Apandisita

1. nananie ( 29/04/2004 12:41)
Iza no efa nodidina an'io? Dia mila mijanona any @ hôpitaly ela ve?
novalian'i ludo ny 01/08/2004 19:53
2. aladin ( 29/04/2004 14:00)
ngah enao misy no mitady infos?
3. ramoul ( 29/04/2004 16:21)
zah mbola tsy nodidina an' io zavatra io fa araka ny efa henoko dia toa tsy dia mijanona ela any fa raha misy dia misy dia eo amin'ny herinandro eo ho eo fotsiny ianao no mijanona any amin' ny ôpialy
4. nananie ( 29/04/2004 16:46)
Za tsy misy an'io fa c'est pour l'info fotsiny ry aladin a!
5. hery ( 29/04/2004 22:09)
Aryt misy olona ho'a eto amin'ny forum tsy mamaly fanontaniana fa fanontaniana indray no apetrany.
Rehefa misy manontany hoe "Aiza no misy an'izao..." dia ny valiny eo hoe "Ataonao in?" na hoe "Fa ahoana?" na hoe "Fa angaha enao mila?"
Tsy manampy mihitsy.
6. tsilan ( 29/04/2004 22:53)
Ranananie
Tsy manahy io Ranananie an, mila tonga eny amin'ny hopitaly 1 andro alohan'ny handidiana anao, satria mbola tsy maintsy atao daholo ny fanomanana. Fitiliana ny rà raha mbola tsy vita ohatra sy ny fanaovana anti-hémo.
Rehefa vita ny fandidiana dia afaka mody rangahy afaka 24 ora aorian'ny fahatsiarovan-tena raha toa ka fanatoranana no natao.
Sahala amin'ny manala parasy io fa aza dia miferinaina eh.
7. ikaretsaka ( 29/04/2004 23:09)
nanaie.. za nodidiana an'io taty .. miditra maraina dia mivoak ahariva! tena kozy izany an!
8. nananie ( 30/04/2004 06:57)
Hay kosa. Ny tsy tiako mantsy le vôtery tapahana ny fianarana, indrindra ra période d'exam. Tonga de 2° session tsinona kou!
Merci daholo ô!
9. rfanjav ( 30/04/2004 08:47)
Sady efa sur anésthésie locale izao ny fandidiana apendicite fa tsy générale intsony, noho izany vetivety d vita, sady tsy misy hoe sao d tsy mahatsiaro tena zany intsony koa !
10. nananie ( 30/04/2004 10:14)
tsara kosa 'zany.
11. ari.malala ( 30/04/2004 11:06)
nefa t@ za nodidiana teny @ HJRA dia anesthésie générale, herinandro aho no teny.
12. jhouhlambout ( 30/04/2004 12:53)
koa samy manana ny fomba fiasany ireo kou, sady arakaraky ny fanana fitaovana ihany koa no haingana ny fandehanjavatra ... asa .....
13. dasy ( 30/04/2004 15:19)
ikaretsaka, tena mba sahy izany nandidy anao izany, niditra maraina dia nivoka hariva na dia sous-celioscopie aza, mba lazao hoe aiza ny hopitaly na clinique misy anio , handeha iasa any aho rahampitso
14. jhouhlambout ( 30/04/2004 18:35)
Any USA zany!
Ry zalahy any toa efa manakaiky ireny science fiction ireny mihintsy ny zavatra ataony any @ zao fotoana izao, fa asa aloha raha mamely na tsia .... zany izy efa fiction zany .... tssss .....
15. nananie ( 03/05/2004 14:21)
hihihi! Jhoul kou de mahita tenenina.
16. ikaretsaka ( 03/05/2004 16:57)
dasy: ka atao micro chirurgie anie izany.. izany daholo ny aty amin'ny Bekintana ko.. ny aty aza misy an'iznay hoe teraka androany maraina dia rahariva efa miasa.. teknolojia vcaovao aby iznay
17. hendry ( 03/05/2004 17:28)
zay nodidiana apandisita hitako rehetra nefa dia nijanona farafahakeliny telo andro tany @ hôpitaly. Sa efa mivoatra marina ngah ny @ zao? Fa na mivoaka ny hopitaly aza tsy midika akory hoe afaka manao ny fanaonao rehetra andavanandro fa mbola be zavatra tandremana ihany toy ny hoe tsy mahazo mihetsika mahery.
18. ikaretsaka ( 03/05/2004 17:53)
eny e.. fa tsy heo eo ampandriana eo foana
19. nananie ( 05/05/2004 11:35)
sambatra wa ny ol . Tena hita mintsy le tsy fihitovizana eto @ 'ty tany 'ty. Ehhhh!
20. dasy ( 05/05/2004 19:09)
mino ny lazainareo aho, ny clinique iasako dia 48H,tsy avelako mitsangana ny piteraka sous peri-durale ra tsy 6H aorina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6008