Sectes sy ny fivavahana tsotra?

21. noemy ( 20/04/2004 11:25)
eny ary ry alz rehefa mivavaka dia misaora aloha an Anandriamanitra isaory azy daholo zay zavatra nandalo teo @ fiainanao na tsra , naratsy avy eo mifona satria olona isika tsy azo atao ny manamarintena avy eo ifonana @ anaran iJesosy an lay zanak andriamanitrazay mbola mifona ho antsika eo antanana ankavanan Andriamanitra atramin izao avy eo angatao lay Fanahy Masina hitaridalana zay vao mivavaka mangatapitahiana hoan ny ankohonanao oh: na namanao farany ny anao farano @ Jesosy Amena raha tsy mety 2 koa enao angatao @ zany fa ho mety saingy zao arao finoana ny tena Andriamanitra delay namorina za
22. noemy ( 20/04/2004 11:28)
Jehovah no anarany rain iJesosy kristy
23. noemy ( 20/04/2004 11:38)
eny hoa ra maso a! haiko fa tena izaho mihitsy io andrasanareo io misy maharaka lesona be reto olna reto kity hihihi ny an i xxxxx iodia tena marina zay mihitsy ry xxxx a! no tena izy fampianarana mifanohitra @ ny ani Jesosy Kristy ka de diniho tsara zany manomboka anio hoe mitovy ny ao @ baiboly ve ny itako reto sao lany andro manaratsy eto fotsiny sika sa ahoana misaotra
24. alz ( 20/04/2004 14:29)
Noemy,
Raha ataoko in-telo isan'andro ve ireo toro-hevitrao mety ho avotra ihany ny fanahiko raha tonga le fara-andro?
Misaotra anao ranabavy ao amin'ny tompo.
25. hendry ( 20/04/2004 14:32)
O ry reto a! lany andro sika rehetra raha hiady hevitra @ zao sectes sy tsy sectes rehetra zao, ny tsara indrindra dia mijanona @ finoana ananany, mandinika sy mandalina raha mbola misy tsy hay mba hahalalana ny finoanao marina dia zay, fa raha ilaozana hihaino sy hanaraka zao karazam-pivavahana mipoitra rehetra zao lany andro eo ary lasa sady tsy an´ny atsy no tsy an´ny eroa.
Aleo fidèle @ an´ny tena e!
26. hendry ( 20/04/2004 14:36)
Ny tsy ampy kil ihany koa anie no miantso sy mitady kil e! Ohatran´ny resa-barotra rehetra ihany io, rehefa hita fa vitsy ny mpanjifa dia mitady fomba ahafahana mitarika ny olona hanaraka. Ny ahy dia tsotra fotsiny: Raha mbola tsy sure @ finoanao enao dia ezaho fantarina tsara ny finoanao mba tsy hampiozongozona anao, fa tsy taitaitra @ zay mpitory sy mpanala devoly rehetra hitanao mandalo.
27. xxx ( 20/04/2004 16:51)
Tsy ifamaliana ny finoana, fa samy manana ny azy ary samy manana ny tiany. Samy te-ho marina amin'ny tsangan-keviny daholo. Raha tsy izany dia fiangonana iray ihany ary filoha iray ihany no nitondra teto an-tany. Na ny mpiray fiangonana aza mbola miady sy tsy mitovy tsangan-kevitra.
28. ikaretsaka ( 20/04/2004 20:08)
ka andriamanitra firy izany no tompoina? nga ny tsangankevitra io raha tsy ilay bandy inoana
29. noemy ( 21/04/2004 11:22)
alz zany mihitsy taha k ianao misakafo io an ! tahak io koa ny Fanahy mila vavaka tsara ny intelo na miotra fa ny fivavaky ny marina mahery indrindra mino aho fa raha tena @ fonao io voaaro
ianao mazotoa
lazao daholo re ry hendry zay tinao a! fa za anie mihaino de mihomehy fotsiny hihihi
marina zany ry xxxx
sode mba tsy rarinylotra ry ikaretsaka fa de nahoana no atao hoe le bandy Jehovah io ny anarany raha tsy tianao ny hanonona azy hoe Andriamanitra e!
30. hendry ( 21/04/2004 16:32)
noemy> mahafinaritra ahy enao rehefa mihomehy fotsiny.
Fomba fijeriko ny resa-pivavahana misy @ ankapobeny io. Na enao aza ve tsy mba d´accord @ hoe: amporisihina ny olona handalina ny finoana zay anananay mba hampitombona azy tsara @ iny finoany iny? Fa ny fitarihana azy @ antokom-pinoana hafa anie manjary mahatonga azy tsy ho an´ny sady tsy an´ny aroa raha toa izy ka mbola tsy nahafehy ny azy nefa tolorana zavatra hafa vaovao sahady e.
31. ikaretsaka ( 21/04/2004 17:58)
izay mihitsy...
32. noemy ( 22/04/2004 13:17)
o ramaso a!sao de tsy rariny lotre e! mba matahora an Anandriamanitra ka tsy hiresaka tsony aho fa miteniteny foana nareo ka! aiza ve fa angaha raha tsy ita izy de atao tahak io mba aza manao an io re e! ialako nareo ndrindra ianao ramaso fa tena tstssss lasa ko za ny fali2 lalandava no tiakoatao raha mbola azo atao koary hendry rehefa avy eo ndray fa tena gina and ramaso aho marina
33. fijo ( 22/04/2004 22:29)
tsy misy izany ry noemy an.tsaho io
34. ikaretsaka ( 22/04/2004 23:04)
inoan no maha gina anao amin-dramaso ry noemy? mandehana any atsimo ary mihainoa ireny hira rafindraony irney fa marina kosa izany lazainy izany.. ireny manao hoe Rajesosy sy Ramaria sy rapetera
35. xxx ( 23/04/2004 07:29)
Namana Noemy, misy boky tsy maintsy ho vidiana ve, misy stages tsy maintsy atao, ary misy vola tsy maintsy aloha (ampahany amin'ny karama) amin'ilay fivavahanao io?

Afaka mamaly am-pahamarinana ve ianao?

Misaotra.
36. hendry ( 23/04/2004 14:54)
ny ahy ny mba fanontaniako dia hoe: inona kay noemy ny mi-motiver ny mpivavaka ao aminareo ho lasa mpitory mafana fo?
37. ikaretsaka ( 23/04/2004 22:31)
misy hono ampitahorin'i pasitera @ ilay feo amboamboarina.. misy ampitahorina afobe sns...
aleo Ramaso ny hanazava azy fa ;lery no specialiste @ io secte et societe io
38. librepenseur ( 26/04/2004 07:22)
Ny an\'i Fijo no iraisako hevitra, mbola asiako fanampiny vitsivitsy:
- Ara-tantara dia secte manoloana ny fitondrana Romana tamin\'ny fotoan\'andro ny christianisme, rehefa nihamaro ny adeptes chrétiens ary nisy ny persecussion maromaro dia lasa religion d\'Etat ny christianisme.
- Raha dinihina koa dia betsaka ny point commun misy amin\'ireo lazaina fa secte sy tsy izy. Izao anefa: raha tena mifototra amin\'ny fivavahana marina ny mpino kristiana milaza fa tsy secte dia ho hita miandalana fa ho lasa secte koa izy ireo.
- Tsy dia hain\'ny olona ny tena famaritana sy fanavahana ny secte kanefa rehefa finoana dia azo lazaina ho secte daholo satria: misy fomba manokana, finoana manokana, foto-kevitra sy foto-pisainana manokana, sns...
39. xxx ( 26/04/2004 22:58)
dia hitako tary ambonimbony tary ny fanazavana ny hoe secte ilay tenin-dramaso:

"Avy amin'ny teny latinina hoe Secta izay midika hoe misaraka;
ny atao hoe secte dia fikambanana na fiangonana kely anakiray izay niala tamina fiangonana lehibe ary nanorina ny azy manokana."

dia nisy hevitra hoe: (ilay logikany no alaiko eto an_):

-Raha Kristianina ianao nefa tsy manaja ilay Kristianisme sy ny fototra hatrany @ ilay Kristy nanorina azy sy nametraka azy t@ apostoly sy ny dimbiny fa naka sasantsasany dia novainao araka ny feeling anao dia secte kristianina ianao izay..

-Raha judaiste na silamo ianao na Boudhiste na Indou na Tao na nazi .. ka novainao ilay tena fototr' ireny foto-piasainana ireny ka nanamboatra azy araka ny revinao fa tsy ilay namoronan'ilay tena namorina azy dia secte koa ianao izay.

-Tsy fiangonana ny hoe romanina na foto -kevitra fa fitondram-panjakana.
ny kristianina raha niala romanina dia niova tateraka mihitsy ny fotokevitra ninoany fa tsy hoe avy ao @ romanisme akory no nivaky dia hoe romanina "evolue /reforme" sanatria

-Ny olona niala ka nanao "reforme" anefa dia tadidio fa "nijanona ho Kristianina " ihany fa novaovainy fotsiny=manamafy ilay definition ana secte voalazan-dramaso

Daonko... (tohizo)
40. xxx ( 26/04/2004 22:59)
dia hitako tary ambonimbony tary ny fanazavana ny hoe secte ilay tenin-dramaso:

"Avy amin'ny teny latinina hoe Secta izay midika hoe misaraka;
ny atao hoe secte dia fikambanana na fiangonana kely anakiray izay niala tamina fiangonana lehibe ary nanorina ny azy manokana."

dia nisy hevitra hoe: (ilay logikany no alaiko eto an_):

-Raha Kristianina ianao nefa tsy manaja ilay Kristianisme sy ny fototra hatrany @ ilay Kristy nanorina azy sy nametraka azy t@ apostoly sy ny dimbiny fa naka sasantsasany dia novainao araka ny feeling anao dia secte kristianina ianao izay..

-Raha judaiste na silamo ianao na Boudhiste na Indou na Tao na nazi .. ka novainao ilay tena fototr' ireny foto-piasainana ireny ka nanamboatra azy araka ny revinao fa tsy ilay namoronan'ilay tena namorina azy dia secte koa ianao izay.

-Tsy fiangonana ny hoe romanina na foto -kevitra fa fitondram-panjakana.
ny kristianina raha niala romanina dia niova tateraka mihitsy ny fotokevitra ninoany fa tsy hoe avy ao @ romanisme akory no nivaky dia hoe romanina "evolue /reforme" sanatria

-Ny olona niala ka nanao "reforme" anefa dia tadidio fa "nijanona ho Kristianina " ihany fa novaovainy fotsiny=manamafy ilay definition ana secte voalazan-dramaso

Daonko... (tohizo)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3016