Mivavaka aho satria

21. ikaretsaka ( 03/05/2004 16:53)
Marina mihitsy io.
Raha anontanian'ny vadinao ianao hoe maninona enao no tia ahy? Dia hozy ianao hoe "Satria voasoratra hoe... tiavo ny vadinao." Dia ahoana?
Dia amaly ve ianao hoe
Dia hoy ny Baiboly ao @ toko faha zao andininy faha zao hoe ....


22. vahona ( 04/05/2004 04:34)
tia_ery>protestant enao e?zany manko no nampianarina anay tany @ katekomena.
ilay toriteny iny koa anefa samy mana ny fanaovana azy ny olona ka ne hevitra iray avy @ Jk ary o tiana ampitaina amintsika dia mety samihafa no hitenenan'ny olona azy.
marina ny an'i hery hoe mahasambatra ny miaraka @ Andriamanitra fa saingy indraindray ianao mety handalo zav-tsarotra ihany satria fitsapan'Andriamanitra daholo izany.
ireo olona nijaly ireo ange t@ farany niadana ihany e,satria tsy niala t@ Andriamanitra ny finoany.
raha araky ny fanazavanao hoe finoana dia fanantenana ny zavatra hoa avy dia mino zany hery satria izy dia manantena foana fa tsara ny zavtra miseho aminy satria izy miaraka @ Andriamanitra.
Matoa hery ange mieritreritra hoe ny experience personnelle ny olona no mampitombo ny finoany dia satria izy efa nanana ny finoany tao anatiny fa nampitombo azy fotsiny ny experience personnelle.Ohatra hoe tsy mino an'Andriamanitra ilay olona nefa miadana be eo @ fiainany,tsy votery izy hino an'Andriamanitra fa mety hoe tena "be chance za" dia zay no inoany.

Dia izao koa ny hafatro,aoka tsy hihonzogonzona ny finoanareo an'Andriamanitra na dia maro aza ny mety hanembatsembana.
Dia mamakia Baiboly fa ao no mety hahitana ny valin'ny fanontaniana apetraka isan'andro.Marina hoe misy zavatra sarotra ihany ny lazain'ny Baiboly fa izay no mahamisy ny pasitera sy ny mompera afaka hanazava anao satria ireo efa nandalina momba an'azy io.
Kanefa aza dia mandray ny tenin'ny Baiboly satria misy zavatra mifanohitra ihany ao indraindray:"maso solon'ny maso" nefa hoy indray Jesoa hoe "raha misy mamelaka ny takolakao ankavanana dia tolory azy koa ny ankavia"

Dia mazotoa mivavaka ry zareo a!!!
23. tia_ery ( 04/05/2004 07:36)
Ny mahagaga FINOANA no resahina ka dia ny EXPERIENCE PERSONNELLE no indraindraina!!! toa tsy mifanindran-dalana ihany ilay izy.

marobe ny olona izay tsy miaina na manana an'izany atao hoe toe-panahy araka an'Andriamanitra nefa manana fitondram-piaina toa mampitsiriritra ny maro. Tsy miaina an'izany hoe ''miara-dia amin'Andriamanitra'' nefa manana fiainana tena mampite-hiteny fa tena zanak'Andriamanitra tokoa.

Ireny endri-javatra ireny no zary mampi-tehiteny fa misy expérience izay iainan'ny olona sasany, toa manin-doka sy toa marina nefa marina ivelany fotsiny ihany. Sanatria velively tsy fitsarana ny hafa no hilazana an'izany ary koa tsy fitia te hampiseho na hanindraindra fa NY AHY IHANY NO MARINA; sanatria izany fa betsaka ny olona no zary mametraka ny fiainany eo ambonin'izany hoe PAR EXPERIENCE fotsiny ihany.

Ohatra iray, Jesosy sy ny Mpianany : nisy fotoana i Petera sy ny namany nandeha nanjono,; lany fotoana maro, nampiasa ny fahaiza manao sy izay traikefa nananany nefa ny vokany tsy nahazo hazandrano na dia iray aza. Eo anilan'izay Jesosy Kristy no niteny ''Arotsay amin'ny ankavanana ny haratonao...'' niambakavaka sy lasa saina angamba ireto mpianatra nefa hoy izy ''noho ny teninao dia arotsako ihany ny harato ...'' ny vokany trondro marobe tsy hay bataina no azony.

Ohatran'io tantara io ihany fa ny tenin'i Jesosy tamin'ny mpianany dia ny hoe ''Miroso amin'ny lalindalina kokoa dia arotsahy ny harotonareo...'' vokany nahazo hazandrano tsy tambo isaina izy ireo.

Izay trangan-javatra, santionany, izay no tiako hisarihana ny sain'ny maro. Mitovy ny toe-javamisy, mitovy ny tranga sns... nefa misy fotoana ianao vitan'ny eo akaikinao eo ihany dia azonao ny vokatra sy izay tadiavinao; misy fotoana ihany koa anefa mila miroso amin'ny lalindalina kokoa ianao vao mahazo sy tojo ny vokatra....

Fehiny, tsy EXPERIENCE PERSONNELLE izany hoe manara-dia ny Tompo izany. Ny expérience personnelle'nao mametraka anao amina situatio iray sy fotoana iray ihany; tsy voatery ho valable na koa ho marina amin'ny fotoana hafa.

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy JEHOVAH ary ny lalanareo tsy mba lalako.

Sôtra ê!


24. ikaretsaka ( 04/05/2004 19:45)
tia_ery
Matoa ianao mino dia ny tenaNAO izay fa tsy ny tenan'ny olona .
Personelle=personne=ianao.

ny antony nandatsahan'i piera ny harato dia ny tenany no nino fa tsy hoe ny tanan'i jesosy no nandatsaka an'iny tany.
Personelle=persone=izy!
25. fijo ( 05/05/2004 22:46)
izay,mihintsy.ny finoany no nanaovany an'io fa tsy hoe,ralavavolo no andeha hanao ilay asa eo amin'ny toerany.
26. ikaretsaka ( 05/05/2004 23:54)
ary voasoratra ao anaty baiboly (andeha aho mba hitsipona andalany @ ity) hoe ny finoaNAO no mahavonjy ANAO
27. tia_ery ( 06/05/2004 06:12)
Fa i Jesosy no niteny hoe alatsaho etsy na alatsaho ary; fa tsy INITIATIVE an'i Petera sy ireo namany. Ary izay ilay manao hitsin-dalana izay no mahadiso. Satria ve i Petera no nandatsaka ny harato dia hilaza ianareo fa izy no tena katraka ....

Ny alohan'ireo andalana vitsivitsy ireo ange dia voalaza tsara fa ... nandritry ny alina ary efa hadiva haraina nefa mbola tsy nahazo hazandrano r'izareo ê!!!

Tsara raha vakiana ireo andalana dia hazava tsara ilay izy.

Marina fa hoe ny FINOANA tokoa dia IANAO no fototra; nefa misy ary ny ankabetsahany dia zavatra iraisana amin'ny maro no hinoana.


Ny marina sy azo lazaina dia misy karazan'ny telo ny tiana ho lazaina ao amin'ny Soratra Masina raha ny FINOANA no tiana resahina.

1°) Ao ilay hoe FINOANA mitondra ho amin'ny FAMONJENA ny FANAHY; io no tiana tsindriana amin'izay hoe NY FINOANAO NO MAHAVONJY ANAO

2°) Misy indray anefa ilay FINOANA miteraka na mitondra anao ho amin'ny ASA; ilay notenenin'ny Jesosy amin'ilay hoe ''na dia manana FINOANA tahaka ny voatsinapy aza ianao ...''

3°) Ilay FINOANA izay faritan'ny tenin'Andriamanitra araka ny bokin'i Hebreo ny hoe :

''Ny finoana no fahatokiana ny zavatra antenaina; fanehoana ny zavatra tsy hita''.

Ny marina dia ireo no hevitra fonosin'ny teny hoe FINOANA araka izay voasoratra ao anaty ny Baiboly.

Sôtra ê!
28. hery ( 07/05/2004 00:08)
Ilay expérience personnelle teneniko dia ilay fahareseko lahatra (IZAHO MANOKANA) amin'ny fiaraha-mianako amin'i Kristy. Nanana an'io Expérience personnelle avec le Christ io i Petera fa raha tsy izany tsy nalatsany ny haratony.
Io no expérience personnelle-ko. Hatramin'izay ninoako izay dia tsapako hoe sambatra hatrany aho (na dia misy aza ny aditsaina sy fijaliana isankarazany amin'ny maha-olombelona). Io experience-ko personnelle miaraka amin'i Kristy io no mahatonga ahy hanatena sy hatoky ny nampanantenainy. Ny expérience personnelle teneniko izany eto dia ilay conviction-ko manokana hoe satria tia ahy ny Tompo... fa tsy hoe Satria mino i anona, na hoe satria izay no nolazain'i Pasitera, na hoe satria izay no nolazain'ny Baiboly. Ireo rehetra ireo dia nanampy ahy sy nifotoran'ilay expérience personnelle.

Tsy hino mihitsy ny olona raha ohatra ka ny baiboly sy ny fiangonana ihany no asesikao ao andohany kanefa tsy tsapany eo amin'ny fiainany (expérience personnelle) miaraka amin'i Kristy izany fiadanam-po sy fanahy izany.

Ny finoan'i tia_ery ve izany finoana nolovaina fotsiny?
29. tia_ery ( 07/05/2004 06:12)
Fangaha koa misy an'izany hoe LOVAINA sy ... izany ?

''Ny FINOANA dia avy amin'ny Toriteny ary ny toriteny dia avy amin'ny Tenin'i Kristy''.

Io angamba no tiako resahina sy hifampizarana aminareo; ny toa
30. tia_ery ( 07/05/2004 06:23)
Fangaha koa misy an'izany hoe LOVAINA sy ... izany ?

''Ny FINOANA dia avy amin'ny Toriteny ary ny toriteny dia avy amin'ny Tenin'i Kristy''.

Io angamba no tiako resahina sy hifampizarana aminareo; ny toa manahirana mantsy dia zary ny olona sasany no mampifanin-drandalana ny lalany amin'ny lalan'Andriamanitra ka apetraka amin'izay hoe izay ilay FINOANA.

Ny FINOANA no fahatokiana ny zavatra antenaina; ary fanehoana ny zavatra tsy hita.

sy ny hoe ''Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy JEHOVAH; ary ny lalanareo tsy mba lalako''.

Ny mahamaika antsika dia ny hanefy lalana araka ny fisainantsika sy izay hitantsika fa marina, hany ka zary toa ilay FIHEVITSIKA sy ilay LALANTSIKA no tena masaka ao an-doha fa iny no tena sitrapon'Andriamanitra sy marina. Hatraiza anefa ?

Ka na izany hoe EXPERIENCE PERSONNELLE sy CONVICTION izany aza ange dia efa samy hafa ny dikany ê !!! (ka io tsara hazavaina tsara).

Amiko raha nanana an'izany expérience izany i Petera tsy hilaza mihintsy ny hoe ''NOHO NY TENINAO DIA AROTSAKO IHANY...''.

Fa ito tena tranga tena izy ao anaty Baiboly, tamin'i Mosesy nitondra ny zanak'israely (ZI) nivoaka ny tany Egypta; nisy fotoana tsisy rano nosotroina ny ZI ka nangataka tamin'i Jehovah dia nasain'i Jehovah nokapohin'i Mosesy ny vatolampy mba hampiboiboika rano. Ny vokany dia nahazo rano ny ZI. Taty aoriana dia tonga indray ny tsy fisian-drano, ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nangatahan'i Mosesy rano, dia ny hiteny an'ilay vatolampy fotsiny; ny nataon'i Mosesy anefa dia nokapohiny indroa mihintsy ilay vatolampy. Ny vokany , nivoaka ihany ny rano fa teo amin'i Mosesy tsy nahazo niditra ny tany Kanana izy.

Amiko, ny expérience personnelle'nao mety hisy vokany sy valiny araka izay angatahinao sy hirinao nefa ny sitrapon'Andriamanitra tsy tanteraka velively; hany ka zary toa manindraindra ny LALANAO fotsiny ianao. Ny OLANA dia ianao tsy mitady an'ilay hoe ''ZAY MARINA VE NO SITRAPON'ANDRIAMANITRA''.

Sôtra ê!
31. hery ( 07/05/2004 06:54)
Nandrotsaka ny harato ihany i Petera "noho ny tenin'i Jeso" fa tsy noho ny tenin'olon-kafa. Izany hoe noho ny fahafantarany (expérience personnelle) izay inconscient fa efa niaina toa izany izy taloha. Tsy vao io ny jono mahagaga niainany ka nanana présentiment ihany izy.

Tsy azo adinoina fa efa fantatr'i Petera hoe tsy tao ampasana intsony i Jeso tamin'io (na dia mbola nisalasala ihany aza izy tamin'ny hoe nitsangana ve sa tsia). Noho izany dia efa nanana fisalasalana izy hoe mety i Jeso io rangaha io satria niteny toa ny noteneniny (vokatry ny fikasokasohany tamin'i Jesoa taloha).

Expérience personnelle tamin'ny fiaraha-miaina tamin'i Jesoa izany no nahatonga an'i Petera nandrotsaka ny harato.
32. ikaretsaka ( 09/05/2004 00:34)
izay mihitsy no tena izy
33. tia_ery ( 10/05/2004 10:37)
Ny tena marina dia ampifangarona ny tantara sy izay tonga ao an-tsaina.

I Petera ange r'ireto ka indroa ihany no nifanehatra tamin'ny toe-javatra toy izao. Ireo fotoana roa ireo dia mbola tsy niarahan'i Petera tamin'i Kristy ny voalohany, fa t@'ny niantsoany an'i Petera ho mpianany; ny faharoa taorian'ny nahafatesan'i Kristy, ka aiza ho aiza amin'izay ilay hoe expérience an'i Petera tamin'ny fiaerahany t@'i Kristy. I Petera koa ange no mbola niteny ilay hoe ''Izaho tsy mino raha tsy mahita ary mametraka ny tanako eo amin'ny lanivohany'', dia mbola ho expérience daholo ve izany ????

Mahagaga, ny mahafinaritra angamba dia vakina tsara ilay tantara dia avahana ny mifanindran-dalana sns... fa tsy zary atambatambatra be fahantany fotsiny.

Sôtra ê!
34. fijo ( 10/05/2004 23:47)
i petera ve sa i tomasy no niteny an'io e?ary i petera dia niaraka tamin drajesosy foana hany ka mitombina io voalazan'i hery hoe nohon'ny experiansa tamin'ny fiarahany taminy taloha.
35. librepenseur ( 11/05/2004 07:25)
hery>

Ny experience nety sy niainan'ny Rakoto ary hitompoany teny fantatra fa marina dia tsy voatery ho mety amin'i Rabe velively.

ohatra : ny kristiana dia fantatra fa be sampam-pinoana, raha misy olon-kafa kristiana avy ao amin'ny EURD, APOKALIPSY, tanin'anandrano, Jesosy mamonjy, sns samy henoina ny feony mikasika ny ho avin'ny fitondrana sy ny firenena (izany hoe asaina mivavaka izy ireo mba hahazoany ilay divination): henoy tsara sy diniho ny tenin'izy ireo fa tsy hitovy velively.

Ny tiako hotenenina mikasika izany dia na ny samy kristiana aza dia samy hafa koa ny feo henony.
Fanontaniana :
- Tsy tokony hitovy ve ny teny heno ho an'ny kristiana satria samy mpanaradia an'i J.-C izy ireo ?
- Sao mba samihafa ilay fanahy miteny ?
- Ny an'iza no holazaina fa tena marina ?
- Tsy tokony mahalasa saina ve ireo fahasamihafana ireo indrindra raha iray ihany ny fototry ny finoana nefa samihafa ny voalaza ?
36. tia_ery ( 11/05/2004 08:04)
Ny Theologie ange ry Libre Penseur dia misy marobe mihintsy ê! Tsy hoe akory rehefa misy Andriamanitra sy Jesosy Kristy voizina ao anatiny dia IZY AVOKOA izany rehetra izany.

Anjaranao ny mitady ny marina sy mamantatra ny tena lalana ahazoanao ny tena fiainana dia ny hoe ''IZAHO NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA'' Jesosy Kristy no niteny an'io. Aza dia ny anaram-piangonana loatra no indrindraina sy kafaraina, anarana ihany ireny fa i KRISTY banjinina sy jerena dia ho fantatrao ny marina araka ilay hoe ''RAHA NY ZANAKA NO MANAFAKA ANAREO DIA HO AFAKA TOKOA IANAREO''.

I Petera na Tomasy ange ka olona iray ihany ry FIJO ê! sao mba diso hevitra ary 'nareo izany. I Petera ange ka mpanarato no nantsoin'i Kristy ka nanaraka azy foana amin'ny ahoana.

Sôtra ê!
37. arena ( 11/05/2004 18:32)
mahasambatra le mivavaka , misy hafaliana tena hafa mihintsy rehefa miaraka@ JESOSY e ! Andramo ka izahao fa tsara Jehovah , dé misy koa le hoe : Antsoy aho de ho valiako ianao ary ampisehoako zavatra sarom-patarina izay tsy fantatrao ,
38. yonikafopl ( 11/05/2004 18:49)
Izao ry namako isany a! " tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao" . Ary koa mitandrema fa maro no ho avy ka hilaza hoe atsy Kristy na koa ito ny finoana tena marina, tsy misy marina na dia iray aza, fa izay mizotra sy manao ny sitrapo'A tra no tsara sy ankasitrahana indrindra. Ary tandremo fa mety ho ny mpijangajanga sy ireo heverina ho ratsy no ho tafiditra ny fanjakan'Atra fa ianao izay miseho ho mpivavaka sy mino izay inoanao io no ho very sy hijaly rahatrizay.
39. fijo ( 12/05/2004 00:18)
za letsy mba gaga ko,i petera sy tomasy dia olona roa samy hafa.
marina fa i petera dia mpanarato no natoin'ilay lavavolo iny,fa dia nanaraka azy foana avy eo.maty i lery vao niverina nanarato i petera,ary dia voalaza fa nisehoany(za aloha tsy mino an'io fisehoana io)
40. ikaretsaka ( 12/05/2004 04:43)
arena tsy hainay izany Jesosy sy Jehova izany fa yahveh sy I Y'shoa no hainay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4053