aiza ny maha malagasy?
41. ramoul
(
19/04/2004 19:33)
diso ny zavatra noteneninao ry xxxxxxx satria isika gasy tsy hitovy am'vazaha mihitsy na dia tsy hihinana olona intsony ary ny voary, marina fa hanovo fahalalana ny andehanan'ny gasy aty andafy fa na inona ataony na inona dia "JAMAIS" isika gasy ny hitovy amin'ny vazaha.Ary ianao zany dia anisan' ireo gasy aty andafy izay nanary tanteraka ny maha gasy anao.Mampalahelo
42. fijo
(
19/04/2004 23:09)
matoa aloha ilay XXX tsy sahy niseho dia mahamenatra azy ilay lazainy.
isika tsy ho vazaha na handoro hoditra aza.
ary ny vazimba dia tena nisy olona fohy izy satria ny olona taloha rehetra dia toa izay.jereo ny banto atsy afrika atsimo.ny lava indrindra dia 1.60m eo ho eo

44. hendry
(
20/04/2004 14:16)
Indrisy fa tsy mba misy sarim-
bazimba hojeren´ny taranaka aty aoriana. Amiko dia noheveriko fa angano fotsiny ilay izy hatr@ zay.
bazimba hojeren´ny taranaka aty aoriana. Amiko dia noheveriko fa angano fotsiny ilay izy hatr@ zay.
45. ramoul
(
20/04/2004 15:17)
Iangaviana izay manana sarim-bazimba mba hametraka izany eto fa misy ilaivana azy.
Misaotra tompoko
Misaotra tompoko
46. xxx
(
20/04/2004 15:39)
O ry XXXXX, zako eto XXXXX
Fa tena marina fa ny gasy te-ho vazaha. Jereo fotsiny ny fiakanjon-tsika raha ampitahaina amin'ny Japoney ohatra na ny tany arabo. Moa va tsy efa lasa vazaha. Ifanenjehana izany hoe mitondra ny hika farany tany an-dafy vazaha izany.
Mandainga daholo ireo miteny eo ambony ireo fa na ireo aza te-ho vazaha daholo ary mitomany milahatra maka ny pasipaorom-bazaha sy ny kararatra hizaka ny zon'ny vazaha. Misy aza ireo miaritra ny tsy mody 5 taona tsy ahita RR fa te-hahazo fizakan-tena Vazaha.

47. fijo
(
20/04/2004 23:23)
ny fananana ny pasport sy CI vazaha dia tsy midika hoe vazaha ny tena.maro isika no manana io ato fa tsy vazaha mihintsy ny toe tsain tsika.ny kolontsaina dia mbola gasy.aryizay fitafy.iny no hita aty,ka tsy manana safidy ianao.
48. ramoul
(
21/04/2004 13:02)
marina mihintsy izany ry fijo ary matoa ny gasy izay makaty an-dafy dia tsy mitady ho vazaha ary tsy ho lasa vazaha mihitsy fa ny antony andehanany aty dia ny hitady ny maha soa azy fa tsy hanary ny maha gasy azy.
49. fijo
(
21/04/2004 21:25)
izay no tena dia aty marina,ka aoka re ity fisalorana ny tsy an'ny tena ity e
51. kally
(
22/04/2004 14:34)
Betsaka ny mahagasy ny gasy e:eo aloha ny volon-kodiny sy ny fihetsiny:rehefa mandeha eny an-dalana ianao na mijery fahitalavitra ka mahita olona mivolon-koditra gasy dia hitanao @ fihetsiny fa tsy gasy dia hoy ianao hoe ohatry ny gasy e!Dia avy eo moa misy olona vazaha be izao izy jerenao nefa jerenao ny anarany gasy dia hoy ianao hoe hay ve ranona gasy e!dia ohatr'izay hatrany hatrany e!
53. tsilan
(
23/04/2004 15:53)
Marina ny an'i Fijo, ny gasy gasy foana.
Saingy tsy tokony ho gasy ireo menatra ny maneho ny maha gasy azy. Ary isika tokony hiezaka ny hifaka fa gasy.
Ilay hoe fitafy dia mahavariana tokoa fa ny Asiatika, ny Jiosy, ny Arabo, ny Indianina, ny Afrikana n'aiza n'aiza tany misy azy dia tsy menatra izy ny maneho ny fitafiny na dia atao aza hoe iray volana ao anatin'ny taona fotsiny. Fa tsy izay voalaza ary ambony hoe izay no misy aty.
Asa aloha eh, Ivandry moa tsy Madagasikara koa.

54. ramoul
(
24/04/2004 17:21)
ka na ho menatra eo ary ianao dia tsy ho lasa vazaha mihitsy fa mijanona ho gasy foana mandra-pahafatinao.Marina mihitdsy io voalazan' i tsilan io ary manaiky tanteraka an' io aho.
55. ramoul
(
28/04/2004 16:23)
fa ilay ho lasa vazaha moa midika inona eo amin'ny toe-batanao izay nanary ny maha gasy anao?
56. hendry
(
28/04/2004 18:11)
iza ary ilay miseho tsy ho gasy e? Ry zareo zao no tokony hiteny eto satria raha ny fahitàna azy dia miady ho gasy daholo zay niteny hatreto ary "toa" samy vonona ny hitazona ny mahamalagasy azy.
58. ramoul
(
29/04/2004 15:55)
hendry à! ilay miseho tsy ho gasy nge ireo manao ps xxxxxx ireo, ary ny sasany tsy sahy miditra satria tsy mahazaka ny zavatra izay miseho ato.
ry zareo reny no tena tsy sahy miteny hoe zah nge ka gasy fa ny mitondra titren-ny hafa no tiany, nefa ny azy tsy hainy mitondra fa mahamenatra azy. mampalahelo
ry zareo reny no tena tsy sahy miteny hoe zah nge ka gasy fa ny mitondra titren-ny hafa no tiany, nefa ny azy tsy hainy mitondra fa mahamenatra azy. mampalahelo
60. ramoul
(
30/04/2004 19:16)
ka mampalahelo nga lesy ry fijo ny mahita an-dry zalah hoe tena vôilikilika etsy sy ero é!
samy mba gasy ihany ve de hifanao ratsy?
samy mba gasy ihany ve de hifanao ratsy?