Marc 15:34 "Mon dieu, pourquoi m'as-tu abandonné?".

41. ikaretsaka ( 02/05/2004 20:53)
misy gholemains indray iznay
42. librepenseur ( 03/05/2004 09:11)
Raben> Ny olon-drehetra dia afaka misaina amim-pahalalahana daholo, ary afaka mijery amin'ny fomba tsy miangatra sady tsy mitanila. Saingy tsy dia tsara loatra raha mihaino lakolosy tokana rehefa mijery tranga iray.

Mikasika ilay hoe ..."adversaire de Jésus" dia izao : Tsy midika mihitsy fa lasa fahavaloko izy io raha tsy manaraka ny fampianarany aho. Hevitro no aposako eto fa tsy manao imposition amin'ny olona velively aho hoe ny AHY irery no marina. Raha misy fampianaran'ny mpampianatra iray ve tsy azoazonao dia hidika fa fahavalonao iny mpampianatra iny ?
Manazava ny fomba fijeriko aho ka asakasaky izay mahay mandinika.

Izao mantsy, milaza avokoa ny olona fa izaho no tokony handinika satria izao sy izao, dia izao no havaliko azy ireny: Raha tsapanao hoe nanao philosophie aho nefa mbola mety ho diso (marihiko aloha fa tsy philosophe aho na dia misy fomba fijery mitovy amin'izy ireny aza), ny olona maro ve mba mety ho diso satria tsy nandalina (philosophie) fa tonga dia nino ?

N.B: Ny philosophie dia fahavalon'ny fiangonana hatramin'ny fahagola raha ara-tantara, satria tsy mitovy principes amin'ny mpino...
43. hery ( 03/05/2004 09:35)
Hmmm

NB>
Fahavalon'ny fiangonana ny filozôfia? :)

Betsaka ny Kristianina no filôzôfa.
- Augustin d'Hippone zay niaina tamin'ny faran'ny taonjato faha-4 dia philosophe izay manana ny maha-izy azy kanefa koa dokoteran'ny Fiangonana. Izay marihana fa nitady ny marina tamin'ny Manichéens, sy tamin'ireo nilaza ny fahamarinana tamin'izany fotoana izany fa taty aoriana dia niteny fa tao amin'Andriamanitra no nahitany ny fahamarinana.

Ary amin'izao dia mbola betsaka ny Kristianina sady Filôzôfa (azo tanisaina fa azo tadiavina ao @ Google koa)

Farany, azo jerena ihany koa ny taratasy nosoratan'i Joany Paoly II momba ny fihevitry ny Fiangonana momba ny Filôzôfia (Fides et Ratio, 1998)
http://www.vatican.va/edocs/FRA0075/_INDEX.HTM

Mazotoa

44. librepenseur ( 03/05/2004 10:19)
hery>

1) Ny kristiana filôzofa dia azo lazaina ho mitanila sahady satria efa ao aminy ny finoana kristiana. Izany hoe tsy hanipaka velively ny maha-kristiana azy izy. Sarotra amin'izy ireny ny hino sy hiantehatra amin'ny fomba filaza hafa tsy ao anaty baiboly (oh: Ny fihavian'izao tontolo izao, ny fihavian'ny zanak'olombelona, sns) Ny tena tiako ho lazaina dia ireo filôzofa tsy miandany amin'ny finoana...

2) Talohan'ny nisian'ny fiangonana no efa nisy ny filôzofa (grika, romana, jiosy, sns) raha ny tandrefana fotsiny no resahina...Samy nanana ny firehany izy ireny na ny taloha na ny ankehitriny saingy raha vao hitan'ny fiangonana fa manazava sy mampivoitra fomba fijery vaovao ry zareo dia tsipahiny avy hatrany satria miteraka polémiques sy mampisaina ny olona bebe kokoa (raisonnement).

3) Amin'izao fotoana izao dia mifangaro ny fomba fijery filôzofika satria efa mihabetsaka ny olona no manao rapprochement des idées à partir n'ny doctrines samihafa. Mipetraka eto ny fanontaniana : Ny tena marina ve dia avy amin'ny finoana izay voalaza fostiny ? sa ny fieritreretana ny tena fahamarinana à partir'ny reflexion personnelle ? Sa manao synthèse logique ho an'izay hita sy tsapa rehetra fa marina ?
45. librepenseur ( 03/05/2004 10:38)
hery>

1) Ny kristiana filôzofa dia azo lazaina ho mitanila sahady satria efa ao aminy ny finoana kristiana. Izany hoe tsy hanipaka velively ny maha-kristiana azy izy. Sarotra amin'izy ireny ny hino sy hiantehatra amin'ny fomba filaza hafa tsy ao anaty baiboly (oh: Ny fihavian'izao tontolo izao, ny fihavian'ny zanak'olombelona, sns) Ny tena tiako ho lazaina dia ireo filôzofa tsy miandany amin'ny finoana...

2) Talohan'ny nisian'ny fiangonana no efa nisy ny filôzofa (grika, romana, jiosy, sns) raha ny tandrefana fotsiny no resahina...Samy nanana ny firehany izy ireny na ny taloha na ny ankehitriny saingy raha vao hitan'ny fiangonana fa manazava sy mampivoitra fomba fijery vaovao ry zareo dia tsipahiny avy hatrany satria miteraka polémiques sy mampisaina ny olona bebe kokoa (raisonnement).

3) Amin'izao fotoana izao dia mifangaro ny fomba fijery filôzofika satria efa mihabetsaka ny olona no manao rapprochement des idées à partir n'ny doctrines samihafa. Mipetraka eto ny fanontaniana : Ny tena marina ve dia avy amin'ny finoana izay voalaza fostiny ? sa ny fieritreretana ny tena fahamarinana à partir'ny reflexion personnelle ? Sa manao synthèse logique ho an'izay hita sy tsapa rehetra fa marina ?
46. hery ( 03/05/2004 10:46)
librepenseur> idem

1) Ny filôzôfa tsy kristianina dia tsy afaka (sy tsy tokony) hiteny an'Andriamanitra mihitsy (na hanaporofo ny tsy fisiany) satria efa mitanila sahady izy. Tsy afaka hanipaka velively ny tsy finoany an'Andriamanitra izy. Sarotra ho an'izy ireny ny hino indray hoe Andriamanitra no mpahary sns...

2. Betsaka koa ny filôzôfa na dia tsy ao anaty fiangonana aza (taloha'ny nisian'ny fiangonana) izay nanaporofo ny Fisian'Andriamanitra (l'Etre suprême)

3. Hamafisiko ihany ilay voalazan'i Joany Paoly II momba ny Fides et Ratio, izay nolazain'i Augustin d'Hippone ihany koa momba ny Foi et Raison (Finoana sy Fisainana?). Manampy amin'ny fanabeazana ny finoana ny fisainana ary mampivelatra ny fisainana ny finoana
47. ikaretsaka ( 03/05/2004 16:55)
iznay mihitsy
48. vahona ( 04/05/2004 05:37)
raha miheno lakolosy tokana tokoa ny kristianina satria hoe ny baiboly fotsiny no hinoiny dia ny fivavahana rehetra sy ny fomba fieritreritra koa izany satria zavatra iray ihany no tena hiatombohan'ny fivavahan-dry zareo sy ny fieritreriny!
sa ny kristianina no hitanao fa tena miheno lakolosy tokana?

raha tsy mino an'Andriamanitra moa ianao ry librepenseur dia izao fotsiny,mbola hino ianao na tsy izao aza.

raha diso ny zavatra lazain'ny baiboly fa olona no nanoratra azy,dia diso daholo ny fomba jiosy rehetra satria ny testamenta taloha dia ny boky jiosy iray manontolo!!!nefa ireo jiosy ireo efa ela no jiosy dia fea nisy ary voaporofo ara-tantara ny zavtra nandalovany,ka ahoana?

raha ny filozofia indray no hifantohan'ny saina dia na ry zareo flozofe ary miondikondina fotsiny manome theoreme sy porofo fa avy eo tsy hita izay valiny.
Dia maninona koa kay ny siansa no tsy maha-porofo marina hoe tsy misy Andriamanitra na koa mahasitrana ny aretina rehetra satria hoe tsy Andriamanitra no nahatonga an'izao fa zao,dia ahona no tsy hita ny valiny?

marina tokoa fa @ taonan'ny fahandrosona tokoa isika izao ka ny olombelona tsy maintsy hiteny hoe fa maninona no izao?iza ary no tena afaka hamaly an'iny?mba manontany anao za ry librepenseur!!!

dia hoe vitsy ny jiosy lasa kristianina nefa avy ao aminy no tena nisy an'I Jesoa kristy faha-velony,tsy misy jiosy zany ny apostoly sy Maria sy Josefa fa olona nanidina teny fotsiny?ahoana ary no fomba hahenoin'ny olona ivelan'ny jiosy hoe misy Jesosy raha tsy avy ao ihany sa efa nisy espion t@ izany andro izany?

za tsy miteny hoe zao marina fa hevitro io!
ary za na tsy miditra am-piangonan matetika aza zao dia mbola mahatsapa izany finoako ny Andriamanitro izany.

Raha ny fomba nanaparitahana ny kristianisma aloha dia ekena fa ratsy tokoa nefa nisy ny nino ary nisy ny tsy nino:na nenjehina aza Rasalama martiora sy ireo namany dia nino fona izy sady vao mainka niroborobo ny kristianisma!
Fa na ny islamisma koa ary ange izay ihany no fomba nanaparitahana azy e t@ ady,fa efa taona ela be tany angamba ka tsy nisy nahalala sa tsy nisy nianatra histoire .
Raha ny jiosy indray dia tsy maintsy mivadika izay manambady ny ao aminy,tsy efa tery ihany ve izany!!!

Nefa ny mahatsara ny fivavahan dia maro ny olona tsy terena fa mandray an-tsitrapo!!!

avelako kely ianareo!!!
49. librepenseur ( 04/05/2004 07:14)
Raha mihizingizina ianao fa ny anao irery ihany no marina fa tsy mandinika ny voalazan'ny hafa, lakolosy tokana izany sa maro ?

Ny nipoiran'ny fivavahana kristiana koa ve mba voaporofo ara-tantara ? Ary izany J.-Christ izany ve mba manana biographie tahaka ireny olona malaza rehetra ireny ? ka raha voarakitra ara-tantara dia naninona no nantsoina hoe "religion" fa tsy natao hoe "histoire" ? Toa tsy mifanalavitra amin'ny mythologie grika, scandinave, sns ilay izy e ?

Taloha tsy nisy nahafantatra ny univers sy ny planète terre fa siantifika no nahalalan-tsika fa boribory sy mihodina amin'ny masoandro ny tany. Taloha koa tsy nisy ordinateur sns hanisana sy hitadidiana fa taty aoriana isika vao mioty ny vokany. Taloha elabe koa tsy nisy radio sy scanner hitsaboana fa amin'izao misy:
-> Mandalo théorie daholo ny siansa satria izay mihitsy no famaritana ny atao hoe sciences (miantomboka amin'ny recherches, mandalo expériences, porofoina amin'ny alalan'ny démonstrations sy preuves samihafa ary miafara amin'ny synthèses)... izay vao mahita vokatra. Efa misy ny voavalin'ny siansa, mahandrasa fa mbola hisy izany ary tsy ho tapitra mihitsy...Mivoatra ny siansa fa tsy mi-stagne tahaka ny finoana.
50. tia_ery ( 04/05/2004 08:03)
...Mivoatra ny siansa fa tsy mi-stagne tahaka ny finoana.

Fa na dia manana finoana tahaka ny voatsinapy aza ianao ka miteny amin'ny tendrobohitra hoe mankanesa ery dia ho tanteraka izany.

Miezaka ihany ny ahazo ny tian'ny Libre penseur ho lazaina nefa zary tonga ao anatin'ilay hoe Libre nefa mbola misy Penseur ihany !!! Sao lahy ka variana ary tena misora-tena tokoa ho penseur foana 'ty ianao. Hany ka mitady ny tonga lafatra sy ny ny tsara indrindra ka mitoky tokoa amin'ny siansa ary mametraka ilay nofinofy ao anatin'ny revirevy fotsiny ihany.

''La science sans conscience n'est que la ruine de l'âme.'' TSY AO ANATY BAIBOLY io teny io ê!

''COMPARAISON N'EST PAS RAISON'' tsy ao anaty baiboly koa io ê!

Eny fa na dia ny samy mpikaroka mahay sy tampom-pahaizana aza dia 'zary mifandona sy mifandramatra.

Na dia ilay Tia_ery sy ny hoe Libre Penseur aza mety ho torak'izany ihany koa. Libre ianao ny ho Tia; nefa ianao Penseur ery.

Sôtra ê!
51. ikaretsaka ( 04/05/2004 19:47)
ohatran'ny voan'inona ary ny finoanareo e?
kely nohon'ny voatsinampy aloha mnatoa tsy mbola nahafindra stylo avye eo ankavia nankany ankavanana e
52. librepenseur ( 05/05/2004 07:27)
tia_ery>

Mythologie tao amin\'ny Ancien Testament izany tendrombohitra nikisaka izany. Tsara halaina sary indray ny globe terrestre amin\'izao fotoana izao fandrao dia efa mba any Europe no misy an\'ny Himalaya, dia ny tendrombohitr\' Ankaratra koa angamba mety ho lasa any amin\'ny desert de Sahara.

Ary inona moa no atao hoe libre ? raha tsy dia fantatrao dia aleo fotsiny atao hoe malalaka amin\'ny fomba fisaina (pensée), malalaka amin\'ny fomba amam-panao (manière de vivre), sns...

Hono ho aho, ny mikaroka sy mandalina mba hanaporofo tranga iray ve no manonofy sa ny manantena sy mino ny tsy hita ? iza no fiction ary iza no réalité ?

Tsy manana conscience ve ny siantifika mikaroka ny marina mikasika ny fihavian\'izao tontolo izao ? tena very ara-panahy ve ny siantifika mikaroka ny fihavian\'ny olombelona ?

Citations philosophiques tompoko ireo teneninao ireo ka raha mba nanao philo ihany ianao taloha na tsy dia \"fort\" aza dia tokony hahalala ny antsoina hoe thèse sy anti-thèse izay vao miafara amin\'ny synthèse. Izany hoe tokony ho tsapanao fa misy lafi-tsara sy lafi-ratsy ny zava-drehetra. Sa ny finoana sy ny fivavahana tsy misy lafiny ratsy mihitsy fa tonga dia fanaperana ?
53. fijo ( 05/05/2004 22:50)
ka ireny ilay efa drogué amin'ny fivavahana,tsy mila manadihady fa avy dia marina izay voalaza ao rehetra.tsy misy resaka hoe nagery i jesosy ao,dia aminy olona tsy mangery izany jesosy izany.
54. ikaretsaka ( 06/05/2004 00:07)
izay mihitsy .. dia avye eo raikitra indray ny hoe nareo miteny ratsy sns
55. tia_ery ( 06/05/2004 06:25)
Ny tsy fantatra sy tsy azoko aloha hatramin'izao dia misy ny olona izay tsy dia manankolazaina kely akory na dia indraim-bava aza; Mazava tsara hoe Libre penseur ary ataoko fa tena Libre tokoa nefa atao ahoana tokoa moa ê!

Fa na dia ireo filozofa aza dia nametraka ny hoe ''Ma liberté s'arrête là où la liberté des autres commencent'' zany ê!

Ny tsy azoko aminareo fotsiny dia ny hoe hatraiza ny maha-Andriamanitra an'Andriamanitra; tsoriko aloha fa izaho tsy ndeha hanao Avocat du diable ka izahako no hitsolatsolana hiteny sy hamaritra aminareo hoe izao izany Andriamanitra izany.

Ny mahagaga aminareo dia miezaka ianareo hamaritra izay hinoanareo sy ekenareo fa izay no marina aminareo.

Ny Andriamanitra inoako sy ekeko dia tsoriko fa tsy afaka ny hamaritra aminareo aho hoe izao ilay izy na izatsy satria izaho mbola manaiky ary resy lahatra fa olombelona ihany. Noforonina fa tsy mpamorona. Nareo no miezaha mandahatra sy mamaritra an'izay ekenareo eo fa ny ahy tsy manapetra ary tsy azo refesina sy faritana.

Ny olana miresaka aminareo dia ianareo miezaka mipetraka ho toy ny RAKIBOLANA fotsiny ihany fa tsy mametraka ny hoe COMMUNICATION ange no atao sy hifanaovana eto; miezaka ny hanambara dikan-teny na dikana tranga iray, na ara-tsiansa io, na ar-potokevitra sns ...

Fa mba saino dia iaino eo amin'ny fiainanao andavan'andro dia diniho sy lanjalanjao.

Ary raha ny FILOZOFIA no ahazoanao tombony dia tsotra fotsiny no ndeha hambara; mba manontany any TOLIARY firy ny isan'ny mpianatra isaky ny année scolaire anankiray ?

Mahasarika ny ankamaroan'ny olona ve izany hoe hianatra FILOZOFIA izany ?

Izany FILOZOFIA izany hoa efa navalon'ny tantara fa mba mitadiava hevitra sy rijan-kevitra hafa. Fa aza dia mihinana ambolony.

Tsoriko aminareo aloha fa tsy toe-tsaina Kristiana velively izany hoe ito omena anao dia hihinana fotsiny amin'izao ianao. Toetsaina tiana ho an'ny Kristiana dia ny anahafany ireo Kristiana tao Beria ''izay nandinika ny Soratra Masina tamin'ny zotom-po na marina izany na tsia ...''

Ary ito, ''izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, fandresen-dahatra ary ho fanitsiana izay diso ...''

ahoana moa no ahatongavana amin'izay raha tsy mandinika ianao nefa aoka ho ao ambany fitarian'ny FANAHY MASINA hatrany.

Sôtra ê!



56. jhouhlambout ( 06/05/2004 06:41)
filôzôfy an!
57. librepenseur ( 06/05/2004 11:46)
Marina ny an'i ramaso, amin'izay koa mba tsy mihaino lakolosy tokana intsony e !!!
58. tia_ery ( 07/05/2004 06:32)
Ilay maha-zavadehibe sy lanjan-toeran'ny BAIBOLY mihintsy no toa zary lasa ankilabao amin'ny sasany.

Ilay TENIN'ANDRIAMANITRA ange no ataoko fa tena zava-dehibe ary ny amin'ny famakiana an'io dia tsotra ny tanjona ''INONA NO TIAN'ANDRIAMANITRA AMPITAINA AMIKO ANDROANY ?''

Izay no tena tadiavina sy katsahina. Amiko na misy aza ny boky milaza sy manambara ny amin'Andriamanitra izany dia ambony lavitra ny Baiboly, izay TENA TENIN'ANDRIAMANITRA VELONA SY MAHERY. Fa na ataoko hoe mamaky an'ireny aza aho dia tahaka ny boky rehetra ihany ireny.

Ary ny tsy tsapan'ny maro angamba dia ilay TENY TONGA NOFO ary izay no tsy azonao hialana amin'io BAIBOLY io. Fa ny dimension goavana sy ny tsy maintsy hijerevana an'io dia ilay ''TENY TONGA NOFO KA NONINA TATY AMINTSIKA''.

Sôtra ê!
59. hery ( 07/05/2004 06:57)
Teny tonga nofo (Ilay Kristy velona) fa tsy ny baiboly fotsiny (boky) intsony.

Izaho ilay anisan'ny hanamafy an'ilay hoe "Tenin'Andriamanitra ny Baiboly" atsy ambadika atsy kanefa hiteny koa hoe tsy amin'ny alalan'ny Baiboly irery no itenenan'Andriamanitra.
60. fijo ( 10/05/2004 23:48)
io ianareo mpino no miady hevitra amin'io fa amiko dia angano daholo izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3581