tapage nocturne

21. ramoul ( 22/04/2004 14:29)
ry zareo na dia efa tenenina ry tsy mety mintsy fa ohatran'ny hoe atao ndry zareo fanahiniana ilay izy(tezitra be zah)
22. booboo ( 22/04/2004 16:11)
iantsoy pôlisy !
23. fijo ( 22/04/2004 22:22)
izay.hiantsoy pra
24. ikaretsaka ( 22/04/2004 22:59)
pra antsona le
25. hendry ( 23/04/2004 14:36)
Ka zay e, misy olona ohatr´zany mihitsy hoe raha vao fantany fa tsy tianao ny hanaovany an´ilay izy dia vao maika ataony. Fanafodiny? mody fanina e! mahatsapa tena ho azy izy rehefa tsy miteny enao. fa raha hiteny azy lava enao nefa tsy asiany sira, enao no reraka.
26. luz ( 24/04/2004 15:12)
Mihombo-kevitra @ Ramoul aho @ io boom sy tapage nocturne io é!Za Misy toerana izay misy boom sy cabaret foana manomboka ny zoma alina sy Asabotsy alina.Ilay toerana anefa dia irony antsoina hoe "quartier résidentiel" irony.Ny tena mampalahelo dia ilay tompon'ilay cabaret dia olona manana ny maha izy azy ihany eo @ fanjakana izay tokony ho modely kanefa izy indray no manaonao foana...Mampalahelo ny fiaraha-monina @ izany ...
27. ramoul ( 24/04/2004 17:17)
Tena manpalhelo mintsy ra ohatran' izany ny fiainana eto dago ary mino aho fa ra mbola mitoy zao dia tsy handros mihitsy isika
28. ikaretsaka ( 24/04/2004 19:42)
ka ao amintsika mifangaro aby ny akoho sy ny vorona koa .. ny usune miaraka @ trano tsotra .. ny mpivarotra peta kofehy miaraak @ bokatera sy ny mpivarojezika dia eo akaikiny mpivarotsakafo.. any mihitsy aloha no tokony amboarina
29. ramoul ( 25/04/2004 16:57)
tena tsara mihitsy ny heritrao ry ikaretsaka
30. ramoul ( 28/04/2004 16:22)
ka tokony handray andraikitra koa ange ny fanjakana fa tsy tokony hijanona fotsiny amin' izao koa é!
31. hendry ( 28/04/2004 18:09)
Raha rafanjakana no andrasanao ry ramoul dia eo enao sy ny tranonao. Mila miainga avy @ tsi1 io, miezaka mifandefitra, tsy tokony ho krizirizy fahatany, mba tokony mi-
comprendre ny hafa fa tsy ny tenanao ihany no jerena dia mandeha ho azy ny fiainana. Tsisy mifanirikiry, avelao zay hanao tapage hanao tapage raha mbola azonao leferina.
32. fijo ( 28/04/2004 22:25)
marina io voalazan'i hendry io,fa ny fanjakana dia tokony manao ny rafitra fototra.ohatra hoe ny mpivarotra lamba eto,ny broka etsy ,ny sakafo lavidavitra kely.dia ny tsirairay avy eo no miezaka manatanteraka an'izay.fa raha ny fanjakana no mamela fotsiny eo.(tana tamin'ny andron'ny AKFM)dia tsy misy raharaha vanona eo.
33. ramoul ( 29/04/2004 15:50)
ka le izy nge ry hendry tena tsy rariny tsony é!
aiza ve ka efa am' 24h mbola misy migodogodona ihany ny ao ambony, tena tsy rariny mintsy zany ary tena tsy azo leferina intsony.marina koa izany ry fijo fa ny tena tokony hisaina kely dia isika tsiray2 rehetra fa tsy hiandry ny fanjakana izany fa ra ry zareo no andrasana dia mbola ho ela mintsy vao tonga eo.
34. fijo ( 29/04/2004 23:00)
ka any amintsika koa anie tsy misy syndic no mahavoa azy e.
35. ikaretsaka ( 29/04/2004 23:29)
ny fanaovana azy eddicace indrindra dia miakatra ao ambony koa ianoa dia miaraka @ ilay bongo maso sy ny matosinao (radio K7) de de vao vohany ny trano miditra de atao farak'izay mafy ny matosy dia ianao indray no misotisoty... sy mandihindihy eraky ny trano .. raha ianoa no jeren'ny olona de hoe.. tsy te hijery anahy mandihy? andao indray hijery anahy matory..
36. rfanjav ( 30/04/2004 12:55)
Tsy tokony hasiaka b ohatra an'izany kosa e , eritrereto fotsiny hoe raha ohatra ka sendra ianareo no mipetraka any ambony rihana, d mba hanao ahoana ny fihetsikareo, hitandrina isaky ny mihetsika zao v fa hoe sao d hanahirana @ eo ambany !

aza voany ihany fotsiny, fa rehefa tsy mahatanty miala e !

fianakaviana samy manana ny reviny sy ny filozofiany no miara-mipetraka @ société fa tsy ianao sy ny filaminantsainao irery ihany akory !

Ohatra ny hoe rehefa tsy mahazaka mifanosina @ vahoaka eny @ taxi-be na bus d mandehana taxi !
37. ramoul ( 30/04/2004 19:14)
rfanjav ataovy eo amin'ny place nao ny place-ko de ho itanao hoe aôna moa rehefa migodogodona ny olona ao ambony ao de aôna koa rehefa enao matory iny no misy zavatra menjera ao ambony ao?
Ra amiko manokana aloha dia tsy rariny mintsy satria enao efa valaka avy niasa ve de mbola misy zavatra kely minjera ao ambony ao de tsy ho tezitra ve enao?Tsy rariny kosa zany klé.
38. booboo ( 17/05/2004 11:56)
dé dondony @ taho-kofafa dé raha mbola manao dé iakaro any mihitsy !
39. ramoul ( 18/05/2004 21:08)
Tsy mety zany miditra an-tranon' olona zany fa rehefa amin'ny maraina ry zareo no ampiretina de am' zay tonga saina tsara amin' ny manaraka hihihihihi
40. fijo ( 18/05/2004 21:32)
raha mba ilay feo milantolanto moa no heno hatraty ambany maninona fa raha kotaba kosa tsy lasa ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3278