"on ne nait pas femme,on le devient"Simone de Beauvoir

1. peluche ( 09/06/2004 18:18)
Ahoana ny hevitrareo @ io?vao teraka enao d'efa hataon'ny fiaraha-monina vehivavy,ny fiataizan'ny ray amandreny sns no mahatonga anao vehivavy na lehilahy.
novalian'i fijo ny 29/06/2004 21:39
2. jhouhlambout ( 09/06/2004 18:30)
Marina io!
3. ari.malala ( 10/06/2004 06:22)
Fa nahoana no hoe ny fitaizan'ny ray aman dreny sy ny fiaraha monina no maha lehilahy na vehivavy? @ toetra ve sa hoe @ inona?
4. hendry ( 10/06/2004 08:51)
Mitombina tapany io amiko: ara-biolojika dia vao teraka enao dia vehivavy, ny ankoatr´zay no mety ho tefen´ny fiaraha-monina sy ny fitaizan´ny ray aman-dreny.
5. jhouhlambout ( 10/06/2004 10:48)
:-)
6. ari.malala ( 10/06/2004 10:58)
Ka ny tsy azoko dia hoe ahoana no ahafahanareo milaza fa ny fiaraha monina no manefy ny haha lahy na hahavavy ny olona ê!tsy rehefa vehivavy ve dia vehivavy ko hotezain'ny fiarahamonina hanao ahoana intsiny?
7. pitchou ( 10/06/2004 17:37)
arakaraka ny fisainan'ny tsirairay io: rehefa hoy ianao hoe tsy vhv enao raha tsy tahaka itsy na tahaka iroa d perte enao zany, rehefa hoy enao hoe zaho vhv d izay no izy! vizana eo ny coco raha hanenjika izay hevi-bahoaka rehetra ity, ny sasany mihevitra fa tsy vhv raha tsy tonga hatranyan-daferana ny volo ny sasany hiteny fa hafa ihany ny vhv tena fohy volo fa mivoaka tsara ny endriny! d hisavirivol eo foana!
8. jhouhlambout ( 10/06/2004 19:14)
dia ampiasao ary ny coco e!
9. fijo ( 10/06/2004 22:33)
ilay resahana eto angamba tsy resaka biologika,fa resaka toetsaina.io zavatra io dia hita any tahiti sy ny manodidina azy.any misy ny atao hoe "rere"izany hoe ankizy lahy fa vao kely dia taizana toy ny ankizy vavy.(kilalao fitafy,fisainana,bika sns)ary dia lasa manao toe bavy tokoa ry zareo.ary eken'ny fiaraha monina.
beauvoir dia feminista,ary hafa koa ny fahitany ny vehivavy amin'io boky io.
10. jhouhlambout ( 11/06/2004 05:48)
Marina mihintsy izany, misy ny olona sasany dia vehivavy ny vatany nefa lehilahy ny toe-tsainy
11. ari.malala ( 11/06/2004 06:04)
hay ve resaka ara tsaina ê! Io fitenenana io izany no manamarina ny toe tsain'ireny sarim-bavy ireny?
12. chipie1 ( 11/06/2004 11:44)
: )
13. peluche ( 11/06/2004 13:22)
ny zavatra hita kosa aloha dia vao teraka ianao d'efa asiana loko mavokely ho an'ny vavy kely-manga ho an'ny lahy kely.
rehefa mitombo dia omena popety ny vavy dia ny lahy omena miaramila.
ny vavy kely ampianarina mampiritrano tsara de ny lahy kely tsy maninona na tsy mahay mamalona mpataloha tsara ohatra.
Ny vavy hatao mikarakara tsara ny ao antrano,ohatra hoe mande-metsena,matsaka,mitaiza ny zandry sns...
bedebe ny ohatra afaka alaina.
14. pitchou ( 11/06/2004 16:13)
tena retro be izany fisainan'i peluche zany an! tsy izany instony izao peluche a! mety t@ andronao enao natao an'izany fa efa ela tokoa no tsy izany intsony! @zao fotoana izao izay rehetra heverina fa hanita-tsaina ny ankizy no omena azy, tsy manavaka na lahy na vavy! aty dago aza efa tsy popety-nao zany intsony ny kilalao! aiza re enao zany e!
15. jhouhlambout ( 11/06/2004 16:42)
dia tsy misy lahy sy vavy intsony ve izany? Lasa mixte ny olona?
16. peluche ( 12/06/2004 11:08)
pitchou/ny fahitako azy dia mbola ohatran'izay ihany fa mazava ho azy fa tsy matsaka ntsony ny zanaka vavy aty @ ville,ny hevitra ambadik'ilay mahatsaka anie dia hoe hatao hiakarakara ny ao an-trano ny vavy ,raha @ izao dia mbola zay hevitra zay ihany no tohiny fa hafa ny fisehony
17. xxx ( 13/06/2004 12:57)
humm tsy haiko kalou ze fiainan'i peluche , fa ny hitako dia efa hifampizarana avokoa izao ny fikarakarana tokatrano rehetra, pasoka, sasa lamba, fitaizana ny zaza....., tsy misy asan'ny lahy sy ny vavy izany tsony fa izay afaka dia manao izay sendra ny tanany
18. xxx ( 13/06/2004 15:43)
na izany aza @ny akapobeany dia mbola miseho ihany io fizarana ny raharaha ao an-trano io,tsy maintsy mitongilana kely foana.jerevo @ny resakin'ny lehilahy ato.natoraly kokoa ny mahita vehivavy manao raharaha noho ny lehilahy.
19. xxx ( 13/06/2004 15:45)
ny sasany moa mamaly hoe tsy hifanerena ny manao raharaha.
20. ari.malala ( 14/06/2004 09:07)
Raha resaka fanaovana raharaha no tenenina dia laviko avy hatrany hoe ny vavy ihany no natao hikarakara ny tokan-trano. Tokony samy hahay hikarakara daolo na ny lahy na ny vavy. Ny resaka mantsaka, ny lehilahy aza no tokony hantsaka satria azo kilasiana ho asa mafy ilay mantsaka, fa ny toe-tsaina nitaizana antsika manko dia ilay manindrahindra ny lehilahy, fa @ zao fotoana izao efa tsy izany intsony. Raha izay resaka ziay no amaritana ny maha lahy na maha vavy dia tsy mitombina ilay fitenenana. Taloha hafahafa be izany vehivavy milalao baolina kitra, @ izao na ny rugby aza efa lalaovin'ny vehivavy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1666