Sectes sy ny fivavahana tsotra?

41. librepenseur ( 27/04/2004 07:06)
Rehefa antokom-pinoana dia azo lazaina hoe secte. Ny Romana sy ny Grika tamin'ny androny dia efa nanana ny religion d'Etat.

Ny kristianisma vao hiforona no azo lazaina hoe secte tamin'izany satria mivoana tamin'ny finoana efa nisy, izany hoe ny catholicisme primitif. Mbola tao koa anefa ireo Jiosy maro an'isa tamin'izany izay nanana ny maha-izy azy tokoa ka iza amin'ireo no azoazonareo ho antsoin-tsika hoe secte ?
42. fijo ( 27/04/2004 22:30)
manahirana sy mamparary loha anareo ny fivavahana ,tsotra aza mino sy aza mivavaka intsony dia hafaka ny olana.tsy sarotra akory izany
43. ikaretsaka ( 28/04/2004 03:03)
ja tsy maintsy misy these aloha vao atithese ry fiho an.. tsy maintsy mino aloha vao tsy mino!
44. librepenseur ( 28/04/2004 11:39)
ikaretsaka a ! diso ianao ! taloha ny olona tsy nino fa boribory ny tany ary miodina sy miodidina ny masoandro ! na i Galilé aza dia noelohin'ny fivavahana kristiana !
izany hoe TSY NINO vao NINO
45. hendry ( 28/04/2004 12:29)
librepenseur> azo avadika koa anie ny voalazanao e! taloha ny olona dia nino fa tsy boribory ny tany, taty aoriana izy ireo fa tsy nino hoe tsy boribory ny tany.
46. noemy ( 28/04/2004 13:37)
manao ahoana daholo ry namana isany mahafinaritra zany ady hevitra ato zany
zay aho vao hamaly nyteninao ry xxxxxx ny hoe misy vola aloa ve? enao nga tsy manao rakitra kay rehefa mivavaka ny stage ndray a!tsy itako ko! tsy misy boky vidina koa fa mihaino fapianarana zay no aharesy lahatra ahy t@radio de' t@ tele ny vola aloanao tsy ferana ny ahy klony ze foiko e! inona ny maharatsy raha bebe na tsy manana ko aza tsy voatery vola aloha amikoe! zay vao tsroko fa ny olona zay te ho mptory no miofana na te ho mpitandrina misy fitsapam pahaizana avy eo misy stage atao
47. tia_ery ( 29/04/2004 07:25)
Sarotra ny entina hamaritana azy io; fa raha tsy hijery afa tsy ny Baiboly isika dia ny fivavahana izay narahina niaraka tamin'ireo mpianatr'i Jesosy dia nantsoina hoe ''secte'' (cf Asan'ny Apostoly); eny fa na dia ny fiantsoana sy fanomezana ny anarana hoe ''Kristianina'' aza dia zary anarana fanesoana tamin'izany andro izany.

Raha ny Baiboly no tena hiaingana dia misy hevitra roa no fonosiny,

1° hevitra niainga avy teo amin'ny fiarahamonina nisy, nisy ireo finoana izay natajanka dia nisy taty aoriana finoana kelikely, mety ho avy ao anatin'ilay efa nisy io no nipoitra na tena vaovao mihintsy, dia izay no natao hoe ''secte''. Izany hoe rehefa tsy manaraka ny efa misy dia ''secte'' daholo no hilazana azy. Io teny io tsy dia any amin'ny teny latina sns... loatra no tsara handinihina azy fa fisainana ary principe philosophique io, ka any angamba no tokony somary hanompanana ny fandinihana.

2° Ny heviny faharoa dia ireo izay manao fampianaran-diso sy mitondra fampianarana diso.
Io ilay antsoina amin'ny hoe ''héresie".

fa ny tsy azo ampitoviana kosa aloha dia ny hoe CHARISMATIQUE sy ny SECTE ê! Samihafa ireo ary tsy misy hifandraisany velively.

Sôtra ê!


48. librepenseur ( 29/04/2004 08:45)
Fa angaha moa nisy nanontany ny momba ny CHARISMARIQUE teo ?
49. tia_ery ( 29/04/2004 14:58)
Ie tsisy nanontany fa mba tiana hanindriana ny adi-hevitra fotsiny. Sujet de reflexion !!!

Fa izahay aloha tsy ao anatin'ny FFKM na ny FJKM nefa ny Pasiteranay no Président du Conseil d'Administration an'ny Fikambanana Mampiely Baiboly eto Madagasikara izay ahitana an'ireo Fiangonana sy Fikambanana maro tokoa ê!

Sôtra ê!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.166