LA PASSION DU CHRIST (film)

21. zanaka ( 11/05/2004 11:20)
Miarahaba anareo rehetra ny namana vao tonga

Mahagaga tokoa fa ity film iray ity dia nahatonga discussion hatrany am-pita rehetra any. Ny antony? tena mampihorin-koditra ny famelazana an'i Kristy. Tsy ho zakan'olombelona tsotra ka.

Ny tsara marihiny dia ity, raha vao manomboka ilay film, tsy misy titre, na anaran'olona mpilaolao tanisaina.

Hoy ity vehivavy Amerikana iray raha vao nivoaka ny trano-tsinema:"Ity film ity hoy izy dia antso ho an'ny olombelona rehetra, fa akaiky ny famonjena, hita ny famantarana izao".

Amiko, gasy kely efa mba nandalo fiainana, na dia zanaka aza, dia izao, tena tia ahy izao Andriamanitra izao ka nomeny io Zanany io ho avotra ho ahy. Ary ho an'izao tontolo izao koa.Tsy tiany mihitsy ny hahavery ny olombelona satria ange, misy ny afobe ê! ary "grave" lavitra noho io fampijaliana niaretan'i Kristy io ny any. Noho izany aoka samy ho mailo ka handray an'i Kristy marina. Toro-hevitry ny namana ihany izany ary tsy namana hittondra any an-kady fa tena namana te-hitondra any an-danitra. Andramo anie fa ianao dia afaka mi-"constater" izany ê.

Misaotra antsika rehetra.

22. fijo ( 12/05/2004 00:02)
izany koa dia efa olona mahita volana alohan'ny biby.misy ady izao ao irak dia efa hakaiky koa izany ny farany.mbola tsy teraka aho no efa nadeha izany resaka farany izany.efa hofaty ihany aho ity mbola tsy mety hita ilay izy.
23. ikaretsaka ( 12/05/2004 04:42)
na ny zanany aza tsy mahy ny farany ...
24. bichette ( 12/05/2004 06:24)
Librepenseur > efa voavaliko angamba ilay fanontanianao momba ireo miaramila sns. Tsy hoe akory hoe afaka madiodio fa RAHA mifona sy mibebaka izy ireo dia voavela ny helony. Araka ny fampianarana voaraiko dia na dia nanota sahalamin'inona aza isika ka mibebaka avy eo ary mibebaka marina dia voavela ny heloka. na iza na iza ary na inona na inona vitanao.

Isika rehetra tsy ankanavaka dia tsy tanteraka fa rehefa mibebaka marina sy miaiky ny fahotana dia matoky sy marina Atra mamela ny helontsika. Ka na inona na inona no mety nataontsika, na araky ny eritrerintsika aza hoe tena fahotana tsy mendriky ny ho avela heloka, NY FIHEVITRO TSY FIHEVITRAREO hoy Atra.

Marina ary ankahasitrahako ny voalazan'i zanaka.

Fijo> tsy hitanao fa miha ratsy hatrany ve ny eto an-tany ? mihamitombo ny ady, ny horohorontany, miharatsy ny zanak'olombelona, tandremo ihany fa ny mpangalatra raha angalatra izy tsy hilaza amintsika mialoha fa tampoka amin'ny fotoana tsy ampoizina fa isika isan'andro no maka precaution tsy tapaka ary dia torak'izany koa ny amin'ny fihavian'ny Kristy.

Na ny zanaka tokoa tsy mahay ny farany
25. librepenseur ( 12/05/2004 07:18)
bichette> izany hoe nataon'Atra fitaovana daholo ny miaramila, ny jiosy, sns mba hamono olona ? dia tokony hibebaka aminy ihany avy eo ? mba logique ve izany amin'ny saina tsy miangatra ?

mikasika ny hoe miharatsy hatrany ny eto an-tany, ny phénomènes naturels dia efa nisy hatramin'izay naha-tany ny tany, ny olombelona koa dia efa niady hatramin'izay ka hatramin'izao. Tsy vao izao akory no nisy sy miha-mitombo izany rehetra izany fa ianao angamba no mety izao vao mahafantatra ny fisiany.
26. bichette ( 12/05/2004 08:50)
librepenseur> voalohany indrindra aloha, ny fihevitr'Atra tsy fihevintsika mihitsy. Ny fahendren'Atra tsy fahendrentsika, raha mamaky ny ao amin'ny ohabolana ao anaty baiboly isika dia hitantsika ao ny fahendren'Atra izay fahendrena Marina indrindra. Ny fahendrentsika olombelona dia tsy mitovy ny @ Atra velively frehefa tena dinihina fa raisonnement humain fotsiny sy logique des choses.

Ny momba ny hoe fitaovana ireo miaramila, tsy eo amin'ny toeran'Atra aho ka tsy afaka ny hanome anao valiny tanteraka fa ny fantatro sy araka ny zavatra niainako dia lehibe ny famindrampon'Atra ary tsy takatry ny saina. "na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala". manasa anao koa aho hamaky ny salamo 103 ahitana ny famindrampony sy ny hatsarany ary indrindra ny andininy faha 8 ka ha@ faha 18.

Ny tena tsotra indrindra dia hoe ianao mihitsy no mamaky baiboly ahafantaranao ny momban'Atra fa tsy azontsika atao ny mampitovy ny raisonnement-ny @ raisonnement humain. ok ???

27. bichette ( 12/05/2004 08:53)
ny sagesse divine sy ny sagesse humaine dia tena samihafa mihitsy. Tsy azontsika ampitoviana ny amin'ny fisainantsika nen'Atra.

28. librepenseur ( 12/05/2004 10:52)
tsy ilaina mipetraka eo amin'ny toeran'Atra ny fiheritreretana ilay momba ny miaramila sns, fa ianao ihany dia afaka mandinika ny fahamarinana sy ny fitombenan'ny passion sy ny résurrection.

Ny tena mahavoa ny maro anie ry bichette dia ilay tonga dia mino fotsiny fa tsy mba manadihady akory e! Ndeha ataon-tsika hoe marina daholo izany, tsy maninona, fa tsy mba mahalasa saina anao akory ve ny tenin'ny siantifika maro mikasika ny fihavian'ny olombelona ? ny fiforonan'izao tontolo izao ? ekena fa misy ny diso hevitra amin'izy ireny, saingy tsy 100% fa misy ihany ny vokatry ny siansa raisin-tsika tahaka itony ordinateur sns itony.
29. bichette ( 12/05/2004 14:03)
librepenseur > hi hi hi !!!! enao ity an ! ny momba ny siansa ny amin'ny fiforonan'y olombelona amiko, amiko dia raisiko toy izao : iray andro amin'nAtra dia taona maro dia maro tokoa amin'isika olombelona. raha miteny Atra hoe iray andro no nanaovany ny lanitra sy ny tany dia raha hoarinna amin'ny fotoanantsika dia tena amantaonany maro dia maro dia maro dia maro tokoa.

Raha jerena ny fiforonan'izao tontolo izao sy ny ao anaty baiboly dia somary misy hifandraisany ny "evolution"saingy hoy Andriamanitra hoe "t@ andro voalohany" "andro faharoa" sns izany hoe amintsika olombelona dia taona maro maro maro maro maro tokoa. ka amiko manokana dia misy hifandraisany tanteraka ary mitombona ny siansa sy ny ao anaty baiboly saingy ny ao anaty baiboly fotsiny no tsy detailler-be ary tamin'ny fotoanan'Atra no nilazana azy. izay aloha ny amiko e ! tsy fantatro na mazava aminao ilay izy na tsia fa tsy dia tena havanana @ fanazavana aho.
30. tia_ery ( 12/05/2004 14:06)
Ilay izy ry Libre Penseur dia sarotra ny ahazo an'ilay izy. Raisina ho tena FANDAHARAN'ASAN'ANDRIAMANITRA ilay izy dia eo no hatomboka ny fandinihana sy fijerena azy.

Ny Soratra Masina milaza sy manambara ''Fa raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka''; ny tian'i Libre Penseur ho fantatra fotsiny sy tiany ho fantarina dia ilay hoe ''Ahoana izany ireny olona rehetra ireny, manomboka teo amin'i Jodasy hatramin'ilay miaramila nandefona ny lanivoan'i Jesosy''; ireny rehetra ireny ange dia FITAOVANA nampiasain'Andriamanitra ahatanteraka ny sitrapony ê!.

Io cas pratique eo amin'ny fiainana andavan'andro, misy olona izay tsy zanak'Andriamanitra asain'Andriamanitra manangona sy mamory zavatsoa maro nefa ireny ilain'ny Kristiana hampitana sy hitorina ny FILAZANTSARA eny metyv ilaina Kristiana eo amin'ny fiainany andavanandro mihintsy aza.

Jereo fotsiny ohatra i Paoly, izay nanenjika ny fivavahana Kritsiana fahiny, nefa izy no nataon'Andriamanitra fitaovana hampiely ny Filazantsara any amin'ny Jentilisa sns... ary jereo ny vokany.

Fa ny zavatra misy, même na ao anaty Baiboly aza, ny olona izay mibebaka taorian'ny nampiasan'Andriamanitra azy dia tena mafana fo tanteraka eo amin'ny fanompoana an'i Kristy.

Ka io ny mba azo lazaina dia tsotra ê! Aza miandry ny ho atao fitaovana vao miova fo fa dieny mbola misy ny fotoana dia raiso Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjinao eo amin'ny fiainanao.

''Indro ankehitriny ny andro famonjena; indro ankehitriny ny andro fankasitrahana''.

Sôtra ê!

31. fijo ( 12/05/2004 23:39)
bichette kely o,jereo tsara fa io finoana kristianina io anie ka nentina namono olona amanarivony tany amerika latina e.torak'izany koa tany afrika sy mada.ary izao dia misy mamono amin'ny anaran'andriamanitra (nigeria izao vao haingana)ary misy maty voavono amin'ny anaran'andriamanitra koa.ka aiza ilay fahendrena eo??
raha ilay resaka andro amin'andriamanitra indray,dia mangataha ary iray andro aminy fotsiny hiainana dia ampy e.
32. bichette ( 13/05/2004 06:19)
Fijo, misy zavatra anie tsy ho takantsika mihitsy e ! izay no maha Atra Azy, efa voalaza fa hisy fanenjehana sns.... vakio ny baiboly ; ny lahaatr'Atra tsy azontsika ovana velively ary betsaka ny zavatra tsy azontsika amin'ny raisonnement de Dieu ; ohatra hoe misy ankizy 4 taona tsy hahatakatra mihitsy izy ary tsy ho takany ny hoe (ax+b)2 =(sns...) fa isika lehibe mahafantatra tsara ; ny tena tsotra dia izao : mivavaha na de indray mandeha fotsiny aza ; dia anontanio Atra. Izany Fijo a ! andramo. Tsy mahafatiantoka ny mandoalika ina dia indray mandeha fotsiny aza. Biz
33. bichette ( 13/05/2004 06:22)
Fijo, fa ianao anga tsy mino ny fisin'Atra ??? andramo wa.
34. jhouhlambout ( 13/05/2004 08:52)
Io anie samy manana ny heviny e. satria mantsy ilay finoana dia tsy hoe zavatra mivaingana sy azo tsapaina tanana, zany hoe manjavonjavona sady tsy mbola takatry ny lojika ny olombelona, koa samy manana ny fandraisany azy ny tsi-1-1. Toa mapmé fa zvtr tsy fantatra na manjavonjavona matetika ny mampisaraka ny mpino sy tsy mpino....
35. librepenseur ( 13/05/2004 10:27)
io anaty baiboly io ihany ve izany no lalan-tokana entin'ny kristiana handresena lahatra momba ny vono-olona marobe ?

tsy voavaly hatramin'izao ny fanontaniako fa miodinkodina eo amin'ny fandaharan-asan'Andriamanitra ianareo.

"raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka''
-> Helok'iza ? sa ny heloky ny kristiana ihany ? satria ny doctrine sy religion hafa dia milaza sy manamafy fa avy ao amin'ny tsirairay ihany ny tsara sy ny ratsy.

Ary ilay olona nandatsa-drà mba ahoana ny aminy ? irak'Atra sy fiataovana hamonoana olona ? hitako moa ny firenena betsaka kristiana no miady sy mifandrotika daholo koh...

io ry tia_ery dia ianao ihany no tompon'ny acte ataonao fa tsy hanomezana andraikitra ny hafa a
36. tia_ery ( 13/05/2004 13:38)
Ilay izy ange ry Libre Penseur tsy ailika any amin'ny hafa izany mihintsy. Ny vono olona ange tsy vao izao no nisy ê! Fanambarana ireny ary famantarana d'autant plus isika efa ao anatin'ilay atao hoe ANDRO FARANY

Sôtra ê!
37. fijo ( 14/05/2004 00:38)
"ary antra dia mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanany"loza be,aiza ilay fitiafana sy famelana?toa tsy hita taratra mihitsy.
bichette o>hatramizao any aho tsy mino an'andriamanitra e,mba efa nivavaka ihany aho mba holasa mpanambola fa eee,tsy nisy mpihaino,nefa anie vola naika hanampiako ny mahantra e.
38. jhouhlambout ( 14/05/2004 08:20)
zany an!
39. rindranavalona ( 14/05/2004 08:45)
Na hisy maty hitsangana aza hilaza amin-tska fa hoe misy Andriamanitra, dia mbola hisy foana ny tsy hino.
fijo> raha nomen'Andriamanitra harena ve ianao dia mety ho nahafoy tokoa ho an'ny mahantra. Firy % ny harenanao?
Ary amin'izao fanananao izay lazainao tsy ampy izao, mba mahafoy firy % @ izany ianao?
Aza averina amiko ilay fanontanina an ! Fa tsy mahavoavaly ireo aho!
40. rindranavalona ( 14/05/2004 08:54)
fijo> Dia tantarao daholo fa tsy nisy nahita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1306