Mampiesona ve i Landivola?

1. fatsoraly ( 29/05/2004 13:40)
Asa izay hevitrao fa raha izaho manokana dia miseho amiko isan'andro isan'andro Andriamanitra.
- Raha tsy Izy aho tsy velon'aina tahaka izao.
- Izy no mitantana ny diako @ izay rehetra alehako
- Izy no mahatonga ahy mbola hihinan-kanina sy hitafy ary koa misaina.
- Izy no manome ahy izay zavatra heveriko fa ahy. Tsy ahy ireny fa Azy no nomeny ahy ampiasaiko(vola, fahaizana, fahendrena, fahasalamana, sns...)

Aza mora ampiesonin'ny olona fa ho betsaka ny sandoka @ izany andro izany hoy i Kristy ka hiteny hoe: "indro atsy ny Tompo" sns..." fa Kristy dia efa eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

"tano mafy izay hanananao mba tsy hisy handrombaka ny satro-boninahitrao"

Amen
novalian'i Nehemiah ny 05/10/2013 06:04
2. razakh ( 29/05/2004 14:25)
Izaho aloha dia tsy mino izay lazain' i Landivola tsoutr' izaou! satri a manana ny baiboly isika azo atao reference hahafantarana ny tena marina. Tsy mifanaraka amin' ny ao ny lazaina ka amiko aleo tsy raisina !
msotra é!
3. xxx ( 29/05/2004 15:29)
Amiko dia lainga tokoa izay voalazany fa zavatra hafa no tena kasaina @ io resaka io!!
fitaovana tokoa i landivola saingy tsy fitaovana ampiasain'ANDRIAMANITRA izany fa fitaovan'ireo te hanakorontana
4. nolimit ( 29/05/2004 20:07)
Miandry moa isika izany fa hiseo any Dago izany Andriamanitra rahampitso ka kely sisa e eo isika mahita azy OK!
5. kaladala ( 31/05/2004 07:46)
Nanaona e?
Iza no nahita azy? dia t@ fomba nanao ahoana?
Sa tsy mbola?
6. xxx ( 31/05/2004 12:46)
Tsy nisy vol long courrier anie omaly ry zareo e.
7. fijo ( 31/05/2004 21:47)
efa resaka napetrako teto io,fa nolazaina fa manambany ny finoanan'ny hafa aho ka dia samia miandry azy hoavy e.enga anie hisy ahita tokoa izy rehefa tonga eto.
8. fijo ( 01/06/2004 04:51)
dia vita iny izany ilay resadresaka tamin'ny mpanao gazety;ka dia samia maka izay lesona azony,na za izay be fanontaniana tamin'io resaka io vao nitranga,na ireo izay nitsara ahy ho mpanakiana be fahatany.fa ny vokany aloha izao raha ny fahitako azy dia toa manakaiky ilay ahiahiko tamin'ny voalohany.
minoa fotsiny ihany e.
9. ari.malala ( 01/06/2004 11:25)
Ilay resaka Landivola aloha r'izareo ny fahitako azy dia lainga marivo tototra mintsy! Andriamanitra anie no efa naniraka nyZanany ho ety amintsika ê! ary io Zanany io no efa niteny hoe "ary indro aho ho ao aminareo mandrakarina mandra-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao", ko hoe hidina ety an-tany @ fomba ahoana intsony? Sady raha raisina ilay hoe "hafatra" dia tsy mitombona. Jereo tsara fotsiny, ilay eks 3 22-23 dia ilay Andriamanitra niteny t@ Faraona hoe alefaso handeha ny zanak'Israely nefa ianao tsy nanaiky ka hovonoiko ny zakao lahy matoa, nefa ny zanak'i Ra8 aza vao natao mariazy... tsy mitombona ê!
10. librepenseur ( 01/06/2004 11:45)
Tsy i Landivola irery indray izany no mampiesona e ! maro be
11. fijo ( 02/06/2004 00:40)
tsara aloha rehefa manomboka mahatsapa ianareo fa mampiesona ny ankamaroan'ireo be korana ireo.
12. arena ( 02/06/2004 19:02)
zà koa aloha tena tahaka anareo e ! tsisy mahita an' Andriamanitra maso izany fa izay mahita an ' Andriamanitra hoy ny soratra masina dia maty , nefa i landivola mbola velona e ! raha i Jesosy no hitany de mety mino ihany aho aloha e ! efa nisy olona nahita an ' iJesosy mantsy nitantara fa tonga de mandohalika ho azy enao ary tsy zaka ny maso no mijery azy
13. ikaretsaka ( 02/06/2004 19:09)
za aloha tsy mino ny soratra e. fotsiny heo satria voatahiry anyanatin'iny boky iny dia izay ihany . za kao tsy mino izay theorie theorie atsy sy eroa. ny ahy raha nisy impact be ilay izy teo @ societe dia izay ny inoako
14. fijo ( 02/06/2004 23:33)
ka le impacte ity foa pschhhht ko.fantatry zalahy fa mpino loatra ny gasy dia io sehatra io indray izao no hanakorontanana azy.
15. ikaretsaka ( 02/06/2004 23:51)
eo indrindra isika .. arakarak ilay marivo salosana io.. io no nampiroborobo ny sectes any amintsika
16. fatsoraly ( 03/06/2004 10:23)
Fa ny Devoly angaha tsy mampisy impact @ societe?

John 1, 18b
No one has ever seen God,
17. fatsoraly ( 03/06/2004 10:28)
tandremo fa satana mihitsy no mahay manao "bonne impression" mba hisintomana ny vahoakan'Andriamanitra. Sao dia ho voafitaky ny impact @ societe ianareo.
Tsy hoe raha misy fiangonana mitsangana vokatry ny fisehoan'Rakoto na Rabe akory dia midika inona izany! Misy karazany marobe ny fiangonana fa ny Tempolin'Andriamanitra dia iray ihany.

"The church is one foundation, is Jesus Christ her Lord!"
18. ari.malala ( 03/06/2004 10:43)
Hadihadio @ ilay zavatra lazainy fotsiny d hitanao ê! jereo tsara fa tsy M/kara irery anie no tany mahantra ê! ko nahoana no i M/kara irery no homena plan de developement? Sady @ zay, iny zavavy iny an, vao 18 taona ary classe de terminale, aiza no ahitany vola hanofana ny motel d'Anosy, fa nisy mpanao pôlitika nanohana azy tao? Sady, raha nihaino tsara ianareo t@ iny conférence de presse iny d ohatran'ny tonga d nanao démenti b izy momba an'dry Zaranaina sy ny namany nefa tsy nisy ni mentionner ny anaran'ireny akory... asanareo alo ...
19. fijo ( 03/06/2004 23:42)
io voalazan'i malala io dia tsy misy hiadian kevitra fa porofo fa olona natsipy ilay kalakely.
fatsoralahy"satana mahay manao bonne impression"za sady tsy mino antra no tsy mino an'io.fa raha izay kosa no ahazoany kil;adalan'antra ny azy.satria ny azy dia fandrarana sy fampitahorana foana no asesiny.
20. zimbakely ( 04/06/2004 16:12)
marina daholo izay voalazanareo ry zareo an! nefa nba izany aza aoka isika mba tsy ho mpitazana mahay mijery fotsiny ihany fa mba hirotsaka lalina ao anatin'ilay tantara eh!
fa ny mahagaga kely ahy dé ity, fa raha ohatra mo ve hoe miseho amiko Andriamanitra, tsy azo lavina zany, fa Izy dé ato amiko, sainga Izy ty miseho zany eh! ato amiko Izy, tsy izaho no nitady azy fa Izy no nandondona ny foko sy ny anao ihany ko! dé raha zay zavatra zay aza ve no miseho de handeha za hamory mpanao gazety maro isankarazany zao hilaza zany?
manitikitika ihany io fipetran-javatra io hoe, ilay anaran'ilay masina ve! ho entina lanjalanjaina etsy sy eroa hilazana zao zavatra rehetra zao, mampanaelo ny toe-javatra toy zany!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1113