NY fitiavana @maha Fitiavana azy

1. shaik ( 09/04/2004 12:41)
Avy aiza moa isika? moa tsy nateraka avy @fitiavana? Noho izany dia maro ny zavatra azo resahina momba ny fitiavana saingy ny tiako tsindrina dia ilay tena fitiavana avy @ olombelona ; misy karazany maro koa anefa io fitiavana io ao ny fitiavan' olona 2 ( lahy sy vavy), ao ny fitiavan-janaka , ny fitiavan-dray aman-dReny, ny fitiavana ny namana sns....
Saingy rehefa no alainina ireo dia mifono zavatra 1 ihany ka io no tiako raha voavalinao .Misaotra mialoha
novalian'i fijo ny 02/06/2004 00:29
2. ralipo ( 10/04/2004 05:43)
Fitiavana = Fiainana
3. shaik ( 10/04/2004 05:56)
Misaotra anao aloha ralipo namaly a! marina tsy azo lavina ny valin-teninao saingy tadidio fa anisan'ny singa iray lehibe ao anaty ny fiainana ny " fitiavana" ka io fitiavana io no tiako ho resahina hoe inona marina no tena fiatiavana @ maha fitiavana azy ;Marina fa tsy mandeha ny fiainana raha tsy misy ny fitiavana saingy fitiavana ohatry ny ahoana?,,
4. nonoh ( 10/04/2004 08:14)
Marina ny anao fa rehefa alalinina dia iray ihany ny fitiavana satria manome fitia ho an'olona ianao . na olon-tian , na zanaka , na ray aman-dreny , fitia omena izany . Izay no maha iray azy .
5. shaik ( 10/04/2004 12:03)
Raha ny resaka fitiavana aloha no ho alalinina dia tena sarotra e! satria marina fa iray ihany ny fitiavana izany hoe iray no nipoirany saingy ny fanehoana azy no samy manana ny azy na koa hoe ny fanehoana azy no maro , haka ohatra iray isika : ny fitiavan-janaka, mino aho fa efa maro @ nareo ny niteraka ka azonareo tsara izany hoe zanaka. Ny biby aza hono mahalala ny zanany ka maika fa ny olona? nefa averiko indray fa na iza na inona no hotiavinao dia tokony ilay "fitiavana @ maha fitiavana azy " no aseho ka inona ary io ????
6. kitjo ( 11/04/2004 10:09)
tsy azo faritana koa ny fitiavana
7. xxx ( 11/04/2004 10:36)
Ny \"fitiavana\"am fahalalako azy dia iray ihany,ary miainga avy amny zavatra hatao izy io ka eo no mampisampana azy maro,misy zavatra hataonny olontianao aminao nefa tsy ho vitan i dada na i neny mihitsy izany,tsy misy mahasolo an y olontianao izany raha ny tena marina fa izy afaka misolo ny rehetrarehetra tsy ampy eo aminao,dia izay ilay zavatra iray fonosiny araka ny fahalalako azy,satria ny fitiavan i dada sy neny no nahatoy izao antsika.
8. donemaskit ( 11/04/2004 16:26)
mifankatiava fotsiny ihany, aza mandalina be loatra...
9. nonoh ( 13/04/2004 09:48)
Arakarak'ilay fanehoanao ny fitiavanao no ahafahanao maneho ilay fitiavana @ maha fitiavana azy . Ohatra izany Fitiavan -janaka , dia asehoy @ maha fitiavana azy , raha olon-tiana indray dia asehoy @ maha fitiavana azy . Izany hoe miankina @ amin'ny fanehoana ny fitiavana izany no hanehoana azy .
10. shaik ( 13/04/2004 15:56)
Marina tsy misy diso tokoa izany ary io mihintsy matetika no mampifanditra antsika indrindra refa tena tafiditra ao antiny isika . Isika olombelona manko mazana tia vao ka io fitiavana vao2 io no manimba zavatra ka aleo ry reto hajaina io fitiavana @ maha fitiavana azy io a; raha tsy hiteny aho hoe fitiavana inona dia izao : ireto ireo zavatra mahafeno io tena fitiavana @ mahafitiavana azy io tsy ankanavaka na @ zanaka na @ ray aman-dReny na @ olon-tinao:
Fifanajana
Fahatokisana
Fifankahazoana ara-dresaka
Fifanakalozana
Fiononana
Ireo no zavatra lehibe fonosin' ny fitiavana ary io no maha fitiavana @ maha fitiavana azy
11. fijo ( 13/04/2004 23:21)
ny fitiavana dia haingam panahy tsy voafehin'ny saina,ary dia miantefa ami'izay efa voafantoka mialoha.rehefa samy ao anatin'io fitiavana io dia toa tsy misy ny manodidina rehetra.
12. fijo ( 14/04/2004 19:38)
tandremo anefa fa rojo mifehy koa izy io ka tsy ahafahana misaina tsara rehefa tratrany
13. kally ( 20/04/2004 15:45)
Ny fitiavana dia ilay hery misintona anao hanome ny tsara indrindra sy izay fara-tampony anananao,na olona na zavatra na inona io tianao io.
14. fijo ( 20/04/2004 21:41)
mifalia koa izay mandray azy e
15. shaik ( 21/04/2004 08:30)
Tadidio anefa koa fa izay tia adala saingy na eo aza izany dia ny fisainana hatrany no mitondra anio rehefa tsy ho entina @ fisainana ny fitiavana dia mazana mampanaonao foana ka io no mahatonga ny tsy fahalalana ny tena FITIAVANA eo @ tanora .Ny tanora manko hoe refa hitany oe milay ilay sipa na ilay bandy dia roboka eny fa na de tsy fantany akory hoe hatraiza ny mety hitiavany azy na hatraiza ny mety hitiavan'ilay olona azy, ary mazana ny fitiavana dia tsy miaraka na ilay leilay no tena tia na ilay vevavy ka eo no tsara aseho ilay fisainana mba tsy hihitatra ho @ zavatra hafa
16. hendry ( 21/04/2004 17:18)
shaik> hadinonao fa ny fifandeferana koa ao anatinĀ“ireo fepetra voalazanao etsy ambony ireo.
Efa voalazanareo ny famaritana ny fitiavana fa ny anampiako azy dia hoe: raha tena mifankatia hono dia tokony hoe raha voakitika ny iray dia tohiny ny iray, zany hoe raha misy zavatra mahazo ny iray dia mahatsiaro teny ho niharana koa ilay iray.
17. fijo ( 21/04/2004 22:18)
kay ve?
18. mimita ( 22/04/2004 19:53)
tsy misy hono ny fitiavana ra tsy mifampatoky,tsy misy nefa ny fifampitokisana ra tsy mifanaja!noho izany aoka samy hifanaj ny ny lahy sy vavy
19. fijo ( 22/04/2004 20:26)
eny ary fa ianareo sipa ihany anie no mivaralila amin'io e.
20. hendry ( 23/04/2004 14:49)
odry!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099