manimba ny toaka

1. luz ( 19/04/2004 14:06)
tadidio fa "tempolin'Andriamanitra" ny vatanareo ka aza homena poizina izy...

Ny saina vizana ny vatana reraka sy simba ka atao inona koa ny mampijaly tena amin'io...
2. samoina ( 19/04/2004 14:33)
Maninona aza rehefa tsy tiana hanao zavatra ny olona dia hampitahorina an' Atra foana ? Raha vizana i luz aza mizizo fa ahitan-douz ny manonononona ny anaran-drain'i zezo ! Tsy loza ny toaka raha miampy kitoza sy hay tsara ny mametra ny dôz . Izany no izy ry Luz !
3. voninkazokely ( 19/04/2004 14:47)
Sady diso lohahevitra i luz.
Fiaraha-monina ny ato fa tsy fivavahana na finoana na fahasalamana!
4. yonikafopl ( 19/04/2004 14:51)
Teny atsipy ho an'ny manam-panahy kosa io samoina a! ka anjaranao ,raha toa ka heverinao fa tsy antonona anao dia aleo handalo fotsiny e!
Fa inona moa ilay antony hisotroana ilay toaka e!manao ahoana ny aretim-bavony avy eo?
5. samoina ( 19/04/2004 15:03)
Efa lohahevitra novoaboasana lalina ao ambadimbadika ao io yoni...a !
Na kely toy ny inona aza ny fanahiko tsy dia voako loatra ilay vokisana ny anaran' ilay nahary antsika isan'andro vaky izao!
6. xxx ( 19/04/2004 19:00)
Za ve no diso, sa ny ahoana fa Rajesosy mihintsy no nampisotro ny mpokina tamin'ny tanana rehefa misy fanambadiana. Ovainy ho divay ny rano. Sa moa ny divay tsy toaka ?
Tsy diso lohaheitra izany i Luz ka, eto ange tsy misy hoe rehefa miteny ity dia tsy maintsy ary eh.
7. ramoul ( 19/04/2004 21:11)
ny and-Rajesosy divay fa tsy tôka mihintsy akory
8. fijo ( 19/04/2004 22:52)
ka ny dovay dia efa izy koa e.ary marina io voalazan'i samoina io fa raha voalanjalanja dia mety ary tsara sy ilain'ny vatana aza.ilay miboboka no ratsy fa tsy ny fisotroana
9. samoina ( 20/04/2004 06:54)
ô Ramoul a ! Hatr@ oviana indray ny divay no tsy toaka ? Sokajy aiza izany no tokony asiana azy : ranom-boankazo, dite sa kafe ?
Tsy toaka koa izany "hydromel" satria avy @ fary ihany ?
10. ikaretsaka ( 20/04/2004 11:16)
na inona na inona rehefa atao be loatra dia manimba aby ka
11. jhouhlambout ( 20/04/2004 12:17)
zay hoa, il faut savoir doser!!
12. hendry ( 20/04/2004 14:01)
Sotroina amim-pahamendrehana hoy ny soratra @ tavoahangy misy alcool dia tsisy olana. Misy tokoa anie olona marary noho ny tsy fisian´alcool mihitsy ao @ vatany e! Ilaina ilay izy ho an´zay mahazaka sy zay tia azy fa tsy atao be.
13. yonikafopl ( 20/04/2004 16:30)
izay izany
14. fijo ( 20/04/2004 23:10)
ny azy hafangarony ny mamolava sy ny misotro toaka.
15. ravatorano ( 21/04/2004 07:59)
tsy mitovy marina ny mamo lava sy ny misotro taoka.Fa izao koa ianao raha vao mamofona taoka dia efa lazain ny oll hoe mamo an !
Za aloha dia mamely azy io fa tsy mpidôzy akory.Rehefa misy fety dia mba miara mandray amin ny rhtr eo.Raha atao isan andro io mahafaty tokoa na dia ampy tsaky asa fa aleo araky ny voalaza ery ambony hoe aleo doséna tsara fa ilain ny vatana anie ny alikaola e .Zany tsy entina hilazana fa tokjony ho mamo foana .
Raha miakatra b ny tension dia ilaina ny misotro cognac martel iray sotro kely mandritry ny fito andro.raha midina b indray dia tandremo fa tsy azo atao mihitsy ny mitehaka azy na toaka inn io na toaka inn
16. jhouhlambout ( 21/04/2004 09:37)
17. yonikafopl ( 21/04/2004 16:48)
Ny toaka re mazana, tena fandrika malama....., hiran'iza moa izany ry reto?
18. ikaretsaka ( 21/04/2004 17:42)
fa aza dino ny mamo lava sy ny misotro taoka
19. fijo ( 21/04/2004 21:05)
ka izay e,ataovy kely fa aza dia manao faly mahita fotsiny.
20. beko ( 26/04/2004 20:17)
gasy mahita toaka hono , tsy miala raha tsy mamo . Marina kosa izany satria inona no hisotroana an io raha tsy himamoana . Ohatran ny hoe misakafo dia tsy voky .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2958