"on ne nait pas femme,on le devient"Simone de Beauvoir

21. jhouhlambout ( 14/06/2004 17:47)
... Aza hadino fa misy zavatra vitan'ny lehilahy irery ihany fa tsy vitan'ny vehivavy ary misy zvtr tsy vitan'ny lhl fa vitan'ny vhv koa, noho izany tsy hitovy tanteraka mihintsy ny potentiel-ny roa tonta!!
22. olly ( 15/06/2004 11:03)
"on ne naît pas femme , on le devient "
tsy resaka ara-piaraha-monina indray nefa ny ahy no andraisako io teny io fa resaka fivoharan'ny "être intérieur" n' ilay olona , tsy iankinana @ RAR sy ny manodidina , fa ianao ihany no mahafantatra ny tenanao , noho izany tsy baikon'iza sy iza na .fomba fijery hafa ihany koa hoe : izao atao dia amin'izay ianao hatao hoe vhv na tsia .
23. fijo ( 15/06/2004 21:42)
tsy manakiana na hilaza fa tsy marina ny an'ny sasany ,fa hitako fa marina ary mbola be mpanao amin'ny tokantrano maro io voalaz'i peluche io.
marina fa efa miova izao ny fiainana sy ny fiaraha monina,fa io toetsaina io,dia mbola maro no mampiantra azy.ary hitako fa tsara satria raha tsy hita intsony marina izay hiavahana,tsy korontana tsy hay intsony eto?
24. peluche ( 17/06/2004 08:07)
eny hoa ry fijo sarotra ny manova zavatra ,lalam-piainana hatramin'izay e?tsara ihany ny vehivavy raha mijanona mikarakara ny tokan-trano,dia ny lehilahy no miasa any ivelany?
25. pitchou ( 17/06/2004 10:36)
tsy ny fijanonana ao an-trano peluche no mahalahy sy mahavavy! faneren-tena ataonao @ tenanao izany! ary tsy ny toe-tasain ihany koa na ny fomba fitafy sanatria no mahalahy sy mahavavy! fa raha ho izay dia olona tsy tia fivoarana izany fa tia mionona na miafina ao mabdik;'izany fomba fijery izany hialana andraikitra na sanatria hanafenana toetra heverina ho kileme. Ny tokatrano sy fitaizana tsy irotsahan'ny lahy ny fikarakarana izany dia voué à l'echec, raha tsy hoe misy mahita indray angaha fa tsy mila dada ny ankizy??? hihihi! hafa indray izay
26. pitchou ( 17/06/2004 10:42)
zavatra tsikaritro tany ambanivohitra be tany, tsy ny vehivavy no mantsaka fa ny lehilahy, ary rehefa betsaka ny olona dia ny lehilahy no manao lakozia fa ny vehivavy no mandroso sakafo! tsy toerana iray na toerana roa, fa maro be ary @ vazatany 4 i mada.
zavatra iray koa: raha miala andraikitra @ famelomana ny ankohonana ny vehivavy dia mametraka ny ankohonana ho eo ambavahaona koa, satria tsy ny tsirairay no mamaritra izay ho ampitso! tsy hoe satria aho miasa dia miteny an'izany fa niasa aho satria izay no maharesy lahatra ahy fa tokony hataoko na dia ho fivelarab'by mahaolona ahy sy ny fivelaran'ny saiko fotsiny ihany aza
27. fijo ( 17/06/2004 20:42)
marina aloha fa misy zavatra tokony hataon'ny lehilahy,ohatra io matsaka io,dia ny lahy no matetika mamao azy.
ilay resaka lahy sy vavay anie amiko dia eo amin'ny andraikiny fa tsy hoe fitafy loatra e.samy manao pataloha,samy manao akanjo isika.fa ny andraikitra kosa tsy mitovy.ary tsy fahambaniana amiko ny vehivavy ao an trano.
28. kinaoly ( 18/06/2004 10:29)
fijo> tsy hoe ambany le vehivavy ao antrano fa mankaleo be le petahana etikety hoe vehivavy --> natao hikarakara tokatrano
sy ilay hoe lehialhy ---> lohan'ny tokatrano. na miasa aza ny vehivavy dia miavaka @ny lehilahy foana, @ny fomba fihevitra, fiteny sns...., tsy hisy na ovina na ovina ny egalité des sexes zany fa ny fahasamihafana no harenan'ny tokatrano. sampona be raha mitovy tanteraka ny lahy sy ny vavy.
peluche> atsaraina kosa angamba ilay taoha ee, mivoatra koa tsinona ny manodidina, misy foana koa anefa ireo izay misafidy ny tsy hiova , de zay safidiny io kou hihihi
29. pitchou ( 18/06/2004 11:13)
ilay fisainana mametra ny tsy tokony hivelaran'ny vehivavy sy fitenenana fa "ny mijanona " ao an-trano ihany no mety amiko no tena hitako fa mirefarefa @tany, ary ny famerana ny hoe izao tsy azon'ny vavy tenenina izao azon'ny lahy tenenina koa dia efa fanaovana tsinotsinona satria manakana ny sasany tsy hanana ny safidiny izany, ny fananana safidy dia isan'ny fototra mahaolona ny olona! mampalahelo hoe misy olona mahatakatra ny fampiasana internet nefa mbola toy izany ny fisainany!
30. kinaoly ( 18/06/2004 11:23)
humm, hihihi masika be njy zany pitchou :) fa tikou le hevitra
31. pitchou ( 18/06/2004 11:25)
ny égalité de sexe tsy midika akory hoe tokony hitovy ny fomba fiakanjo fa ny fanana zo mitovy hanana safidy no voalohany indrindra, ary izay no fototra! saingy raha ny fisainan'ny sasany ato hoe ny mikarakara tokatrano ihany sy ny popety no mety @ ankizy vavy dia efa mandiso ny fahafahany hanana safidy sahady izany rehefa tonga eo @ taona tokona azahoany manana safidy ilay zazavavy! tsy hoe satria izany no nitaizana ny sasany d tokony ho izay no mendrika indrindra fa hita fa tsy mety d mbola hizirizirina ihany!
32. kinaoly ( 18/06/2004 15:56)
pitchou> ka le egalité des sexes resaha-dry zareo etsy ambony hoe hitovy tanteraka @zavatra rehetra nge e, de za miteny hoe raha @izay lafiny izay dia tsy hisy mintsy zany fa ho samy hafa foana fa ny zo no hitovizana, ary io no tena essentiel fa tsy ny fifamaliana raharaha akory :D
33. pitchou ( 18/06/2004 17:04)
ny mety izany d izao angamba e! i fijo sy peluche afaka mifanaraka tsara: i fijo mandeha any @ alehany ohatra hoe lasa manao kanety be miaraka @ namany any 'izaho tsy hilaza hoe iza an! ndrao fijo ... midongy eo!) d i peluche mijanona ao an-trano mikarakara tsara d milalao popety miandry izay hiverenany e!
34. pitchou ( 18/06/2004 17:05)
@zay tonga @ fanirian'i peluche tsara hoe ao an-trano izy d mikartakara moa mifanandrify @ tadiavin'i fijo koa hoe ramatoa! tsy mivoaka ny trano!
35. kinaoly ( 18/06/2004 20:22)
minjana tenin'ol za "tafaray ny tia sy ny manina" zany pitchou :)
ny atao hoe vehivavy @izao fotoana izao dia mihoatra lavitra ilay hoe " toujours grosse, toujours accoucher" efa misy we "travailler et vivre sa vie de femme", etre femme avant d'etre epouse et mère" miala tsiny be @le teny ngozo
36. pitchou ( 19/06/2004 04:08)
ka nenazy ange kinaoly être femme zany mijanona ao an-trano d popety b d b e!
37. peluche ( 19/06/2004 10:36)
tsy azon'i pitchou mihitsy ny tiko tenenina,fa ny hevitra ny sasany no tiko ho fantatra,zay ny antony nametrahako an'io lohahevitra io.
38. pitchou ( 19/06/2004 17:33)
ka hoy enao hoe ho anao ny mijanona ao an-trano sy mikarakara asa angaha no heverinao fa mahavehivavy anao ko! d ataovy arak'izay fa tsy hisy hanakana anao @ zany na hanery anao hijery tontolo hafa hivelarana akory eto e!
39. fijo ( 21/06/2004 21:53)
za anie ry pitchou tsy nilaza hoe tiako ny sipa ùijanona an trano e.milaza fotsiny aho fa misy ny mbola manao iofitaizana io ary raha mety eo amin'ilay fiaraha monina ilay izy tsy hitako izay tsininy.amiko dia safidy io.
amiko tsy maha ambany ny sipa mihintsy ny fijanonana ao an trano raha tiany.ary za koa dia manohana fa tsy hisy izany fitoviana tanteraka eo amin'ny lahy sy ny vavy izany.
40. jhouhlambout ( 22/06/2004 09:11)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2944