy ihany no tsy mahatanty an'io??? misokatra ny adihevitra e!
novalian'i fijo ny 17/08/2004 21:22
2. ramoul ( 25/07/2004 17:53)
zah koua ary lesy mba manontany tena hoe fa maninona isika bandy no tsy mahatanty rehefa miodina ny sipa na ny vady?
Zah tsy mahay ny valiny. :-P
3. kinaoly ( 25/07/2004 18:26)
besoiiin>ramoul> sao dia voadona le hoe ambompo-dehilahy fa tsy de hoe ny fo lotra no tsy mahatanty :?:
sarotra ny mandainga kou aloha fa ny sipa koa tsy mahatanty izany e, ny fampisehona azy no samy hafa
4. mumu ( 25/07/2004 19:11)
tsisy mahatanty an'izany na sipa na bandy!
5. sipagasy ( 25/07/2004 19:21)
nga ity fitiavana ity atao kilalao ka hoe tantiny ve raha miodina ny iray na tsia??? :roll:
6. yonikafopl ( 25/07/2004 22:25)
ramaso tssssssssssssssssss
zay te ho fanina no mihodina e!
7. vegas ( 25/07/2004 23:04)
Aona aloha lé oe tsy mahatanty? mamono sa mivarolavo sa misaraka?
8. mangakely ( 26/07/2004 05:49)
Izay tsy mahataty no tena tia kokoa satria ny tiana ihany no mahasaro-piaro. Ny mahavoa mantsy dia miverina toy ny toetran'ankizy ny lehibe. Ny hahazoana izay tiana no ela fa rehefa azo dia tsinotsinoavina sy tsy raharahiana. Avy eo anefa raha misy mikitika io, dia saro-piaro. Ka hoy aho hoe : Ny mitia izay tsy tia no tena tia kokoa fa ny mitia izay tia ny tena dia mameri-pitiavana noraisina.
9. ari.malala ( 27/07/2004 08:36)
Ahoana kosa moa ramaso no hi confirmé nao hoe ny sipa no mora miodia kokoa? Tsy nareo lehilahy ve no vao mahita hafa ka mifanaraka @ tadiavinareo d any alo le 1 fa ty eto ndray?
10. jhouhlambout ( 27/07/2004 14:56)
samy miodina daholo na sipa na bandy, fa ny sipa mora fanina ary ny bandy tena fanina be :(
11. wawawa ( 27/07/2004 15:01)
Ka izay tena manao no tena tsy mahataty. Izany hoe ny lehilahy no tena mpiodina!
12. nananie ( 28/07/2004 08:48)
Satria ve tena miodina. Misy koa anefa ny sipa tena efa mpiodina ary matetika satria vohan\'ny bandy tany ho any. De lasa cercle vicieux le izy avy eo.
Fa na lahy io na vavy, refa tena tia nefa sendra voan\'ny iray de tsy mahatanty.
13. sobika ( 28/07/2004 14:38)
ka tsy we mora miodina zany ny sipa fa ny lhl an refa manana sipa na vady de tsy miraharaha azy tsony ao antrano fa manao routine fotsiny de leo ny sipa ngambany izy koa mihevitra fa le lhl an efa manana any ambadika any matoa tsy mivaky loha tsony
14. poupounesana ( 29/07/2004 08:58)
raha zà manokana alou no iodinana d tena harary b ny foko eh!saingy zà na d tena votsindrona b tahak'inn az d tsy hisotro toaka b d aveo hanao ranomasotoaka any d tsy hiteny koa aho we tsy hatoky lelà tsony! zany manko no ataon'ny lelà rehefa tratran'zany izy! fa ny mahatonga azy tena tsy matanty mety ni -sous-estimer an'le sipa niaraka t@ny izy we tsy mahavita an'zany io sipa io!
15. besoiiin ( 31/07/2004 13:23)
sarotra alou ilay izy fa ny aza tratrany ihany e! fa ny tsy azo lavina alou dia ny sipa no betsaka miodina e! maro kokoa mantsy ny fakampanahy manodidina azy ka izay malemy saina dia eo no raisina ! ny bandy kou mou zarany aza nahazaka kou!
16. yonikafopl ( 31/07/2004 20:50)
ka le sipa ve zany no nikoty ilay bandy ry besoiiin sa ahoana no ilazanao fa le sipa no niodina?? sa mety ilay bandy no nampiodina azy ??????? de lasa sangodi-panina :lol:
17. pitchou ( 01/08/2004 04:10)
yoni> hihihihihihi
toa mitovy ihany ny isany raha ny stat no alalinina ka! satria ny sipa miodina @bandy miodina ary ny bandy miodina @ sipa miodina, fa tsy misy an'zany miodina irery sur place zany! saingy ny tombony an'ny lhl d rizareo miodina hamitaka d raha sendra hoe izy no iodinana sipa d voafitaka d k.o. satria tsy zatra mahita sipa manao bandy an'zany!
18. besoiiin ( 01/08/2004 07:09)
ny mahatonga ahy hoe ny sipa no be miodina dia izao! maro ny materialiste , ny sipa kou mora rotsirotsiana izay ka raha vao mahazo fitiavana mamy sy feno hasambarana izay dia sondriana sy mahatsiaro mandrapahafaty! ka na dia efa miaraka aminao vadiny io aza izy dia ilay tena nazahoany fahafinaretana faratampony ihany no tsaroany voaloany, rehefa tonga @ilay acte! ny sipa kou kotiana e! manaiky dia vita ny ady ! fa ny bandy somary misy dingana atao vao mahazo sipa! mandresy lahatra e! manambitamby e! mividy glace e! bokan'ny vidindasantsy sy ny frais taxi e......! rehefa mba lasa lalina dia hiantoka chambre e....! sns maro tsy voatanisa e! isan'ny critère daholo izany mifehy ny lehilahy ka na maro aza ireo te hiodina dia lasa hendry tsy fidiny e!
19. poupounesana ( 01/08/2004 11:25)
zao no tena mahatonga ny bandy tsy mahatanty iodinana ry reto ah! ny bandy manana vadibe rehefa miodina d mba te hiovahiova revy, fa te hahita zavabaovao izy! nefa d miverina eo @ le tena vadiny ihany avy eo satria iny ihany no tiany!
fa ny sipa kosa anefa raha vao miodina d tena tsy any ntsony zay ny fony! ary zay le tena gravy @ io miodina io raha vao sipa
tsy ao anatin'izay cas izay kosa alou le sipa manidina b reny eh! fa ireo sipa zay azo atao we hendry2 ihany tsy ampoizinao hanao an'zany nefa tratra no tiko resahina!
saingy tsy ekeko kosa alou le fitenenana we ny sipa no miodina kokoa noho ny bandy eh!rah ny manodidina ahy no jereko alou d betsaka mihitsy no bandy tsy manaja vady!ny peratra zany moa d tsy mipetaka mihitsy!kanefa aho tsy d mahita sipa manao izany hatr@zao alou!
20. lema ( 01/08/2004 12:02)
ka misy kou anie sipa maivan-doha be mihintsy matetika resaka tsindry @ namana fotsiny no iodinana ohatra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1948