Angano kay ny GEN.1-6

1. fatou ( 03/05/2004 07:39)
Vao haingana vao kopy aho @ io toko sy andininy ao@ ny baiboly io.Nampametra-panontaniana ahy mihitsy mantsy izy io(toa otrn'ny misy zavatra tsy mety izany) oh:ny safidy nomen Atra ,ny momba an ilay voankazo,ny fahafantaran Atra mialoha ny ho ataon i Eva...
Kay izy io izany angano tany @ 3° siecle tany.Ka t@zany manahirana be ny hamaly ny fanontaniana hoe: avy aiza izahay ry dada sy neny? de notantaraina hoe:"T@ voalohany Atra nahary ny lanitra sy ny tany.......
novalian'i fijo ny 12/05/2004 23:55
2. hery ( 03/05/2004 08:34)
(hiteny ve sa tsy hiteny)

Raha ny marimarina kokoa dia tany @ taona 500 talohan\'i JK tany ho any no voarindra tanteraka ho boky ny Genesisy (Tamin\'ny andron\'i Ezra taorian\'ny fahababoana tany Babilona).
Tsy olona iray no nanoratra azy fa rakitsoratra vitsivitsy izay mitantara ny fiandohana no natambatambatra. Manaporofo izany ny endri-tsoratra na style, ny fiantsoana an\'Andriamanitra (Elohim, Yahweh). Izany no mahatonga ny tantara iray miverina indroa na intelo ao amin\'ny Genesisy.
Inona no tiana hotenenina amin\'izany? Toa ny foko rehetra izay samy nametra-panontaniana ny amin\'izay fiandohan\'ny olombelona dia mba nanao toa izany koa ny Zanak\'Israely. Ny Malagasy koa dia manana ny fototra iandohan\'ny zavatra rehetra miseho amin\'ny angano. Ny zavatra iraisana dia Andriamanitra no fototra. Andriamanitra no nahary.
Ny Genesisy izany dia natao hampisehoana an\'izany fahariana izany amin\'ny kisary sy hevitra mety hahazoan\'ny olombelona azy. Indriindra indrindra hanehoana ny toetran\'Andriamanitra sy ny toetran\'Olombelona.
Tsy nisy naka feo na sary ny zava-nisy tamin\'ny voalohany. Tsy tokony ho raisina ara-bakiteny, araka izay voasoratra, ny Baiboly fa tokony iainana araka ny hevitra fonosiny. Ny hevitra tia ampitaina amin\'ny Genesisy dia Andriamanitra nahary vokatry ny fitiavany maimaim-poana (fahariana) kanefa tsy nanaiky izany ny olombelona (fahotana) noho ny fiavonavonany.

Mety hanampy anao amin\'ny fandinihana ny dinidinika ao amin\'ny
http://www.hope.edu/academic/religion/bandstra/RTOT/RTOT.HTM

3. xxx ( 03/05/2004 10:38)
Mampalahelo zany eritreritrao izany ,ny torohevitro de tsara kokoa ny andinianao tsara ny baiboly vao miteniteny foana ianao,zay no tena fahendrena .
4. hery ( 03/05/2004 10:40)
Ny eritreritr'iza io?
5. zokinifijo ( 03/05/2004 10:43)
hery>angah tsisy teny vaza farantsay ilay site nalefanao io?
nefa tena interechant b
6. fatou ( 03/05/2004 13:55)
Fisaorana be ho an'i Hery.
Ny olana amiko dia izao: nahoana na nafantoka be tao an-tsaina ny fahamarinan'io tantara io.Tsy nisy fomba hafa ve mety nampitaina io hafatra ao @ genesisy io afatsy Adama sy Eva?
Nafantoka be hoy aho satria tsy afaka moramora ao antsain'ny olona izy io.Nanontany an'ireny efa antitra t@ famakiana baiboly ohatran' iXXXX ireny aho dia io valitenin'i XXXX io no azoko.
NB milay be le site ra-Hery à.
7. coxman ( 03/05/2004 16:01)
Betsaka ny olona manao ny Baiboly ho ara-bakiteny fotsiny.
Diso izy.
Mampalahelo tokoa ny ataon-dranamana io : mandiniha aloha na manaova fianarana manokana ianao vao manao fanambarana mahamenatra toy izany.
Toro-hevitro farany : aza manao sangisangy ny Baiboly ianao.
Misaotra anao mialoha.
8. ikaretsaka ( 03/05/2004 16:50)
Izay mihitsy. izany ny tsy ahavoazako loatra ilay mitsipona isan'andalany nefa tsy hainy akory ny tena contexte an'ilay zavatra.
miray hevitra tanteraka amin'i Hery @ ilay hoe:

Tsy nisy naka feo na sary ny zava-nisy [tany aloha tany] . Tsy tokony ho raisina ara-bakiteny, araka izay voasoratra, ny Baiboly fa tokony iainana araka ny hevitra fonosiny.

Amiko ireny mpaka isan-andalana ireny no atao hoe secte
9. hery ( 03/05/2004 23:30)
fatou> ny fahendrena lehibe indrindra rehefa mitsara tantara iray dia ny fipetrahana eo amin'ny toeran'ny olona niaina tamin'ilay fotoana nipoiran'ilay tantara. Amin'izao fotoana izao isika dia miteny hoe tsy nisy fika hafa ve fa dia izany no natao tao amin'ny baiboly? Dia mitovy ihany koa amin'ny hoe maninona no tamin'ny alalan'ny fadifady no nananarana ny Ntaolo taloha? Tsy azo tsaraina amin'ny fiainana amin'izao fotoana izao ny zavatra niainan'izy ireo tany aloha tany.

Aoka anefa tsy atao bambaray indray hoe diso daholo ny baiboly. Mitoetra hatrany ho tenin'Andriamanitra ny Baiboly. Fa tsy hoe teny nataon'Andriamanitra Dictée (ohatran'ny Koran) fa teny nanehoan'Andriamanitra ny fisiany teo anivon'ny vahoakany.
Io ilay hoe Andriamanitra dia miteny amin'ny alalan'ny manodidina anao sy izao tontolo izao ihany koa.
10. ikaretsaka ( 04/05/2004 03:41)
misaotra an'i Hery nizara,,,, betsaka ny olona tsy nahay izany izoa fa dia faly nitsipona isan'andalany fotsiny
11. vahona ( 04/05/2004 03:56)
tena tsara mitsy ny zavatra teneniny hery eto ambony eto,misaotra be dia be!!
mety hampivavaka sy hampino an'Andriamanitra olona maromaro mitsy ianao!!!!
12. tia_ery ( 04/05/2004 07:19)
Ny bokin'ny Genesisy dia tafiditra ao anatin'ilay antsoina hoe ''pentateoka''. Tsy sanatria fitia te hitantara fotsiny na koa hoe filazalazana ny tantara fotsiny io boky io.

Ny mampalahelo amin'ny olona sasany dia ny filazana fa tsy mifanaraka loatra amin'ny toetrandro ankehitriny intsony io tantara io hany ka zary ampifanitsina amin'ny vanim-potoana sns... eny fa hilazana mihintsy fa '' ny fahendrena lehibe indrindra rehefa mitsara tantara iray dia ny fipetrahana eo amin'ny toeran'ny olona niaina tamin'ilay fotoana nipoiran'ilay tantara ''; arak'io izany dia mety tsy hitombina na koa hampiahiahy ilay tantara satria sarotra aminao ny ndeha hiaina an'izany t@ andron'i Adama sy Eva izany.

''Aoka anefa tsy atao bambaray indray hoe diso daholo ny baiboly''. Ny tiana hampitaina dia ho an'izay manaiky ka Tenin'Andriamanitra ny Baiboly dia mino marimarina aho fa tsy dia hanoratra ny toy izao angamba na koa hihevitra fa misy DISO ao anatin'io Baiboly io !!!

Ny Baiboly tsy tantarana firenena anankiray izany velively; tsy tantaran-drazana Jiosy ihany koa. Ka diso hevitra isika hisaina sy hilaza fa ''
Toa ny foko rehetra izay samy nametra-panontaniana ny amin'izay fiandohan'ny olombelona dia mba nanao toa izany koa ny Zanak'Israely'' dia nosoratana sy noraiketina antsoratra ireny horonam-boky ireny ho tonga TESTAMENTA TALOHA.

Sôtra ê!
13. fatou ( 04/05/2004 09:25)
mino 100% aho fa tenin'Atra ny baiboly.Mba tsy hiverenan'ny fanesorana ny teny ao toy ny nataon'ireo teo aloha no tokony hanovantsika ny fomba hampintaintsika ny votoatin'io tantara io,efa misokatra be ny sain'ny ankizy @izao ka tokony ho takatry ny sainy izany.Tsy tokony any @ faculté de théologie vao lazaina hoe:"fony mbola kely ianareo dia ronono no nomena anareo,fa rehefa lehibe ianareo dia tsy maintsy mihinana sakafon'oulndehibe ka izao no marina:bla bla bla..." tsy ny oul rehetra tsinona no mankany.
Asakasakareo raha mbola hilaza @zanakareo ianareo hoe tena misy dadabe noely na i rakakabe.Ny votoatiny lazaina aminy fa aza terenao hametraka ba kiraro etsy sy eroa izy.
14. hendry ( 04/05/2004 10:31)
Ny ahy tsotra ny fandraisako ny baiboly na Genesisy io na apokalipsy na luc, marc sy ny sisa. Tenin´Andriamanitra ny tiana ampitaina ao @ baiboly saingy olombelona no mampita azy, @ maha olombelona ny olombelona dia samy manana ny heviny ary inoako marimarina aza fa betsaka ny zavatra niova tao @ baiboly nandritry ny fotoana nanoratan´ny olona azy sy nanaovana ny fandikanteny isankarazany. Maro ny voatana ilay hafatra tian´Andriamanitra ampitaina, mety misy ihany koa nefa ny niova heviny.
15. ravatorano ( 04/05/2004 11:47)
ramaso>mbola ny paratay aloha no haiko tanteraka fa ho avy eo ihany ny angalisy.
Momba ny baiboly dia izao no hevitro izy io dia boky iray entina miaina hanakekezana ny fahamarinana sy ny fahamasianana.Ny didy folo voalaza ao anatin io dia manambara fa tena aro fanina lehibe eo amin ny fiainan ny zanak olombelona io.Ny genesisy na genezy dia izao ihany nisy mpampianatra paleontologie izay teo Ankatso teo ary dia tena mpampianatra baiboly sady nandala ny baiboly amina taonany maro izy io ary dia nanambara izy tao ampianarana fa tsy natao ho livre de science naturelle ny baiboly indrindra fa ny genese momba ny fomba nahariana an izao tontolo izao.
Iao koa no mahagaga rehefa ny foko Israelianina no nanonta boky rehefa avy anontany tena momba ny fiavian ny zanak olomnelona dia nolazaina fa io no tena izy sy marina fa raha ny foko malagasy izany nilaza fa nidina teto ambonin ny tany ny zanak 'Andriamanitra ....dia nolazaina fa angano angano arira arira....tsy azoko io ry tia_ery.
Samia mifototra amizay inoany
16. hery ( 04/05/2004 12:39)
tia_ery> Ohatran'ny nandà bambaray ny zavatra nosoratako i tia_ery fa tsy nilaza ny heviny. Sa ny dikan'izany dia hoe ny mifanohitra amin'ny hevitro izany no hevitr'i tia_ery ?

Tsy mifanaraka amin'ny toe-trandro ankehitriny ny "TANTARA" ao anaty baiboly ka tsy tokony hanina am-bolony fa tokony fakafakaina sy hazavaina ary takarina hoe inona no tian'Andriamanitra hambara. Izany daholo ny zavatra rehetra iainantsika... misy message avy amin'Andriamanitra dia iny no fakafakaina hoe inona no tian'Andriamanitra ambara amin'izao situation-ko izao. Niteny tamin'ny olona tamin'izany fotoana izany ny Baiboly, niteny tamin'ny taranaka mifandimby... ary mbola miteny amintsika ankehitriny... fa tsy mitovy ny fiantraikan'izany isaky ny taranaka. Izany indrindra no ilana an'ireo izay mpandinika sy mpianatra baiboly ary ny mpitory mba hanazava amin'ny olona hoe inona INDRAY ho an'ny taranaka amin'izao fotoana izao no fisehon'ilay hafatra (tenin'Andriamanitra) ao amin'ny Baiboly.

Tantarana firenena iray ny Baiboly... misy tsy mety manaiky ny sain'ny sasany hoe nahoana no firenena kely toa an'Israely no nitantarana izany. Dia mandingan-dava be mandeha amin'ilay universalisme hoe ho an'ny olona rehetra etc... tsy misy mandà an'izany. Saingy firenena sy fokompirenena voafaritra tsara no nizarana ny Teny voalohany. Samy nanana ny fiainany an'izany izy ireo. Ka ianao izay mitondra izany teny izany aty aoriana no mila mandamina izany hifanaraka amin'ny tany sy ny olona hizaranao azy. Izay no tsy maintsy hialana amin'ilay resaka mandika sy manaraka ara-bakiteny. Raha any amin'ny tany fady ondry ianao no miteny hoe "Ny ondry nataony tao ankavanany fa ny osy nataony tao ankaviany" dia ho gaga ireo olona ireo... Na raha amin'ny tany maina tsy misy orana ianao no mitantara ny safo-drano dia tsy ho azon'izy ireo mihitsy izany orana milatsaka 40 andro sy 40 alina izany... sy ny sisa.

Fehiny: Tenin'Andriamanitra ny Baiboly... fa tsy teny nosoratan'Andriamanitra tamin'ny tanany. Ny inspiration izay nisy tamin'ireo mpanoratra dia vokatry ny zavatra niainany tamin'izany fotoana izany. Izay azo adapter-na tsara hamahana ny olana amin'izao fotoana izao. Adaptation hoy aho fa tsy copier-coller.
17. tia_ery ( 04/05/2004 14:49)
Ka izay filazan\'i Hery izay mihintsy no mandiso ny fihevitry ny maro ary tena tonga tokoa amin\'ilay hoe LANY ANDRO NY TENIN\'ANDRIAMANITRA FA TSY MIFANDRAIKA AMIN\'NY VANIM-POTOANA IAINANTSIKA TSONY ANKEHITRINY.

Io Tenin\'Andriamanitra io ange ka tsy phénomène de mode ka hoe ampifanintsina amin\'ny vanim-potoana ê!

Raha resaka TRADUCTION dia ekeko \'zany hoe ilay voambolana nampiasaina taloha mety tsy ho takatra sy fantatry ny olona amin\'izao fotoana loatra intsony; satria ny TENY miaina sy mivoatra. Izay ilay mahateny ny teny.

Fehiny: Tenin\'Andriamanitra ny Baiboly... fa tsy teny nosoratan\'Andriamanitra tamin\'ny tanany. Ny inspiration izay nisy tamin\'ireo mpanoratra dia vokatry ny zavatra niainany tamin\'izany fotoana izany. Izay azo adapter-na tsara hamahana ny olana amin\'izao fotoana izao. Adaptation hoy aho fa tsy copier-coller.
18. tia_ery ( 04/05/2004 14:55)
Ka izay filazan'i Hery izay mihintsy no mandiso ny fihevitry ny maro ary tena tonga tokoa amin'ilay hoe LANY ANDRO NY TENIN'ANDRIAMANITRA FA TSY MIFANDRAIKA AMIN'NY VANIM-POTOANA IAINANTSIKA TSONY ANKEHITRINY.

Io Tenin'Andriamanitra io ange ka tsy phénomène de mode ka hoe ampifanintsina amin'ny vanim-potoana ê!

Raha resaka TRADUCTION dia ekeko 'zany hoe ilay voambolana nampiasaina taloha mety tsy ho takatra sy fantatry ny olona amin'izao fotoana loatra intsony; satria ny TENY miaina sy mivoatra. Izay ilay mahateny ny teny.

Fehiny: Tenin'Andriamanitra ny Baiboly... fa tsy teny nosoratan'Andriamanitra tamin'ny tanany. Ny inspiration izay nisy tamin'ireo mpanoratra dia vokatry ny zavatra niainany tamin'izany fotoana izany. Izay azo adapter-na tsara hamahana ny olana amin'izao fotoana izao. Adaptation hoy aho fa tsy copier-coller.

Marina fa tsy hita tokoa ny tanan'Andriamanitra nanoratra an'io Tenin'Andriamanitra. Fa ny azoko lazaina ary mbola hamafisiko dia ny OLONA IZAY NAMPANORATINA NY BAIBOLY dia FITAOVANA nampiasan'Andriamanitra handrakitra an'ireny antsoratra ho azontsika dinihana sy vakiana.

''Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa avokoa ho fampianarana, ho fanitsiana izay diso ary ho fandresen-dahatra...''

''Fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona taloha fa avy tamin'Andriamanitra araka izay nampanoratin'ny Fanahy ...''

Dia hinia hikimpy ve isika eo anatrehan'ireny voalaza rehetra ireny ka hiteny fa ny Baiboly dia soratanan'olona araka izay traikefa niainany.

Ny tsy azoko aminareo rehetra ireo dia izao : Ny Baiboly Katolika sy ny Baiboly Protestante fotsiny aza dia efa tsy mitovy. Dia apetrao kely ny fanontaniana hoe fa inona no antony ?

Amiko raha soratanan'olona fotsiny ihany io ka niainga tamin'izay niainany sy izay traikefa hitany dia mino marimarina aho fa tsy ho nisy izao tsy fitoviana izao.

Sôtra ê!


19. ikaretsaka ( 04/05/2004 19:41)
ohatran'ny tsy azon'i tia_ery ny tian'i Hery ambara koa. ny point an'i Hery hoe tsy hoe forcena fotsiny ohatran'io ataonao io ilay izy fa hoe adihadihana ara tantara.

Ny tsy nampitovy ny Baiboly Katolika sy ny baiboly protestanta dia nisy boky sasany nofoanan'ny protestant sy teny sasany novaina satria araka ilay fiheverany dia hoe mivoana sy mandiso ilay reforme ilay izy
20. hery ( 04/05/2004 19:55)
Somary misy tsy firindran-kevitra ny tenin'i tia_ery. Ilay tenin'i tia_ery hoe "Ny Baiboly Katolika sy ny Baiboly Protestante fotsiny aza dia efa tsy mitovy. Dia apetrao kely ny fanontaniana hoe fa inona no antony ?" dia manamarina tsara ny teniko.

Be dia be tokoa ny nanoratra... samy nihevitra ny soratra nosoratany ho tenin'Andriamanitra. Misy boky be dia be tsy tafiditra tao amin'ny Baiboly (tsy ny Torah na boky dimin'i Moizy irery ohatra no nitantara ny fiandohana. Ary ny Torah arak'io nolazaiko io dia manana loharano maromaro). Tsy noraisin'ireo fokom-pirenena (communauté) ho tenin'Andriamanitra anefa ny sasany amin'izy ireny satria tsy manampy azy amin'ny fiainany andavanandro (expérience). Tsy dia ilaina amin'ny fiainam-pinoana. Taty aoriana aza dia mbola nisy ny Apocryphes isankarazany mitantara ny fiainan'i Jeso fa tsy noraisina ihany koa.

Izany hoe ny vondron'ny mpino (izay namaritra ny Canon) no namaritra hoe ity boky ity Tenin'Andriamanitra fa itsy kosa tsy mifanaraka amin'ny foto-pinoana ka tsy ampidirina ao anaty Baiboly (tsy tenin'Andriamanitra?).

Fanazavana fohifohy momba ny Apocryphes http://ermitage.ouvaton.org/article.php3?id_article=145

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1898