LA PASSION DU CHRIST (film)

1. librepenseur ( 09/05/2004 20:30)
Tsy tokony natao ho an'ny mpianakavy io horonan-tsary io raha ny hevitro, âme sensible s'abstenir.
novalian'i fijo ny 18/05/2004 22:26
2. hery ( 09/05/2004 21:59)
...

Andramo jerena fa betsaka ny efa nijery azy na dia nanana âme sensible aza.
Dia teneno an'i librepenseur ny vokany taminao... io vokany io no atahorany.
3. rsamfm ( 10/05/2004 06:01)
misaotra an'i Hery aloha nampahatsiahy amin'ny tsy namangiana ny takelaka. Ny antony dia tsy teto antoerana ny tane ary tsy nanana accès internet mihitsy tany amin'izay naleha. Fa ny momba ny Film en question eto dia izao: misy fita-bitro kely ao anatin'izy iny. Natao mba hivadihan'ny olona amin'ny finoana chrétien. Fita-bitro sahala amin'ny fisian'ilay soratra HALAL amin'ny produits alimentaires mandeha eran'ny tanàna amin'izao fotoana. Asa raha fantatry ny maro fa ny tanjona amin'ny famarotana an'ireny produits misy soratra HALAL ireny dia ny mba hanangonana fonds hividianana izay baiboly rehetra mivoaka, mba hahafahana madoro azy rehefa avy eo. Ry zareo silamo no ao ambadik'io ary ny tanjona faharoa dia ny hanapariahana ny ISLAMISATION. soava tsarà daholo
4. hendry ( 10/05/2004 07:27)
zaho aloha mbola tsy nahita ilay film ka tsy dia manan-kambara, ny henoko fotsiny dia raha olona tsy mafy fototra @ finoany hono dia mety hihozongozona.
Resaka Halal ndray, efa naheno io voalazan´i rsamfm io koa aho fa ny fahamarinany no tsy haiko.
5. hendry ( 10/05/2004 07:30)
zaho aloha mbola tsy nahita ilay film ka tsy dia manan-kambara, ny henoko fotsiny dia raha olona tsy mafy fototra @ finoany hono dia mety hihozongozona.
Resaka Halal ndray, efa naheno io voalazan´i rsamfm io koa aho fa ny fahamarinany no tsy haiko.
6. ralalasareho ( 10/05/2004 08:29)
Nijery azy io aho , nefa tsy afeniko eto , fa tsy hamporisika olona hijery an'io aho . Ny antony : mihaotra loatra ny "exagération "ao , indrindra fa ny fampijaliana, sy ny zava mitranga tsy mitovy @ voalazan'ny Baiboly ! BBR
7. librepenseur ( 10/05/2004 08:34)
hery> matahotra ny vokany ahoana fa tsy azoko ?
8. hery ( 10/05/2004 09:59)
Ka izaho efa nijery an'io film io. Nony vita ny film dia tsy nisy tonga dia nitsangana fa mbola nihainohaino aloha. Ny sasany namafa ranomaso. Ny sasany nangina be.

Tsy manozongozona finoana izany io kah.

Betsaka ireo miteny ny Kristianina tsy hijery an'io kanefa ireo izay nijery dia nahita hoe gravy izany vokatry ny famonjena izany.

ralalasareho> Exagération ahoana? Fa tokony maivamaivana noho iny ve no nitranga tamin'izany fotoana izany?

Matetika ny olona resaka sentiment fotsiny... rehefa miteny hoe nofantsihana i Jeso dia tsy mieritreritra hoe tena fantsika rezatra no miditra eo amin'ny tanana. Fanjaitra kely iny aza no mandoaka ny tanana efa mijininika ny ra... vao mainka fa fantsika?

9. tia_ery ( 10/05/2004 10:20)
Tsotra be ilay izy ê!

Ilay FAMONJENA no tiana asongadina; ny marina tao ambadikiny tantara iny dia ny conviction an'i Mel Gibson ka nametrahany hoe izay ny fahatsapany sy ny fiainany an'izany hoe PASSION DE CHRIST.

Izay ilay hoe ''raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka''. Betsaka ny commentaire azo entina fa ireny mampiseho aminao ny FITIAVAN'ANDRIAMANITRA ANAO satria IZAHO sy IANAO no tokony nisedra an'ireny nefa :

''Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao; nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy''

Sôtra ê!

Aleo r'ireto jerena dia tsapanao tsara ilay izy ê! Isika ange tsisy niaina ny tamin'izany fa ireny no vokatry ny fandinihana sy ny rehetra ê!

NB : Nanaovana projection manokana teo anivon'ireo lohandohan'ny mpisorona teo anivon'ny fivavahana Katolika dia mitovy amin'ny fihetseham-pon'ny maro ihany ny vokany sy ny fiantraikany. Ranomaso, fihetseham-po, sns ... nefa aoka tsy hijanona hatreo ny fahatsapanao ilay FITIAVANA nasehon'ny Ray ho AHY sy IANAO fa ho tena latsaka anaty.

Sôtra ê!
10. librepenseur ( 10/05/2004 10:25)
Ka izao anie ry hery e, amiko manokana aloha dia hilaina ny détails indrindra moa fa raha resaka finoana izany. Ny indro kely dia izao: version Mel Gibson iny film iny, anjaran'ny mpijery no mandinika izay rehetra niseho nandritra ny "passion" na marina na diso, na tafahoatra na tsy ampy, na nisy na tsy nisy, satria raha araka ny fahenoako azy dia betsaka ny kristiana no miteny hoe ireny no tena izy sady mba tsy dia nitovy tamin'ny mahazatra.

Indro kely hoy aho satria betsaka ny film hita lazaina fa lian-drà ka hatokana ho an'ny mihoatra ny 12 na 18 taona ihany. Tamin'ity kosa anefa tsy nitombina intsony izay fa afaka nijery avokoa na ny âme faran'izay sensible aza satria nahoana ? mazava ho azy fa tsy ny maha-liandrà ilay film no hojerena fa ny hafatra entiny. Maro kosa anefa ireo film tahaka izany tsy azon'ny rehetra jerena kanefa mba misy hafatra daholo ihany. Sa ahoana ?
11. librepenseur ( 10/05/2004 10:47)
Misaotra an'ny tia_ery aloha amin'ilay hafatra e !

Fanontaniana mipetraka ho an'ny rehetra:
- Tokony hisaotra an'iza izany ny kristiana fa raha tsy izany dia tsy maty i J.-C ? Sa Atra ihany no tokony hisaorany ?
- Tsy manana heloka eo anatrehan'Atra daholo izany ireo jiosy nanesika an'i J.-C ? afaka madiodio eo anatrehan'Atra koa izany ireo miaramila Romana namantsika sy nidaroka satria nataony fitaovana hanatanterahana ny programany ?

Amiko aloha dia tahaka ny film rehetra ihany ireny e ! azo lazaina ho fiction ary ireny satria fahitan'ny Mel Gibson fa tsy ny tena marina sy ny tena nisy...
12. bichette ( 10/05/2004 13:40)
Resaka lalina tokoa izy ity ry zareo. Raha nijery n\'io film io ny tenako dia araka ny hevitro dia tena manakaiky ny zavatra tena nisy (ny momba an\'i Jesosy) satria raha nokapohina, nofantsihana tsotra fotsiny dia tsy mino loatra aho hoe mety mahafaty izany kanefa ny an\'i Jesosy dia nihafara tamin\'ny fahafatesana mihitsy ny dikan\'izany dia \"tena nijaly mafy dia mafy izy\" . Tsy manozongozona finoana fa mampatsiahy antsika ny halehiben\'ny fitiavan\'Atra izay namohy ny ainy ho antsika n\'inon\'inona ny finoantsika.

Tsy mino loatra aho hoe nokapohina moramora Jesosy ary izany fantsihana izany araky ny tenenin\'i Hery dia tsy zavatra moramora mihitsy ary tsy maintsy fantsika goavana tokoa satria ny poids n\'i Jesosy rehetra no tazonin\'iny ka raha fantsika kely ve tsy hitsôka rehefa elaela ?
Amiko manokana dia tsy ny hoe mitovy @ baiboly tokoa ve ny niseho sns no zava dehibe fa ny hoe fitiavan\'Atra namoy ny zanany hamonjena antsika, i Jesosy Kristy izay natahoatra ihany satria mbola tao koa ny maha olombelona azy tamin\'izany ka nangataka tamin\'i Rainy ny hanesorany ilay kapoka ...
Librepenseur> araky ny hevitro na dia tsy voalaza ao anatin\'ny baiboly aza dia azon\'ireo miaramila sy ny olonkafa nanatrika teo izay tena nahita sy nihaiky hoe \"tena zanak\'Atra marina i Jesosy\" ny NIBEBAKA avy eo, azon\'izy ireo tanteraka natao ny mangataka famindrampo ny tamin\'ny tsy fahalalany.
jereo i Saoly, nanenjika mafy nefa raha nandre ny feo, nahita fa misy tokoa Atra dia nibebaka izy ary dia adino avokoa ireo fanenjehana nataony.
Atra dia tsy maneritery mihitsy, mandondona ambaravarana izy, mampiseho ny fahatsarany sns fa tsy manery ny olona ny hanaiky azy : mandondona ao ampontsika izy fa safidintsika indray ny hoe hanaiky sa tsia.
Hanararaotra aho ny hiresaka ihany koa an\'i Jodasy, mety hoe voatendry izy ny hamadika an\'i Jesosy fa azony natao tsara avy eo ny nangataka famindrampo saingy tohina loatra izy ka nentin\'ny fony dia lasa namono tena fa adinony ilay famindrampon\'Atra izay tsy takatry ny saintsika olombelona.
Raha nisy teny teny nahatafitohina anareo dia hialako tsiny mialoha.
13. bichette ( 10/05/2004 13:50)
Ny vokan'ilay film tamiko dia nahatsapako ny fitiavan'Atra tanteraka. tsy nampatahoatra ahy na nanozongozona ny finoako anefa izany fa vao maika namporisika any ny hivavaka. Hisaorako Atra ni permettre ahy ny nahita ilay film. tsy ny fiction na ny mise en scene na ny fahaizan'i Gibson no mibahana amiko fa ny hafatra noraisiko tamin'izany
14. fijo ( 10/05/2004 19:54)
bichette an,ny tena nahafaty an'izay nombohana tamin'ny hazo fijaliana anie dia tsy ny ratra mahazo e,na tsy maratra aza ny tena ka mijanona amin'io pozy io dia maty ny hiafarany satria sempotra ianao ny farany.andramo anie ampiakaro toa io poziny io ny tananao mandritra ny 20mn fotsiny dia efa henonao io fahasemporana io.voaporofo aratsiansy io ary mitombina.ilay hoe hazo fijaliana koa mantsy samy maneho ny bikany,misy ny milaza fa croix ilay izy misy koa anefa milaza fa tsangan kazo fotsiny.fa ny zava dehibe dia ilay pozy mampiakatra tanana.maro no tsy nampijaliana toa andralavavolo nefa dia matyteo noho io antony io.
15. ratam ( 11/05/2004 06:03)
O ry reto anh ...

Misy fiteny zay hoe " LE FILM N'EST QU'UN FILM ... "

Sarotra ny hiady hevitra amin'iny fa samy manana ny tandrifiny ny rehetra.. na indrindra ny mpitondra fivavahana na ny olon-tsotra ! Azo fehezina amin'ny hoe FILM tokoa.

Nampaneno lakolosy i Mel Gibson tamin'iny matoa na ny tsy mpino azy dia nihazakazaka nilahatra mba hijery azy ! Ao ny tonga saina ao ny nilaza hoe Version Commerciale ilay izy na dia nilaza aza i Mel Gibson hoe tsy manana but commercial ilay izy fa te haneho ny Passion du Christ izy !

Ankehitriny anefa dia voalaza fa efa tafaverina lavitra ny vola nanaovana azy iny ! ny tena tiana am-pitaina dia izao :

Iaraha-mahalala fa tsy dia nanam-pahaizana loatra toa antsika ankehitriny ny olona taloha nefa afaka mirehareha ny mpino rehetra fa nanana ny fahendrena ihany ry zareo ... matoa tamin'ny taona 2000 lasa dia dia niaina zavatra toy ireny ...

Natao iny film iny entina hanavana ny mety sy ny tsy mety, ny ratsy sy ny tsara ... Point d'arrêt kely iny fa ny manetsa be mbola ho avy hoy ireo mpamokatra film !

Ka tsy aleo ve ry reto mba mifankatia fa izay no tena hafatra tamin'iny anh ?

Mirary soa
16. librepenseur ( 11/05/2004 07:04)
Marina ny anao ratam...
17. tia_ery ( 11/05/2004 07:45)
Ny tao ambadik'iny Film iny no tiako apetraka aminareo. Inona no antony nanesika an'i Mel Gibson hanatontosa an'iny FILM iny ?

Ny tena marina ilay boky ''La Passion du Christ'' dia efa nisy hatramin'ny ela.

Ny zavamisy (interview io) dia nisy fotoana tonga tamin'izany hoe ''FAMOIZAM-PO'' i Mel Gibson, hono, very hevitra ny anao lahy dia tonga hatramin'ny hoe ''handeha hamono tena''. Tamin'izay indrindra anefa no nahitany ka namakiany an'iny boky iny ''la passion du Christ'' ary teo no nitsiry ilay eritreritra ny hamokatra azy ho film. Ny vokany tsy namono tena i Mel Gibson fa iny no navoakany sy ny nataony.

Ny zava-nisy ihany koa nandritry ny tournage-n'iny Film iny dia isaky ny maraina alohan'ny hanombohana ny zavatra rehetra dia nasiana fotoam-pivavahana kely foana, hatramin'ny fandraisana eokaristia mihintsy.

'Zany sy zany no tao ambadik'iny FILM iny santionany iny ankoatry ny hoe i Pape sy ny congregation Catholique tany Rome nanaovana projection privée mba ahazoana ny fomba fijerina sns...

Aza dia apetraka loatra amin'ny hoe FILM ilay izy fa tsy tantara noforonina iny na nalaina sy namboarina tamina tantara na zavanisy.

ho an'i Libre Penseur nefa ho antsika rehetra ihany koa anefa dia izao, HO AN'IZA TOKOA MOA NO NAHAFATESAN'I KRISTY ? ary IZA NO MELOKA ?

Ireo Sinedriona sy Fariseo ve ?
I Jodasy ve ?
Ireo izay niantsoantso hoe HOMBOY ! HOMBOY ! ve ?

Anjaranao ny mieritreritra hoe MATY HO AN'IZA I KRISTY ? ARY NOHO IZA ?

Sôtra ê!

18. mumu ( 11/05/2004 09:04)
nde kou za ijery ka ...
19. bichette ( 11/05/2004 09:28)
Misaotra anareo rehetra ary ankasitrahako avokoa ny zavatra voalaza.
Misaotra Fijo, misaotra ratam, misaotra anareo tsy voatonona, misaotra tia_ery misaotra an'ireo tsy voatonona anarana. Maro dia maro ny hevitra, sns fa aleo tsy dia hiadiankevitra fa raisina dans le sens positif ilay izy, handraisana lesona ary indrindra ilay tenenin'i tia_ery hoe ho an'iza tokoa moa no nahafatesan'i Kristy ...
Mumu, andana jereo ilay film hi hi hi !

bisous daholo ianareo
20. librepenseur ( 11/05/2004 10:06)
Ilay fanontaniana napetrako tery ambony tsy mitady hahalala ny tompon'andraikitra, niaraha-nahita ny mikasika izany: ny tiako ho fantatra tsy mety ho voavaly kosa dia haveriko indray hoe :

- Tokony hisaotra an'iza izany ny kristiana fa raha tsy izany dia tsy maty i J.-C ? Sa Atra ihany no tokony hisaorany ?
- Tsy manana heloka eo anatrehan'Atra daholo izany ireo jiosy nanesika an'i J.-C ? afaka madiodio eo anatrehan'Atra koa izany ireo miaramila Romana namantsika sy nidaroka satria nataony fitaovana hanatanterahana ny programany ?
- Ary i Pilate ? sa fitaovana daholo ireny hanantaterahan'Atra ny programany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3706