Mpisipa taloha nefa mbola misy firaisana

1. xxx ( 12/05/2004 14:19)
Aona ny hevitrareo hoe olona niaraka taminareo talou, efa tsy miaraka intsony efa herintaona nefa dia manohy manao rapport sexuel ? Mbola misy fitiavana ve izany ? na ilay bandy na ilay sipa ?
novalian'i xxx ny 26/07/2004 07:57
2. kehila ( 12/05/2004 14:55)
Ny fanaovana rapport tampotampoka izany indray dia tsy midika hoe mbola misy fitiavana fa mety hoe filan'ny nofo tsy hay noferana izany. Ary na mety mbola miverimberina aza izany dia tsy voatery hoe mbola mifankatia ianareo. Na koa ny iray mety ho tena tia fa ny iray filan'ny nofo fotsiny.
3. fijo ( 12/05/2004 21:48)
izay ilay hoe mbola misy izay tavela e.milay io an
4. ikaretsaka ( 12/05/2004 22:09)
misy fitiavana ao ko.. fitiavana filan'ny nofo angamba fa tsy fitiavana ilay izy loatra intsony.. mety ho diso aloha aho fa no more comments
5. mumu ( 13/05/2004 08:01)
raha ny hevitro alou, de tsy tokony ho hisy tsony zany refa misaraka ,mety mifanao roue de secours fotsiny kou, nefa tena degany be zany!! sipa tsy aiko lotra zay manaiky anizany alou...
6. jhouhlambout ( 13/05/2004 08:57)
Fahatsiarovana ny lasa e! milay ange zany e. Mitovy amin'ny hoe: mijery ny album photo hatsiarovana ny zavatra natao taloha...
7. nrina ( 13/05/2004 11:50)
raha samy efa manana sipa avy ry zareo de fampirafesana zany amiko , fa raha samy mbola tsy manana de tsy aleo ve miverina miaraka e!fa tsy mampijali-tena toy izany e!?
8. bogosy ( 13/05/2004 15:30)
otran zatra mihinam-bary ihany io rehefa mahita de mihinana
9. fadade ( 13/05/2004 15:31)
Raha nitranga indray mandeha fotsiny moa atao ahoana fa mba maninmanina izany. Ankoatra izay, fanararaotana an'izay malemy fanahy fotsiny...
10. chipie1 ( 14/05/2004 12:54)
tokony tsy hisy tsony fa efa , misaraka ve de mbola inn ndray , sipa vendrana ze manaiky anizay kousa
11. lema ( 14/05/2004 13:20)
mety lé bandy mitsy no vendrana mbola manaiky manao @ lé sipa ihany
12. samoina ( 14/05/2004 13:53)
Arakarak'ilay topimaso voalohany niverenana nifankahitana indray ny mety ho tohiny e ! Raha vao herintaona izany mety tsy mbola lalipaka ny fitiavana ilay vaovao ( mety hoy aho ) indrindra raha efa niarahana elabe ilay taloha vao nisarahana !
13. mumu ( 14/05/2004 13:59)
ny alika iany hono no miverina amin'ny efa nalohany ry reto a!!
14. samoina ( 14/05/2004 14:11)
Ka ny fisarahana anie ry mumu tsy voatery aharikoriko toy ny nalohan'ny alika voalazanao io e ! Ny olona efa nanao divorce aza indraindray miverina miaraka sy mankalaza indray ny mariaziny. Tsy betsaka fa misy izany
15. xxx ( 14/05/2004 15:01)
possible tokoa zany tsy mpisipa ntsony zany nefa mbola miaramanao firaisana zany!betsaka ny antony : mety nisy nahatezitra anao tany @sipanao vaovao any oh, na koa tena hitanao hoe tsy mamely mihitsy le vao2 @ io lafiny io (zay le hoe hafa ihany ilay taloha eh), na koa mbola tianao izy (zany aloha d tena rare mihitsy eh fa possible), na koa sendra nifanena teny @sisiny teny d raikitra....liste non exhaustive io eh!fa ratsy aloh zany miverina @ efa naloha zany eh! na inn antony na inn d mety ho ratsy ny hiafarany rah mitohy lavalava zany hoe tsy miaraka nef manao zany
16. hendry ( 15/05/2004 17:24)
possible koa hoe tena mbola ao ilay fitiavana @ roa tonta saingy misy toetra tsy zaka fotsiny dia tsy afaka miaraka tanteraka. Raha ifanarahana ary samy manaiky ny sain´ny tsi-1 tsy hitako zay olana.
17. chipie1 ( 16/05/2004 12:22)
dain kou ry lema , nefa otrany itako ery???
18. lanto ( 16/05/2004 12:40)
amiko indray dia miaraka ny filaza ireo olona ireo! ny hoe mifankatia sa tsia aloha tsy haiko, nefa mino aho fa mbola misy izay tavela ....
19. mity ( 17/05/2004 10:15)
Amiko aloha, rehefa hoe misaraka de misaraka, rehefa miaraka de miaraka fa tsy misy an'zany hoe misaraka kanefa mbola miara manao ihany, zany ve de mbô tsara??!!! Ohatran'ny lelonjaza mandroso mihemotra no fahafantarako an'zany.
20. fijo ( 17/05/2004 22:23)
hoay rehefa mifanena iny anie misy zavatra mbola misarika indraindray e.dia lasa iny aloha,dia ny manaraka indray dia hoe ko iny ara efa natao ko maninona moa raha mba hasiana tohiny kely e.tsy hitako aloha izay olana na fahadisoana fa mbola misarika ary izy ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1838