Mivavaka aho satria

41. tia_ery ( 12/05/2004 14:24)
Nareo koa toa mila mamaky Baiboly dia mijery tsara hoe iza avy ireo Apostoly 12 fololahy kle !!!

Petera/Tomasy/Didimo dia jereo tsara daholo fa ohatran'ny tsy haiko be ny ihany.

Sôtra ê!
42. yonikafopl ( 12/05/2004 15:00)
fijo a! na dia hoe tsy mpivavaka aza ianao dia mba antsoy @ anarany ilay izy fa aza atao an'izany ralavavolo izany kosa e! raha ianao ve no antsointsoina hoe iny bekibo iny rehefa miresaka ny momba anao ny olona dia tsy mba ho hafahafa ianao e! tsy hoe manakiana anao aho fa mba tsetsatsetsa tsy aritra ihany ny ahy iny ka raha tsy mety dia avereno amiko fa aza tezitra amiko an!
43. ikaretsaka ( 12/05/2004 16:38)
Yonikafopl> samy manana ny fiantsoany io .. izhao koa manao hoe ralavavolo na Rajesosy.. fomba hifandraisako aminy io ary ataokko ialahy aza izy indraindray rehefa mivavalka aho satria efa nanetry tena sy hoe nanao zokiko. Ny Zafindraony sy ny akamaroan'ny olona any ambanivohitra koa manoa hoe Rajesosy na Ramaria na rajosefa ..
ary na ny vazaha frantsya az ami tutoyer rehefa mivavaka...
ity hateren'ny sainareo e!
44. fijo ( 13/05/2004 00:02)
azonao antsoina tsara an'izany aho ka,na rakibotaina koa aza tsy mahamenatra io satria milay aho izany ka.
tia ery,simona petera no izy fa tsy tomasy petera.
ikaretsaka izao ataoko hoe ralavabe,dia maninona ataoko ity lavabe izy,nga izy sosotra sa nandrora?
za be mpiantso hoe rakibo,dia mamaly aho.tsyhitako mihintsy izay diso amin'izany.izy no te holavavolo.
45. yonikafopl ( 13/05/2004 08:11)
ikaretsaka sy fijo a! ka mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny ka raha nahadiso re dia azafady e! tsy tery saina araka ny lazainao aho ry ikaretsaka a! fa angamba fatra-panaja olona foatra ka miala tsiny , i Jesosy koa anie iza moa no nilaza fa lava volo izy? tsy nisy nahita azy fa vinavina daholo ireny misy ny sary sasany lava volo , misy koa ireo mitapa-bolo @ film sasany .
46. fijo ( 14/05/2004 00:44)
sady io rajesosy io anie tsy tena anarany fa imanoela no tena narany e.sahala amin'nyhoe za"mamy no tena anarako fa fijo no hiantsoana ahy ato.izanyhoe samy hafaka mamorina anarana izay reviny e.tsy sosotra amin'i ionikafop aloha aho e,fa marina kosa io voalazan'i ramaso io.
47. mumu ( 14/05/2004 07:48)
samy manana ny heviny avy ny tsirairay aminio io, fa refa mino aminy fonao rehetra ianao zay no tena tsara raha amiko
48. arena ( 15/05/2004 19:11)
ny ahy aloha dé hajaiko ny anarany satria Mpanjaka izy dia i Jesosy kristy , fa rehefa any an-danitra any daholo hono ny olona dé lava volo daholo sady tsy misy antitra mihintsy e ! mahazotoa mivavaka e !
49. yonikafopl ( 16/05/2004 21:34)
ramaso tsy tafintohina t@ilay ho Rajesosy kosa aho e!, fa ilay hoe ralavavolo no somary nanahirana ny masoko ny namaky azy, ary ny fi tutoyer na olona akory tsy midika ho tsy fanajana azy kosa angamba ka,
arena izaho koa toa anao manaja an'i Jesosy na Imanoela toy ny fanajako ny zokiko aho.
50. arena ( 17/05/2004 17:42)
marina ny anao ry yonikafopl rehefa manaja enao de mba misy manaja koa fa vao maika ve fa ny Mpanjaka ny Mpanjaka tena omena azy ny voniahitra satria RAY izy
51. fijo ( 18/05/2004 22:32)
olona tsy niteraka ve dia ho ray e?aiza ianareo izany.sa nanana zazasary tany ambadika tany koa i lery?
ary mpanjaka taiza moa i tsy tia hety iny.olona voameloka iny ary voaheloka hofaty fa tsy mpanjaka izany;
52. yonikafopl ( 19/05/2004 21:50)
fijo, tsy hiadiana hevitra ny fomba fiheveranao e! hevitrao izany ka dia manaja izany hevitrao izany ny tenanay e
fa na izany aza Jesosy dia Mpanjakan\'ny Mpanjakanay , tsy voatery ho Mpajakanao koa anefa izy fa mahazo misafidy izay tianao hanjaka ho anao ianao
zoky be toa ray ka, fa angaha moa niteraka ihany no antsoina hoe ray? ny mopera ( pere) zany atao hoe ahoana? satria tsy niteraka
53. fijo ( 19/05/2004 22:41)
ka ny mpanjaka anie ka manjaka amin'izay rehetra eo,fa tsy hoe za mpanjakan'iry fa tsy an'iry e.
maro ny mopera miteraka ko.
54. yonikafopl ( 20/05/2004 01:01)
ka ny mpanjakan'i angletera ange izao ry fijo tsy mpanjakantsika gasy e! dia toyu izany koa Mpanjakako Izy fa tsy mpajakanao.
55. fijo ( 20/05/2004 23:04)
ianao gasy,za koa malagasy,raha mpanjakanao izy tokony ho ahy koa.raha anglisy aho dia marina izay.tsy mitovy izany.ravalo izao dia filohan'ny malagasy,na nifidy azy na tsia.
56. arena ( 21/05/2004 18:25)
Fijo à , raha tianao atao mpanjaka izy dé azonao atao e ! fa raha tsy tianao dé tsy haiko e ! zé tianao ihany io tsy azo forisena enao , fa izy amiko aloha dè Mpanjaka ny Mpanjaka ary Andriamanitra ny Andriamanitra eto an-tany sy any an-danitra any dé zay ok Fijo
57. fijo ( 24/05/2004 23:40)
ka tsy mitombina ilay voalazanao ka azafady fa mila zavatra mafonja aho vao mety hievitra fa mety homarina izany.
58. yonikafopl ( 25/05/2004 01:12)
Fijo a! samy malagasy isika, nefa ny rainao tsy ho raiko mihintsy,
ary koa raha misy izay nekeko ho namana tsy voatery iny ho namanao koa, fa samy misafidy izay ho namantsika isika. fa na dia hilaza zavatra mafonja tsy hay zakaina aminao eto aza izahay rehefa tsy hino ianao tsy hino, tsy anjaranay anefa ny handresy lahatra anao fa anjaran'ny fanahy, fa ny hany lazaiko anao dia izao Ilay mpanjakanay sy Andriamanitray dia tia anao foana , tsy voatery ho mpanjakanao izy eny fa na dia ahilikilikao aza fa tsy ilainao dia tsarovy fa miandry anao izy na oviana na oviana hitodianao any aminy,
Ravalo filohan'ny malagasy na nifidy na tsy nifidy hoy ianao, marina izany , fa ireo izay tsy nifidy azy ve nionona ka namitsaka satria izy no eo? niady sy manao izay azony hatao foana izy ireo hanoherana sy handravana ny fanjakany.Ilay mpanjakan'ny mpanjaka izay ekenay,sy nofidianay dia manjaka feno eo @ fiainanay , fa ianao izay tsy nifidy azy dia manana fanoherana foana sy tsy manaiky ny hanjakany, safidinao izany tsy manery ny hanjaka eo aminao izy>
59. fijo ( 27/05/2004 22:56)
ka le miandry fotsiny koa tsy izy ,fa raha tena tia olona izy tokony manao izy hisarihana ny olona hanantona azy.
60. arena ( 02/06/2004 18:52)
fijo à ! mino aho fa mbola ho avy any aminao izy , ny olona fatram-pandà mantsy no mora manaiky @ farany e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6837