aiza ny maha malagasy?

1. ramoul ( 02/04/2004 11:56)
Maro amin-tsika no manontany tena hoe" aiza ny maha malagasy an-tsika?"
Raha mba misy mahafantatra hoe aiza ho aiza dia mba valio fa ny tenako zao dia lina ny amin'ny maha malagasy ahy.
novalian'i ramoul ny 30/04/2004 19:16
2. ravatorano ( 02/04/2004 12:11)
fantaro aloha le hoe maha malagasy ny malagasy fa tena ho lalina be ny adihevitra mantsy.
Ny soatoavina malagasy dia mifototra amin inn fa izany dia hitarafana taratra ny maha malagasy anao.
K amiandry anao zany ramoul fa lasa fanontaniana mivaly fanontanina izany zao ty
3. ikaretsaka ( 02/04/2004 19:39)
zay mihitsy aloha
4. ralipo ( 02/04/2004 23:44)
Eo @ kara-panondro no misy ny maha malagasy ny oln iray.
Fa raha ny fomba amam-panao sy fihetsika ary fiteny dia samy manao ze fahitany azy, tsy misy hifanomezan-tsiny io fa zay le fandrosoana koa ka hoy aho hoe : Fisaka ny maha-malagasy ka saro-tadiavina.
5. ramoul ( 03/04/2004 23:17)
Marina daholo izay rehetra noteneninareo teo fa salingy ny tena izy dia ao anatin'ny tena tsirairay avy no misy ny maha malagasy an-tsika,fa dia misaotra anareo rehatra namaly ny fanontaniako.
Izay fietsika izay fotsiny dia ahafantarana fa ny malagasy dia mbola samy mifankatia na dia eo ary ny tsy fifankahalalana.Miasaotra betsaka
6. ravatorano ( 05/04/2004 08:13)
misaotra anareo fa izao fotsiny oahatran ny nafitinareo le resaka fa miko tsy ny anati karapanondro no ahafahana na mamaritra ny maha malagasy ahy .Izao matsy i Abdul na i Jessy dia mizaka ny zo pirenena malagasy nefa azo lazaina ary v fa tena manana ilay fototra maha malagasy ny malagasy izy satria efa mana karapanondro gasy ?
Ny toetsaina malagasy kosa aloha efa niova be indrindra rehefa tonga nanjanaka teto amitsika ny vahiny.amizao moa dia voalaza fa tokony hanaraka ny fandrosoana koa ny fomba amampanao .ny riba , ny soatoavina amin ny ankapobeny izay naha malagasy ny malagasy.
7. ramoul ( 05/04/2004 14:00)
manohina ny hevitrao zaho ry ravatorano,satria maro ireo izay tsy zanatany malagasy manana kara-panondro malagasy;kanefa tsy manana ny tena maha malagasy azy eny fa na dia mahay miteny gasy ary izy.
Manana ny kara-panondro maha malagasy azy izy fa tsy manana ny fomba amam-panahon'ny tompon'ny tany izay manana ny maha izy azy.
8. rfanjav ( 05/04/2004 14:40)
Za ohatra ny mieritreritra hoe ny tena maha-malagasy antsika d nijanona tany @ génération-dry dadabe sy bebe, na vitsivitsy eo amindry dada sy neny,

fa @ izao toa ifaninanana mihitsy le hoe maharaka fomba vahiny eto amintsika !
9. fijo ( 05/04/2004 23:44)
ny karapanondro dia tsy midika inona.izaho oh manana karatra frantsay fa tsy hafaka ny hiteny mihintsy hoe tena frantsay.toa izany koa ireo manana karatra gasy ny toe tsainy tsy gasy mihintsy.any ambanivohitra dia mbola hita ny maha gasy ny gasy saingy mampalahelo fa ambanin'ny sasany nahita fianarana izany.
10. ikaretsaka ( 06/04/2004 03:19)
ka io le sady hoe manampy no mamotika ny fianarana rehefa tsy hay ny mampiasa azy
11. ralipo ( 06/04/2004 04:18)
Ka niova indray nge zany Laza-adina e? Inona no fototra "base" maha-malagasy?
De mbola azo ampiana hoe:
- Ara-panjakana?
- Ara-kolotsaina (Fomba amam-panao)?
- Ara-piaraha-monina (ara-pirazanana) satria tadidio fa mpiavy daholo ny Malagasy tsy nisy "autochtone" izay notiana ambara fa ndrao misy mihevitra zavatra hafa?
12. ramoul ( 06/04/2004 11:52)
Izaho dia manohina ny hevitry rfanjav satria isika ankehitriny dia eraha-malala fa nahita fianarana avokoa fa saingy tsy mitana ny maha malagasy toy ny taolo tsony fa naleon-tsika nandray ny fomban'ny firenena any ivelany.Mampalahelo nge izay hoe very foman-drazana izany é! tena mampalahelo satria ts hita intsony izay maha gasy ny gasy.
13. ravatorano ( 06/04/2004 12:39)
angamba tsy d hoe nandray ny fomba avy eny ivelany , fa nahita de nasesika tao andoha ary dia nasaina nampiarina >Io koa dia mety misy fahadisoan ny R@R ihany amin ny fampianarana ny ankizy hahay handanjalanja ny fo;ba amampanao vahiny sy ny an ny tena fa manjary ny an ny tena indray no hamavoana.
Miakina amin ny fanabeazana ihany io satria raha tsy ampianarinao ny ankizy ny fomba amampanao malagasy , ny hanitra nentin drazana d, ny soa toavina dia ho lazainy fa manompo sampy ianao , inn ze riba malagasy any fa efa ilaozan ny toetra andro
14. hendry ( 08/04/2004 13:30)
raha ny hevitr´i ralipo anie zany no dinihina dia tsisy maha-malagasy zany e satria izy milaza fa mpihavy daholo ny gasy, ny maha-malagasy zany dia ny maha-izy azy ireo mpihavy ireo koa inona!
Iza avy ireo mpivahy ireo? portugais ohatra, dia na maha-portugais ny portugais zany ny maha-gasy ny gasy, ny avy malaysie ohatra dia ny maha-izy azy ny avy any malaysie zany no maha-izy azy ny mponin´i gasikara, dia toy izany hatrany.

Dia ahoana ny vazimba raha izany ralipo? sa angano fotsiny zany?
15. ramoul ( 08/04/2004 20:36)
tsara mihintsy ny valim-panontaniana nomenareo,fa rehafa nanontany ny ray aman-dreny lehibe ny tenako dia izao no navaliny tamiko:
Ny maha malagasy ny gasy dia ny fomba fiteniny sy ny sainam-perenena izay miavaka amin'ny rehetra eny fa na dia eo ary ireo izay mitovy loko aminny.
Marina ny andry zareo satria ny tena malagasy tena malagasy tsy mifangaro (non metisé) no tena mahay ny teny malagasy ary tsy misy afa tsy ny malagasy ihnay no mahay ny hiram-pireneny na dia mbetsaka aza ireo vahiny izay mipetraka aty am-tsika miseho mahay.ekeko fa mahay izy ireo fa raha tena asaina ataony avokoa ny andininy voalohany ka hatramin'ny farany dia tsy ho ainy izany.ka io no hamantarana ny maha malagasy atsika tsirairay avy izay mahafantatra iny tenin-drazany.
16. fijo ( 08/04/2004 21:59)
marina io fa amiko ny maha gasy ny gasy dia
-ny teniny
-ny taniny
-ny saina mpireneny
-ary indrindra ny fomba amam panaony.io tsy hiarahantsika na amin'ireo manana taratasy gasy aza,isika irery no mahay sy manaiky an'io
17. ralipo ( 08/04/2004 22:37)
hendry> Manahirana ny resaka tantara indrindra fa raha ny lova-tsofina no betsaka satria misy foana ny "interpretation" ary miankina @ny "tendance" n'ilay mpitantara sy ny "methode d'approche" io, fa raha ara-tsiantifika aloha dia izay satria ny tantaran'ny vazimba dia teo analamanga ireo no nonina ary Andriamanelo no nanafika azy ireo, izany hoe samy mpiavy ireo fa ny fotoana nahatongavany no samy hafa.
Fa zao e io an-dRamoul sy Fijo io zao no vala-famaritana akaiky ny gasy na dia misy azy ireo "Peace corps" zay tsy gasy mihintsy nefa tena mahafeno ireo fepetra ireo.
18. ramoul ( 08/04/2004 23:00)
tsy azoko ny tian'ialy hambara ry ralipo
19. kitjo ( 09/04/2004 14:35)
fantaro ny zavatra rht d tano mafy izay tsara e
Ny gasy tsy mahay teny gasy zao amiko ohatra d oh ny oe manary ny mahagasy azy,
nddra fa ireo mody tsy mahay,
hafa ndray le oe teraka sy nipetraka taty ivelany foana, fa na znay aza misy mahay
Nefa tsy hiova vazah mitsy ko ange e,

Fa misy tkou ato oe 5taona hono izy nipetraka tao France, 25 taona izy zao, d tsy mahay teny gasy tsn...?????
20. ralipo ( 10/04/2004 04:52)
Resaka ery ambonimbony ery io ramoul izany hoe fiaviana sy fototry ny gasy ara-tantara.
Fa zao e! misy loha-hevitra "Fanagasiana" ary @ Hatsikana sy lalao ary!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6168