Fialan-tsasatra

1. kally ( 15/04/2004 13:26)
Hono ho'a iza no tianareo Foulpointe sa Nosy Be?Fa maninona?Dia aiza ny hotely falehanareo hitanareo hoe tsara?
2. oully ( 15/04/2004 13:41)
Samy tsara daholo fa "Manda Beach" no hotely tsara raha ao Foulointe ary "Nosy be Hotel" na "Villa blanche" raha ao Nosy Be.
Nosy be aloha no tena nahitako tsirony raha ho ahy manokana.
Bonne vacance kally ah !!!!
3. ikaretsaka ( 15/04/2004 22:28)
manda beach aloha tsar araha foulp.. dia i villa blanche .. I nossy be somary lafolafo fiainana kely noho i foulp koa.. surtout ny cafe
4. fijo ( 15/04/2004 23:31)
ie nosy be lafo fa be hotel tsara
5. karinahbk ( 16/04/2004 05:17)
ny ahy ndray aleoko mandeha ao majunga tonga dia ao amin'ny hotel du phare fa ny problème ao tsy misy piscine dia aleo ihany ao amin'ny la piscine na zahamotel
fa raha nosy be indray dia ao @ villa blanche no tsara raha foulpointe tsy dia hitako izay tsara tao.
6. fijo ( 16/04/2004 23:51)
nosy be tsara fa lafo ka
7. kally ( 17/04/2004 08:41)
Ny ranomasin'i Foulpointe hono tsy azo anaovana plongée fa misy requin,marina ve izany?Voafetra lasa tery kely fotsiny izany ny rano hilomanosana?
8. oully ( 17/04/2004 09:38)
Tsy mbola henoko ndray zany ry kally fa ilay izy tsy manonja fotsiny no tsy hitiavako azy nefa mbô hoe ranomasina. Indrindra moa rehefa misintona zay ny rano. Fa arakarak'izay tianao ihany eh.
Ilay any Nosy Be indray, indrindra ilay eo Villa Blanche, tena manja. Fa misy tsininy ihany koa fa be meduse be fa tonga dia omany ny crème.
9. kally ( 17/04/2004 13:24)
Misaotra Oully a! toa tsy hita be ny ihany izy izany kah!Asa angamba dia hikisaka any Majunga indray angamba!
10. jhouhlambout ( 17/04/2004 16:35)
kally> I Foulpointe manana Barrage NATUREL Ka tsy misy atahorana ny requin raha tsy mihoatra ilay barrage ianao!!
11. ikaretsaka ( 18/04/2004 00:42)
ny ranomasin'i fpilpointe midy corail (barrahe naturel)
dia tsy mahery ny onja ary ohatran'ny heo rano ao anaty koveta ilay izy .. ny requin tsy tafiditra @ corail fa olona no nampiditra azy ao matoa izy tafiditra na nisy lavaka ilay corail..
12. kally ( 18/04/2004 13:49)
Ka sao dia sanatria misy lavaka iza no mahita?Fa misaotra daholo aloha namaly e!
13. jhouhlambout ( 18/04/2004 16:59)
paranoiaque!
14. oully ( 19/04/2004 08:51)
Raha ao Majunga njay dé ao Amborovia mandé, tena manja.
Maha te hanano vôkansy izy zany !!!!
15. ravatorano ( 19/04/2004 09:14)
za zao nitondra ny zanako tany foulpointe fa raha nosy b tena lafo loatra ka tsy ho tafaraka any indray mandeha izahay.
any foulpointe kouh ne milay na dia tsy hiditra hotely azany e fa mitondra gaz sy ny sisa.......dia maka bungalow fotsiny dia amizay ianao afaka mifidy tsara ny kally handrahoina sy ny tena trondro frais vao mivoaka ny ranomasina
16. kally ( 19/04/2004 09:35)
Mahafinaritra kosa izy izany Ravatorano.Mampilendalenda sahady!!!!
17. fijo ( 19/04/2004 23:01)
foulpointe tsara sady azo antoka ny rano fa tsy misy atsantsa izany.saingy tandremo fa misy courant sous marin matanjaka be eny akaikin'ilay corail,nosy be indray dia lavitra ny tanana daholo ny hotely,fa tsy olnana raha misy fiara,ary majunga dia misy fotoana ilay rano tsra fa matetika miakatra sy ratsy izy ny aprem.
18. oully ( 20/04/2004 09:06)
Ny toetr'andro tsara hanaovana vacance any indray dia manomboka ny volana Octobre Novembre iny. Mifidy andro izay tsy mahabe olona loatra amin'zay an'i kally daholo ny ranomasina :)
19. ikaretsaka ( 20/04/2004 11:17)
fa raha hijerijery sipa i kally dia ilay volana aout iny
20. booboo ( 20/04/2004 11:33)
ary any atimotimo any angah tsy tian'i kally ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.087