Mombamomba : ilaina ve?

1. hery ( 12/04/2004 06:13)
Aleo tsorina ohatran'izay ny resaka. Misy olona manoratra aminao, dia mba te hijery ianao hoe aiza izy no mipetraka, firy taona, lahy sa vavy, alohan'ny hamaly... Nony jerenao anefa ny mombamomba azy dia tsisy ninon'inona... mbola tsy nameno ny mombamomba azy ranamana. Dé ahoana fotsiny?

Koa ireto ary misy safidy anakiroa dia teneno ny hevitrareo.

1. Avela amin'izao dia izay te hameno ny mombamomba azy no mameno.

2. Tsy maintsy mameno ny mombamomba azy ny namana vao afaka manoratra hafatra sy azo anoratana hafatra.

Iza amin'ireo no tianareo? Amin'ny faran'ny volana avril aho no manapakevitra arakarak'izay valiny voaray eto.
Misaotra
novalian'i hendry ny 03/05/2004 17:39
2. aristar ( 12/04/2004 09:13)
Tsy misy antony ny hoe "Tsy maintsy mameno ny mombamomba azy ny namana vao afaka manoratra hafatra sy azo anoratana hafatra" satria afaka fenofenony fotsiny ary tsy afaka mandinika ianareo na marina na tsy marina izay nolazainy.
Amiko dia rehefa misy manoratra amiko ka tsy fantatro na lahy na vavy na avy aiza na avy aiza dia mandeha any @ /dev/null fotsiny ilay hafatra ary sakanako ilay izy @ manaraka
3. kitjo ( 12/04/2004 14:41)
aleo aloha mameno farafaharatsiny mba ny toerana misy sy ny oe lahy sa vavy
4. ikaretsaka ( 12/04/2004 22:47)
sady fianarana mampiseho ny maha izy azy koa izay.. na ny maha tsy izy azy
5. rfanjav ( 13/04/2004 06:13)
Raha ho ahy indray, avelao @ izao fa aza terena izany e !

"plus on s'écrit, plus on se connait"

sady na hanery eo aza ianareo vao maika io fenoin'ny sasany diso eo !

Safidy voalohany izany !
6. rfanjav ( 13/04/2004 06:15)
Raha ho ahy indray, avelao @ izao fa aza terena izany e !

"plus on s'écrit, plus on se connait"

sady na hanery eo aza ianareo vao maika io fenoin'ny sasany diso eo !

Safidy voalohany izany !
7. laloa ( 13/04/2004 09:00)
Izaho kosa aloha manaiky fa tena ilaina ny famenona ny mombamomba satria eo no ahitana fa matotra marina ilay mameno na tsia , azafady @ izay tsy maneno anefa .
8. booboo ( 13/04/2004 09:37)
vato fanampiny ny an'ilay safidy faha 2 o !
9. hendry ( 13/04/2004 12:25)
Ny ahy ny hitako mahatsara azy dia ovaina ny fomba famenoana ilay mombamomba ny tsi-1. Atao ohatran´ilay halava e! tsy préciser-na be fa atao à peu près. Ohatra hoe taona: entre 18 et 25. Tsy mila manome date de naissance feno satria toa misy menatra @ ilay taonany ny sasany. Ilay hoe fanampin´anarana aleo tsy voatery fenoina. Ny sisa tsy maninona.
10. rfanjav ( 13/04/2004 13:50)
Ary ilay mombamomba fanampiny tsy maintsy 100 caractères minimum, ...
11. nenitiana ( 13/04/2004 21:35)
Raha amiko indray dia ilaina ny famenoana ny mombamomba, tokony hahatsapa tena ny tsirairay fa tsy andrasana terena akory. Ary tokony hasehontsika eo fa mahay mifanaja sy azo atokisana ny malagasy na aiza na aiza no misy azy. Ny feon'ny fieritreretana no mibaiko azy . IF YOU DO GOOD , YOU DO FOR YOURSELF. IF YOU LIE YOU LIE FOR YOURSELF. Izay rehetra atao koa misy valiny avokoa ka anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra.
12. ikaretsaka ( 13/04/2004 22:09)
iroe efa voaza iroe koa ny hevitro
13. fijo ( 14/04/2004 00:04)
amiko dia misy tokony hofenoina.hoatra ny toerana misy,lahy na vavy,ary raha hita fa mamitaka izy amin'ireo dia tokony esorina
14. samoina ( 14/04/2004 09:06)
Ny hevitro manokana dia izao:
misy ny période d'essai hitsapan'ny namana ilay serasera ka tsy tokony hanerena azy hilaza ny mombamomba azy .
Izaho anisan'ny tsy nameno azy io t@ voalohany satria zo-ko koa ny mba mitsapa hoe sahaza ahy ve ity seraseran'ny namana ity. Nony tsapako taty aoriana fa tsy mahasosotra dia niditra @ lalindalina @ izay ary nande ho azy fa tsy nisy nanery ahy hameno ny "mombamomba"
Toy izany koa dia ekeko fa zo-n'ny tompon'andraikitra serasera ny mampameno ny mpikambana io "mombamomba "io rehefa dila ny période d'essai eritreretiny fa ampy handraisan'ny tsirairay fanapahan-kevitra ny hiroso lalindalina ho namana na hitsahatra tsy handefa na handray hafatra intsony ( saingy afaka mamaky ireo lohahevitra ihany izy na izany aza ).
15. fijo ( 16/04/2004 19:56)
hevitra mety koa iny fanomezana fotoana handinihana iny.koa raha ny hevitro dia omeo 3 volana ny tsirairay hisainany fa vita izay dia mba tokony hanaraka ny lalana fototra ato amin'izay izy fa manjary manelingelina ny sasany,tsy dia mitaky zavatra be anie izany e,fa mba mila fifanajana fotsiny.
16. hery ( 16/04/2004 22:28)
Mbola tsy tapitra ny volana handraisana fanapahan-kevitra fa amboariko kely ny hevitra...

Momba an'ilay essai.

Azo atao tsara ny mandainga amin'ny voalohany (io ilay essai) dia rehefa tonga ny fotoana mila hoe matotra fa tapitra ny essai dia miditra ao amin'ny mombamomba anao fotsiny dia avy eo ovaina.

Sady izao.
Misy options [Hafa] daholo ireo zavatra somary manahirana (asa, ny zavatra tadiavina, fari-pahaizana) koa azon'ny namana atao tsara ny mametraka hoe hafa rehefa tsy tiany tena holazaina ny mombamomba azy amin'ny voalohany. Ilay izy blanc fotsiny no tsy dia azoazoko.
17. voninkazokely ( 19/04/2004 14:12)
Ilay hevitra voalohany: izay te hameno mameno , izay tsy te hameno tsy mameno tsotra izao !
18. fijo ( 19/04/2004 23:43)
misy tsy fifanajana izay ka ratsy.
19. faravavy ( 22/04/2004 12:10)
aleo fenoina fa ny ahy eo @ny fanontaniana no mba tiako hisy fiovana satria tsy hitako izay hidiran'ny alavana sy ny farimpahaizana @ny fitadiavana namana.Mazava ho azy fa ny ankabeazan'ny gasy rehetra dia fohy!!!ah!ah!ny kilema koa tsy hitako ny antony hilazana izany dieny mialoha fa mampandositra ny sasany fotsiny.Amiko ny tena hilaina dia ny fanontaniana tsy manintona ny sasany handainga avy eo moa samy manana ny heviny ka eo indrindra no mety hanintona na hanosika ny fifandraisana.Ny heviny no hahitana ny tena maha izy azy sa ahoana.
Hevitro manokana io fa avereno amiko raha tsy tianareo e!!!
20. six ( 29/04/2004 09:24)
ie mety foana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2542