Sectes sy ny fivavahana tsotra?

1. alz ( 16/04/2004 07:01)
Mety tsy ho marina ty fomba fijeriko ty, ary miala-tsiny dieny mialoha raha misy tohina. Vao nahita an'ilay titre fotsiny aho, dia ôtran'ny mamofona SECTE ilay "apocalypse.mg". Tsetratsetra tsy aritra iny.

Ny fanontaniako dia :

1) Ahoana marina no hahafahana manavaka ny Sectes amin'ny fivavahana tsotra?

2) Inona ny marika manokana hahalalana ny Sectes?
novalian'i tia_ery ny 29/04/2004 14:58
2. ravatorano ( 16/04/2004 09:15)
tsy dia haiko loatra izy io ka aleoko tsy miteniteny foana
ny azoko lazaina dia izao : tamin ny voalohany ny fiangonana dia nolazaina fa iray ihany.Nony tsy nakato ny fahamasinana sy ny baikon I Papa ry Luther dia avy taty aoriana ry Calvin dia namorona ny fivavahana protestanta (Loterianina ,Calvinista)>Raha teo izany no raisina dia azo lazaina fa secte ireo fivavahana natsangan i Luther sy Calvin satria ry zareo ireo ihany no nanambara fa rehefa tsy ao anatin ny Katolika dia secte izay.Taty aorina anefa dia nlazaina fa tsy secte ry zareo ary eo no tsy fantatro ny antony ???????
Ka de ajanoko eo aloha fa zay no tantara mba haiko
3. booboo ( 16/04/2004 09:47)
araka ny hevitro dia secte izy izay rehefa manindrahindra hevitra 1 fotsiny ao @ baiboly ( faminaniana e, miteny @ teny tsy fantatra e, ....).
4. ari.malala ( 16/04/2004 10:34)
Ny atao hoe secte dia ireo tsy ao anatin'ny FFKM raha ny eo amintsika dia ny Katôlika, Prôtestant, Loteriana ary ny Anglikana. Izay tsy ao anatin'ireo izany dia efa sectes. izany apocalypse.mg izany aloha dia efa izy avy hatrany. Ny ahafantaranao fa sectes izay dia rehefa mitarika anao hifindra any aminy izay ilay olona hoe mitory. Ao koa ny mambabo anao @ alalan'ny resaka hoe fahagagana.
5. ikaretsaka ( 16/04/2004 17:58)
lava izy zany... io zany ko
6. ds ( 16/04/2004 21:46)
Ny Sekta, dia ireo antokom-pinoana vaovao rehetra izay :
1) milaza fa ny mpitondra azy (Gourou) dia mahita valiny amin'ny fanontaniana rehetra sy vaha-olana amin'ny fahoriana rehetra.
2) misaraka sy manameloka ary manozona an'izay rehetra tsy mifanaraka aminy
3) mitaky fankatoavana an-jambany sy fanekena tsy misy ady hevitra
4) manao voankazo an'ala ny tenin'Andriamanitra ka mamerimberina ny adininy mamy araka ny heviny ary mikipy maso amin'ireo andininy mangidy mandiso ny fampianarany
5) mamerimberina ireto foto-kevitra manaraka ireto : akaiky ny farandro, vitsy ny olona voavonjy (144000 hono) sy ny sisa.
7. noemy ( 17/04/2004 04:42)
zao aloha e! tsara be ity fandaharana ity an! aza afangaro ny secte tsara sy ratsy marina fa misy ny ratsy mpamono olona reny avao tsra aloha ohatra hoe misy karazan olona mpisoloky dia ratsy daholo ve ny mitovy karazana @ tsy marina zany ny secte voalohany an Jesosy kristy voalaza fa sekte nazareana avy eo ry paoly secta mampididoza
8. noemy ( 17/04/2004 04:48)
satria niala t@ fivavahan drzana fototra tsy hitako zay maharatsy azy satria nahoana isika ao @ protestante ;luterana misy tsy ampy ao dia tsy voazava daholo satri izy koa mo efa maty reo mpitarika fa za milaza amitsika fa raha teo reo nitoy io fanavaozana io betsaka ny navaozina ary isaorana tokoa ry zareo ny tsara de zao ty
9. noemy ( 17/04/2004 05:05)
mivavaka isika malagasy ary sarotiny tokoa nyhoe mahay mandambolambo nysecta tsy ita tsony ny atao milaza fanambarana ary @le fampianarana lazaina mivatravatra ,manova fiteny sy ny sisa tsy ita tsony ny atao miresaka tsotrra mandambolambo aona ary no tokony hitorina azy e! tsyhevitra 1fotsiny koa no entina ao fa io no mba anarana itondrana azy ao fatena baiboly manontolo no voasana aomanomboka @ genesisy ka atramin yfarany arao e! zay vao mitsara fa aza avy dia manaratsy zavatsra manaraka fotsiny angaha io mibata na manao fanainga lavitra tsia sady arao aolha vao mitsikera e; sa asa aloha e!tsy voatery hifindra hoa fo mila mahafantatra ny zavatra rehetra ko sika voalaza zany hoe fantaro ny zavatra rehe tra hazony mafy zay tsara tenin Adriamanitra io mampilaza fantaro ny zavatra rehetra za zao aiza no tsy dinihiko avy eo raha tsy haiko manontany aho inona no maharatsy a nizany zay fa mahereza e efa te hafantatra ny zavatra rehetra ko isika matoa mifanontany koa misotra ny namoitra ny lohaevitra
10. noemy ( 17/04/2004 05:23)
ty koa e! tsy aleo ve miteny hoe mibebaha fa akaiky ny farany sade nahoana loatra ohatra: hisy siclona alefa ny filazana fa ho avy lay izy hiomanan ny olona de tahak izany ko e! ampiomanina isika fa efa miha atomotra ny andro e! marina fa tsy misy mahay ny daty ,taona ,ora fa ny fantatra efa atomotra ny andro, eo ange e! tamin ny andron i Noa aona ny nanaovan ny olona azy jereo ny tantaran ny Noa sao hoe mampatahotra ndray aho de tsy ita izy ty rey olona havana zay e!
11. imailaka ( 17/04/2004 06:42)
Injay ary ilay efa nahiako tamin ity resaka ity !!!!!!!
mahafianritra io sy izao sy izao avy oziz Samoela izay, de atero ny rakitra!!!!!!
Zany apôkalipsa zany kou misy an i Maihol sa Maiol !!! tsy dia haiko lotsany fa dia izao, misy ny famelabelarana sy ny fianarana ary fampianarana ny momba an io apokalipsa io dia misaotra indrindra anareo izay nitondra famelabelarana!!!!
Fa ny hoe akaiky ny farany sy ny oe mbola lavitra ny farany, aleo iny hoan ny tsirairay @ finoany satria baiboly mitovy iany no dinihina eo fa tsy ianao no tokony hiteny oe tsy mivoatra ny andrakoto sy rabe dia avy aty aminay, aza aratsiana ny an ny olona isaritana mba hankanesany any aminao!!!!
tsy mety izany fa aza atao eto!!!!
satria otran ny manao pub sy marketing iany dia tokony atao any anatin ny lohavetra dokambarotra fa tsy eto @ fivavahana sy finona!!!!


sôtsa e dixit " tia_ery"
12. hendry ( 17/04/2004 11:50)
ari_malala> fa iza no nilaza an´zany hoe ny secte dia zay tsy aoa anatin´ny FFKM? ny fiangonana misy ahy ao anatin´ny FFKM nefa na zany aza tsy afaka hilaza mihitsy aho hoe secte ve sa tsia ny FFKM sy zay tsy ao anatiny. Tsy haiko ilay izy dia aleoko tsy miteny.
13. oully ( 17/04/2004 22:12)
Zaho aloha sady tsy ao @FFKM no tsy ao @Apokalypsy nefa mino ny Baiboly, ny fiangonana, ny Telo Izay Iray, ny famonjena amin'ny alàlan'i Jeso Kristy, ny fahateraham-baovao, ny batisa, ... nefa tsy secte ihany koa.
Ho fanina amin'ireo karazam-piangonana sy finoana isan-karazany ireo nareo fa diniho aloha ny fiainanareo andavan'andro, indrindra ao amin'ny takona. Dia réglé-o amin'A/tra izay tsy mety ...
14. ikaretsaka ( 18/04/2004 00:32)
zay mihitsy
15. noemy ( 18/04/2004 10:20)
o ry mailaka a!tsy nanavaka na nanaratsy fivavaha n olonkafa aho io ny soratra nataoko mbola eo ny dokambarotra indray an ! misaotra anao aho fa hevitra mety zay tokony hatao dokambarotra tokoa soa maro ny mahita hihihihi! aza tezitra an na ny anaran oloana aza tsy notononiko teto akory ny a,n,dramaso io misy marina rehefa niala @ fiangonanao taloha ianao maneo hevitra hafa nefa na ao @baiboly aza tsy azo atao koa anie mitorydiso e!fa na ao @baiboly dia voalaza fa secta zay niala @fiangonanao ianao secta zay amiko aloha zay e! ary aza avy2 moa fa evitra io e!misy tena tezitra be ery otrany itako ery calme fotsiny hoy aho
16. ravatorano ( 19/04/2004 10:58)
ahoana zany ramaso
za longany ry namana isany dia tsy ho tafiditra any amin izany scte izany , rehefa tsy hijanona amin ny finoako izao aho dia aleoko azany mino an Atra fotsiny dia ampy ahy izay.
Fa raha ity fivavahana karazany maro mipoitra eto amin ny tananaity dia tena mahavalalalnina tokoa ary na izaho aza fanina satria indraindray dia ao anatin ny herinandro misy karazan olona folo mifandimby mandalo ao amin ny tokatranonao milaza fa mpitory ny baiboly , mahay ny andininy rehetra nefa misy tsy mahavaly ny fanontanianao akoriny ka mataotsa za sao mitsikilo ny ao andakozia ry nandra ka ny hariva sy alina iny indray vao mirotsaka manao ny adidi hafa.
ahimahina ihany fa tsy fantatra intsony anie amizao ze tena mpivavaka sy ny mpivavaka manafina ny tandroka be sy ny rambony be e
17. noemy ( 19/04/2004 14:04)
inona ny laoka ny ravatorano no de atahorandramaso sao misy maka ao eny marina zany maro loatra ny karazam - pivavahana fa mila mitandrina tokoa nefa tokony ahavaly tsra anie ry zareo e! ze itanao fa mety tsy forse na ange e! fa fampilazana fotsiny misy tezitra be ary resaka ny eto fa tsy fanaratsiana na fanenjehana tsy bazo atao zany ary tsy manendrikendrika koa e! zay fa misaotra
18. alz ( 19/04/2004 14:15)
Ampianaro vavaka aho ry Noemy an! Mba hitorio ny tenin'ilay tena Andriamanitra aho fa ôtran'ny tsy metimety izany.
19. fijo ( 19/04/2004 23:21)
ny sekta dia izay miala amin'ny finohana fototra rehetra.tadidio fa io kristianisma io anie ka sekta tamin'ny andron'i jesosy e,ary izay no nanenjehana azy.fa rehefa lasa be mpanaraka sy eken'ny fiaraha monina izay dia lasa sampana finoana tsotra.ohatra ny protestant
20. xxx ( 20/04/2004 09:36)
ao @ baiboly aza misy oe devoly kou mino an'Atra!

ny secte d zay mivoana @ fampianarana sy zay tsy manaiky ny zavatra retra lazaina ao antiny baiboly!

ra lazainareo hoe zay tsy ao @ FFKM d secte avokoa! tsy hevitra fotsiny v zany!!

k ito aza ny fanontaniko hoe:ny ol miangona ao @ FFKM retra v no manaraka ny voalaza ny baiboly ary tsy mamela fampenarana na ray aza tavela!?

ny secte d zay ol na antoko pivavahana mifanohitra tanteraka @ nataony Jesosy t@ izy tety ambony tany!! ao@ filazantsara mamaritra tsara ny atao hoe tena fgn! fa maro ny ol miteny fa tsy zany fa zao! ary zay ol mihevitra ny momba ny atao hoe fgn reny no atao hoe secte!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1385