TSY TENIN'ANDRIAMANITRA IZANY NY BAIBOLY

1. tia_ery ( 07/05/2004 06:42)
N'inon'inona firian-kevitrao, dia ato no ezahina hametrahana fa TSY TENIN'ANDRIAMANITRA izany ny BAIBOLY fa boky tahaka ny boky rehetra ihany mirakitra tantara sy izay expérience niainana olona tany aloha tany; mety io ho tantara na koa firazanana, mety ihany koa anefa ho tantara sy angano toy ny boky rehetra ihany.

Mety hanohitra ny HEVITRA ianao angamba, efa nisy hevitra anankiray naroso ato hanamafisanao sy hanambaranao fa tena TENIN'ANDRIAMANITRA IO BAIBOLY IO; ka ampitiavana be no hiangaviana anao mba tsy ho ato no hanoratanao an'izany.

Misaotra mialoha ami'ny FAHATSIAROVAN-TENA ê!

Sôtra ê!
2. six ( 07/05/2004 09:20)
ka zavatra diso ve dia andeha harahina fotsiny izao, tsy haiko fa tokony ho tsy aty amin'ny forum, fa tokony hanao publicité fotsiny ianao, misy espace publicité ao d eo atao, amin'izay tsy misy mamaly ny mifanohitra amin'izay voalazanao raha tonga ianao dia hilaza fa aza apetraka ato ny hoe tenin'andriamanitra ny baiboly,
D IZAY LE MBA SOSO-KEVITRA
samy manana ny heviny koa io fa tsy tokony ho feranao le hevitra mandeha....
3. six ( 07/05/2004 09:24)
zay ts manam-potoana hitady ze page misy ny mifanohitra amin'ny hevitrao, hitanao fa mandeha ny fotoana....
4. ravatorano ( 07/05/2004 10:25)
tia_ery >aza mora sendaotra ohatra nio ty tia ah
six>marina izany .
Eto forum ary natao hifanakalozan kevitra ka noho izany aoka mba samy hanaja ny heviny tsi1-1 avy.
Samy manana ny heviny momba ny baiboly ny olona ary izao mahagaga fa ireo olona izay milaza sy tena mahay an io baiboly io no tena manao zavatra mifanohitra amin izay voalazan ny baiboly.
Mba jereo fotsiny eto amin ny tanana e ! Vaky ny fiangonana dia miely ny ondry na mizarazara nefa anie dia iray ihany na ny litorzia na ny Andriamanitra tmpoina amin ireo fiangonana nivaky ireo e ! Raha tena nitandrina ny tenin Andriamanitra ry zareo na koanaka ny baiboly ho tena tenin Andriamanitra dia tsy nanao izany fa natao fotsiny ho fitaovana ny baiboly nentina hitadiavana asa , harena , voninahitra.
5. samoina ( 07/05/2004 13:45)
Aiza izany no ahitana anao RAFAHAFAHANA ô !
Raha vitan'ny fisaorana sy ny azafady izao tontolo izao efa beno nalevim-belona vokatry ny daroka sy ny fanamelohana ra- tia_ery a ! Raha tianao ny mpiara-belona aminao dia avelao izy hiteny na mifanohitra tanteraka @ izay handrasanao aza . Tsy misy fisaorana ô !
6. tia_ery ( 10/05/2004 10:26)
Izahako ange tsy manohitra ary koa tsy mandà izay hevitrareo fa ny tiana havohitra kosa dia ny ahafahany rehetra misafidy sy mifandresy lahatra fa izao no tena fahamarinana.

Amiko tsy dia manohintohina ahy mihintsy io Baiboly io na ho lazainao fa Tenin'Andriamanitra na koa ataonareo fa tsy Tenin'Andriamanitra aza.

Sôtra ê!
7. fijo ( 10/05/2004 19:59)
io voalazan dravato io ngamba no hevitra hendry tokony harahana eto.tsy miady isika eto fa mifamaly hevitra.
8. tia_ery ( 12/05/2004 14:18)
Ito mba sary anankiray tiana ampitaina sy mba ho ''reflexion'' ho an'izay te handalina sy hieritreritra.

Raiso hoe IANAO manoratra taratasy iray; mba hanoratanao dia mila TANANA sy PENINA ianao. Ny zavamisy eto izany dia IANAO (mieritreritra izay ho soratana), ny TANANAO (izay mitondra ny penina hanoratra), ilay PENINA (izay ikorianan'ilay ranomainty ahatonga ilay eritreritra ho voasoratra) ary farany dia ilay TARATASY (mirakitra ilay eritreritra vita soratra).

Dia apetrako aminao ary ny fanontaniana hoe IZA NO TENA NANORATRA ?

Sôtra ê!
9. ikaretsaka ( 12/05/2004 16:31)
tsy misy hifandraisany iznay ry tia ery an.. ireo ohatra lazainao io dia zavatra azo tsapaintanana daholo.. fa andriamanitra tsy misy hifandraisany mihitsy @ fanoratana
10. fijo ( 12/05/2004 23:47)
iza anefa no sahy milaza fa ireo tantara ireo dia andriamanitra no nampanoratra azy?satria raha toa ka misy sahy milaza an'io,dia sahiko koa ny milaza fa very tadidy andriamanitra satria maro ny tsy azo ampiraisina ao anaty baiboly ao.
11. harinja ( 01/06/2004 12:26)
tia-ery>
Tena marina ny voalazanao fa boky tahaka ny boky rehetra ny baiboly ary fitambarana boky maromaro aza angamba izy io raha tsy diso ny fahalalako.
Marina ihany koa fa misy tenin'olona maro ao anatin'ireo boky ireo, nefa, ny tanjona kendrena ao anaty baiboly dia tokana ihany dia ny fomba namonjena sy hamonjen'A/tra izao tontolo izao, noho izany na milaza aza ianao fa tsy tenin'Andriamanitra ny baiboly ,dia tadidio fa hevitr'Andriamanitra no ao.
12. toubib ( 08/06/2004 13:57)
Ho anareo rehetra ireo izany v dia lany andro sy fotoana izay miezaka mandinika sy mamakafaka io boky io mba hanamafisany izay voalaza ao! toy izany koa dia tena hitanareo v fa tsy misy ifandraisany@ tena réalité misy io boky io fa toa rediredin'ny mpanoratra sy mpandrevirevy? raha ny amiko manokana aloha dia tena fianarana siantifika somary lalindalina (biologie appliquée-médecine générale - paléontologie évolutive sy ny maro tsy voatanisa..)no narahiko fa tsy dia nanao teolojia loatra na mihitsy e! kanefa arakaraka ny nitomboan'io fahalalako ara-tsiantifika io sy ny nandinihako araka izay fahatakarako io baiboly io no ahatsapako hatrany fa na niezaka aza aho ny hanohitra izay maha-tenin'A/tra ny Baiboly@alalan'ny siansa dia mahita aho hoe tsy tongatonga ho azy @zao izao rehetra izao fa efa voaomana sy vita kajikajy mampitolagaga ary A/tra io mpanao kajikajy io ary dia tena misy ifandraisany betsaka na ny tantara na ny zava-misy! d zao koa miha mahatsapa aho fa miha betsaka tsy hita noanoa ny elanelam-pahalalana misy eo amintsika olombelona sy Ilay noeritreretiko ho nanao izao rehetra izao arakaraka ny itomboan'ny fahalalako izay azoko lazaina ho bitika dia bitika! Samy manana ny fiheverany fa izay aloha no tsapako.
13. methode ( 15/06/2004 12:15)
Aoka hazava ny resaka fa tsy ny Boky amin'ny mahaboky azy no maha-tenin'Andriamanitra azy! Ny hevitra ao no Tenin'Andriamanitra! Afaka mampiasa ny zavatra misy amin'izao tontolo izao Andriamanitra hitenenany satria Azy daholo ireo! Azony ampiasaina amin'ny tsara daholo na ny ratsy na ny tsara misy amin'ny fiainan'olona! Fa ny tena zava-dehibe dia ny finoana! Raha mino ianao fa boky toy ny boky rehetra io dia azonao vakiana toy ny mamaky roman, dia ho hitanao fa betsaka be ny tantara romantika ao!! Fa raha miaraka amin'ny finoana kosa no amakiana azy dia misy dikany ambadika daholo ireo tantara ireo, ka izay dikany ambadika izay no atao hoe avy amin'ny inspiration divine! Fa araka ny finoan'ilay olona io! Raha Musulman ohatra dia tsy hitovy amin'ny Protesatanta sy ny Katolika ny fandraisany an'io! Dia hafa koa ny fandraisan'ny Jiosy azy! Sahala amin'ny fandraisan'ny karazana atokom-pivavahana ny Coran ihany io!! Ka ny ady hevitra eto dia resaky ny moana sy marenina raha tsy misy itovizany ny finoan'ny miady hevitra!!
14. unik ( 15/06/2004 12:52)
tia_ery> Andriamanitra dia nindrana ny tenintsika sy ny fombantsika anehoany ny mahaizy azy sy anehoany ny fitiavany antsika!
15. fijo ( 16/06/2004 22:29)
ka izay no olana anin'ilay boky lazaina fa masina.ny masina amiko dia zavatra hiraisan'ny rehetra.toa ny mamy na masira.raha milaza isika fa mamy ny siramamy,dia ekena io na kristianina na tsy izy na musulman na inona.ny sira koa toa io.
fa ny baiboly na coran,dia tsy masina satria raha masina amin'ny kristianina ohatra dia boky ratsy amin'ny musulman.ary tsy manana hery amin'ny jiosy.
16. levondraky ( 19/06/2004 08:53)
fijo>Miala tsiny ry fijo fa toa hatreo amin'ny tendron'ny lelanao no farany takatry ny sainao.
toubib> Na dia marina avokoa aza izay voambaranao dia misy tsy voamabara saingy marina, dia ity: tsy azo raisina ho boky siantifika ny baiboly.
ho an'ny rehetra> zava-panahy ny mikasika ny baiboly ka raha tsy ny Fanahy tsy mahazo azy. Tokony mivavaka alohan'ny hamakina ny baiboly. Izay no maha samihafa azy amin'ny boky hafa.
17. librepenseur ( 21/06/2004 13:17)
levondraky> raha azoko tsara dia tokony ho natao ho an'ny lehibe irery ihany izany ilay baiboly satria ny ankizy kely dia tsy hahatakatra velively ny tian'ilay boky holazaina (Visa A) ? sa ny lehibe no tokony hampianatra azy amin'ny saim-patany (affirmation gratuite) ? ko ny samy lehibe aza samy manana ny fomba fandikany sy fiheverany ny baiboly ko mainka fa mbola ho ezahina ampitaina indray ?

Ary tsy vitan'izany fa izay mihitsy no mahatonga ny secte marobe amin'izao fotoana satria malalaka ny fandikana ny baiboly, tsongaina sy tsondranina daholo ny ao anatiny, avy eo dia manangana doctrine sy dogme isankarazany...

Inty anefa no tena mahavariana: nankaiza ilay saina nomen'ny Mpamorona no toa lasa boky no tompoina ho masina ? sao mba tokony hoeritreretina ny fiandohana sy ny fipoiran'ireny boky rehetra ireny ? ary ny coran, torah, sns ve tsy mba masina ? eto dia mitovy hevitra amin'ny fijo aho ary ampiako kely: Vérité universelle no tena marina fa tsy vérité relative...
18. toubib ( 28/06/2004 14:01)
levondraky>tsy niteny aho akory hoe tsy araka ny fanahy akory ny baiboly sy hoe boky siantifika iray manontolo ny baiboly, aoka hazava!!! saingy anisan\'ny \"argument\" iray hanazavako ny maha taratry ny asan\'A/tra azy izay voalaza ao anatiny amin\'ny maha siantifika ahy: ohatra iray arosoko ho anao: hoy ny siantifika: big bang no niatombohan\'izao ttlo izao, avy eo niforona tsikelikely ny planeta isan-karazany, dia ny molekiola sy ny gazy namorona ny atmosfera, viriosy, bakteria, biby an-dranomasina, sahona ,bibilava dinaozaoro, vorona biby mampinono ary ny olombelona no farany indrindra izay biby mivoatra indrindra. Dia ampitahao amin\'izay voalaza ao amin\'ny asa famoronana ao@Genesisy dia disoy aho raha sahy ianao. Ity koa ny iray, i Galilée tany@taon-jato faha 16 tany ho any dia nomelohina ho faty raha niteny hoe ny tany no mihodidina ny masoandro kanefa ao@Genesisy izay efa nisy taloha lavitra ny taonjato 16 dia efa milaza fa ny ny masoandro tokoa no ihodidinan\'ny tany. Ohatra iray ihany koa ireny taratasy hita tao@lava-baton\'i Komran tany israely tany@ ireo taona efapolo anie ka t@ alalan\'ny fomba siantifika (datation au carbone 14) no nahafahana nanamafy orina ny maha tsy azo hozongozonina ny voalazan\'ny bokin\'i Isaia ohatra e! ny tena votoatin\'io d izao: ireo antontantaratasy hita ireo rehefa novinavinaina ara-tsiantifika t@ alalan\' io Carbone marqué io dia hita fa tena efa tany @ 2600 taona lasa tany ny kasinga na ny hodi-biby na ny sinitany nisy azy ireo kanefa ireo faminaniana voalazan\'Isaia tao anatiny momba ny hahaterahan\'i Jesoa dia efa voalaza tao ary izay manaraka ny tantara dia tsy nisy nipika mihitsy izay voalaza tao!! Izao no lazaiko an\'i Levondraka: aza mitompo teny fantatra fa \"NY ZAVATRA REHETRA MIARA-MIASA HO AMIN\'NY FAHASOAVAN\'ANDRIAMANITRA\" raha izay no mety hahatakaran\'ny olona sasany azy. Izay no fitakarako azy fa aleo hijanona ho ahy irery izany raha tsy tianareo.
19. fijo ( 28/06/2004 23:58)
hajaina tokoa ny finoanao,saingy tsy mandresy lahatra anay ilay izy.
20. toubib ( 29/06/2004 07:00)
fijo>mirary anao hahita ny tena marina ny tenako! tsy amin'io ihany fa amin'ny lafin-javatra maro tsy mbola fantatrao satria rehefa tena noteteziko ny forum tato dia mety miombon-kevitra amin'i Levondraka ihany aho momba anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3066