ohabolana
1. mabloo
(
15/07/2004 15:07)
tsy mety ve ry namako isany raha mba mianatra ohabolana malagasy indray ,dia samy mandefa ohabolana eo isika refa mba afaka e!!
novalian'i kally ny 05/08/2004 18:12
3. nykanto
(
15/07/2004 15:24)
"Tsy foly manga mitohy rofia, fa foly mena mitohy sily"
Ny heviny : misy ny tsara fiantomboka fa ratsy fiafara, dia misy ny tsara fiatomboka ary tsara fiafara!
Tsara raha apetraka koa ny heviny.
Ny heviny : misy ny tsara fiantomboka fa ratsy fiafara, dia misy ny tsara fiatomboka ary tsara fiafara!
Tsara raha apetraka koa ny heviny.
4. ramoul
(
15/07/2004 20:24)
"toy ny vary sy rano an-tsaha tsy mifanary , an'-tanety tsy mifandao".
Ny fitiavana namana no tiako lazaina eto.
Ny fitiavana namana no tiako lazaina eto.
5. nykanto
(
16/07/2004 07:16)
"Lolo an-tanin'andro, ka tsy mahafoy tany hita"
Sarotra ny mifandao amin'ny "tiana".
Ny Kanto.
Sarotra ny mifandao amin'ny "tiana".
Ny Kanto.
6. ari.malala
(
16/07/2004 12:23)
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena ialofana, mazava be angamba tsy misy hazavaina intsony
7. ramoul
(
16/07/2004 13:04)
"Valala tsy indroa mandry am-bavahady, raha tsy azoko anio azoko rahampitso"
Mitady vady zah io(hihi:-))
Mitady vady zah io(hihi:-))
8. mabloo
(
16/07/2004 16:17)
"marina tsy ambara havana,heloka mibaribary " mazava tsara ny tiana ambara..
9. rivorijasoa
(
17/07/2004 07:04)
Nefa ataovy ohatran'ilay “Rafotsibe namonjy bal, aleo hilamina dia aleo hisesy ” e!
Le mitady vady izany a! (ramoul io)
Le mitady vady izany a! (ramoul io)
10. xxx
(
17/07/2004 09:56)
"basy atifik'avana tsy afenina fa arangaranga"
tonga dia ny marina no lazaina aza tsymiahatsaravelatsihy izany tena marina kokoa
tonga dia ny marina no lazaina aza tsymiahatsaravelatsihy izany tena marina kokoa
11. pitchou
(
17/07/2004 15:54)
"ny tanana no sasana dia ny tahotra ny cholera fa ny ravitoto no tsy sasana ny tahotra ny hihinan-daoka" izany hoe misy antony daholo ny zavatra rehetra fa izay mahasoa ihany no atao e!
15. kitjo
(
23/07/2004 07:08)
Loha sola, maniry tsy hitam-pokonolona
Mihintsana tsy hitam-bady aman-janaka
Tsy biby nihinana, tsy vorona nipaoka
Kanefa tsy hita izay nanjavonany
Mihintsana tsy hitam-bady aman-janaka
Tsy biby nihinana, tsy vorona nipaoka
Kanefa tsy hita izay nanjavonany
16. kitjo
(
23/07/2004 07:10)
Raha saropanina, aza tia ringiringy
Raha sarotin’alahelo, aza tia tsiri-pasana
Raha sarotin-javatra, aza mamboly eny amoron-dalana
Ary raha marary teny, aza tia takarina.
Raha sarotin’alahelo, aza tia tsiri-pasana
Raha sarotin-javatra, aza mamboly eny amoron-dalana
Ary raha marary teny, aza tia takarina.
17. kitjo
(
23/07/2004 07:12)
Fa ny mandeha tsy nirahina naman’ny mpangala-dia :evil:
Ny mandray tsy natolotra naman’ny mpangalatra :idea:
Ny mihinam-bary tsy mivavaka naman’ny mangalam-pihinana :-D
Ary ny miteny tsy manao azafady naman’ny tsy mahalala fomba
:-P
Ny mandray tsy natolotra naman’ny mpangalatra :idea:
Ny mihinam-bary tsy mivavaka naman’ny mangalam-pihinana :-D
Ary ny miteny tsy manao azafady naman’ny tsy mahalala fomba
:-P