i samoela

1. mumu ( 03/05/2004 18:28)
mba tinareo ve ny tononkirany, fa toa miteniteny fôna , toa mitantara zavamisy kou nefa ka .
2. kally ( 03/05/2004 18:35)
Mahafinaritra ny tononkiran'i Samoela,misy fahasahasahiana milaza ny tena zava-misy sy ny fomba fiainana sy ny fisainan'ny gasy.Somary mahatohina ny sasany nefa dia marina ny lazainy,asa izay angaha no mahatohina ny sasany!
3. ikaretsaka ( 03/05/2004 18:40)
ka izay
tsy i samoela ihany fa ryzalahy Artista mahery vaika rehetra toy andry Sarewraka. Rah licky , Belahy (mahaleo sy Lolo tamin'ny fotoanandrony, ry bekoto...) .. ny olona tohina amin'ireny matetika dia ilay olona miolakolaka ka lasa teritery ny sainy.
Mahagaga anefa fa tena ny fiainana iainan'ny sarambaben'olona gasy ny ataon'irney tononkira anie e.
rehefa tsy te ho vise(e) ianao ka tsy te ho lasa ao anaty tononkiran'ireny dia aza manao resaka mifonofono sy miolakolaka ary afera maloto fotsiny
4. besoiiin ( 03/05/2004 19:49)
tena misokatra ny azy ny tononkira ary tena mivantana ! ary tsy miteniteny fôna akoury ry mumu ny oul rehefa milaza ny marina sy ny zavamisy a! matetika howa rehefa tenenina @ fitenintsika ny zavamisy dia lazaina fa mamoafady fôna! oh: ny alika no mamany eo! maro ny oul no tsy mahazaka anio nefa tenintsika izao! mba adikao @ teny baiko ange io raha tsy azon'ny oul ery ny ainy e! lazainy fa marina ilay voalaza ! satria ve t@ teny vahiny no nilazana azy?
5. fijo ( 03/05/2004 22:54)
marina izany ry besoinn an.milaza ny zavamisy amin'ny fiteny ampiasaina andavanandro izy,ka matetika ireo milaza tena ho masina sy mahalala fomba(azafady izay voa)no tohina amin'ireny.lazaina fa teny tsy valahara.nefa vao mivoaka ny trano ianao,dia inona no teny renao?
6. hery ( 03/05/2004 23:47)
Vitsy ny firenena na fokon'olona izay mbola mitana ny resaka fady (pudeur). Efa betsaka ny mijery film misy resaka mamoafady amin'ny anabavy na ray amandreny. Fa ny Gasy mba anisan'ny mitana an'izany... ary gaga aho fa i Fijo izay anisan'ny mpandala ny maha Malagasy (tsy manaiky ilay hoe mpanjanatsaina) dia miditra amin'ilay hoe aleo lazaina ny zava-misy.
Izaho aloha dia resy lahatra hoe io tsy misy fady io intsony no anisan'ny nentin'ny Mpanjanatsaina tao Madagasikara... ka mahatonga ny olona ho vulgaire hiteny izay tsy tokony tenenina sy ny sisa.
Raha toha-kevitra pôlitika (Sareraka) dia tsy mampaninona ahy loatra fa ilay officialisation-n'ny zavatra mbola mamoafady no tsy zakan'ny saiko.
Tsy misy miteny hoe aza miteny ratsy... samy miteny ratsy daholo. Tsy misy mandrara hoe aza miteniteny foana... Ny angatahana fotsiny dia tsy tokony ho heverina hoe efa tsy maninona intsony izany. Satria mbola maninona izany. Rehefa miaraka amin'ny samy mitovitovy fomba dia tsy misy olana fa raha eo imason'ny anabavy na ny zazakely dia ataoko fa mbola tokony hisy fetrany ihany.
Fehiny: Ilay officialisation izany no tsy mety... fa rehefa manao dia mba ataovy amin'ny takotakona. Izay no maharatsy ny an'i Samoela satria hira tonga any ambavan'ny zazakely isankarazany.
Dia aza gaga raha hanopa reny ny rainy ny zaza rehefa feno 14 taona.
7. ikaretsaka ( 04/05/2004 03:36)
aty Usa dia misy soratra @ ireny CD ana rap sy mozika misy teny "ratsy" ireny hoe Explicit content dparental advisory. ny clip an'ireny kao dia tsy mandeha raha tsy amin'ny alina matetika
any amintsika rehefa mandeha ny video eny @ sisiny dia vao heo aratra be kay X ny ao .. any al;oha no tokony amboarina vao mandeha io kaozy io..
8. aladin ( 04/05/2004 06:08)
I samoela aloha de tiako ny hirany e!fa somary hafahafa ihany raha ohatra hoe eo ny mamanao na ny anabavinao de hoy ianao hoe "....efa ambarany @ fihetsiny hoe ity ny vatany tolomy"hihihi fa misy kousa de tafahoatra fa tô ôtran'ny hoe mi-defier(azafady an) an'andriamanitra ny tononkirany iray 'zay!!!!
9. vahona ( 04/05/2004 06:21)
le resaka andeha aman...sy ange..aloha iny raha tsy diso za no version officiel @ teny gasy fa saingy hafahafa @ sofiny ihany no maheno ilay izy.Na za ary tsy mahavatana ahy le izy nefa io no malagasy officiel!!!
Misy hiran'i Samoela milaza ny fiainana marina,satria ny ankizy ange raha tsy tenenina directement dia mety tsy ho azony le izy fa raha tsy iny tsy azony.Fa misy hirany ratsy be ka!!!!
10. ravatorano ( 04/05/2004 08:32)
tena mizara tsara ny hevitra momba an i samoela .namoaka hira vaovao indray izy any ary cherie no lohantenin io.Mandeha matetika amin ny fm rhtr eto amin ny tanana izy io zao ka dia hiverina indray ny lazan ilay samou - ela kell
11. mumu ( 04/05/2004 09:19)
besoiinn: d'accord ane za we zavamisy no teneniny ,fa miteniteny fôna am ilay hira midefier an'andriamanitra hoy i aladin zay.Zany ve de mety e!!tss
ary d'accord mintsy za am hevitry i hery io!!fa hira tonga eny ambavany ankizy ilay hira manko... de misaotra anareo nanome hevitra e
12. oully ( 04/05/2004 09:48)
Fa ny mahagaga dia nalaza be sy haingana ny hirany. Zany hoe mora tian'ny olona ny zavatra mirahoraho amin'ny faharatsiana toy ireny. Zany no izy ka atao ahoana ...
13. donemaskit ( 04/05/2004 12:18)
Samoela tsy tiako mints t@ andron'ny "Poteaux" reny, fa lé albôm farany kosa aloha tiako e !! Indrindra koa moa fa Silo no arrangeur... tsy mahagaga !
14. ari.malala ( 04/05/2004 12:30)
ilay hoe tonga eny am-bavan'ny ankizy aloha dia tsy hahagaga loatra fa ny ankizy anie ka mora mandray zavatra ê! ary ny hira toa mora hay toa ny an-dry Samoela ireny no tena mora azon'ny ankizy. Anjaranao RAD no manazava ny tena dikany sy mananatra ny zanakao tsy hiteniteny foana. Ary ilay tenin'i Hery hoe officialisation ny zava mamoa fady, inona ilay zava mamoa fady fa tsy azoko? resaka fanentanana ny olona @ fanaovana kapôty ve? sa ilay hira hoe "ity ny vatany tolomy"? raha ilay faharoa aloha amiko raha ny fandraisako azy dia fitarihana ny sain'ny tovovavy maro ankehitriny ziay toa tsy manisy hasina ny vatany fa mitolotolotra @ izay lehilahy hitany ê! ary raha ilay voalohany indray, iza moa no tsy mahalala fa efa vulgarisé anie ny resaka kapôty ê! afa -tsy ny ao @ Fiangonana Katôlika ihany no mandà ny fampiasana azy alo. (toa lasa hors sujet aho izany)
15. fijo ( 04/05/2004 22:46)
matoa izy avy dia mora hain'ny olona dia mazava amin'ny olona.
hery>marina fa za dia sarotiny tamin'ny fomba gasy.ary tadidio fa ny tena gasy talohan'ny nahatongavan'ny mpanjanaka dia nivantana toa io rehefa miteny.mbola hita soritra izany any amin'ny sisiny any.izany hoe ilay fomba mody maontina io dia fomba nampidirina taty aoriana niaraka tamin'ny finoana vahiny.azafady fa izay no izy.tsy fomban tsika io.ary any amin'ny tany mbola zatra io fomba gasy io dia mivantana izy rehefa hilaza zavatra.isika merina ihany no tena voazanaka tamin'io.
ka izay no hitiavako ilay fomba fihiran'i samoela
16. vahona ( 04/05/2004 23:30)
ohatran'ny toa marina ihany ity tenenin'i fijo ity satria toa nianatyra an'izay marina izahay tany ampianarana hoe tsy fomba gasy io fa namboarina.
17. jhouhlambout ( 05/05/2004 07:35)
ekena
18. andriambelo ( 05/05/2004 08:51)
Tsy misy zava-baovao eto ambany masoandro.
I Samoela dia sarangan'ny mpihira mpiantsy, na "provocateur" ; nisy foana ny toa azy tamin'ny fotoana rehetra. Ry Xhi ohatra, na ry Sareraka.
Toy ny mpanoratra mahay rehetra i Samoela tsy hoe namorona teny (neologisme), fa amin'ireo teny tsotra fampiasa isan'andro no namoahany hevi-baovao (tsy zakan'ny tsena , polisy malala, sns...)
19. ikaretsaka ( 05/05/2004 23:30)
izay mihitsy.. mahagaga koa ange ilay olona hoe mpitandro ny marina sy ny sisa nefa ny fiainana andavanandro sy ny marina no lazain'ireny artiste ireny dia maro ny tafintohina e..
Ry mpiatsaraivelatsihy!
20. fijo ( 07/05/2004 00:15)
za matetika dia maka ity fomba fiteny ity:"ny kristianina dia tia sy mitory fitiavana,saigy tohina rehefa resahana fitiavana.manohitra be ny ady kosa izy,nefa dia finaritra miresaka hady"
ka asa raha tafiditra amin'io voalazan'ikaretsaka io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1613